FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 57 p. 138-p. 139 feh. 8
  • Nanasitrana Zazavavy Iray sy Lehilahy Marenina i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanasitrana Zazavavy Iray sy Lehilahy Marenina i Jesosy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampisehoana fangoraham-po tamin’ireo ory
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nangoraka ny ory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Syrianina-fenisianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ahoana no Hahafoana ny Kilema?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 57 p. 138-p. 139 feh. 8
Vehivavy fenisianina iray mitalaho amin’i Jesosy. Ataon’i Jesosy eo amin’ny sofin’ny lehilahy iray marenina ny tanany

TOKO 57

Nanasitrana Zazavavy Iray sy Lehilahy Marenina i Jesosy

MATIO 15:21-31 MARKA 7:24-37

  • NANASITRANA NY ZANAKY NY VEHIVAVY FENISIANINA IRAY I JESOSY

  • NANASITRANA LEHILAHY IRAY MOANA SADY MARENINA IZY

Avy nanameloka ny Fariseo i Jesosy noho izy ireo tia tena ka nanaraka fomban-drazana. Nandeha kilaometatra maro tany avaratrandrefana izy sy ny mpianany avy eo, mba ho any Tyro sy Sidona tany amin’ny faritr’i Fenisia.

Nahita trano hipetrahana i Jesosy nefa tsy tiany hisy hahalala hoe tao izy. Nahita azy ihany anefa ny vehivavy grika iray teraka tao amin’io faritra io. Nitalaho taminy izy io hoe: “Mba iantrao aho, ry Tompo Zanak’i Davida ô! Marary mafy ny zanako vavy fa azon’ny demonia.”—Matio 15:22; Marka 7:26.

Hoy ny mpianatr’i Jesosy rehefa elaela: “Asaivo mandeha any izy fa miantsoantso foana ao aoriantsika ao.” Nahoana i Jesosy no tsy niraharaha an’ilay vehivavy? Hoy izy: “Tsy nirahina afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely aho.” Tsy kivy anefa ilay vehivavy. Nanatona an’i Jesosy izy ary niankohoka ka niangavy azy hoe: “Tompo ô, ampio aho!”—Matio 15:23-25.

Angamba te hitsapa ny finoany i Jesosy ka nilaza hoe: “Tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an’ny alikakely.” (Matio 15:26) Nihevitra ny hafa firenena ho ambany ny Jiosy ary niresaka an-kolaka an’izany i Jesosy teo. Hita amin’ilay teny hoe “alikakely” anefa fa tia sy mangoraka ny hafa firenena izy. Azo antoka fa hita teny amin’ny endriny sy tsapa tamin’ny feony izany.

Tsy tezitra ilay vehivavy fa nanetry tena. Nampiasainy koa ilay fihevitry ny Jiosy, ka hoy izy: “Marina izany, Tompo ô, kanefa ny alikakely koa mba mihinana ihany amin’ny poti-mofo latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony.” Hitan’i Jesosy fa tsara ny toe-pony ka hoy izy: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao. Aoka ho tonga aminao izany araka izay irinao.” (Matio 15:27, 28) Sitrana avy hatrany ilay zanany vavy na dia tsy teo aza. “Efa niala ilay demonia” ka sitrana tanteraka ilay zazavavy, rehefa hitan’ny reniny nandry teo am-pandriana, tamin’izy tonga tao an-trano.—Marka 7:30.

Namakivaky ny faritr’i Fenisia i Jesosy sy ny mpianany avy eo, ka nankany amin’ny faritra avaratry ny Reniranon’i Jordana. Toa niampita an’ilay renirano izy ireo rehefa tany avaratry ny Ranomasin’i Galilia, ary nankany Dekapolisy. Nankany an-tendrombohitra izy ireo nefa hitan’ny vahoaka indray. Nentin’ny vahoaka teo amin’i Jesosy ny malemy tongotra, kilemaina, jamba, ary ny moana. Napetrak’izy ireo teo an-tongony ireny ary nositraniny. Gaga ny olona ka nanome voninahitra an’Andriamanitry ny Israely.

Nokarakarain’i Jesosy manokana ny lehilahy iray marenina sady niraiki-dela. Angamba tsapanao ny nahazo an’io lehilahy io tamin’izy tao anaty vahoaka. Hitan’i Jesosy angamba fa tsy nahazo aina izy. Nentiny niala teo àry ilay lehilahy ary nasehony azy izay hataony rehefa nitokana izy ireo. Nampidiriny tao an-tsofin’ilay lehilahy ny rantsantanany, nandrora izy, ary nokasihiny ny lelan’ilay lehilahy. Niandrandra ny lanitra izy avy eo ary niteny hoe “Efata”, izay midika hoe “Misokafa.” Lasa afaka nandre sy niteny tsara indray ilay lehilahy. Tsy tian’i Jesosy holazalazaina ny nataony, satria tiany hino azy noho ny zavatra hitany sy reny mivantana ny olona.—Marka 7:32-36.

Nisy vokany be tamin’ny olona ny fanasitranana nataon’i Jesosy. “Gaga tsy nisy toy izany” izy ireo ka nilaza hoe: “Tsara avokoa izay rehetra ataony. Vitany mihitsy aza ny manao izay handrenesan’ny marenina sy hitenenan’ny moana.”—Marka 7:37.

  • Nahoana no tsy nositranin’i Jesosy avy hatrany ny zanak’ilay vehivavy fenisianina?

  • Nankaiza i Jesosy sy ny mpianany rehefa niala tao Fenisia?

  • Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nangoraka an’ilay lehilahy moana sady marenina izy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara