Ny Fihetsiky ny Kristiana eo Anoloan’ny Fanaratsiana Ampahibemaso
INONA no tsapanao rehefa misy olona manaratsy anao na manely lainga momba anao? Mazava ho azy fa malahelo mafy ianao. Izany koa no tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah na oviana na oviana izy ireo no tonga fototry ny fanambarana tsy marina sy naolana ataon’ny fampitam-baovao. Araka ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:11, 12 anefa, dia mbola manana antony hifaliana izy ireo.
Ny gazety katolika iray mivoaka any Alemaina, ohatra, dia nilaza fa “ny Vavolombelona tsirairay, dia voatery manome eo amin’ny 17 ka hatramin’ny 28 isan-jato amin’ny vola miditra aminy ho an’ny foiben’ilay antokom-pivavahana”. Tsy antokom-pivavahana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny asa tontosainy dia tohanan’ny fanomezana an-tsitrapo tanteraka. Ny mpamaky maro dia voafitak’izany fanambarana diso izany, ka hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho mampalahelo izany. Ahoana anefa no tokony ho fihetsiky ny Kristiana marina eo anoloan’ny fanaratsiana ataon’ny fampitam-baovao?
Ohatra tokony harahin’ireo Kristiana
Ny Matio toko faha-23 dia milazalaza amin’ny fomba mazava tsara ny nanamelohan’i Jesosy ireo mpanohitra azy ara-pivavahana, noho ny fihatsarambelatsihiny sy ny fanaovany fitaka. Moa ve izany no modely harahina ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao raha ny amin’ny fomba fihetsika eo anoloan’ny fanakianana? Tsy izany mihitsy. Ny Zanak’Andriamanitra dia nanameloka ireo mpanohitra azy ara-pivavahana noho ny fahefana sy ny fahatakarana hevi-dalina manokana nananany, ka nanao izany izy mba ho tombontsoan’ireo vahoaka nihaino.
Tantarain’ny Matio 15:1-11 fa i Jesosy dia nokianina satria nandika ny lovantsofina jiosy ny mpianany. Ahoana no fihetsik’i Jesosy? Tsy nilefitra izy. Tamin’ny toe-javatra sasany dia notoherin’i Jesosy tsy an-kifonofono ireo mpanakiana azy, ka noporofoiny fa diso ny fomba fihevitr’izy ireo. Amin’ny ankapobeny, dia tsy diso ireo Kristiana amin’ny andro ankehitriny rehefa manandrana manitsy ny fampisehoana amin’ny fomba diso ny asa na ny fampianarana ataony, ka miezaka izy ireo manazava ny tarehin-javatra miorina amin’ny zava-misy sy araka ny fandrindran-kevitra. Manao izany izy mba hanampiana ireo olona tso-po hahita fa tsy voamarina sy fanendrikendrehana ny fanakianana ny Vavolombelon’i Jehovah.
Mariho anefa ny fomba fihetsik’i Jesosy, fotoana fohy taorian’ny nanaovan’ny mpianany izao fanamarihana izao: “Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?” Ireo Fariseo ireo dia “tafintohina” — tsy hoe sosotra fotsiny, fa tonga mpanohitra tsy azo nahitsy, ka nolavin’i Jesosy. Araka izany, dia izao no navaliny: “Avelao izy; mpitarika jamba izy”. Tsy nisy heviny sady tsy hahasoa na ho an’iza na ho an’iza ny mbola hiresahana amin’ny mpanohitra maneho fankahalana toy izany, ary tsy hitarika afa-tsy ho amin’ny ady hevitra tsy mamokatra. (Matio 7:6; 15:12-14; ampitahao amin’ny 27:11-14.) Ny valin-tenin’i Jesosy dia mampiseho fa “ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana”. — Mpitoriteny 3:7.
Tsy antenain’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hiresahan’ny olona rehetra amim-pankasitrahana momba azy ireo. Izy ireo dia mitadidy ao an-tsaina ny tenin’i Jesosy hoe: “Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.” (Lioka 6:26). Indray mandeha dia nanontaniana i C. T. Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower, ny amin’ny antony tsy niarovany tena tamin’ireo mpanendrikendrika azy. Izao no navaliny: “Raha toa ianao ka mijanona isaky izay misy alika mivovò anao mba hanome daka azy, dia tsy ho lasa lavitra velively ianao.”
Koa tsy tokony havelantsika hanelingelina antsika amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra ireo fanamarihana ataon’ny mpanohitra tapa-kevitra. (Salamo 119:69). Aoka isika hifantoka amin’ny asa tokony hotontosain’ny Kristiana marina, izany hoe, ny fitoriana ny filazantsara. Ho vokatr’izany ara-dalàna, dia hanana fahafahana hamaly ireo fanontaniana sy hanazava amin’ny ambangovangony ny asa tontosaintsika isika, ohatra ny fampisondrotana ny fari-pitondran-tenan’ny olona sy ny fampianarana azy ny Tenin’Andriamanitra. — Matio 24:14; 28:19, 20.
Tokony hovaliana ve ny fanakianana?
Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Tsy naman’izao tontolo izao hianareo, (...) dia halan’izao tontolo izao”. (Jaona 15:19). Fanehoana izany fankahalana izany ireo tatitra maro ataon’ny fampitam-baovao izay manangona fanaratsiana momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tokony tsy horaharahaina ny toy izany. Indraindray anefa ny fampitam-baovao dia manolotra fanazavana izay manondro ny tsy fahalalany ny Vavolombelon’i Jehovah na manolana sy manazava amin’ny fomba diso ny fanambarana sasany. Nety ho avy tamin’ny loharano mitsara an-tendrony no nakan’ireo mpanao gazety sasany ny fanazavana omeny. Hiankina amin’ny toe-javatra sy ilay mpampirisika ny fanakianana ary ny zava-kendreny no tsy hiraharahantsika ilay fanazavana diso omen’ny fampitam-baovao na hiarovantsika ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fomba mety.
Indraindray dia azo ahitsy ireo fanambarana, amin’ny fandefasana taratasy misokatra any amin’ny tonian’ ilay gazety raha toa ka havoaka manontolo ilay izy. Mety ho ny mifanohitra tanteraka amin’izay nikendrena azy anefa no ho azo amin’ny taratasy toy izany. Amin’ny ahoana? Ilay fanambarana tsy marina tany am-boalohany araka izany, dia mety mbola hahazo fampahafantarana bebe kokoa, na mety homena fahafahana fanampiny ireo mpanohitra hanomana lainga na fiampangana an-tsoratra. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia fahendrena ny hamelana ireo loholona voakasika hanapa-kevitra na handefa taratasy misokatra amin’ny tonian’ilay gazety na tsia. Raha toa ny tatitra tsy manorina an-gazety ka mampirisika hanao fitsarana an-tendrony, dia afaka mampahafantatra ireo kongregasiona ao amin’izany tany izany ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower momba ireo fanambarana mifanentana amin’ilay tarehin-javatra, ka amin’izany fomba izany dia hahatonga ny mpitory rehetra ho afaka hanome fanazavana mahafa-po an’ireo olona manontany.
Ilain’ny tenanao manokana akory ve ny hiditra amin’izany filazana tsy voaporofo sady naolana izany? Tokony hikarakara izay rehetra tafiditra amin’izany filazana izany ve ny tenanao manokana? Mihatra mazava amin’io antokon’olona mpanohitra io ny torohevitr’i Jesosy milaza hoe “avelao izy”, aza miraharaha azy ireo. Ireo Kristiana tsy mivadika dia manana antony araka ny Baiboly hanalavirana ireo mpivadi-pinoana sy ny fomba fiheviny. (1 Korintiana 5:11-13; Titosy 3:10, 11; 1 Jaona 2:19; 2 Jaona 10, 11). Raha toa ka misy olona liana ny hahafantatra amim-pahatsorana na miorina amin’ny zava-misy na lainga ny fanakianana ny Vavolombelona, dia ampy mazàna ny fahalalanao manokana miorina tsara mba hanomezana valin-teny azy. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jona 1986, pejy faha-13 sy faha-14.
Raha toa ianao ka tojo fanambarana naolana amin’ny gazety, dia araho ny torohevitry ny Ohabolana 14:15 manao hoe: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Tany Soisa, dia olona maro no tafintohina rehefa nisy gazety mpilaza vaovao mampihetsi-po nanambara fa maty ny tovovavy iray Vavolombelona noho ny fandavan’ny havany tsy hanome lalana ny mpiasan’ny fitsaboana hampiditra ra aminy. Izany marina tokoa ve anefa no nitranga? Tsia. Ilay marary dia nanda ny fampidirana ra noho ny antony ara-pivavahana, nefa nanaiky kosa izy ny fikarakarana ara-pitsaboana mahasolo ra azo isafidianana. Tokony ho natomboka tsy nisy hataka andro izy io ary azo inoana fa ho namonjy ny ainy. Nanemotra ny fanomezana fikarakarana tsy tamin’ny antony anefa ny hopitaly mandra-paha-diso aoriana loatra. Ilay tatitra an-gazety dia tsy niresaka momba ireo zava-nisy ireo.
Araka izany, dia lanjalanjao amim-pitandremana ny fahamarinana ao amin’ny tatitra toy ireny. Afaka manazava amin’ireo olona manontany isika fa ireo loholona eo an-toerana dia mikarakara amim-pitiavana ny toe-javatra toy izany sy mifanaraka amin’ireo toro lalana ao amin’ny Baiboly. Miaro antsika amin’ny fanatsoahan-kevitra maimaika ny fifikirana amin’ireo fotopoto-pitsipika rehefa mamaly. — Ohabolana 18:13.
Zava-dehibe ny fahazoana fanazavana mivantana
Tamin’ny taonjato voalohany ny olona dia nanely lainga momba an’i Jesosy Kristy mba hanimbana ny lazany, ny sasany aza nampiseho azy ho toy ny mpamadika. (Lioka 7:34; 23:2; ampitahao amin’ny Matio 22:21.) Tatỳ aoriana ny kongregasiona kristiana vao niforona dia tojo fanoherana niitatra avy amin’ireo tapany ara-pivavahana sy ara-politika. Koa satria “ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra”, dia manambany ireo mpanompony ny olona maro be. (1 Korintiana 1:22-29). Tsy maintsy mihevitra ny fanaratsiana, izay endrika iray amin’ny fanenjehana, ireo Kristiana marina amin’ny andro ankehitriny. — Jaona 15:20.
Ankasitrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa rehefa tsy miangatra ilay olona ifampiresahany ary mampiseho toe-tsaina mitovy amin’ny an’ireo mpitsidika an’i Paoly tany Roma, izay nanambara toy izao: “Tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin’izany antoko izany, dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.” — Asan’ny Apostoly 28:22.
Tolory fanazavana ireo olona tsy mahafantatra tsara, ka ataovy amim-pahalemem-panahy izany. (Romana 12:14; ampitahao amin’ny 2 Timoty 2:25.) Asao izy ireo haka fanazavana mivantana ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka izany dia hahatonga azy tsy ho voafitak’ireo fiampangana diso. Azonao atao koa ny mampiasa ireo fanazavana navoakan’ny Fikambanana Watch Tower izay manome tsipiriany maro momba ny fandaminana sy ny tantarany ary ny fampianarany.a Indray mandeha i Filipo dia namaly an’i Natanaela tamin’ny filazana fotsiny hoe: “Andeha hizaha”. (Jaona 1:46). Afaka manao toy izany koa isika. Izay rehetra maniry dia asaina amin-kafanam-po hitsidika ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana mba handinika mivantana hoe karazan’olona manao ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah ary inona no inoany.
Aza matahotra ireo mpanohitra
Mampahery toy inona moa ny mahafantatra fa ny fanaratsiana dia tsy misakana ny olona tsy ho tonga Vavolombelona! Tany Alemaina, nandritra ny fandaharana iray tamin’ny televiziona anadinadinana olona malaza, dia nampiseho lainga maro momba ny Vavolombelona ireo mpivadi-pinoana. Ny mpijery iray dia nahafantatra ireo resaka mampitombo nataon’ireo mpivadi-pinoana ho toy ny hevitra foronin’ny saina ary voatosika hiverina hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona indray izy. Eny, ny fanaratsiana ampahibemaso indraindray dia mitondra vokany manorina! — Ampitahao amin’ny Filipiana 1:12, 13.
Fantatry ny apostoly Paoly fa ny sasany dia hihevitra kokoa ireo “anganongano” toy izay ny fahamarinana. Noho izany, dia nanoratra toy izao izy: “Mahonòna tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.” (2 Timoty 4:3-5). Koa aza manaiky ho voahelingelina, ary ‘aza mety hampitahorin[’ireo mpanohitra anareo] na amin’inona na amin’inona’. (Filipiana 1:28). Mitoera ho tony sy mahay mandanjalanja hatrany ary torio amim-pifaliana ny vaovao tsara, dia hiatrika amim-pahatapahan-kevitra ny fanaratsiana ampahibemaso ianao. Eny, tadidio ny fampanantenan’i Jesosy hoe: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.” — Matio 5:11, 12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny boky Ny Vavolombelon’i Jehovah — Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Maneran-tany, Ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Taonjato Faha-20, sy Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu.
[Teny notsongaina, pejy 27]
Rehefa nifanehatra tamin’ireo mpanohitra i Jesosy, dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Avelao izy”. Inona no tiany holazaina?
[Teny notsongaina, pejy 29]
“Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.” — Matio 5:11