FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Hofoanana ny Fahafatesana, Izay Fahavalo Farany
    Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 15 Septambra
    • Hoy i Isaia raha vao avy niresaka momba an’ilay “rakotra”: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.” (Isaia 25:8) Toy ny ray manala an’izay zavatra mampijaly ny zanany sy mamafa ny ranomasony i Jehovah. Tena mahafaly azy ny manafoana ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama.

  • Hofoanana ny Fahafatesana, Izay Fahavalo Farany
    Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 15 Septambra
    • 15, 16. a) Inona ilay “fahafatesana, izay fahavalo farany”, ary rahoviana izy io no hofoanana? b) Inona no hataon’i Jesosy amin’ny hoavy, araka ny 1 Korintianina 15:28?

      15 Ho efa afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana ny olombelona mankatò, amin’ny faran’ny arivo taona. Hoy ny Baiboly: “Tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy. Samy araka ny filaharany avy anefa: I Kristy no voaloham-bokatra, ary avy eo izay an’i Kristy, mandritra ny fanatrehany. Ary amin’ny farany, dia hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy izy, rehefa avy nofoanany avokoa ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. Fa hanjaka izy, mandra-panaon’Andriamanitra ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony. Ary hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.” (1 Kor. 15:22-26) Ela ny ela ka ho foana ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama. Hesorina tanteraka ilay “rakotra” manarona ny olombelona rehetra.—Isaia 25:7, 8.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara