-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.”—Isaia 40:27, 28.
-
-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Nampahatsiahivina azy ireo àry ireo zavatra tokony ho efa fantany, na avy tamin’ny zavatra niainan’ny tenany manokana izany, na fara faharatsiny, avy tamin’ny fitantarana nampitaina taminy. Sady afaka manafaka ny vahoakany i Jehovah, no maniry hanao izany. Izy no ilay Andriamanitra mandrakizay sady Mpamorona ny tany manontolo. Noho izany, dia mbola manana ilay hery nasehony fony nanao ny famoronana, izy, ka na i Babylona nahery be aza dia tsy maintsy ho tratran’ny tanany. Tsy afaka ny ho reraka na handiso fanantenana ny vahoakany ny Andriamanitra toy izany. Tsy tokony hanantena ny hahazo amin’ny fomba feno ny zavatra ataon’i Jehovah izy ireo, satria tsy ho takatry ny sain’izy ireo ny fahalalany—ny fahaizany mahataka-javatra sy ny fahaizany manavaka ary ny fahatakarany zavatra haingana.
-