-
Fanatanterahana ny faminanian’i IsaiaIlay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
-
-
“Indro! Ny mpanompoko izay nofidiko, ny malalako, izay sitraky ny foko indrindra! Hapetrako ao aminy ny fanahiko, ary ny rariny dia hataony mazava any amin’ireo firenena.
-
-
Fanatanterahana ny faminanian’i IsaiaIlay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
-
-
Mazava ho azy fa i Jesosy no ilay mpanompo malala izay sitrak’Andriamanitra. Ary nataon’i Jesosy nazava ny tena rariny marina, izay nohamaizinin’ny lovantsofina ara-pivavahan-diso. Noho ny fampiharan’izy ireo tsy araka ny rariny ny lalàn’Andriamanitra, ny Fariseo dia tsy nety nanampy marary iray akory tamin’ny Sabata! Tamin’ny fanaovana ny rariny araka an’Andriamanitra ho mazava, i Jesosy dia nanafaka ny olona tamin’ny enta-mavesatry ny lovantsofina tsy ara-drariny, ary noho izany, dia nanandrana ny hamono azy ireo mpitondra ara-pivavahana.
-