FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • “Fiadanana ho an’izay lavitra sy ho an’izay akaiky”

      22. Hoavy manao ahoana no ampanantenain’i Jehovah a) ho an’ny mibebaka? b) ho an’ny ratsy fanahy?

      22 Ampifanoherin’i Jehovah izao ny hoavin’ireo mibebaka sy ny an’ireo mikiry hanao ratsy. Hoy izy: “Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an’izay lavitra sy ho an’izay akaiky! . . ., ka dia hahasitrana azy Aho.

  • Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • Isaia 57:19

  • Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 25. Ahoana no ahitan’ny olona maro hatraiza hatraiza fiadanana?

      25 Ankehitriny koa ny mpivavaka amin’i Jehovah hatraiza hatraiza dia manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Manolotra ny vokatry ny molotra ny Kristianina any amin’ny tany maherin’ny 230, ka mampanakoako ny fiderana an’ilay hany Andriamanitra marina. Re “hatramin’ny faran’ny tany” ny fiderana hirain’izy ireo. (Isaia 42:10-12) Ireo mahare ka manaiky izany dia manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Manjary mahita fiadanana àry izy ireo, ho vokatry ny fanompoany an’ilay “Andriamanitry ny fiadanana.”—Romana 16:20.

  • Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 23. Inona ilay vokatry ny molotra, ary nahoana no hoe “mahary” io vokatra io i Jehovah?

      23 Ny vokatry ny molotra dia ny fanati-piderana atolotra an’Andriamanitra, izany hoe ny fanekena, na fanambarana ny anarany ampahibemaso. (Hebreo 13:15) Nahoana no hoe “mahary” io fanambarana ampahibemaso io Jehovah? Tsy maintsy mianatra momba an’Andriamanitra sy mino azy aloha ny olona iray, vao afaka manolotra fanati-piderana. Manosika azy io hilaza amin’ny hafa momba izay reny ny finoana. Fanambarana ampahibemaso no ataony amin’izany. (Romana 10:13-15) Tokony hotadidintsika koa fa i Jehovah no ilay maniraka ny mpanompony hanambara ny fiderana azy. Izy koa no ilay manafaka ny vahoakany, mba hahafahan’izy ireo hanolotra izany fanati-piderana izany. (1 Petera 2:9) Tena mety àry ny hilazana hoe mahary io vokatry ny molotra io i Jehovah.

      24. a) Iza no nahita ny fiadanan’Andriamanitra, ary inona no vokany? b) Iza no tsy nahita fiadanana, ary inona no vokany?

      24 Tena vokatry ny molotra nampientam-po no natolotry ny Jiosy, rehefa nody izy ireo ka nihira fiderana ho an’i Jehovah! Faly nahafantatra ny fiadanan’Andriamanitra tokoa izy ireo, na “lavitra” no nisy azy (mbola lavitra an’i Joda, ka niandry ny hodiany), na “akaiky” (efa tafody tany amin’ny taniny).

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara