FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Rehefa ho Avy i Jesosy Amin’ny Voninahitr’ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Mey
    • Ireo naman’i Jesosy, namana nomem-boninahitra

      9. Tokony hanantena ve isika fa hiaraka amin’i Jesosy i Mosesy sy i Elia, amin’ny fahatanterahan’ilay fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy? Hazavao.

      9 Tsy irery akory i Jesosy tamin’ilay fiovan-tarehy. Hita niaraka taminy i Mosesy sy i Elia. (Matio 17:2, 3). Teo ara-bakiteny ve izy ireo? Tsia, satria samy efa maty ela izy roa lahy ireo ary matory ao amin’ny vovoka, miandry fananganana amin’ny maty. (Mpitoriteny 9:5, 10; Hebreo 11:35). Hiara-miseho amin’i Jesosy ve izy ireo rehefa ho avy i Jesosy amin’ny voninahitra any an-danitra? Tsia, satria niaina talohan’ny nanokafana ny fanantenana ho any an-danitra ho an’ny olombelona, i Mosesy sy i Elia. Ho tafiditra amin’ny “fitsanganan’ny marina” ho eto an-tany izy ireo. (Asan’ny Apostoly 24:15). Ara-panoharana àry ny fisehoan’izy ireo tao amin’ilay fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy. Fanoharana momba ny inona?

  • Rehefa ho Avy i Jesosy Amin’ny Voninahitr’ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Mey
    • 12. Tamin’ilay fiovan-tarehy, mampiseho an’iza i Mosesy sy i Elia?

      12 Tandindon’iza àry i Mosesy sy i Elia, tamin’ilay fiovan-tarehy? Milaza i Lioka fa niseho “tamim-boninahitra” niaraka tamin’i Jesosy izy ireo. (Lioka 9:31). Mazava fa izy ireo dia tandindon’ireo Kristiana, izay nohosorana tamin’ny fanahy masina ho “mpiray lova” amin’i Jesosy, ka noho izany dia nahazo ny fanantenana mahatalanjona “hiara-manam-boninahitra” aminy. (Romana 8:17). Hiaraka amin’i Jesosy ireo voahosotra natsangana amin’ny maty rehefa ho avy izy amin’ny voninahitry ny Rainy, mba “hamaly ny olona rehetra araka ny nataony”. — Matio 16:27.

      Vavolombelona tahaka an’i Mosesy sy i Elia

      13. Lafiny inona avy no manamarika an’i Mosesy sy i Elia ho sary ara-paminaniana mifanentana tsara amin’ny voahosotra mpiara-mandova amin’i Jesosy, izay homem-boninahitra miaraka aminy?

      13 Misy lafiny miavaka izay manamarika an’i Mosesy sy i Elia ho sary ara-paminaniana mifanentana tsara amin’ny voahosotra mpiara-mandova amin’i Jesosy. Samy mpitondra tenin’i Jehovah nandritra ny taona maro na i Mosesy na i Elia. Samy niatrika ny fahatezeran’ny mpanapaka iray izy ireo. Tamin’ny fotoana nilany fanampiana, dia notohanan’ny fianakaviana vahiny iray ny tsirairay taminy. Samy nanambara faminaniana tamim-pahasahiana tamina mpanjaka izy roa lahy ary niorina mafy hanohitra ny mpaminany sandoka. Samy nahita fampisehoana ny herin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay (antsoina koa hoe Horeba) i Mosesy sy i Elia. Samy nanendry mpandimby azy teo amin’ny ilany atsinanan’i Jordana izy roa lahy. Ary ny andron’i Mosesy (niaraka tamin’i Josoa) sy ny andron’i Elia (niaraka tamin’i Elisa) no nahitana fahagagana betsaka indrindra, ankoatra ireo izay nitranga nandritra ny androm-piainan’i Jesosy.b

      14. Tamin’ny fomba ahoana ny voahosotra no mpitondra tenin’i Jehovah, toa an’i Mosesy sy i Elia?

      14 Tsy mampahatsiahy antsika ny Isiraelin’Andriamanitra ve izany rehetra izany? Eny, izany tokoa. Nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy nahatoky i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:19, 20). Ho fankatoavana an’ireo teny ireo, dia mpitondra tenin’i Jehovah nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. ka mandraka ankehitriny, ireo Kristiana voahosotra. Toa an’i Mosesy sy i Elia, dia niatrika ny fahatezeran’ny mpanapaka sy nitory taminy, izy ireo. Nilaza toy izao tamin’ireo apostoliny 12 i Jesosy: “Ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa.” (Matio 10:18). Tanteraka tamin’ny fomba niverimberina ireo teny ireo nandritra ny tantaran’ny kongregasiona kristiana. — Asan’ny Apostoly 25:6, 11, 12, 24-27; 26:3.

      15, 16. Fifanitsian-javatra inona avy no misy eo amin’ny voahosotra etsy an-daniny ary i Mosesy sy i Elia etsy an-kilany, raha ny amin’ny a) fijoroan’izy ireo tsy tamin-tahotra ho an’ny fahamarinana? b) fandraisan’izy ireo fanampiana avy tamin’ny tsy Isiraelita?

      15 Ankoatra izany, ireo Kristiana voahosotra dia tsy nanan-tahotra sahala amin’i Mosesy sy i Elia, tamin’ny fijoroana ho an’ny fahamarinana, ho fanoherana ny lainga ara-pivavahana. Tadidio ny fomba nanamelohan’i Paoly an’i Barjesosy, mpaminany sandoka jiosy, sy ny fomba namakiany bantsilana tamim-pahaiza-mandanjalanja nefa tamin’ny fomba hentitra, ny maha-diso ireo andriamanitry ny Ateniana. (Asan’ny Apostoly 13:6-12; 17:16, 22-31). Tadidio koa fa amin’izao andro maoderina izao, ny sisa voahosotra dia namaky bantsilana tamim-pahasahiana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ary nitondra loza ho azy io izany fitoriana izany. — Apokalypsy 8:7-12.c

      16 Rehefa nandositra ny fahatezeran’i Farao i Mosesy, dia nahita fialofana tao an-tranon’ny tsy Isiraelita iray, dia i Regoela, izay nantsoina koa hoe Jetro. Tatỳ aoriana, i Mosesy dia nahazo torohevitra sarobidy avy tamin’i Regoela momba ny fandaminan-javatra. Nitarika ny Isiraely namakivaky ny efitra i Hobaba, zanakalahin’i Regoela.d (Eksodosy 2:15-22; 18:5-27; Nomery 10:29). Moa ve ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra nampian’olona tamin’ny fomba mitovy amin’izany, dia olona izay tsy anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra voahosotra? Eny, notohanan’ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa”, izay niseho sehatra nandritra izao andro farany izao, izy ireo. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16; Isaia 61:5). Nanambara mialoha ny amin’ny fanohanana amim-pahavitrihana sy amim-pitiavana izay hatolotr’ireny “ondry” ireny ho an’ny rahalahiny voahosotra i Jesosy, ka hoy izy tamin’izy ireo ara-paminaniana: “Noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo. (...) Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.” — Matio 25:35-40.

      17. Tamin’ny ahoana no nanan-javatra niainana nitovy tamin’ny an’i Elia teo amin’ny Tendrombohitra Horeba ireo voahosotra?

      17 Ankoatra izany, ny Isiraelin’Andriamanitra dia nanan-javatra niainana azo ampitahaina amin’ny an’i Elia teo amin’ny Tendrombohitra Horeba.e Toa an’i Elia tamin’ny fotoana nandosirany an’i Jezebela vadin’ny mpanjaka, ny sisa voahosotra feno tahotra dia nihevitra fa vita ny asan’izy ireo tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Voalohany. Avy eo, toa an’i Elia koa, dia tojo an’i Jehovah, izay tonga hitsara ireo fikambanana mihambo ho “tranon’Andriamanitra”, izy ireo. (1 Petera 4:17, fanamarihana ambany pejy; Malakia 3:1-3). Rehefa hita fa latsa-danja ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia ny sisa voahosotra kosa no nekena ho “mpanompo mahatoky sy malina” ka notendrena hanapaka ny fananan’i Jesosy rehetra eto an-tany. (Matio 24:45-47, NW ). Tao Horeba, i Elia dia nandre “feo nitsoka malemy”, izay hita fa an’i Jehovah, nanome azy asa bebe kokoa hatao. Tao anatin’ny fe-potoana nilamina tamin’ireo taona taorian’ny ady, ireo mpanompon’i Jehovah voahosotra nahatoky dia nandre ny feony avy tao amin’ireo pejin’ny Baiboly. Nahatakatra koa izy ireo fa nanana asa nanirahana hotanterahina. — 1 Mpanjaka 19:4, 9-18; Apokalypsy 11:7-13.

      18. Tamin’ny fomba ahoana no nitarihana fampisehoana miavaka ny herin’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny Isiraelin’Andriamanitra?

      18 Farany, moa ve nisy fampisehoana miavaka ny herin’i Jehovah, notarihina tamin’ny alalan’ny Isiraelin’Andriamanitra? Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanao fahagagana maro ireo apostoly, nefa dia nitsahatra tsikelikely izy ireny. (1 Korintiana 13:8-13). Amin’izao andro izao, dia tsy mahita fahagagana ara-bakiteny isika. Etsy an-danin’izany, dia hoy i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy”. (Jaona 14:12). Nisy fahatanterahany voalohany izany rehefa nitory ny vaovao tsara nanerana ny Empira Romana tamin’ny taonjato voalohany ireo mpianatr’i Jesosy. (Romana 10:18). Vao mainka asa lehibe kokoa no vita amin’izao andro izao, satria nitarika ny fitoriana ny vaovao tsara any “amin’ny tany onenana manontolo, (...) ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra” ny sisa voahosotra. (Matio 24:14, NW ). Ny vokany? Ny taonjato faha-20 no nahitana ny fanangonana mpanompon’i Jehovah mahatoky sy vita fanoloran-tena betsaka indrindra teo amin’ny tantara. (Apokalypsy 5:9, 10; 7:9, 10). Porofo kanton’ny herin’i Jehovah re izany! — Isaia 60:22.

      Avy amim-boninahitra ireo rahalahin’i Jesosy

      19. Rahoviana ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy no ho hita hiaraka aminy amim-boninahitra?

      19 Rehefa vitan’ny sisa amin’ny voahosotra rahalahin’i Jesosy ny fihazakazahany eto an-tany, dia hiaraka homem-boninahitra aminy izy ireo. (Romana 2:6, 7; 1 Korintiana 15:53; 1 Tesaloniana 4:14, 17). Noho izany, dia ho tonga mpanjaka sy mpisorona tsy mety maty ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra izy ireo. Miaraka amin’i Jesosy, dia ‘hiandry ny olona amin’ny tehim-by izy ireo amin’izay, ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany’. (Apokalypsy 2:27; 20:4-6; Salamo 110:2, 5, 6). Miaraka amin’i Jesosy, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana izy ireo, hitsara “ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo”. (Matio 19:28). Ny zavaboary misento dia niandry fatratra izany fisehoan-javatra izany, izay anisan’ny “fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra”. — Romana 8:19-21; 2 Tesaloniana 1:6-8.

      20. a) Ny amin’ny fahatsinjovan-javatra inona no nanatanjahan’ilay fiovan-tarehy ny finoan’i Petera? b) Ahoana no anatanjahan’ilay fiovan-tarehy ny Kristiana amin’izao andro izao?

      20 Niresaka ny amin’ilay fampisehoana an’i Jesosy mandritra ny “fahoriana lehibe” i Paoly rehefa nanoratra hoe: “Tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy higagana eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany”. (Matio 24:21; 2 Tesaloniana 1:10). Fahatsinjovan-javatra kanto toy inona moa izany ho an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, sy ny Kristiana rehetra voahosotry ny fanahy! Nanatanjaka ny finoan’i Petera ilay fiovan-tarehy. Azo antoka fa manatanjaka ny finoantsika koa ny famakiana momba azy io ary manamafy ny fatokiantsika fa tsy ho ela i Jesosy dia “hamaly ny olona rehetra araka ny nataony”. Ireo Kristiana voahosotra mahatoky izay velona hatramin’izao andro izao, dia mahita ny nanamafisana ny fatokiany fa hiaraka homem-boninahitra amin’i Jesosy izy ireo. Nohatanjahina ny finoan’ny ondry hafa noho ny fahalalana fa hamonjy azy ireo mandritra ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ, ho ao amin’ilay tontolo vaovao be voninahitra, i Jesosy. (Apokalypsy 7:14). Izany ka fampirisihana hiorina mafy hatramin’ny farany! Ary afaka mampianatra antsika zavatra be lavitra io fahitana io, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara