-
Fanatanterahana ny faminanian’i IsaiaIlay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
-
-
Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, ambara-pamoakany ny rariny amim-pahombiazana.
-
-
Fanatanterahana ny faminanian’i IsaiaIlay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
-
-
Ankoatra izany koa, i Jesosy dia nitondra ny hafany feno fampaherezana ho an’ny olona izay noharina tamin’ny volotara torotoro, niforitra sy voahitsaka tamin’ny tany. Toy ny lahin-jiro nanetona, izay kely sisa dia ho faty ny aina kely farany teo aminy, izy ireo. Tsy nanapaka ny volotara torotoro na namono ny lahin-jiro nanetroka izay nila ho faty i Jesosy. Tamim-pahalemem-panahy sy fitiavana kosa, dia nampitraka ireo nalemy fanahy tamim-pahakingana izy.
-