-
“Taona Fankasitrahana”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
“Fanevan’ny firenena”
26. Inona no fitarihana nomen’i Jehovah ny vahoakany vao avy nafahany?
26 Entin’i Jehovah any amin’ny fotoana hanafahana ny vahoakany avy ao Babylona izao i Isaia. Hahazo ny fitarihan’Andriamanitra ve izy ireo? Hoy i Jehovah: “Indro, hanandratra ny tànako amin’ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin’ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakao-vavy ho entiny eny an-tsorony.” (Isaia 49:22) Fony tanteraka voalohany io teny io, dia tonga ‘faneva’ na ‘famantaran’i’ Jehovah i Jerosalema, izay foiben’ny fitondram-panjakany sy nisy ny tempolin’i Jehovah.
-
-
“Taona Fankasitrahana”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Mbola misy fahatanterahany hafa koa anefa ireo tenin’i Isaia ireo.
27. a) Hirohotra ho amin’ny “faneva” inona moa ny olona ankehitriny? b) Inona no ho vokany, rehefa ho voatery hiankohoka hanaiky ny Mesia ny firenena rehetra?
27 Miresaka momba ny “fanevan’ny firenena” ny Isaia 11:10. Nampiharin’i Paoly tamin’i Kristy Jesosy ireo teny ireo. (Romana 15:8-12) Fony tanteraka farany àry izy ireo, dia i Jesosy sy ireo voahosotra hiara-manjaka aminy, no “faneva”, ary mirohotra ho amin’izy ireo ny olona. (Apokalypsy 14:1)
-