-
Ahoana no Ahitana Fahombiazana eo Amin’ny Fiainana?Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Desambra
-
-
Manangòna kosa harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy bibikely na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.
-
-
Ahoana no Ahitana Fahombiazana eo Amin’ny Fiainana?Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Desambra
-
-
15. Inona no tokony hokatsahintsika?
15 Misy mpitondra fivavahana milaza hoe tsy mety mihitsy ny miezaka mba hahomby na ho tafita. Tsy nampianatra an’izany anefa i Jesosy. Nilaza tamin’ny mpianany izy hoe ilaina ny miezaka mba hahita ny tena fahombiazana, kanefa tsy tokony hanangona harena etỳ an-tany izy ireo, fa hanangona ‘harena any an-danitra’, izay tsy mety simba. Tokony hiezaka àry isika mba hikatsaka ny tena fahombiazana, izay araka ny fomba fijerin’i Jehovah. Izany no zavatra tokony hirintsika hatao indrindra. Nampahatsiahivin’i Jesosy tamin’ireo teny ireo fa isika no mifidy hoe inona no hokatsahintsika. Azo antoka anefa fa izay zavatra irin’ny fontsika sy sarobidy amintsika no hokatsahintsika eo amin’ny fiainana.
16. Inona no azontsika antoka?
16 Raha ny hampifaly an’i Jehovah no irin’ny fontsika, dia afaka matoky isika fa hahazo izay ilaintsika isika, satria homen’i Jehovah antsika izany. Mety havelany hiaritra hanoanana sy hetaheta toa an’i Paoly isika, indraindray. (1 Kor. 4:11) Tokony hatoky an’ity tenin’i Jesosy ity anefa isika: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’, na ‘Inona no hosotroinay?’, na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.”—Mat. 6:31-33.
-