FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Voavonjy Tsy ho Azon’ny Vavan’ny Liona!
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
    • 3, 4. Nahoana i Dariosy no tia kokoa an’i Daniela, ary notendreny ho amin’ny toeran’ny inona izy?

      3 Inona no anjara asan’i Daniela tao amin’izany fandaharana vaovao izany? Hampisotro ronono an’io mpaminany jiosy, izay efa sivifolo taona mahery io, ve i Dariosy Medianina? Tsia! Tsy isalasalana fa fantatr’i Dariosy fa nanambara mialoha araka ny marina ny hianjeran’i Babylona i Daniela, ary koa fa tsy maintsy ho avy tamin’ny fahazavan-tsaina ambony noho ny an’ny olombelona izany filazana mialoha izany. Fanampin’izany, dia efa am-polony taona maro izao no nifampiraharahan’i Daniela tamin’ireo antokona babo maro samihafa tao Babylona. Tapa-kevitra ny hitandro ny fihavanana tamin’ireo olom-peheziny vao avy noreseny ireo, i Dariosy. Noho izany, dia azo antoka fa olona nanana ny fahendren’i Daniela sy ny fahazaran-draharahany no niriny ho mpanolo-tsaina. Hitana ny toeran’ny inona anefa?

      4 Efa ho tena nanaitra raha nanendry an’i Daniela, babo jiosy, ho solo-mpanjaka i Dariosy. Nefa alao sary an-tsaina ilay korontam-be nateraky ny fanapahan-keviny hanao an’i Daniela ho ny iray tamin’ireo komandy lehibe telo lahy, izay ho mpiandraikitra an’ireo solo-mpanjaka!

  • Voavonjy Tsy ho Azon’ny Vavan’ny Liona!
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
    • Daniela 6:3,

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara