Toy ny Valala Fotsiny
EFA mba nandehandeha namakivaky tany lemaka feno ahi-maitso tamin’ny fahavaratra ve ianao ka nahita valala tsy tambo isaina nitsambikimbikina teny amin’ny lalanao? Toa eny rehetra eny izy ireo, kanefa dia mety tsy hanisy fiheverana azy ireny firy ianao. Raha dinihina tokoa, dia toa tsy manimba sy tsinontsinona izy ireo.
Ny maha-tsinontsinona ny valala anefa, no mahatonga azy ireo ho famantarana tena mety ho an’ny taranak’olombelona. Na dia mety hihevi-tena ho ambony dia ambony aza ny olona malaza sasany, dia hafa noho izany ny fihevitry ny Mpamorona antsika. Hoy i Isaia, mpaminaniny: “Izy no mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala”. — Isaia 40:22.
Ny fahalehibeazan’i Jehovah Andriamanitra sy ny heriny ary ny fahendreny dia manandratra azy ho ambony lavitra ny faritra misy ny olombelona tsotra fotsiny, toy ny maha-ambony lavitra ny olombelona noho ny valala, eo amin’ny fahaizana ara-tsaina sy ny hery. Ny toetra tampony ananan’Andriamanitra anefa, dia ny fitiavana. Ary ny fitiavany tsy manam-paharoa dia manosika azy hanamarika antsika sy hanampy antsika ary hamonjy antsika — raha tia sy mankato azy isika. Mifampiraharaha amintsika amim-pitiavana i Jehovah, na dia tsinontsinona toy ny valala aza isika. Hoy ny mpanao salamo: “Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ny avo, nefa miondrika mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany? Manangana ny malahelo [“madinika”, NW ] hiala amin’ny vovoka Izy”. — Salamo 113:5-7.
Araka ny hazavain’io salamo io, dia manitatra amim-pitiavana ny fanampiany hatrany amin’ny madinika i Jehovah. Eny, Izy dia manampy ireo izay ‘mitady an’Andriamanitra’ amim-panetren-tena ‘ka mahita azy’. (Asan’ny Apostoly 17:27). Ireo izay mahita tokoa an’Andriamanitra — ary manompo azy — dia manjary sarobidy mihitsy aza eo imasony. (Ampitahao amin’ny Isaia 43:4, 10.) Ilay valala kely àry dia natao mba hampahatsiarovana antsika ny maha-tsinontsinona antsika sy ny fitiavan’ilay Mpamorona antsika tsitoha izay manome ho an’ny olombelona mankato ny fisakaizany sy ny hatsaram-panahiny ho an’izay tsy mendrika akory. Maneho fankasitrahana ny fitiavan’Andriamanitra ve ianao?