FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 117
  • Inona ny Anjely?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona ny Anjely?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • “Fanahy Manao Fanompoana ho An’ny Besinimaro” ny Anjely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Manan-kery eo amin’ny fiainanao ve ny anjely?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Manan-kery eo Amin’ny Fiainantsika ny Anjely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ny Fomba Anampian’ny Anjely Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 117
Anjely mihira fiderana an’i Jehovah

Inona ny Anjely?

Valiny ara-baiboly

Mahery sady mahay lavitra noho ny olombelona ny anjely. (2 Petera 2:11) Mipetraka any an-danitra izy ireo, izany hoe any amin’ny faritra tsy hita maso. (1 Mpanjaka 8:27; Jaona 6:38) Antsoina koa hoe fanahy àry ny anjely.—1 Mpanjaka 22:21; Salamo 104:4.

Ahoana no nampisy ny anjely?

Noforonin’Andriamanitra ny anjely, ary nampiasa an’i Jesosy izy rehefa namorona azy ireo. Resahin’ny Baiboly fa i Jesosy no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra”, ka “izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita”, anisan’izany ny anjely. (Kolosianina 1:13-17) Tsy manambady ny anjely, ary tsy miteraka. (Marka 12:25) Noforonina tsirairay kosa ireny “zanak’Andriamanitra” ireny.—Joba 1:6.

Efa taloha ela be ny anjely no noforonina, tamin’ny mbola tsy nisy ny tany. “Nihoby” ireo anjely, tamin’Andriamanitra namorona ny tany.—Joba 38:4-7.

Firy ny isan’ny anjely?

Tsy resahin’ny Baiboly ny isan’izy ireo, fa lazainy fotsiny hoe be dia be izy ireo. Nahita anjely an-jatony tapitrisa, ohatra, ny apostoly Jaona, tao amin’ny fahitana iray.—Apokalypsy 5:11.

Samy manana ny anarany sy ny toetrany ve ny anjely tsirairay?

Eny. Misy anaran’ny anjely roa ao amin’ny Baiboly, dia i Mikaela sy Gabriela. (Daniela 12:1; Lioka 1:26)a Niteny ny anjely hafa hoe manana anarana izy ireo, nefa tsy nolazainy ilay izy.—Genesisy 32:29; Mpitsara 13:17, 18.

Samy manana ny toetrany ny anjely. Afaka mifampiresaka izy ireo. (1 Korintianina 13:1) Afaka misaina sy mieritreritra izy ireo, ary afaka manao teny fiderana an’Andriamanitra. (Lioka 2:13, 14) Afaka misafidy koa izy ireo hoe hanao ny tsara sa hanao ratsy. Nisy, ohatra, nanota ka nanaraka an’i Satana Devoly dia nikomy tamin’Andriamanitra.—Matio 25:41; 2 Petera 2:4.

Samy manana ny toerana tanany ve ny anjely?

Eny. I Mikaela arkanjely no mahery indrindra sy ambony indrindra amin’ny anjely. (Joda 9; Apokalypsy 12:7) Anjely manana toerana ambony koa ny serafima, ary mijoro eo akaikin’ny seza fiandrianan’i Jehovah izy ireo. (Isaia 6:2, 6) Anjely hafa koa ny kerobima, ary manana toerana ambony sy andraikitra manokana. Nisy kerobima, ohatra, niambina ny fidirana nankao amin’ny zaridainan’i Edena, rehefa voaroaka tao i Adama sy Eva.—Genesisy 3:23, 24.

Kerobima, miambina ny fidirana mankao amin’ny zaridainan’i Edena

Manampy ny olona ve ny anjely?

Eny. Ampiasain’Andriamanitra ireo anjely tsy mivadika, mba hanampy ny olona ankehitriny.

  • Andriamanitra no mitarika ny mpanompony amin’ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary mampiasa anjely izy rehefa manao an’izany. (Apokalypsy 14:6, 7) Samy mandray soa amin’izany na ireo mitory na ireo mihaino an’ilay vaovao tsara.—Asan’ny Apostoly 8:26, 27.

  • Ny anjely koa no miaro ny fiangonana kristianina tsy ho voaloton’ny mpanao ratsy.—Matio 13:49.

  • Mitarika sy miaro an’ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra ny anjely.—Salamo 34:7; 91:10, 11; Hebreo 1:7, 14.

  • Tsy ho ela ny anjely dia hiaraka amin’i Jesosy Kristy handringana ny mpanao ratsy rehetra.—2 Tesalonianina 1:6-8.

Manana anjely mpiambina ve ny olona tsirairay?

Manampy ny mpanompon’Andriamanitra ny anjely, kanefa tsy midika akory izany hoe misy anjely iray asain’Andriamanitra hiambina ny Kristianina iray.b (Matio 18:10) Tsy miaro ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny zava-tsarotra na fakam-panahy rehetra ny anjely. Resahin’ny Baiboly kosa fa matetika Andriamanitra no ‘manisy lalan-kivoahana’, izany hoe manome fahendrena sy hery mba hiaretana an’ilay zava-tsarotra.—1 Korintianina 10:12, 13; Jakoba 1:2-5.

Hevi-diso momba ny anjely

Hevi-diso: Tsara daholo ny anjely rehetra.

Ny tena marina: Resahin’ny Baiboly fa misy ireo “fanahy ratsy” sy “anjely nanota.” (Efesianina 6:12; 2 Petera 2:4) Demonia ireo anjely ratsy ireo, dia anjely nanaraka an’i Satana ka nikomy tamin’Andriamanitra.

Hevi-diso: Tsy mety maty ny anjely.

Ny tena marina: Ho ringana ny anjely ratsy rehetra, anisan’izany i Satana Devoly.—Joda 6.

Hevi-diso: Lasa anjely ny olona rehefa maty.

Ny tena marina: Zavaboary noforonin’Andriamanitra mivantana ny anjely, fa tsy olona natsangana tamin’ny maty. (Kolosianina 1:16) Ny olona atsangana ho any an-danitra kosa no ataon’Andriamanitra tsy mety maty intsony. (1 Korintianina 15:53, 54) Ho lasa ambony noho ny anjely ireny olona ireny.—1 Korintianina 6:3.

Hevi-diso: Natao hanompo ny olombelona ny anjely.

Ny tena marina: Ny baikon’Andriamanitra, fa tsy ny baikontsika, no arahin’ny anjely. (Salamo 103:20, 21) Na i Jesosy aza nilaza fa raha hangataka fanampiana izy, dia amin’Andriamanitra fa tsy amin’ny anjely mivantana akory.—Matio 26:53.

Hevi-diso: Afaka mivavaka amin’ny anjely isika mba hangataka fanampiana.

Ny tena marina: Anisan’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra ny vavaka. (Apokalypsy 19:10) Andriamanitra ihany no tokony hivavahantsika, ary tokony hataontsika amin’ny anaran’i Jesosy izany.—Jaona 14:6.

a Misy Baiboly mampiasa ny anarana hoe “Losifera” ao amin’ny Isaia 14:12. Lazain’ny olona sasany hoe anaran’ilay anjely lasa Satana Devoly, hono, ny hoe “Losifera.” Midika hoe “ilay mamirapiratra” anefa ny teny hebreo nampiasaina eo. Asehon’ny andinin-teny manodidina koa fa tsy i Satana no tiana horesahina eo, fa ireo mpanjakan’i Babylona, izay nanambony tena ka haetrin’Andriamanitra. (Isaia 14:4, 13-20) Teny fanesoana an’ireo mpanjakan’i Babylona niongana ny hoe “ilay mamirapiratra.”

b Misy milaza hoe hita avy amin’ilay fitantarana momba ny nanafahana an’i Petera avy tao am-ponja fa nanana anjely mpiambina azy izy. (Asan’ny Apostoly 12:6-16) Niresaka momba ny “anjelin’i Petera” mantsy ny mpianatra tamin’izay. Anjely nisolo tena an’i Petera anefa no tao an-tsain’ireo mpianatra, fa tsy i Petera. Na izany aza, dia diso hevitra izy ireo satria i Petera mihitsy no tonga tao amin-dry zareo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara