-
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-32 — Jona“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
-
-
3. Inona no manaporofo fa azo itokiana ny fitantaran’i Jona?
3 Tsy misy iadian-kevitra fa azo itokiana ny fitantaran’i Jona manontolo. I ‘Jesosy, ilay Mpandavorary ny finoantsika’, dia niresaka momba an’i Jona ho toy ny olona tena nisy, ary nilaza ny hevitra ara-tsindrimandrin’ny roa tamin’ireo fitrangan-javatra ara-paminaniana ao amin’ny Jona. Nasehony tamin’izany fa mirakitra faminaniana marina ilay boky. (Heb. 12:2, NW; Matio 12:39-41; 16:4; Lioka 11:29-32).
-
-
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-32 — Jona“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
-
-
11. Inona moa ilay “famantaran’i Jona”?
11 Ao amin’ny Matio 12:38-41, i Jesosy dia nilaza tamin’ireo filoha ara-pivavahana fa ny hany famantarana homena azy ireo dia ny “famantaran’i Jona”. Rehefa afaka hateloan’andro sy hateloan’alina “tao anatin’ny Sheola” i Jona, dia nandeha nitory tao Ninive, ka tamin’izany dia tonga “famantarana” ho an’ireo Ninivita. (Jona 2:1; 2:3, f.a.p.; 3:1-4). Mitovy amin’izany koa, i Jesosy dia nandany ny tapany tamin’ny andro telo tao am-pasana ary natsangana tamin’ny maty. Rehefa nanambara ny porofon’io fisehoan-javatra io ireo mpianany, dia nanjary famantarana ho an’izany taranaka izany i Jesosy. Araka ny fomba famaritan’ny Jiosy ny fotoana sy ireo zava-nisy tanteraka teo amin’ny fiainan’i Jesosy, io fe-potoana nisy “hateloan’andro sy hateloan’alina” io dia mamela izany ho fe-potoana latsaka ny telo andro feno.b
12. a) Zavatra hafa inona no nolazain’i Jesosy mikasika ireo Ninivita sy ireo Jiosy tao amin’ny taranaka nisy azy? b) Ahoana no nisehoan’ilay “lehibe noho Jona”, ary inona no fifandraisany amin’ny Fanjakan’i Jehovah sy ny famonjena?
12 Tamin’iny fifampiresahana iny ihany, i Jesosy dia nampifanohitra ny fibebahan’ireo Ninivita tamin’ny hamafin’ny fon’ireo Jiosy sy ny fandavan’izy ireo azy an-kitsirano nandritra ny fanompoany. Hoy izy: “Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa izy nibebaka tamin’ny nitorian’i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.” (Jereo koa ny Matio 16:4 sy ny Lioka 11:30, 32.) “Misy lehibe noho Jona” — inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ireo teny ireo? Niresaka momba ny tenany ho toy ny mpaminany lehibe indrindra tamin’ny rehetra izy, dia Ilay nirahin’i Jehovah hitory hoe: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17). Na dia izany aza, ny ankamaroan’ireo Jiosy tamin’izany taranaka izany dia nanda ny “famantaran’i Jona”. Ahoana ny amin’izao andro izao? Na dia tsy mitandrina ny hafatra fampitandreman’i Jehovah aza ny ankamaroan’ny olona, dia an’arivony maro maneran-tany no manana ny fahafahana be voninahitra hihaino ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izay notorin’i Jesosy, ilay “Zanak’olona”, voalohany. Toa an’ireo Ninivita nibebaka, izay notahina tamin’ny alalan’ny fitorian’i Jona, ireo koa dia mety hahazo ny fandaharana tondraka sy feno famindram-po avy amin’i Jehovah, dia fitohizan’ny fiainana, satria “an’i Jehovah [marina] ny famonjena”. — Jona 2:10.
-