-
Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
20, 21. Ahoana no nifalian’ireo firenena nanodidina an’i Babylona, noho ny nianjerany?
20 Zato taona mahery talohan’ny nisandratan’i Babylona ho firenena matanjaka indrindra eran-tany, i Isaia dia efa nanambara mialoha ny ho fihetsik’izao tontolo izao eo anatrehan’ny fianjerany. Nanome baiko ara-paminaniana toy izao an’ireo Isiraelita izay nafahana avy tamin’ny fahababoana tany, izy: “Hataonao izao oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny, tsy ao intsony ilay tanàna volamena!
-
-
Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Nanjary nalaza be ho mpandresy sy ho mpampahory, izay nanandevo olona afaka, i Babylona. Tena nety àry ny nankalazana ny nianjerany tamin’ny “oha-teny” iray, izay niantefa voalohany tamin’ilay tarana-mpanjaka babylonianina—nanomboka tamin’i Nebokadnezara ary nifarana tamin’i Nabonida sy i Belsazara—izay nanapaka nandritra ireo andro be voninahitr’ilay tanàna lehibe!
-