-
Matokia Tanteraka An’i Jehovah Amin’ny Andro FahorianaNy Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Septambra
-
-
7, 8. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa takany hoe mirona hanahy tafahoatra ny amin’ny zavatra ilainy ny olombelona tsy lavorary? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.) b) Inona no torohevitra feno fahendrena nomen’i Jesosy mba tsy hanahiana tafahoatra?
7 Nanoro hevitra i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra hoe: “Aza manahy ny amin’ny ainareo intsony, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo.”b (Matio 6:25) Fantatr’i Jesosy fa voajanahary ho an’ny olona tsy lavorary ny manahy ny amin’izay tena ilainy. Ahoana anefa no hahatonga antsika tsy ‘hanahy intsony’ ny amin’ny zavatra toy izany? ‘Katsaho hatrany aloha ny fanjakany’, hoy i Jesosy. Tsy maintsy ataontsika loha laharana foana ny fanompoana an’i Jehovah, na inona na inona olana atrehintsika. Raha manao izany isika, dia ‘homen’ny’ Raintsika any an-danitra antsika ny zavatra rehetra ilaina isan’andro. Hanome antsika izay ilaintsika izy, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.—Matio 6:33.
-
-
Matokia Tanteraka An’i Jehovah Amin’ny Andro FahorianaNy Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Septambra
-
-
b Ny hoe fanahiana eto dia milaza “tahotra miharo tebiteby, mahatonga ny fiainana tsy hahafinaritra intsony.” Milaza fotsiny ny fandikan-teny sasany hoe: “Aza manahy.” Te hilaza izany fa tsy tokony hanomboka hanahy isika. Hoy anefa ny boky iray: “Manana endrika mandidy ilay matoanteny grika ampiasaina eto, ary midika hoe tsy tokony hanohy zavatra iray efa natomboka.”
-