FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Taona Fankasitrahana”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • Hoy i Isaia, nitondra ny tenin’i Jehovah: “Mety manadino ny zanany va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.” (Isaia 49:15) Endrey izany valin-teny feno fitiavana avy amin’i Jehovah! Lehibe noho ny fitiavan’ny reny ny zanany ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany.

  • “Taona Fankasitrahana”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 23. Ahoana no nampirisihan’i Paoly ny Kristianina mba hatoky fa tsy hanadino azy ireo i Jehovah?

      23 Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Galatia: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” (Galatiana 6:9) Ary nampahereziny toy izao kosa ny Hebreo: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany.” (Hebreo 6:10) Tsy tokony hihevitra na oviana na oviana isika hoe nanadino ny vahoakany i Jehovah. Manana antony tsara hifaliana sy hiandrasana an’i Jehovah amim-paharetana ny Kristianina, toa an’i Ziona fahiny. Tsy miala amin’ireo fepetra sy fampanantenana omeny ao amin’ny fanekeny izy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara