Ireo Mpaminany Sandoka Amin’izao Andro Izao
NANOMPO tany Jerosalema tamin’ny naha-mpaminanin’Andriamanitra i Jeremia, tamin’ny fotoana naha-heniky ny fanompoan-tsampy, ny fahalotoam-pitondrantena, ny fandraisana kolikoly ary ny fandatsahana ran’ny olona tsy nanan-tsiny an’io tanàna io. (Jeremia 7:8-11). Tsy izy irery no mpaminany am-perinasa tamin’izany fotoana izany, kanefa ny ankamaroan’ireo hafa dia tsy nanompo afa-tsy ny tenany ary nandray kolikoly. Tamin’ny fomba ahoana moa? Manambara i Jehovah hoe: “Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa. Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; kanjo tsy misy fiadanana tsinona!” — Jeremia 6:13, 14.
Nanandrana nampiseho ireo mpaminany sandoka fa, na dia teo aza ny faharatsiana rehetra teo amin’ilay tany, dia nandeha tsara ny zavatra rehetra, ary nihavana tamin’Andriamanitra ny vahoaka; kanefa tsy izany no izy. Niandry azy ireo ny fitsaran’Andriamanitra, araka izay nambaran’i Jeremia tamim-pahasahiana. I Jeremia, ilay mpaminany marina, fa tsy ireo mpaminany sandoka, no voamarina rehefa noravan’ireo miaramila babyloniana i Jerosalema tamin’ny 607 al.fan.ir., ka rava ny tempoly, ary ireo vahoaka dia, na maty, na nentina ho babo tany Babylona lavitra. Nandositra tany Egypta ireo vitsivitsy nampahonena tavela tao amin’ilay tany. — Jeremia 39:6-9; 43:4-7.
Fa inona no nataon’ireo mpaminany sandoka? “Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin’ny namany avy.” (Jeremia 23:30). Nangalatra ny hery sy ny vokatry ny tenin’Andriamanitra ireo mpaminany sandoka tamin’ny fampirisihana ny olona hihaino lainga toy izay hihaino ny fampiomanana marina avy tamin’Andriamanitra. Tsy ny “asa lehibe ataon’Andriamanitra” no nolazain’izy ireo fa ny heviny manokana, zavatra izay tian’ny olona ho re. Avy tamin’Andriamanitra tokoa ny hafatra nentin’i Jeremia, ary raha nanao zavatra nifanaraka tamin’ny teniny ny Isiraelita, dia ho tafita velona. ‘Nangalatra ny tenin’Andriamanitra’ ireo mpaminany sandoka ary nitarika ny olona ho amin’ny loza amin’antambo. Izany dia nitovy indrindra tamin’izay nolazain’i Jesosy momba ireo filoha ara-pivavahana tsy nahatoky tamin’ny androny: “Mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.” — Asa. 2:11; Matio 15:14.
Toy ny tamin’ny andron’i Jeremia, dia misy mpaminany sandoka koa amin’izao andro izao izay mihambo ho misolo tena an’ilay Andriamanitry ny Baiboly; kanefa izy ireo koa dia mangalatra ny tenin’Andriamanitra amin’ny fitoriana zavatra izay mamily ny sain’ny olona tsy ho amin’izay tena lazain’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Baiboly. Amin’ny lafiny inona moa? Aoka isika hamaly io fanontaniana io amin’ny fampiasana ny fampianarana fototra avy amin’ny Baiboly ny amin’ilay Fanjakana ho toy ny fitsapana.
Ny marina momba ilay Fanjakana
Ny Fanjakan’Andriamanitra no foto-kevitra lehibe indrindra tamin’ny fampianaran’i Kristy, ary voaresaka mihoatra ny injato izany ao amin’ireo Filazantsara. Tamin’ny fiandohan’ny fanompoany dia hoy i Jesosy: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” Nampianatra ireo mpanara-dia azy mba hivavaka toy izao izy: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” — Lioka 4:43; 11:2.
Inona àry izany ilay Fanjakana? Araka ny The New Thayer’s Greek English Lexicon, ny hevitra voalohan’ny teny grika nadika hoe “fanjakana” ao amin’ny Baiboly dia “fahefam-panjakana, fanjakana, fitondrana, ary fanapahana” ary ny faharoa dia “ny faritany eo ambany fanapahan’ny mpanjaka iray.” Avy amin’izany no hanatsoahantsika hevitra araka ny fandrindran-kevitra fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia fitondram-panjakana iray ara-bakiteny tantanan’ny Mpanjaka iray. Izany ve no izy?
Eny, izany tokoa, ary tsy iza ilay Mpanjaka fa i Jesosy Kristy. Talohan’ny nahaterahan’i Jesosy, dia hoy ny anjely Gabriela tamin’i Maria: “Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy.” (Lioka 1:32). Manaporofo ny maha-Mpanjaka an’i Jesosy sy ny maha-Mpanapaka azy ny fahazoany ny seza fiandrianana. Ny manaporofo koa fa fitondram-panjakana ara-bakiteny io Fanjakana io dia izay lazain’ny faminanian’i Isaia hoe: “Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, (...) ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. — Isaia 9:5, 6 [6, 7, MN].
Aiza no manapaka i Jesosy? Any Jerosalema ve? Tsia. Nahita an’i Jesosy nandray ny Fanjakana i Daniela mpaminany tao amin’ny fahitana iray, ary io fahitana io dia manondro ny toerana nisy an’i Jesosy ho tany an-danitra. (Daniela 7:13, 14). Mifanaraka amin’ny fomba nilazan’i Jesosy ilay Fanjakana izany. Matetika izy no niantso azy io hoe “ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 10:7; 11:11, 12). Izany koa dia mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy tamin’i Pilato rehefa notsaraina teo anatrehany izy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.” [(Jaona 18:36).] Moa ve ny mpitandrina anao na ny pretranao nampianatra fa ny Fanjakan’i Jesosy dia fitondram-panjakana tena misy, manapaka avy any an-danitra? Sa nampianariny anao fa ilay Fanjakana dia zavatra misy ao am-po fotsiny? Raha izany no izy, dia nangalariny taminao ny tenin’Andriamanitra.
Inona no fifandraisana misy eo amin’ilay Fanjakana sy ireo karazana fitondram-panjakan’olombelona samy hafa rehetra? Araka Ny Firaketana ara-pivavahana, navoakan’i Mircea Eliade, ilay Mpanao fanavaozana atao hoe Martin Luther, dia nanolo-kevitra toy izao rehefa niady hevitra ny amin’ilay Fanjakana: “Ny fanjakana eto amin’izao tontolo izao (...) dia azo antsoina koa hoe fanjakan’Andriamanitra.” Mampianatra ny sasany fa amin’ny alalan’ny fiezahany manokana, ny olombelona dia afaka hitondra ny fitondram-panjakan’olombelona ho akaiky kokoa ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanantitrantitra toy izao ny Konsilin’ny Eglizy maneran-tany tamin’ny 1983: “Koa satria isika manaporofo ny faniriantsika fiadanana marina amin’ny asa voafaritra, ny Fanahin’Andriamanitra dia afaka hampiasa ny fiezahana kely ataontsika mba hitondrana ireo fanjakana eto amin’ity tontolo ity ho akaiky kokoa ny fanjakan’Andriamanitra.”
Mariho anefa fa ao amin’ilay Vavaka nampianarin’ny Tompo (Ny “Rainay Izay any an-danitra”), dia nampianatra ireo mpanara-dia azy i Jesosy mba hivavaka ho an’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tamin’io ihany dia niteny tamin’izy ireo avy eo mba hivavaka toy izao: “Hatao anie ny sitraponao [ny an’Andriamanitra] etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny olombelona dia tsy afaka manao izay hahatongavan’ilay Fanjakana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny fahatongavan’ilay Fanjakana no hahatonga ny sitrapon’Andriamanitra hatao etỳ an-tany. Amin’ny fomba ahoana àry?
Henoy izay lazain’ny andininy faha-44 ao amin’ny toko faha-2 amin’ny faminanian’i Daniela: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [ireo mpanapaka olombelona amin’ny fotoan’ny farany] Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; (...) fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny”. Tsy mahagaga raha niteny i Jesosy fa tsy avy amin’izao tontolo izao ny Fanjakany! Handrava kosa ireo fanjakana, ireo fitondram-panjakana, eto amin’ity tany ity ilay Fanjakana ka haka ny toeran’izy ireo eo amin’ny fanapahana ny olombelona. Amin’ny maha-fitondram-panjakana nomen’Andriamanitra hanapaka ny olombelona azy io, dia hanao izay hahazoana antoka àry izy fa hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra.
Mihamazava ny anton’izany asa mahery vaika avy amin’ilay Fanjakana izany rehefa heverintsika hoe iza no mifehy an’ity tontolo ity. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: ‘Izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.’ (1 Jaona 5:19). I Satana Devoly no “ilay ratsy”, izay nantsoin’i Paoly hoe “ny andriamanitr’izao tontolo izao.” (2 Korintiana 4:4). Tsy misy mihitsy lafiny mety hampitovy ilay Fanjakan’Andriamanitra amin’ireo fikambanana eto amin’izao tontolo izao izay ny andriamaniny dia i Satana Devoly.
Antony iray tsy nitsabahan’i Jesosy tamin’ny politika izany. Rehefa nanandrana nanangana azy ho mpanjaka ireo Jiosy mpanindrahindra ny firenen’ny tenany, dia nandositra azy ireo izy. (Jaona 6:15). Araka ny nahitantsika azy, dia niteny tamin’i Pilato tamim-pahatsorana izy hoe: “Tsy avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako.” Ary mifanaraka tsara amin’izany dia nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy izy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16). Noho izany, ireo filoha ara-pivavahana izay mampianatra fa hafainganina amin’ny alalan’ny fanavaozana izao fandehan-javatra izao ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka mampirisika ireo ondriny hiasa hanatratra izany, dia mpaminany sandoka. Mangalatra ny hery sy ny vokatr’izay tena ambaran’ny Baiboly izy ireo.
Fa nahoana izany no zava-dehibe
Moa ve izany rehetra izany fanaporofoan-kevitra ara-tsaina fotsiny? Tsy izany velively. Namitaka ny maro ireo fampianaran-diso momba ilay Fanjakan’Andriamanitra ary nanana ny fiantraikany na dia teo amin’ny fizotran’ny tantara aza. Ohatra, hoy ny boky Théo, firaketana katolika romana iray: “Ny vahoakan’Andriamanitra dia mamindra mankamin’ny Fanjakan’Andriamanitra, nampianarin’i Kristy fony izy tetỳ an-tany (...) Ny fiangonana no voan’io Fanjakana io.” Ny fampitoviana ny Fiangonana katolika tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia nanome ho an’ny fiangonana hery lehibe dia lehibe hatramin’ny ela nandritra ireo Taona antenatenany nisy finoanoam-poana. Na dia amin’izao andro izao aza, ireo fahefana eo amin’ny fiangonana dia manandrana mampiova ny fizotran’ireo raharahan’izao tontolo izao, amin’ny fiasana ho amin’ny tombontsoan’ny fandehan-javatra ara-politika sasany ary amin’ny fanoherana ny hafa.
Ny mpivaofy teny iray dia nampiseho fomba fijery iray hafa hita hatraiza hatraiza ankehitriny rehefa niteny hoe: “Ny dian’ny revaolisiona dia mankamin’ilay fanjakana satria ny revaolisiona dia ny fahatongavan’ny vahoaka miaraka ao anatin’ny taranak’olombelona vaovao iray, arehitry ny famantarana iray araka an’Andriamanitra omena amin’ny alalan’ny lehilahy marina — I Jesosy (...) i Gandhi (...) ireo Berrigans.” Ny fampianarana fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia azo ampandrosoina amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana ara-politika ary ny finiavana tsy hahalala ny zava-misy marina momba ilay Fanjakana dia nitarika filoha ara-pivavahana hirotsaka hitana andraikitra ara-politika. Nitarika ny hafa ho tafiditra amin’ny fikorontanam-bahoaka izany ary handray anjara amina ady anaty akata mihitsy aza. Tsy misy na dia iray amin’ireo aza mifanaraka amin’ilay fahamarinana hoe tsy avy amin’ity tontolo ity ilay Fanjakana. Ireo filoha ara-pivavahana tafiditra lalina aoka izany amin’ny politika dia tsy tafasaraka velively tamin’izao tontolo izao toy izay nolazain’i Jesosy fa ho nataon’izay mpianany marina. Ireo izay mampianatra fa tanteraka amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana ara-politika ny Fanjakan’Andriamanitra dia mpaminany sandoka. Mangalatra ny tenin’Andriamanitra eny amin’ny olona izy.
Raha nampianatra tokoa izay lazain’ny Baiboly ireo filoha ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia ho nahafantatra ireo andian’ondriny fa hamaha ireo olana toy ny fahantrana, ny aretina, ny tsy rariny ara-pirazanana, ary ny famoretana, ny Fanjakan’Andriamanitra. Kanefa izany dia ho amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra sy araka ny fombany. Tsy ho tonga amin’ny alalan’ny fanavaozana ireo fandehan-javatra ara-politika, izay hanjavona rehefa ho tonga ilay Fanjakana, izany. Raha mpaminany marina ireo klerjy, dia ho nampianatra ireo andian’ondriny izy fa, eo am-piandrasana ny hanaovan’ny Fanjakan’Andriamanitra zavatra, dia afaka hahita fanampiana marina, avy amin’Andriamanitra, azo ampiharina, izy ireo, mba hikarakarana ireo zava-manahirana ateraky ny tsy rariny eto amin’ity tontolo ity.
Farany, ho nampianatra ireo andian’ondriny izy fa ny fiharatsian’ireo toe-javatra eto an-tany izay miteraka fahoriana betsaka aoka izany dia nambara mialoha tao amin’ny Baiboly ary famantarana iray fa akaiky ny fahatongavan’ilay Fanjakana. Eny, tsy ho ela dia hisalovana ny Fanjakan’Andriamanitra ary hisolo toerana ny rafitra ara-politika ankehitriny. Ho fitahiana toy inona moa izany! — Matio 24:21, 22, 36-39; 2 Petera 3:7; Apokalypsy 19:11-21.
Ny taranak’olombelona eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra
Hidika ho inona ho an’ny taranak’olombelona moa ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra? Azonao alaina sary an-tsaina ve izany hoe ianao mifoha isaky ny maraina, feno fahavitrihana? Tsy misy na dia iray aza amin’ireo olom-pantatrao marary na maty. Na dia ireo olon-tianao nodimandry aza dia haverina aminao amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty. (Isaia 35:5, 6; Jaona 5:28, 29). Tsy misy intsony koa ireo fanahiana ara-toekarena ateraky ny fitadiavana tombony amim-pitiavan-tena ara-barotra na ireo fandehan-javatra ara-toekarena mitanila. Hanana trano ary fomba anao manokana ianao ary tany betsaka hambolenao izay rehetra ilainao ho sakafon’ny fianakaviana. (Isaia 65:21-23). Afaka mitsangantsangana hatraiza hatraiza ianao amin’ny fotoana rehetra na andro na alina tsy misy tahotra famelezana. Tsy misy ady intsony koa — Tsy misy na inona na inona mandrahona ny tsy fanananao ahiahy. Ny rehetra dia mihevitra ho zava-dehibe izay mahasoa anao indrindra. Efa nanjavona ireo ratsy fanahy. Manjaka ny fitiavana sy ny fahamarinana. Azonao alaina sary an-tsaina ve ny fotoana toy izany? Izany no karazana tontolo hoentin’ilay Fanjakana. — Salamo 37:10, 11; 85:10-13; Mika 4:3, 4.
Nofinofy fotsiny ve izany? Tsia. Vakio ireo andinin-teny voalaza etsy amin’ny fehintsoratra etsy ambony, dia ho hitanao fa ny tsirairay avy amin’ireo zavatra nambara dia mampiseho fampanantenana mazava avy amin’Andriamanitra. Raha mbola tsy naharay io sary marina momba izay azon’ny Fanjakan’Andriamanitra atao sy hataony ho an’ny taranak’olombelona io àry ianao dia nisy nangalatra teny aminao ny tenin’Andriamanitra.
Soa ihany fa tsy voatery hijanona ho toy izany ny toe-draharaha. Nilaza i Jesosy fa amin’ny androntsika dia “hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Ampahany amin’io asa fitoriana io ity gazety vakinao ity. Mampirisika anao izahay hitandrina mba tsy ho voafitaky ny mpaminany sandoka. Diniho lalina ny Tenin’Andriamanitra mba hahitana ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Avy eo, dia aoka ianao hanaiky ny fanapahan’io Fanjakana io, izay fanomezana avy amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpiandry Lehibe. Io no hany fanantenana ho an’ny olombelona raha ny marina, ary tsy maintsy hahomby izy.
[Sary, pejy 5]
Nampianatra i Luther fa azo heverina ho toy ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitondram-panjakan’olombelona
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of the Trustees of the British Museum
[Sary, pejy 7]
Toy ny Mpiandry tia iray, dia hanolotra ireo toe-piainana tsy hain’ny olombelona atolotra, i Jehovah