Fiavian’i Jesosy sa Fanatrehan’i Jesosy — Iza Amin’ireo?
“Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” — MATIO 24:3, NW.
1. Inona no anjara asan’ny fanontaniana teo amin’ny fanompoan’i Jesosy?
NY FAMPIASAN’I Jesosy fanontaniana tamim-pahakingana dia nahatonga ireo mpihaino azy hieritreritra, handini-javatra amin’ny fomba fijery vaovao mihitsy aza. (Marka 12:35-37; Lioka 6:9; 9:20; 20:3, 4). Afaka ny ho velom-pisaorana isika fa namaly fanontaniana koa izy. Ireo valin-teniny dia manazava fahamarinana izay mety tsy ho fantatsika na ho azontsika ny heviny raha tsy tamin’izany fomba izany. — Marka 7:17-23; 9:11-13; 10:10-12; 12:18-27.
2. Fanontaniana inona no tokony hasiantsika fiheverana ankehitriny?
2 Ao amin’ny Matio 24:3 isika dia mahita ny iray amin’ireo fanontaniana lehibe indrindra novalian’i Jesosy. Noho ny fiainany teto an-tany nadiva hifarana, dia vao avy nampitandrina i Jesosy fa horavana ny tempolin’i Jerosalema, ho fanamarihana ny faran’ny fandehan-javatra jiosy. Manampy teny toy izao ny fitantaran’i Matio: “Raha mbola nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy, dia nanatona azy mangingina ny mpianany, ka nanao hoe: ‘Lazao aminay, Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao [“fihavianao”, Fandikan-teny Malagasy] sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?’ ” — Matio 24:3, NW.
3, 4. Tsy fitoviana lehibe inona no misy eo amin’ny fomba andikan’ireo Baiboly ny teny fototra iray ao amin’ny Matio 24:3?
3 Mpamaky ny Baiboly an-tapitrisany maro no nanontany tena hoe: ‘Nahoana no nanao io fanontaniana io ireo mpianatra, ary ahoana no tokony ho fiantraikan’ny valin-tenin’i Jesosy eo amiko?’ Niresaka ny amin’ny fipoiran’ny ravinkazo mampiseho ny maha-“akaiky” ny lohataona, i Jesosy tao amin’ny valin-teniny. (Matio 24:32, 33). Noho izany, dia fiangonana maro no mampianatra fa ireo apostoly dia nangataka famantarana ny amin’ny ‘fiavian’i’ Jesosy, ilay famantarana manaporofo fa antomotra ny fiverenany. Mino izy ireo fa ilay ‘fiaviana’ dia ho ilay fotoana hakan’i Jesosy ireo Kristiana ho any an-danitra ary hitondrany ny faran’izao tontolo izao, avy eo. Inoanao ve fa marina tsara izany?
4 Tsy ilay fandikana hoe “fiaviana” no ampiasain’ny dikan-tenin’ny Baiboly sasany, anisan’izany Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, fa ilay teny hoe “fanatrehana” kosa. Mety ho hafa noho izay ampianarina any amin’ireo fiangonana ve izay nanontanian’ireo mpianatra sy izay nolazain’i Jesosy ho valiny? Inona marina moa no nanontaniana? Ary valin-teny inona no nomen’i Jesosy?
Inona no nanontanian’izy ireo?
5, 6. Inona no fanatsoahan-kevitra azontsika atao momba ny eritreritr’ireo apostoly fony izy ireo nanao ilay fanontaniana izay vakintsika ao amin’ny Matio 24:3?
5 Raha dinihina amin’izay nolazain’i Jesosy momba ny tempoly, dia azo inoana fa nieritreritra ny amin’ny fandehan-javatra jiosy ireo mpianatra fony izy ireo nangataka ‘famantarana ny fanatrehany [na “fiaviany”] sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra [ara-bakiteny: “vanim-potoana”]’. — Ampitahao amin’ny “izao tontolo izao” ao amin’ny 1 Korintiana 10:11 sy Galatianina 1:4, DIEM.
6 Tamin’izay fotoana izay, ireo apostoly dia tsy nanana afa-tsy fahazoana hevi-javatra voafetra ihany momba ny fampianaran’i Jesosy. Efa nihevitra izy ireo talohan’izay fa “hiseho faingana ny fanjakan’Andriamanitra”. (Lioka 19:11; Matio 16:21-23; Marka 10:35-40). Ary na dia taorian’ilay resaka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva aza, fa talohan’ny nanosorana azy ireo tamin’ny fanahy masina, dia nanontany izy ireo raha hampody ny Fanjakana ho amin’ny Isiraely tamin’izay i Jesosy. — Asan’ny Apostoly 1:6.
7. Nahoana no nanontany an’i Jesosy momba ny anjara asany amin’ny hoavy ireo apostoly?
7 Kanefa dia tena fantatr’izy ireo fa handeha izy, satria vao haingana izy no niteny hoe: “Mbola kely ihany no hitoeran’ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava hianareo”. (Jaona 12:35; Lioka 19:12-27). Koa mety ho nanontany tena tokoa izy ireo hoe: ‘Raha handeha i Jesosy, ahoana no hahafantarantsika ny fiverenany?’ Fony izy niseho tamin’ny naha-Mesia, dia tsy nahafantatra azy ny ankamaroan’ny olona. Ary herintaona mahery taorian’izay, dia nitohy ihany ireo fanontaniana raha hahatanteraka ireo faminaniana rehetra tokony hataon’ny Mesia izy, na tsia. (Matio 11:2, 3). Koa nanana antony hamotopotorana ny amin’ny hoavy ireo apostoly. Kanefa eto indray, moa ve izy ireo nangataka famantarana momba ny fiaviany tsy ho ela, sa nangataka zavatra hafa?
8. Azo inoana fa niresaka tamin’ny fiteny inona tamin’i Jesosy ireo apostoly?
8 Aoka hatao hoe vorona iray nihaino ilay resaka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ianao. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 10:20.) Azo inoana fa ho nandre an’i Jesosy sy ireo apostoliny niteny hebreo ianao. (Marka 14:70; Jaona 5:2; 19:17, 20; Asan’ny Apostoly 21:40). Kanefa azo inoana fa nahay ny fiteny grika koa izy ireo.
Izay nosoratan’i Matio — tamin’ny fiteny grika
9. Miorina amin’inona ny ankamaroan’ireo fandikan-teny maoderina ny Matio?
9 Ireo loharanon-kevitra tany amin’ny taonjato faharoa am.f.i. dia milaza fa nanoratra ny Filazantsarany tamin’ny fiteny hebreo i Matio tamin’ny voalohany. Miharihary fa tatỳ aoriana, dia nanoratra azy io tamin’ny fiteny grika izy. Misy sora-tanana maro tamin’ny fiteny grika tody hatratỳ amin’ny androntsika, ary nampiasaina ho fototry ny fandikana ny Filazantsara amin’ny fiteny amin’izao andro izao. Inona no nosoratan’i Matio tamin’ny fiteny grika momba ilay resaka teny amin’ny Tendrombohitra Oliva? Inona no nosoratany momba ilay “fiaviana” na “fanatrehana” izay nanontanian’ireo mpianatra sy nohazavain’i Jesosy?
10. a) Teny grika inona nadika hoe “avy” no nampiasain’i Matio matetika, ary inona avy no mety ho dikan’izy io? b) Teny grika hafa inona koa no mahaliana?
10 Ao amin’ireo toko 23 voalohany amin’ny Matio, dia hitantsika maherin’ny in-80 ny matoanteny grika mahazatra iray nadika hoe “avy”, dia ny erʹkho·mai. Matetika izy io no mampita hevitra ny amin’ny fanatonana na fanakekezana, toy ilay ao amin’ny Jaona 1:47 manao hoe: “Jesosy nahita an’i Natanaela avy nanatona Azy”. Miankina amin’izay ampiasana azy, fa ilay matoanteny hoe erʹkho·mai dia mety hidika hoe “tonga”, “mandeha”, “mankany”. (Matio 2:8, 11; 8:28; Jaona 4:25, 27, 45; 20:4, 8; Asan’ny Apostoly 8:40; 13:51). Kanefa ao amin’ny Matio 24:3, 27, 37, 39, i Matio dia nampiasa teny hafa, anarana iray izay tsy hita any an-toeran-kafa na aiza na aiza ao amin’ireo Filazantsara: pa·rou·siʹa. Koa satria Andriamanitra nanome tsindrimandry tamin’ny fanoratana ny Baiboly, nahoana izy no nanosika an’i Matio hifidy io teny grika io tao amin’ireo andininy ireo fony izy nanoratra ny Filazantsarany tamin’ny fiteny grika? Inona no dikan’izy io, ary nahoana isika no tokony haniry hahafantatra izany?
11. a) Inona no dikan’ny hoe pa·rou·siʹa? b) Ahoana no anamafisan’ireo ohatra avy amin’i Josèphe ny fahatakarantsika ny hevitry ny hoe pa·rou·siʹa? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
11 Mifanaraka indrindra amin’izany, ny hoe pa·rou·siʹa dia midika hoe “fanatrehana”. Hoy ny Expository Dictionary of New Testament Words nosoratan’i Vine: “PAROUSIA, (...) ara-bak[iteny]: fanatrehana, para: miaraka amin’ny, sy ousia: avy amin’ny eimi, endriky ny matoanteny mitovy hevitra amin’ny hoe misy, dia milaza sady fahatongavana no fanatrehana vokatr’izany. Ohatra, tao amin’ny taratasy papyrus iray, dia niresaka ny amin’ny ilana ny parousia-ny teo an-toerana ny andriambavy iray, mba hikarakarana raharaha nahakasika ny fananany.” Misy diksionera hafa manazava fa ny pa·rou·siʹa dia milaza ‘fitsidihan’ny mpanapaka iray’. Noho izany, dia tsy ilay fotoana fahatongavana fotsiny izy io, fa fanatrehana maharitra manomboka amin’ilay fahatongavana. Mahaliana fa izany no fomba nampiasan’i Josèphe, mpanoratra tantara jiosy sady niara-belona tamin’ireo apostoly, ny pa·rou·siʹa.a
12. Ahoana no anamafisan’ny Baiboly mihitsy ny hevitry ny hoe pa·rou·siʹa?
12 Hamafisin’ny haisoratra tranainy mazava tsara ilay heviny hoe “fanatrehana”, kanefa ny Kristiana dia liana manokana amin’ny fomba ampiasan’ny Tenin’Andriamanitra ny pa·rou·siʹa. Mitovy ny valiny — fanatrehana. Hitantsika izany avy amin’ireo ohatra ao amin’ny taratasin’i Paoly. Ohatra, nanoratra toy izao ho an’ny Filipiana izy: “Tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo [“tamin’ny fanatrehako teo”, NW ] aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.” Niresaka koa ny amin’ny fitoerany haharitra teo amin’izy ireo, izy, mba hahafahan’izy ireo hiravoravo tamin’ny ‘fankanesany [“fanatrehany”, NW ] [pa·rou·siʹa] indray tany amin’izy ireo’. (Filipiana 1:25, 26; 2:12, izahay no manao sora-mandry.) Vakina toy izao ireo ao amin’ny dikan-teny hafa: “ny maha-eo aminareo ahy indray” (Weymouth; New International Version); “rehefa mby eo aminareo indray aho” (DIEM); sy “rehefa eo anivonareo indray aho”. (Twentieth Century New Testament). Ao amin’ny 2 Korintiana 10:10, 11 i Paoly dia nampifanohitra ny “fanatrehan’ny tenany” tamin’ny ‘tsy naha-teo’ azy. Ao amin’ireo ohatra ireo, dia miharihary fa tsy niresaka ny amin’ny fanatonany na ny fahatongavany izy; nampiasa ny pa·rou·siʹa izy tamin’ny heviny hoe nanatrika teo.b (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 16:17, NW.) Ahoana anefa ny amin’ireo fanisian’i Jesosy fitenenana ny amin’ny pa·rou·siʹa? Amin’ny heviny hoe “fiaviany” ve izy ireny sa milaza ny fanatrehany maharitra?
13, 14. a) Nahoana isika no tsy maintsy manatsoaka hevitra fa haharitra mandritra ny fotoana iray ny pa·rou·siʹa? b) Inona no tsy maintsy lazaina momba ny halavan’ny pa·rou·siʹa-n’i Jesosy?
13 Ireo Kristiana voahosotry ny fanahy tamin’ny andron’i Paoly dia liana tamin’ny pa·rou·siʹa-n’i Jesosy. Kanefa dia nampitandrina azy ireo i Paoly mba tsy “hohetsiketsehina amin’ny saina”. Tsy maintsy miseho aloha “ilay lehilahin’ota” izay voaporofo fa ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Nanoratra i Paoly fa ny “[ fanatrehan’, NW ]ilehiny dia araka ny fiàsan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra.” (2 Tesaloniana 2:2, 3, 9). Miharihary fa ny pa·rou·siʹa, na fanatrehan’ilay “lehilahin’ota”, dia tsy fahatongavana vetivety fotsiny; izy io dia haharitra mandritra ny fotoana iray izay hipoiran’ireo famantarana sandoka. Nahoana no zava-dehibe izany?
14 Diniho ilay andinin-teny eo alohan’izay avy hatrany: “Haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny fisehoan’ny [ fanatrehany, NW ]”. Toy ny haharetan’ny fanatrehan’ilay “lehilahin’ota” mandritra ny fe-potoana iray, no haharetan’ny fanatrehan’i Jesosy mandritra ny fotoana sasany ary hifaranany amin’ny fandringanana “ilay zanaky ny fahaverezana” mpandika lalàna. — 2 Tesaloniana 2:8.
Ireo endriky ny fiteny hebreo
15, 16. a) Teny manokana inona no ampiasaina ao amin’ny fandikan-teny maro ny Matio ho amin’ny fiteny hebreo? b) Ahoana no ampiasana ny bohʼ ao amin’ny Soratra Masina?
15 Araka ny nomarihina, dia niharihary fa nanoratra ny Filazantsarany tamin’ny fiteny hebreo aloha i Matio. Koa teny hebreo inona no nampiasainy tao amin’i Matio 24:3, 27, 37, 39? Misy dikan-tenin’ny Matio nadika avy tamin’ny fiteny hebreo maoderina manana ny endrik’ilay matoanteny hoe bohʼ, sady ao amin’ny fanontanian’ireo apostoly no ao amin’ny valin-tenin’i Jesosy. Izany dia mety hitarika ho amin’ny fandikana toy ny hoe: ‘Inona no famantarana ny [bohʼ]-nao sy ny fahataperan’izao tontolo izao?’ sy ny hoe: ‘Tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny [bohʼ]-n’ny Zanak’olona.’ Inona no dikan’ny hoe bohʼ?
16 Na dia manana heviny maro samihafa aza ilay matoanteny hebreo hoe bohʼ, amin’ny fotony izy io dia midika hoe “avy”. Hoy ny Theological Dictionary of the Old Testament: ‘Noho izy miseho in-2 532, ny bohʼ dia iray amin’ireo matoanteny fampiasa matetika indrindra ao amin’ny Soratra Hebreo, ary izy io no matoanteny lehibe indrindra milaza fihetsehana.’ (Genesisy 7:1, 13; Eksodosy 12:25; 28:35; 2 Samoela 19:30; 2 Mpanjaka 10:21; Salamo 65:2; Isaia 1:23; Ezekiela 11:16; Daniela 9:13; Amosa 8:11). Raha nampiasa teny iray manana heviny miitatra be toy izany i Jesosy sy ireo apostoliny, dia mety ho niadian-kevitra ilay heviny. Nanao izany ve anefa izy ireo?
17. a) Nahoana ireo fandikan-teny amin’ny fiteny hebreo maoderina no tsy voatery hampiseho izay nolazain’i Jesosy sy ireo apostoly? b) Aiza koa no mety hahitantsika porofo manazava ny teny mety ho nampiasain’i Jesosy sy ireo apostoly, ary noho ny antony hafa inona izany no zava-mahaliana antsika? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
17 Tadidio fa ireo dikan-teny amin’ny fiteny hebreo maoderina dia fandikan-teny izay mety tsy hampiseho marina tsara izay nosoratan’i Matio tamin’ny fiteny hebreo. Ny zava-misy dia hoe, afaka nampiasa tsara teny hafa noho ny bohʼ, i Jesosy, teny iray izay nifanentana tamin’ny hevitry ny pa·rou·siʹa. Hitantsika izany avy amin’ilay boky hoe Hebrew Gospel of Matthew, tamin’ny 1995, nataon’ny Profesora George Howard. Ilay boky dia nifantoka tamin’ny asa soratra iray tamin’ny taonjato faha-14, namely ny Kristianisma ary nataon’i Shem-Tob ben Isaac Ibn Shaprut, fizisiana jiosy. Io tahirin-kevitra io dia nampiseho soratra hebreo momba ny Filazantsaran’i Matio. Misy porofo fa tsy nadika avy tamin’ny fiteny latina na grika tamin’ny andron’i Shem-Tob io soratra ao amin’ny Matio io, fa tena tranainy kosa ary nosoratana tamin’ny fiteny hebreo, tany am-boalohany.c Araka izany, dia mety hitondra antsika ho akaiky kokoa an’izay nolazaina teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, izy io.
18. Teny hebreo mahaliana inona no ampiasain’i Shem-Tob, ary inona no dikan’izy io?
18 Ao amin’ny Matio 24:3, 27, 39, ny Mation’i Shem-Tob dia tsy mampiasa ilay matoanteny hoe bohʼ. Ampiasainy kosa ilay anarana mifandray aminy hoe bi·ʼahʹ. Tsy miseho afa-tsy ao amin’ny Ezekiela 8:5 ihany io anarana io ao amin’ny Soratra Hebreo, ka ao izy dia midika hoe “vavahady”. Ny bi·ʼahʹ eto dia tsy milaza fanaovan-javatra amin’ny fiaviana, fa manondro kosa ny fanombohan’ny trano iray; rehefa eo amin’ny fidirana na eo an-tokonana ianao, dia efa ao anatin’ilay trano. Afa-tsy izany koa, dia matetika ireo tahirin-kevitra ara-pivavahana tsy ara-baiboly anisan’ireo horonam-bokin’ny Ranomasina Maty no mampiasa ny bi·ʼahʹ mahakasika ny fahatongavan’ny na fanombohan’ny asan’ny mpisorona. (Jereo ny 1 Tantara 24:3-19; Lioka 1:5, 8, 23.) Ary ny fandikana amin’ny fiteny hebreo ny Peshitta syriaka (na aramiana) tranainy, tamin’ny 1986, dia mampiasa ny bi·ʼahʹ ao amin’ny Matio 24:3, 27, 37, 39. Koa misy àry ny porofo fa tamin’ny andro fahiny, ilay anarana hoe bi·ʼahʹ dia nety ho nanana heviny somary tsy nitovy tamin’ilay matoanteny hoe bohʼ ampiasaina ao amin’ny Baiboly. Nahoana izany no mahaliana?
19. Raha nampiasa ny bi·ʼahʹ i Jesosy sy ireo apostoly, dia inona no mety ho fanatsoahan-kevitsika?
19 Nety ho nampiasa io anarana hoe bi·ʼahʹ io ireo apostoly tao amin’ny fanontaniany, ary i Jesosy tao amin’ny valin-teniny. Na dia ny fahatongavan’i Jesosy amin’ny hoavy fotsiny aza no tao an-tsain’ireo apostoly, i Kristy dia nety ho nampiasa ny bi·ʼahʹ mba hampidirana zavatra bebe kokoa noho izay noeritreretin’izy ireo. Nety ho nanondro ny fahatongavany mba hanomboka asa vaovao iray i Jesosy; ho fiantombohan’ny anjara asany vaovao ny fahatongavany. Izany dia hifanentana tsara amin’ilay hevitry ny hoe pa·rou·siʹa, izay nampiasain’i Matio taorian’izay. Ny fampiasana toy izany ny bi·ʼahʹ dia mazava ho azy fa tsy maintsy hanohana an’izay efa nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny ela, hoe ilay “famantarana” misy lafiny maro nomen’i Jesosy dia hampiharihary fa nanatrika izy.
Fiandrasana ny fifaranan’ny fanatrehany
20, 21. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fanazavan’i Jesosy momba ny andron’i Noa?
20 Tokony hisy heriny mivantana eo amin’ny fiainantsika sy ireo fanantenantsika ny fianarantsika momba ny fanatrehan’i Jesosy. Nampirisika mafy ny mpanara-dia azy mba hitoetra ho mailo, i Jesosy. Nanome famantarana iray izy mba hahafahana hamantatra ny fanatrehany, na dia tsy hanisy fiheverana izany aza ny ankamaroan’ny olona: “Tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny [fanatrehan’ny, NW ] Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary [tsy nanisy fiheverana na inona na inona izy ireo, NW ] mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny [fanatrehan’ny, NW ] Zanak’olona.” — Matio 24:37-39.
21 Nandritra ny andron’i Noa, dia nanohy ny fandraharahany nahazatra fotsiny ny ankamaroan’ny olona tamin’izany taranaka izany. Nilaza mialoha i Jesosy fa ho toy izany amin’ny “fanatrehan’ny Zanak’olona”. Nety ho nihevitra ny olona nanodidina an’i Noa fa tsy hisy na inona na inona hitranga. Fantatrao fa hafa noho izany no nitranga. Izany andro izany, izay naharitra fotoana kelikely, dia nitarika ho amin’ny fifaranana iray, ‘tonga ny Safodrano izay nandringana ny olona rehetra’. Milaza fitantarana mitovy amin’izany i Lioka, ka ao i Jesosy dia nampitaha ny “andron’i Noa” tamin’ny “andron’ny Zanak’olona”. Nampitandrina toy izao i Jesosy: “Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.” — Lioka 17:26-30.
22. Nahoana isika no tokony ho liana manokana amin’ilay faminanian’i Jesosy ao amin’ny Matio toko faha-24?
22 Manana heviny manokana ho antsika izany rehetra izany satria miaina amin’ny fotoana ahitantsika mazava tsara ireo fisehoan-javatra nolazain’i Jesosy mialoha isika — ady, horohoron-tany, areti-mandringana, mosary, fanenjehana ireo mpianany. (Matio 24:7-9; Lioka 21:10-12). Niharihary izany hatramin’ilay ady nanova ny tantara izay nomena anarana nisy heviny hoe Ady Lehibe Voalohany, na dia mihevitra izany ho tapany ara-dalàna amin’ny tantara aza ny ankamaroan’ny olona. Mahatakatra ny hevitr’ireny fisehoan-javatra lehibe ireny anefa ny Kristiana marina, toy ny ahatakaran’ny olona mailo fa akaiky ny lohataona avy amin’ny aviavy mandravina. Nampitandrina toy izao i Jesosy: “Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” — Lioka 21:31.
23. Manana heviny manokana ho an’iza ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio toko faha-24, ary nahoana?
23 Natefan’i Jesosy tany amin’ireo mpanara-dia azy ny ankamaroan’ny valin-teniny teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Izy ireo no handray anjara amin’ny asa famonjena aina, dia ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny tany rehetra, alohan’ny hiavian’ny farany. Izy ireo koa no ho afaka hamantatra ‘ilay fahavetavetan’ny fandravana mitsangana eo amin’izay fitoerana masina’. Izy ireo no hanao zavatra manoloana izany amin’ny ‘fandosirana’ alohan’ny fahoriana lehibe. Ary izy ireo no ho voakasika indrindra amin’ireto teny fanampiny ireto: “Raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.” (Matio 24:9, 14-22). Fa inona marina no dikan’ireo teny mampieritreritra ireo, ary nahoana izy ireo no azo lazaina fa manome antsika fototra mba hananana fahasambarana mitombo sy fatokiana ary zotom-po dieny izao? Hanome ny valiny ilay fianarana amin’ny manaraka momba ny Matio 24:22.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ohatra avy amin’i Josèphe: Teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny tselatra sy ny kotroka dia “nanambara fa nanatrika [pa·rou·siʹa] teo Andriamanitra”. Ilay fisehoana mahagaga tao amin’ny tabernakely “dia nampiseho ny fanatrehan’Andriamanitra [pa·rou·siʹa]”. Tamin’ny fampisehoana an’ilay mpanompon’i Elisa ireo kalesy nanodidina, Andriamanitra dia “nampiharihary tamin’ny mpanompony ny heriny sy ny fanatrehany [pa·rou·siʹa]”. Rehefa nanandrana nampitony ny Jiosy i Petronius, manam-pahefana romana, dia nilaza i Josèphe fa ‘tena naneho ny fanatrehany [pa·rou·siʹa] tamin’i Petronius Andriamanitra’ tamin’ny fandefasana ranonorana. Tsy nampihatra ny pa·rou·siʹa tamin’ny fanatonana fotsiny na fahatongavana vetivety, i Josèphe. Izy io dia nidika hoe fanatrehana nitohy, tsy hita maso mihitsy aza. (Eksodosy 20:18-21; 25:22; Levitikosy 16:2; 2 Mpanjaka 6:15-17). — Ampitahao amin’ny Antiquities of the Jews, Boky faha-3, toko faha-5, fehintsoratra faha-2 [80]; toko faha-8, fehintsoratra faha-5 [202]; Boky faha-9, toko faha-4, fehintsoratra faha-3 [55]; Boky faha-18, toko faha-8, fehintsoratra faha-6 [284].
b Ao amin’ny A Critical Lexicon and Concordance to the English and Greek New Testament, i E. W. Bullinger dia manazava fa ny pa·rou·siʹa dia midika hoe ‘ny maha-eo, ka noho izany dia fanatrehana, fahatongavana; fiaviana izay mahafaoka hevitra ny amin’ny fipetrahana maharitra manomboka amin’io fiaviana io’.
c Ny porofo iray dia ny firaketan’izy io ilay fitenenana hebreo hoe “Ilay Anarana”, voasoratra manontolo na nohafohezina, in-19. Nanoratra toy izao ny Profesora Howard: “Ny famakiana ilay Anaran’Andriamanitra ao anatina tahirin-kevitra kristiana notononina Jiosy mpanao ady hevitra, dia miavaka. Raha toa izy io ka fandikana tamin’ny fiteny hebreo ny tahirin-kevitra kristiana grika na latina, dia ho nampoizina ny hahita hoe adonai [Tompo] tao amin’ilay soratra, fa tsy famantarana ilay anaran’Andriamanitra tsy tokony hotononina hoe YHWH. (...) Tsy misy azo anazavana ny hoe izy no nanampy ilay anarana tsy tokony hotononina. Toa manondro mafy ny porofo fa i Shem-Tob dia naharay ny [bokin’i] Matio efa nisy ny Anaran’Andriamanitra tao anatin’ilay soratra, ary azo inoana fa naleony nitana azy io toy izay hisetra loza ka hanjary meloka noho ny fanesorana azy io.” Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny dia mampiasa ny Mation’i Shem-Tob (J2) ho fanohanana ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny hahitana ny tsy fitoviana eo amin’ny fomba andikan’ireo Baiboly ny Matio 24:3?
◻ Inona no dikan’ny hoe pa·rou·siʹa, ary nahoana izany no zava-dehibe?
◻ Fitoviana inona no mety hisy ao amin’ny Matio 24:3 amin’ny fiteny grika sy amin’ny fiteny hebreo?
◻ Anton-javatra inona mahakasika ny fotoana no ilaintsika hofantarina mba hahatakarana ny hevitry ny Matio toko faha-24?
[Sary, pejy 10]
Ny Tendrombohitra Oliva izay ahatazanana an’i Jerosalema