Ireo Vavaka Azo Antoka fa Hahazo Valiny
MISY vavaka tsy maintsy hahazo valiny. Voarakitra ao amin’ny maodely iray nomen’i Jesosy ny mpianany ny fotopotony, rehefa niteny izy hoe: “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinana anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9-13.
Ireo teny ao amin’ny maodelim-bavaka nomen’i Jesosy ireo dia naverimberina intapitrisany maro. Na dia tsy ny hanaovan’ireo tena mpanara-dia azy tsianjery ny vavaka toy izany aza no nantenain’i Kristy, dia azo antoka fa hahazo valiny ny fitalahoan’izy ireo mampiseho fihetseham-po mitovy amin’izany. (Matio 6:7, 8). Inona àry no tiana holazaina amin’ny hoe manamasina ny anaran’Andriamanitra? Nahoana no mangataka mba hahatongavan’ny Fanjakany? Ary nahoana no mivavaka mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra?
“Hohamasinina anie ny anaranao”
Jehovah, “Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra”, no Ilay nitenenan’i Jesosy hoe “Rainay Izay any an-danitra”. (Salamo 83:18). Andriamanitra dia “niteraka” ny Isiraelita tamin’ny fanafahana azy tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana sy tamin’ny fampidirana azy tao amin’ny fifandraisam-panekena taminy. (Deoteronomia 32:6, 18; Eksodosy 4:22; Isaia 63:16). Amin’izao andro izao, ny kristiana voahosotra dia mihevitra amim-pitiavana an’i Jehovah ho Rainy. (Romana 8:15). Ary ireo namany izay manana fanantenana hiaina eto an-tany, dia mivavaka toy izany koa amin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny maha-Rain’izy ireo azy. — Jaona 10:16; Apokalypsy 7:1-9.
Nefa, nahoana no mivavaka mba hanamasinana ny anaran’Andriamanitra? Hatramin’ny nikomian’ireo mpivady olombelona voalohany tany amin’ny saha Edena, dia nototofana fanalam-baraka ny anaran’Andriamanitra. Ho valin’ny vavaka toy izany, i Jehovah dia hanaisotra izay mety ho fanalam-baraka rehetra natao tamin’ilay anarany natao hotsaroana. (Salamo 135:13). Hanao izany izy amin’ny fanesorana ny faharatsiana tsy ho amin’ny tany. Mikasika izany fotoana izany, dia niteny toy izao tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminany i Jehovah: “Koa dia hasehoko ny fahalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ny firenena maro Aho; ka dia ho fantany fa Izaho ny Jehovah.” — Ezekiela 38:23.
Sady masina no madio i Jehovah Andriamanitra. Noho izany, dia tokony hohamasinina ny anarany, na hatokana ho masina. Hampiseho ny maha-masina azy izy amin’ny fanaovan-javatra ho fanamasinana ny tenany alohan’ny zavatra noforonina rehetra. (Ezekiela 36:23). Ireo izay maniry ny fankasitrahany sy ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mijery an’i Jehovah amin-tahotra miharo fanajana ary manamasina ny anarany amin’ny fiheverana azy io ho miavaka sady ambony lavitra noho ny hafa rehetra. (Levitikosy 22:32; Isaia 8:13; 29:23). Mifanaraka amin’izany, dia nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy mba hivavaka toy izao i Jesosy: “Hohamasinina anie ny anaranao” na, “hinoana ho masina; hoheverina ho masina”. Afaka mahazo antoka isika fa hamaly an’io tapany amin’ny maodelim-bavaka nomen’i Jesosy io Andriamanitra.
“Ho tonga anie ny fanjakanao”
Nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy koa i Jesosy mba hivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”. Tsy isalasalana fa hahazo valiny ny vavaka atao mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ilay Fanjakana dia ny fanapahan’ny fiandrianan’i Jehovah, aseho amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana mesianika any an-danitra eo am-pelatanan’ny Zanany, Jesosy Kristy, sy ireo “olo-masina” miaraka aminy. (Daniela 7:13, 14, 18, 22, 27; Isaia 9:5, 6 [6, 7, MN]). Efa nanaporofo hatry ny ela tao amin’ny Soratra masina ny Vavolombelon’i Jehovah, fa nomena fiandrianana amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra i Jesosy tamin’ny taona 1914. Nahoana àry no tokony hivavaka ny rehetra mba ho “tonga” ilay Fanjakana?
Raha ny marina, ny fivavahana mba hahatongavan’ilay Fanjakana, dia milaza fangatahana mba hahatongavany hamely ireo mpanohitra ny fanapahan’Andriamanitra rehetra eto an-tany. Tsy ho ela izao “ireo fanjakana rehetra [eto an-tany] ireo dia hotorotoroiny [ny fanjakan’Andriamanitra] sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44). Izany fitrangan-javatra izany dia handray anjara amin’ny fanamasinana ny anarana masin’i Jehovah.
“Hatao anie ny sitraponao”
Mbola nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao koa i Jesosy: “Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” Izany dia fangatahana mba hanaovan’i Jehovah zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony ny amin’ny tany. Mitovy amin’ity fanambaran’ny mpanao salamo ity izany: “Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, na any amin’ny lanitra, na etỳ ambonin’ny tany, na any amin’ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra. Mampiakatra zavona avy amin’ny faran’ny tany Izy; manao helatra arahin-dranonorana Izy; mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy, dia Ilay namely ny voalohan-terak’i Egypta, na olona, na biby. Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, eny, tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra, dia Ilay namely ny jentilisa maro ka nahafaty mpanjaka mahery.” — Salamo 135:6-10.
Ny fivavahana mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah etỳ an-tany, dia fangatahana mba hanatanterahany ny fikasany momba ity bolantany ity. Izany dia mahafaoka ny fanesorana maharitra ireo mpanohitra azy, toy ny efa nanesorany azy ireo tamin’ny ambaratonga kely tamin’ny andro fahiny. (Salamo 83:9-18; Apokalypsy 19:19-21). Azo antoka fa hahazo valiny ny vavaka mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah manerana ny tany sy izao rehetra izao.
Rehefa manapaka ilay Fanjakana
Tsy ny faharatsiana manenika ny fitambaran’olona ankehitriny, fa ny inona kosa no azo antenaina rehefa manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra ary hatao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra? Araka ny voalazan’ny apostoly Petera, “isika, araka ny teny fikasany [Andriamanitra], dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13). Ny “lanitra vaovao” dia fahefana manapaka ara-panahy araka ny rariny, dia i Jesosy Kristy sy ireo 144 000 mpiara-mandova aminy any amin’ny Fanjakana any an-danitra. (Romana 8:16, 17; Apokalypsy 14:1-5; 20:4-6). Ny “tany vaovao” dia tsy planeta tany hafa akory. Izany kosa dia fitambaran’olona marina hiaina eto an-tany. — Ampitahao amin’ny Salamo 96:1.
Eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana, dia hovana ho paradisa ny tany manontolo. (Lioka 23:43). Hahita fiadanana sy fanambinana marina amin’izay ny taranak’olombelona mankatò rehetra. (Salamo 72:1-15; Apokalypsy 21:1-5). Afaka ny ho anisan’izany vahoaka sesehena sambatra izany ianao raha mpiaro mahatoky ny fanapahana mesianika eo amin’ny vahoakany mankatò etỳ an-tany. Ny mpiaro ny fanapahana toy izany dia mivavaka amin-kafanam-po mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah sy mba hahatongavan’ny Fanjakany, ary mba hahatanterahan’ny sitrapony. Azo antoka fa hahazo valiny ny vavaka amim-pahatsorana ataony.