-
Inona no Atao hoe Batisa?Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
-
-
Batisa amin’ny fanahy masina. Samy niresaka momba ny batisa amin’ny fanahy masina na i Jesosy na i Jaona Mpanao Batisa. (Matio 3:11; Lioka 3:16; Asan’ny Apostoly 1:1-5) Tsy mitovy amin’ny batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina izy io. (Matio 28:19) Nahoana?
Mpanara-dia an’i Jesosy vitsivitsy ihany no atao batisa amin’ny fanahy masina. Voahosotra tamin’ny fanahy masina ireo olona ireo satria voantso hiaraka amin’i Kristy any an-danitra mba ho mpanjaka sy mpisorona hitondra ny tany.e (1 Petera 1:3, 4; Apokalypsy 5:9, 10) Iza no hofehezin’izy ireo rehefa ho lasa mpitondra izy? Ny mpanara-dia an’i Jesosy an-tapitrisany manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Matio 5:5; Lioka 23:43.
-
-
Inona no Atao hoe Batisa?Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
-
-
Batisa amin’ny afo. Nilaza i Jaona Mpanao Batisa hoe: “Izy [Jesosy] no hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina sy amin’ny afo. Efa eny an-tanany ny fitaovana fikororohana, ka hodioviny tanteraka ny famoloany. Dia hangoniny ao an-trano fitehirizana ny vary, fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mety maty.” (Matio 3:11, 12) Mariho fa tsy mitovy ny batisa amin’ny afo sy ny batisa amin’ny fanahy masina. Inona no tian’i Jaona holazaina, tamin’ilay fanoharana nataony?
Izay mihaino an’i Jesosy sy mankatò azy no asehon’ny vary. Azo atao batisa amin’ny fanahy masina ireo olona ireo. Izay tsy mihaino an’i Jesosy kosa no asehon’ny akofa sy ny mololo. Atao batisa amin’ny afo ireny olona ireny amin’ny farany, izany hoe horinganina mandrakizay.—Matio 3:7-12; Lioka 3:16, 17.
-