-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
9. Fampanantenana mahatalanjona inona no natolotra an’ireo Jiosy niverina nody?
9 Hanana antony tsara hifaliana ireo izay nafahana avy tamin’ny fahababoana tany Babylona, satria hoavy mahatalanjona no niandry azy ireo, rehefa ho tafaverina any Jerosalema izy ireo. Hoy ny faminanian’i Isaia: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana”.—Isaia 35:5, 6a.
10, 11. Ho an’ireo Jiosy niverina nody, nahoana moa no tsy maintsy nanana heviny ara-panahy ny tenin’i Isaia, ary inona no tiany holazaina?
10 Miharihary fa ny toe-piainana ara-panahin’ny vahoakany no tao an-tsain’i Jehovah. Natao sesitany nandritra ny 70 taona izy ireo, ho sazin’ny fivadiham-pinoany teo aloha. Na izany aza, rehefa nampihatra famaizana tamin’ny vahoakany i Jehovah, dia tsy nahatonga azy ireo ho jamba, marenina, mandringa na moana. Araka izany, dia tsy nitaky fanasitranana kilema ara-batana ny fampodiana an’ilay firenen’ny Isiraely. Ny naverin’i Jehovah tamin’ny laoniny dia ilay zavatra very, izany hoe ny fahasalamana ara-panahy.
11 Sitrana ireo Jiosy nibebaka, satria tonga saina indray teo amin’ny lafiny ara-panahy—nody ny fomba fijeriny ara-panahy sy ny fahaizany mandre sy mankatò ary miteny ny tenin’i Jehovah. Nanjary takany fa nila nitoetra ho akaiky an’i Jehovah izy. Tamin’ny alalan’ny fitondran-tenany tsara dia tsara, dia ‘nihoby’ ho fiderana an’ilay Andriamaniny izy. Nanjary dodona sy narisika be teo amin’ny fanompoany an’i Jehovah ireo ‘nandringa’ taloha. “Hitsambikina tahaka ny diera” izy ireo—amin’ny heviny an’ohatra.
-
-
Tafaverina ny Paradisa!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Mamelombelona ny vahoakany i Jehovah
12. Ho toy inona ny habetsahan-drano homen’i Jehovah an’ilay tany?
12 Sarotra ny maka sary an-tsaina paradisa iray tsy misy rano. Be dia be ny rano tao amin’ilay Paradisa voalohany tao Edena. (Genesisy 2:10-14). Ilay tany nomena ny Isiraely koa dia “tany misy renirano sy loharano ary rano lalina”. (Deoteronomia 8:7). Tena mety àry ny nanomezan’i Isaia izao fampanantenana mamelombelona izao: “Hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina. Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; ny fonenana izay amitsahan’ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.” (Isaia 35:6b, 7). Rehefa hikarakara indray ilay tany ny Isiraelita, dia ho rakotra zavamaniry maitso mavana sy mandrobona ny faritra lao nirenirenen’ny amboadia. Hiova ho “heniheny” hanirian’ny zozoro sy ny zavamaniry an-drano hafa, ny tany maina sady feno vovoka.—Joba 8:11, NW.
13. Rano ara-panahy tondraka inona no ho azon’ilay firenena hampodina?
13 Zava-dehibe kokoa anefa ny rano ara-panahin’ny fahamarinana tondraka ho azon’ireo Jiosy hampodina any an-tanindrazany. Hanome fahalalana sy fampaherezana ary fampiononana amin’ny alalan’ny Teniny i Jehovah. Ambonin’izany, ireo loholona sy andriana nahatoky dia ho sahala amin’ny “ranovelona ao amin’ny tany karankaina”. (Isaia 32:1, 2). Ireo izay nampandroso ny fivavahana madio, toa an’i Ezra, i Hagay, i Jesoa, i Nehemia, i Zakaria, ary i Zerobabela, dia ho porofo velon’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia tokoa.—Ezra 5:1, 2; 7:6, 10; Nehemia 12:47.
-