Ahoana no Ahafahan’i Jesosy Manova ny Fiainanao?
I JESOSY KRISTY no ilay Mpampianatra Lehibe izay nipetraka tany Palestina, efa ho 2 000 taona lasa izay. Tsy fantatra firy ny momba ny fahazazany. Voamarina tsara anefa, fa nanomboka ny fanompoany mba “hanambara ny marina” izy, fony 30 taona teo ho eo. (Jaona 18:37; Lioka 3:21-23). Mifantoka amin’ireo telo taona sy tapany nanaraka izany, ireo mpianatra efatra izay nanoratra fitantarana ny amin’ny fiainany.
Nanome ny mpianany didy iray izay mety ho fanafodin’ny aretina maro mahazo ity tontolo ity, i Jesosy Kristy, nandritra ny fanompoany. Inona izany? Hoy i Jesosy: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” (Jaona 13:34). Eny, ny fitiavana no vahaolana ho an’ny zava-manahirana maro mahazo ny olombelona. Tamin’ny fotoana hafa iray, dia namaly toy izao i Jesosy rehefa nanontaniana ny amin’izay didy lehibe indrindra: “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’ ”. — Matio 22:37-40.
Nasehon’i Jesosy antsika tamin’ny teny sy ny asa ny fomba hitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Andeha isika handinika ohatra sasantsasany sy hijery izay azontsika ianarana avy aminy.
Ny fampianarany
Nilaza toy izao tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy Kristy, tao amin’ny iray amin’ireo toriteniny malaza teo amin’ny tantara: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena hianareo.” (Matio 6:24, fanamarihana ambany pejy). Mbola azo ampiharina amin’izao andro izao ihany ve ny fampianaran’i Jesosy momba ny fametrahana an’Andriamanitra ho voalohany eo amin’ny fiainantsika, kanefa olona maro aoka izany no mino fa mahalamina ny zava-manahirana rehetra ny vola? Marina fa mila vola isika mba hahafahana hivelona. (Mpitoriteny 7:12). Kanefa, raha mamela ny “Harena” ho tompontsika isika, dia hifehy antsika ka hanapaka ny fiainantsika manontolo ny “fitiavam-bola”. (1 Timoty 6:9, 10). Olona maro izay latsaka tao amin’io fandrika io no niafara tamin’ny famoizana ny fianakaviany, sy ny fahasalamany, ary na dia ny ainy mihitsy aza.
Etsy an-danin’izany, dia mampisy heviny ny fiainana ny fitodihana any amin’Andriamanitra ho Tompontsika. Izy no Loharanon’ny fiainana, amin’ny maha Mpamorona azy, ka izy irery ihany no mendrika ny fanompoam-pivavahantsika. (Salamo 36:9; Apokalypsy 4:11). Voatosika hitandrina ny didiny ireo izay mianatra momba ny toetrany ka manjary tia azy. (Mpitoriteny 12:13; 1 Jaona 5:3). Mandray soa isika amin’ny fanaovana izany. — Isaia 48:17.
Nampianatra ny mpianany ny fomba hampisehoana fitiavana ny mpiara-belona koa i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Hoy izy: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. (Matio 7:12). Mahafaoka na dia ny fahavalon’ny tena aza ilay teny hoe “olona”, izay nampiasain’i Jesosy. Tao amin’io toriteny io ihany, dia hoy izy: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo”. (Matio 5:43, 44). Tsy handamina ny zava-manahirana maro atrehintsika isan’andro ve ny fitiavana toy izany? Nihevitra toy izany ny filoha karana Mohandas Gandhi. Voalaza fa niteny toy izao izy: ‘Rehefa ho tonga amin’ny fifanarahana miorina amin’ireo fampianaran’i Kristy voasoratra ao amin’io Toriteny teo An-tendrombohitra io isika, dia ho voalamintsika ireo zava-manahirana eo amin’izao tontolo izao.’ Raha ampiharina ny fampianaran’i Jesosy momba ny fitiavana, dia afaka mandamina zava-manahirana maro eo amin’ny olombelona.
Ny asany
Tsy vitan’ny hoe nampianatra fahamarinana lalina ny amin’ny fomba hampisehoana fitiavana fotsiny i Jesosy, fa nampihatra izay nampianariny koa izy. Ohatra, nametraka ny tombontsoan’ny hafa ho alohan’ny an’ny tenany izy. Indray andro dia be zavatra natao aoka izany tamin’ny fanampiana olona i Jesosy sy ny mpianany, hany ka tsy nanam-potoana na dia ny hihinanan-kanina aza izy ireo. Hitan’i Jesosy fa nila niala sasatra kely ny mpianany, ka nitondra azy ireo tany amin’ny toerana nitokana izy. Rehefa tonga tany anefa izy ireo, dia nahita vahoaka niandry azy ireo. Ahoana no nety ho fihetsikao teo am-pahitana vahoaka izay nanantena anao hiasa tamin’ny fotoana nahatsapanao fa nila fiatoana kely ianao? “Onena azy” i Jesosy ka nanomboka “nampianatra azy zavatra maro”. (Marka 6:34). Io fiahiana ny hafa io dia nanosika foana an’i Jesosy hanampy azy ireo.
Nanao mihoatra noho ny hoe nampianatra ny olona i Jesosy. Nanome fanampiana azo tsapain-tanana koa izy. Ohatra, indray mandeha izy dia namahana olona maherin’ny 5 000 izay nihaino azy mandra-paharivan’ny andro. Tsy ela taorian’izay izy dia namahana vahoaka betsaka hafa iray — maherin’ny 4 000 izy ireo, tamin’io fotoana io — izay nihaino azy nandritra ny telo andro ka tsy nanan-kohanina intsony. Tamin’ny voalohany, dia nampiasa mofo dimy sy hazandrano roa izy, ary tamin’ilay farany dia mofo fito sy hazandrano madinika vitsivitsy no nampiasainy. (Matio 14:14-22; 15:32-38). Fahagagana ve izany? Eny, mpanao fahagagana i Jesosy.
Nanasitrana marary maro koa i Jesosy. Nanasitrana ny jamba, ny mandringa ny boka, ary ny marenina izy. Nanangana ny maty mihitsy aza izy! (Lioka 7:22; Jaona 11:30-45). Indray mandeha, dia niangavy azy toy izao ny boka iray: “Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.” Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy? “Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova hianao.” (Marka 1:40, 41). Tamin’ny alalan’ny fahagagana toy izany no nampisehoan’i Jesosy ny fitiavany an’ireo nampahorina.
Hitanao ho sarotra inoana ve ny fahagagana nataon’i Jesosy? Sarotra amin’ny sasany izany. Tsarovy anefa fa nanao ny fahagagany teny ampahibemaso i Jesosy. Na dia ireo mpanohitra azy izay nanandrana nanakiana tamin’ny toe-javatra rehetra aza dia tsy afaka nanda fa mpanao fahagagana izy. (Jaona 9:1-34). Ankoatra izany, dia nisy zava-kendrena ny fahagagana nataony. Nanampy ny olona ireny mba hahafantarany fa i Jesosy no Ilay nirahin’Andriamanitra. — Jaona 6:14.
Tsy nisarika ny saina ho amin’ny tenany i Jesosy, rehefa nanao fahagagana. Nanome voninahitra an’Andriamanitra, ilay Loharanon’ny heriny, kosa izy. Indray mandeha izy dia tao amin’ny trano iray feno olona tany Kapernaomy. Naniry hositranina ny lehilahy nalemy iray, nefa tsy afaka niditra. Koa nampidinin’ny namany niaraka tamin’ny fandriany avy teny amin’ny tafo àry izy. Nanasitrana ilay malemy i Jesosy, rehefa nahita ny finoan’izy ireo. Ho vokany, dia “nankalaza an’Andriamanitra” ny olona ary nanao hoe: “Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.” (Marka 2:1-4, 11, 12). Nitondra fiderana ho an’i Jehovah Andriamaniny sy nanampy ireo nila izany ny fahagagana nataon’i Jesosy.
Tsy ny fanasitranana mahagaga ireo marary anefa no zava-kendrena voalohany tamin’ny fanompoan’i Jesosy. Nanazava toy izao ny olona iray nanoratra fitantarana momba ny fiainan’i Jesosy: “Voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino hianareo.” (Jaona 20:31). Eny, tonga teto an-tany i Jesosy mba hahafahan’ny olombelona mino hahazo fiainana.
Ny sorona nataony
‘Tonga teto an-tany hoe i Jesosy?’, hoy no mety ho fanontanianao. ‘Avy taiza izy?’ Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 6:38). Efa nisy talohan’ny naha olombelona azy izy, tamin’ny naha Zanak’Andriamanitra lahitokana azy. Inona àry no sitrapon’Ilay naniraka azy teto an-tany? “Izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana”, hoy i Jaona, iray amin’ireo mpanoratra ny Filazantsara, “mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Ahoana no netezan’izany?
Mampiharihary ny fomba nahatonga ny fahafatesana ho zavatra tsy azo ialana mahazo ny olombelona, ny Baiboly. Nahazo fiainana avy tamin’Andriamanitra niaraka tamin’ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay ny mpivady olombelona voalohany. Kanefa, nifidy ny hikomy tamin’ny Mpanao azy izy ireo. (Genesisy 3:1-19). Ho vokatry ny fanaovany izany zavatra izany, dia nanota ny olombelona voalohany, ary nandova fahafatesana tsy nirina ny taranak’i Adama sy i Eva. (Romana 5:12). Mba hanomezana ny olombelona ny tena fiainana, dia tsy maintsy esorina ny ota sy ny fahafatesana.
Tsy misy mpahay siansa afaka manaisotra ny fahafatesana amin’ny karazana fanovana fototarazo. Kanefa, ilay Mpamorona ny olombelona dia manana ny fomba hitondrana ny olombelona mankato ho amin’ny fahalavorariana, mba hahafahan’izy ireo hiaina mandrakizay. Antsoina hoe ny avotra io fandaharana io, ao amin’ny Baiboly. Nivarotra ny tenany sy ny taranany ho amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana, ilay mpivady olombelona voalohany. Nanakalo ny fiainan’olombelona lavorary izay nampiseho fankatoavana an’Andriamanitra, tamin’ny fiainana tsy niankina tamin’Andriamanitra izy ireo, ka nandray fanapahan-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy. Mba hividianana indray ny ain’olombelona lavorary, dia tsy maintsy nisy vidiny mirasanda tamin’ilay ain’olombelona lavorary narian’ny ray aman-drenintsika voalohany, naloa. Koa satria nandova tsy fahalavorariana ny olombelona, dia tsy nahafeno fepetra mba hanome izany vidiny izany. — Salamo 49:7.
Nisalovana àry i Jehovah Andriamanitra mba hitondrana fanampiana. Namindra ny aina lavorarin’ny Zanany lahy tokana ho ao an-kibon’ny virjiny iray izay niteraka an’i Jesosy, izy. Am-polony taona lasa izay, dia mety ho nanda ny hevitra ny amin’ny niterahan’ny virjiny ianao. Amin’izao andro izao anefa, ireo mpahay siansa dia nanamboatra biby mampinono avy tamin’ny sela iray sy nampiditra fototarazo avy tamin’ny biby iray ho amin’ny iray hafa. Koa iza àry no afaka hisalasala ara-drariny ny amin’ny fahaizan’ilay Mpamorona tsy hanaraka ny fizotran’ny fiterahana mahazatra?
Noho ny fisian’ny ain’olombelona lavorary, dia nanjary nisy ilay vidiny mba hanavotana ny olombelona amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Kanefa i Jesosy, ilay zaza teraka teto an-tany, dia tsy maintsy nihalehibe ka tonga ilay “dokotera” afaka nanome ny “fanafody” mba hanasitranana ny aretin’ny olombelona. Nanao izany izy tamin’ny fananana fiainana lavorary sy tsy nisy ota. Tsy ny fangirifiriana nahazo ny olombelona tao anatin’ny fahotana ihany no hitan’i Jesosy, fa niainany koa izany atao hoe fetran’ny mety ho vita tamin’ny naha olombelona azy izany. Vao mainka nahatonga azy ho dokotera be fangoraham-po kokoa izany. (Hebreo 4:15). Ireo fanasitranana mahagaga nataony nandritra ny fiainany teto an-tany, dia nanaporofo fa sady manana faniriana hanasitrana ireo marary izy no manana hery hanaovana izany. — Matio 4:23.
Novonoin’ny mpanohitra azy i Jesosy, taorian’ny fanompoany naharitra telo taona sy tapany teto an-tany. Nasehony fa ny olona tanteraka iray dia afaka ny hankato ilay Mpamorona na dia eo aza ny fisedrana lehibe indrindra. (1 Petera 2:22). Tonga vidin’ny avotra izay afaka manavotra ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana, ny ain’olombelona lavorary nataony sorona. Hoy i Jesosy Kristy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:13). Natsangana ho amin’ny fiainana ara-panahy i Jesosy, tamin’ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesany, ary herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia niakatra ho any an-danitra mba hanolotra ny vidin’ny avotra tamin’i Jehovah Andriamanitra. (1 Korintiana 15:3, 4; Hebreo 9:11-14). Tamin’ny fanaovana izany, i Jesosy dia afaka nampihatra ny vidin’ny sorom-panavotany tamin’ireo izay nanaraka azy.
Ho vonona handray soa avy amin’io fomba fanasitranana ny aretina ara-panahy sy ara-pihetseham-po ary ara-batana io ve ianao? Mitaky finoana an’i Jesosy Kristy ny fanaovana izany. Nahoana raha manatona an’ilay Dokotera mihitsy ny tenanao? Afaka manao izany ianao amin’ny fianarana momba an’i Jesosy Kristy, sy ny anjara asany eo amin’ny famonjena ny olombelona mahatoky. Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 5]
Sady manana faniriana hanasitrana ireo marary i Jesosy no manana hery hanaovana izany
[Sary, pejy 7]
Inona no akon’ny fahafatesan’i Jesosy eo aminao?