-
“Raha Tokony Handoa Hetra Ianao, dia Mandoava Hetra”Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Novambra
-
-
Nisy nanontany an’i Petera mpianany raha nandoa ilay hetran’ny tempoly, dia hetra izay tsy inona fa antsasaky ny sekely monja, i Jesosy. Raha ny tena izy, dia afaka tamin’io hetra io i Jesosy satria ny tempoly dia tranon-dRainy ary tsy misy mpanjaka mampandoa hetra ny zanany naterany. Izany indrindra no nolazain’i Jesosy; kanefa dia nandoa izany hetra izany izy. Raha ny marina, dia nampiasa fahagagana mihitsy aza izy mba hamoahana ilay vola nilaina! Nahoana izy no handoa hetra izay naha-afaka azy ara-dalàna? Araka ny nolazain’i Jesosy, izany dia “andrao isika manafintohina azy”. — Matio 17:24-27.b
-
-
“Raha Tokony Handoa Hetra Ianao, dia Mandoava Hetra”Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Novambra
-
-
b Mahaliana fa ny Matio ihany no Filazantsara mirakitra an-tsoratra io fisehoan-javatra teo amin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany io. Tamin’ny naha-mpamory hetra azy taloha, dia tsy isalasalana fa talanjona tamin’ny fihetsik’i Jesosy tamin’io raharaha io i Matio.
-