FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp20 No. 2 p. 14-15
  • Miezaha Hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra Dieny Izao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra Dieny Izao!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • HIKATSAKA AN’ILAY FANJAKANA ALOHAN’NY ZAVATRA HAFA REHETRA VE IANAO?
  • Matio 6:33: “Katsaho ... Aloha ny Fanjakan’Andriamanitra”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
  • ‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Inona ny Fanjakan’​Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
wp20 No. 2 p. 14-15
Lehilahy iray mivavaka alohan’ny hamakiana Baiboly.

Miezaha Hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra Dieny Izao!

Eritrereto hoe hisy rivo-doza handalo ao amin’ny toerana misy anao. Mampitandrina ny fanjakana hoe mila miala ao haingana ianao ary mitady toerana azo antoka. Hendry ianao raha manaraka an’ilay fampitandremana, ka mankany amin’izay toerana azo antoka.

Toy ny hoe hiatrika rivo-doza daholo koa isika. Nilaza mantsy i Jesosy hoe hisy “fahoriana lehibe.” (Matio 24:21) Tsy azontsika ialana io fahoriana io. Misy zavatra azontsika atao anefa mba ho voaro isika amin’io fotoana io. Inona izany?

Izao no torohevitra nomen’i Jesosy Kristy, tao amin’ilay toriteniny teo an-tendrombohitra: “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany [fanjakan’Andriamanitra] sy ny fahamarinany.” (Matio 6:33) Ahoana izany?

Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra. Midika izany hoe io Fanjakana io no tokony ho zava-dehibe indrindra aminao alohan’ny zavatra hafa rehetra. (Matio 6:25, 32, 33) Nahoana? Satria tsy vitan’ny olombelona mihitsy ny mamaha ny olana eto an-tany. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no mahavita an’izany.

Katsaho ny fahamarinany. Midika izany hoe tokony hiezaka hanaraka ny lalàn’Andriamanitra sy ny torolalany ianao. Nahoana? Ho ratsy be ny vokany raha manao izay tianao fotsiny ianao. (Ohabolana 16:25) Raha manaraka ny fitsipik’Andriamanitra kosa ianao, dia ho sambatra kokoa sady hampifaly an’Andriamanitra.​—Isaia 48:17, 18.

Katsaho foana aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Nampitandrina i Jesosy fa mety ho variana mitady vola be ny olona sasany. Mieritreritra angamba izy ireo hoe hiaro azy izany. Ny hafa indray variana mamaha ny olana mahazo azy, ka lasa tsy manam-potoana hikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Matio 6:19-21, 25-32.

Nampanantena anefa i Jesosy fa raha manohana ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona iray, dia hahazo izay ilainy izy amin’izao. Hahazo fitahiana be dia be koa izy amin’ny hoavy.—Matio 6:33.

Mbola nijaly ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany, na dia nikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany aza. Tsy tanteraka tamin’ny androny mantsy ilay hoe tsy hisy intsony ny fijaliana. Voaro anefa izy ireo. Nahoana?

Nahita olana ny mpiara-belona tamin’izy ireo, satria tsy niraharaha an’izay nolazain’Andriamanitra. Voaro kosa ny mpianatr’i Jesosy, satria nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Tena nino izy ireo fa tsy maintsy ho tonga ilay Fanjakana, ary nanampy azy ireo hiatrika olana faran’izay mafy izany. Nanome azy ireo “hery fanampiny” koa Andriamanitra mba ho afaka hiaritra izy ireo.​—2 Korintianina 4:7-9.

HIKATSAKA AN’ILAY FANJAKANA ALOHAN’NY ZAVATRA HAFA REHETRA VE IANAO?

Nanaraka ny tenin’i Jesosy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ka nikatsaka an’ilay Fanjakana alohan’ny zavatra hafa rehetra. Nitory ny vaovao tsaran’io Fanjakana io tany amin’ny toerana nisy azy izy ireo. (Kolosianina 1:23) Misy manao hoatr’azy ireo koa ve amin’izao?

Ie, tena misy. Tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa efa kely sisa dia horavan’ny Fanjakan’Andriamanitra ity tontolo ity. Manao izay fara heriny àry izy ireo mba hanatanterahana an’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”​—Matio 24:14.

Inona àry no hataonao rehefa maheno ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana ianao? Mampirisika anao izahay mba hanao hoatran’ireo mponina tao Beria, tanàna makedonianina tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’izy ireo ny apostoly Paoly, dia “faran’izay nazoto nandray” an’izany izy ireo. “Nandinika tsara ny Soratra Masina” izy ireo avy eo, mba hahitana raha marina ny zavatra nolazaina taminy. Nampihatra an’izay nianarany izy ireo taorian’izay.​—Asan’ny Apostoly 17:11, 12.

Olona an-tapitrisany maneran-tany no manohana ny Fanjakan’Andriamanitra. Izao no ataon’izy ireo:

  1. Vavolombelon’i Jehovah miresaka amin’ny lehilahy iray eo am-baravarana.

    Mihaino ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana

  2. Mianatra Baiboly ao an-tranony ilay lehilahy teo, ary manampy azy ny iray amin’ireo Vavolombelona.

    Mandinika tsara ny Soratra Masina

  3. Mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana ilay lehilahy.

    Miaraka amin’ireo manohana an’ilay Fanjakana

  4. Mivavaka ilay lehilahy alohan’ny hamakiana Baiboly.

    Mampiseho amin’Andriamanitra hoe te hanompo azy

Afaka manao hoatr’azy ireo koa ianao. Katsaho alohan’ny zavatra hafa rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Raha manao an’izany ianao dia ho voaro dieny izao, ary ho sambatra mandrakizay amin’ny hoavy.

Te hahafantatra bebe kokoa momba an’izay ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ianao? Jereo ny tranonkalanay jw.org.

Misy amin’ny fiteny 1 000 mahery ny zavatra aseho ao amin’izy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara