Fizarana Faha-9
Ny Fomba Ahafantarantsika fa Miaina Amin’ny “Andro Farany” Isika
1, 2. Ahoana no ahafahantsika mahalala raha miaina amin’ny andro farany isika?
AHOANA no ahazoantsika antoka fa miaina amin’ny fotoana hanaovan’ny Fanjakan’Andriamanitra zavatra hanoherana ity fandehan-javatry ny fanapahan’olombelona ity, isika? Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa tena eo akaikin’ny fotoana hamaranan’Andriamanitra ny faharatsiana sy fijaliana rehetra, isika izao?
2 Naniry hahalala ireo zavatra ireo ny mpianatr’i Jesosy Kristy. Nanontany azy izy ireo hoe inona no ho “famantarana” ny fanatrehany nahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana sy ny an’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, NW). Namaly i Jesosy tamin’ny fanomezana antsipiriany momba ireo fisehoan-javatra sy toe-piainana hampihozongozona izao tontolo izao, izay hiara-miseho mba hanaporofoana fa efa niditra “ny fotoan’ny farany”, ny “andro farany” amin’ity fandehan-javatra ity, ny taranak’olombelona. (Daniela 11:40, NW; 2 Timoty 3:1, NW). Nahita izany fitambaram-pamantarana izany ve isika tamin’ity taonjato ity? Eny, ary tamin’ny fomba maro be tokoa!
Ady Lehibe
3, 4. Amin’ny ahoana ireo ady amin’izao taonjato izao no mifanitsy tsara amin’ny faminanian’i Jesosy?
3 Nilaza mialoha i Jesosy fa “hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana”. (Matio 24:7). Tamin’ny 1914, izao tontolo izao dia nanjary tafiditra tao amin’ny ady iray izay nahita ny fandraisan’ireo firenena sy fanjakana anjara tamin’ny fomba hafa noho izay hita tamin’ny ady nisy hatramin’izay, na ady inona izany na ady inona. Niaiky momba izany ireo mpanoratra tantara tamin’izany fotoana izany ka niantso azy io hoe ilay Ady Lehibe. Izy io no ady voalohany tamin’ny karazany teo amin’ny tantara, ny ady naneran-tany voalohany. Nisy miaramila sy mponina tsotra teo amin’ny 20 000 000 teo ho eo namoy ny ainy, betsaka lavitra noho ny tamin’ny ady nisy talohan’izay, na ady inona izany na ady inona.
4 Nanamarika ny fiandohan’ny andro farany ny Ady Lehibe Voalohany. Nilaza i Jesosy fa io sy ny fisehoan-javatra hafa dia ho “fiandohan’ny fahoriana”. (Matio 24:8). Niseho ho marina izany, satria ny Ady Lehibe Faharoa dia namono olona kokoa aza, satria nisy miaramila sy mponina tsotra teo amin’ny 50 000 000 teo ho eo namoy ny ainy. Tamin’ity taonjato faha-20 ity, dia mahery lavitra ny 100 000 000 ny olona voavono tamin’ny ady, avo efatra heny mahery noho ny isan’ireo voavono rehetra nandritra ireo 400 taona teo aloha mitambatra! Fanamelohana toy inona moa izany ho an’ny fanapahan’olombelona!
Porofo hafa
5-7. Inona avy no porofo hafa sasantsasany manamarina fa miaina amin’ny andro farany isika?
5 Nampiditra lafin-javatra hafa izay hiaraka amin’ny andro farany, koa i Jesosy nanao hoe: “Hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana [areti-mifindra] any amin’ny tany samy hafa.” (Lioka 21:11). Izany dia mifanitsy tsara amin’ireo fisehoan-javatra nanomboka tamin’ny 1914, satria nisy fitomboana goavana teo amin’ny fijaliana naterak’ireny loza ireny.
6 Zava-mitranga tsy tapaka ireo horohorontany lehibe izay maka ain’olona maro. Ny gripa espaniola fotsiny dia namono olona teo amin’ny 20 000 000 teo ho eo taorian’ny Ady Lehibe Voalohany — misy aza manombana izany ho 30 000 000 na mahery. Ny SIDA dia naka ain’olona ana hetsiny maro ary mety haka ain’olona an-tapitrisany maro kokoa amin’ny hoavy tsy ho ela. Isan-taona, dia olona an-tapitrisany maro no maty noho ny aretim-po, ny homamiadana ary ny aretina hafa. An-tapitrisany maro hafa no maty moramora noho ny hanoanana. Tsy misy isalasalana fa namono ny maro be tamin’ny fianakavian’olombelona ireo ‘mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy’ tamin’ny alalan’ireo adiny, mosariny ary areti-mifindrany, nanomboka tamin’ny 1914. — Apokalypsy 6:3-8.
7 Nilaza mialoha ny amin’ny fitomboan’ny heloka bevava izay hita any amin’ny tany rehetra, koa i Jesosy. Nilaza toy izao izy: “Noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” — Matio 24:12.
8. Amin’ny ahoana ny faminaniana ao amin’ny 2 Timoty toko faha-3 no mifanitsy tsara amin’ny androntsika?
8 Ankoatra izany, dia nilaza mialoha toy izao ny amin’ny fikororosian’ny fitondrantena hita miharihary aoka izany maneran-tany amin’izao andro izao, ny Baiboly: “Any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny (...) Ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky (...) dia handroso hiharatsiratsy kokoa.” (2 Timoty 3:1-13). Hita tanteraka eo anoloan’ny masontsika izany rehetra izany.
Lafin-javatra hafa iray
9. Inona no nitranga tany an-danitra ka nifanojo tamin’ny fiandohan’ny andro farany teto an-tany?
9 Misy lafin-javatra hafa iray tompon’andraikitra amin’ny fitomboana mihoa-pampana eo amin’ny fijaliana amin’izao taonjato izao. Nifanojo tamin’ny fiandohan’ny andro farany tamin’ny 1914, dia nisy zavatra nitranga izay nitondra loza lehibe kokoa aza ho an’ny taranak’olombelona. Tamin’izany fotoana izany, araka ny tantarain’ny faminaniana iray ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, dia “nisy ady tany an-danitra: Mikaela [Kristy nahazo ny fahefana any an-danitra] sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona [Satana]; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny [ireo demonia] kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” — Apokalypsy 12:7-9.
10, 11. Nanao ahoana ny vokatra nentin’ny nanjerana an’i Satana sy ireo demoniany teto an-tany, teo amin’ny taranak’olombelona?
10 Inona avy no vokatr’izany ho an’ny fianakavian’olombelona? Manohy toy izao ilay faminaniana: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Eny, fantatr’i Satana fa mihamanatona ny farany ny fandehan-javany, hany ka manao ny zavatra rehetra azony atao izy mba hampiodinana ny olombelona hiala amin’Andriamanitra alohan’ny hanesorana azy sy ny tontolony. (Apokalypsy 12:12; 20:1-3). Nietry toy inona moa ireo zavaboary ara-panahy ireo noho ny fampiasany ny safidiny malalaka tamin’ny fomba ratsy! Toe-piainana mahatsiravina toy inona moa no hita teto an-tany teo ambany fitaoman’izy ireo, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1914!
11 Tsy mahagaga raha nilaza mialoha toy izao momba ny androntsika i Jesosy: “Etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra (...) Ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany.” — Lioka 21:25, 26.
Akaiky ny faran’ny fanapahan’ny olombelona sy ny demonia
12. Inona no iray amin’ireo faminaniana farany mbola hotanterahina alohan’ny faran’ity fandehan-javatra ity?
12 Faminaniana ao amin’ny Baiboly firy no mbola hotanterahina alohan’ny handringanan’Andriamanitra ity fandehan-javatra ity? Vitsy dia vitsy! Ny iray amin’ireo farany dia ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:3, izay manambara toy izao: “Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo.” (Kat.) Izany dia mampiseho fa hanomboka “amin’ilay hanaovany” izany hiakiaka izany ny faran’ity fandehan-javatra ity. Tsy hampoizin’izao tontolo izao, fa hamely amin’ny fotoana tsy iandrasana azy indrindra ny fandringanana, rehefa mifantoka amin’ny fiadanana sy fandriampahalemana antenain’ny tenany ny sain’ny olombelona.
13, 14. Ny amin’ny fotoan-tsarotra inona no nolazain’i Jesosy mialoha, ary amin’ny fomba ahoana no hiafaran’izy io?
13 Mihatapitra ny fotoana ho an’ity tontolo eo ambany fitaoman’i Satana ity. Tsy ho ela dia hifarana izy io, amin’ny fotoana hisian’ny fotoan-tsarotra izay nilazan’i Jesosy hoe: “Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” — Matio 24:21.
14 Ny fara heriny amin’ny “fahoriana lehibe” dia ho ny adin’Andriamanitra amin’ny Haramagedona. Izany ilay fotoana noresahin’i Daniela mpaminany rehefa ‘hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra ireo’ Andriamanitra. Izany dia hidika ho ny faran’ireo fanapahan’olombelona tsy miankina amin’Andriamanitra rehetra misy ankehitriny. Amin’izay ny fanapahan’ilay Fanjakany avy any an-danitra dia handray ny fifehezana tanteraka ireo raharahan’ny olombelona rehetra. Tsy “havela ho an’olon-kafa” intsony mihitsy ny fahefana hitondra, hoy ny nolazain’i Daniela mialoha. — Daniela 2:44; Apokalypsy 16:14-16.
15. Inona no hiafaran’ny fitaoman’i Satana sy ireo demoniany?
15 Amin’izany fotoana izany, dia hifarana koa ny fitaomana rehetra ampiharin’i Satana sy ireo demonia. Ireo zavaboary ara-panahy mpikomy ireo dia hesorina mba tsy hahafahany ‘hamitaka ny firenena maro intsony’. (Apokalypsy 12:9; 20:1-3). Nomelohina ho faty izy ireo ary miandry ny fandringanana azy. Fanamaivanana toy inona moa ny ho an’ny taranak’olombelona ho afaka amin’ny fitaomana mampietrin’izy ireo!
Iza no ho tafita velona? Iza no tsy ho tafita velona?
16-18. Iza no ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity, ary iza no tsy ho tafita velona?
16 Rehefa hampiharina ny didim-pitsaran’Andriamanitra eo amin’ity tontolo ity, iza moa no ho tafita velona? Iza no tsy ho tafita velona? Ny Baiboly dia mampiseho fa ho voaro ireo izay maniry ny fanapahan’Andriamanitra ary ho tafita velona. Ireo izay tsy maniry ny fanapahan’Andriamanitra dia tsy ho voaro fa ho ringana miaraka amin’ny tontolon’i Satana kosa.
17 Milaza toy izao ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olona mahitsy [ireo izay manaiky ny fanapahan’Andriamanitra] no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy [ireo izay tsy manaiky ny fanapahan’Andriamanitra] kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”
18 Milaza toy izao koa ny Salamo 37:10, 11: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...) Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” Manampy teny toy izao ny andininy faha-29: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”
19. Torohevitra inona no tokony horaisintsika am-po?
19 Tokony horaisintsika am-po ny torohevitry ny Salamo 37:34, izay manambara hoe: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.” Hoy ny andininy faha-37 sy faha-38 hoe: “Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; fa misy farany ho an’ny olona tia fihavanana. Fa ny mpanota haringana avokoa; ny hiafaran’ny ratsy fanahy ho fongotra.”
20. Nahoana isika no afaka milaza fa fotoana mampientana ny fo izao fotoana iainantsika izao?
20 Endrey ny fampiononana, ary endrey ny fanentanana noho ny fahafantarana fa tena feno fiahiana Andriamanitra ary koa, fa tsy ho ela dia hamarana ny faharatsiana sy ny fijaliana rehetra izy! Endrey ny fientanam-po noho ny fahatakarana fa tsy misy afa-tsy fotoana fohy sisa alohan’ny fahatanterahan’ireo faminaniana be voninahitra ireo!
[Sary, pejy 20]
Nilaza mialoha ny amin’ireo fisehoan-javatra izay hahaforona “ny famantarana” ny andro farany, ny Baiboly
[Sary, pejy 22]
Tsy ho ela, ao Haramagedona, ireo izay tsy manaiky ny fanapahan’Andriamanitra, dia horinganina. Ireo izay manaiky dia ho tafita velona ao amin’ny tontolo vaovao sy marina iray