FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/4 p. 4-8
  • Tena Andro Farany Tokoa ve Izao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Andro Farany Tokoa ve Izao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mametraka fanontaniana misy heviny ireo mpanara-dia an’i Jesosy
  • Ny faran’i Jerosalema
  • Ady ao anatin’ny andro farany
  • Lafiny hafa amin’ilay famantarana
  • Ny taranaka misy antsika ve ilay nambara mialoha?
  • Vaovao tsara
  • Akaiky “ny faran’izao tontolo izao”!
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Rahoviana no ho tonga ny fandringanana an’izao tontolo izao voalazan’ny faminaniana
    Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany?
  • “Andro Farany” ve Izao Iainantsika Izao?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Ny Fomba Ahafantarantsika fa Miaina Amin’ny “Andro Farany” Isika
    Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/4 p. 4-8

Tena Andro Farany Tokoa ve Izao?

EO AMIN’NY lohan’ny lakana iray ianao raha niditra ny ampahany misamboaravoara be amin’ny renirano iray ilay lakana. Misy bolongam-bato goavana tazana manangasanga ao anatin’ilay rano mandroadroatra sy mifafy tsy an-kijanona. Miezaka hihodivitra ireo vato ireo ianao. Ilay olona ao aorianao no eritreretinao hanampy anao hamily ilay lakana, saingy tsy za-draharaha firy izy. Ny mbola ratsy kokoa aza dia tsy manana sarintany ianao, ka tsy azonao an-tsaina na hiafara amin’ny rano tony iray na any amin’ny riana iray ireo rano mahery ireo.

Tsy fisehoan-javatra mahafinaritra, sa tsy izany? Andeha àry hovantsika ilay izy e! Alao sary an-tsaina hoe miaraka amin’ny mpitari-dalana iray za-draharaha ianao. Fantatr’izy io ny vato rehetra sy ny fiolahana rehetra amin’io renirano io. Fantany aloha be fa mihakaiky io rano mandroadroatra io, fantany hoe hiafara aiza izy io, ary fantany ny lalan-kizorana hamakivakiana azy io. Moa ve tsy tena hahazo toky bebe kokoa ianao?

Raha ny tena izy, dia ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izany isika rehetra. Ao anatin’ny ampaham-potoana misamboaravoara be amin’ny tantaran’ny olombelona no misy antsika. Tsy noho ny fahadisoan’ny tenantsika akory izany. Tsy mahazo an-tsaina ny ankamaroan’ny olona hoe hafiriana no ho toy izao ny tarehin-javatra, hihatsara ve ny toe-piainana, na hoe ahoana no fomba tsara indrindra hahatafitana velona mandra-pahatongan’izany. Tsy voatery hahatsiaro ho very sy tsy afa-manoatra anefa isika. Nanome antsika mpitari-dalana iray ilay Mpamorona antsika — mpitari-dalana iray izay nanambara mialoha izao vanim-potoana manjombona eo amin’ny tantara izao, milaza mialoha ny hiafarany, ary manolotra antsika ny tari-dalana ilaintsika mba hahatafitana velona. Izany mpitari-dalana izany dia boky iray, ny Baiboly. I Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanoratra azy io, dia miantso ny tenany hoe Mpampianatra Lehibe, ary tamin’ny alalan’i Isaia, dia hoy ny fanomezan-tokiny: “Na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:20, 21). Horaisinao an-tanan-droa ve izany tari-dalana izany? Andeha hodinihintsika àry raha tena nanambara mialoha ny Baiboly hoe hanao ahoana ny androntsika.

Mametraka fanontaniana misy heviny ireo mpanara-dia an’i Jesosy

Tsy maintsy ho zendana ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Vao avy nilaza tamin’izy ireo tsy nisy fihambahambana i Jesosy fa ho rava tanteraka ireo tranon’ny tempoly nanaitra ny maso tao Jerosalema! Nahagaga izany filazana mialoha izany. Fotoana fohy taorian’izay, rehefa nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo, dia nanontany an’i Jesosy toy izao ny efatra tamin’ireo mpianany: “Lazao aminay, Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, NW; Marka 13:1-4). Na takatr’izy ireo izany na tsia, dia hisy fampiharana azy mihoatra ny iray ny valin-tenin’i Jesosy.

Ny fandravana ny tempolin’i Jerosalema sy ny faran’ny fandehan-javatra jiosy dia tsy mitovy amin’ny fotoana anatrehan’i Kristy sy ifaranan’ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao manontolo. Na dia izany aza, dia nivaofy tamim-pahakingana an’ireo lafin’ilay fanontaniana rehetra ireo i Jesosy, tao amin’ilay valin-teny lava be nomeny. Nilaza tamin’izy ireo izy hoe hanao ahoana ny tarehin-javatra alohan’ny haharava an’i Jerosalema; nilaza tamin’izy ireo koa izy hoe ampoizina hanao ahoana izao tontolo izao mandritra ny fanatrehany, rehefa hanapaka amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra sy madiva hamarana ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao manontolo izy.

Ny faran’i Jerosalema

Diniho aloha izay nolazain’i Jesosy momba an’i Jerosalema sy ny tempoliny. Maherin’ny telopolo taona mialoha, dia efa nanambara fotoana iray hisian’ny fahasahiranana mafy dia mafy ho an’ny iray tamin’ireo tanàna lehibe indrindra teo amin’izao tontolo izao, izy. Mariho manokana ny teniny voarakitra ao amin’ny Lioka 21:20, 21: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.” Raha voahodidin’ny miaramila i Jerosalema, ahoana no hahafahan’‘izay ao, handositra fotsiny any ivelany’, araka ny baikon’i Jesosy? Mazava fa te hilaza an-kolaka i Jesosy hoe hisy fe-potoana iray ho azo hararaotina amin’izany. Nisy ve izy io?

Tamin’ny 66 am.f.i., ny tafika romana teo ambany fitarihan’i Cestius Gallus, dia nanery ireo miaramila jiosy mpioko hiverina tany Jerosalema ka tsy namela azy ireo hihetsika tao an-tanàna. Nanao fanafihana hiditra ny tanàna mihitsy aza ny Romana ka nipaka hatrany amin’ny mandan’ny tempoly. Tamin’izay anefa no nanome baiko ny tafiny hanao zavatra mahavaka ny saina, i Gallus. Nibaiko azy ireo hisinda izy! Nanomboka nanenjika sy nampitondra faisana ireo fahavalony romana vaky nandositra, ireo miaramila jiosy dibo-kafaliana. Noho izany, dia nisy ilay fe-potoana azo nohararaotina. Nihaino ny fampitandreman’i Jesosy ny Kristiana marina ka nandositra niala an’i Jerosalema. Fahendrena izany satria efa-taona monja tatỳ aoriana, dia niverina ny tafika romana, notarihin’ny Jeneraly Titus. Tsy nisy fandosirana azo natao tamin’itỳ indray mandeha itỳ.

Nanodidina an’i Jerosalema indray ny tafika romana; nanangana tovon-tany nanodidina an’i Jerosalema izy ireo. Naminany toy izao momba an’i Jerosalema i Jesosy: “Ho avy aminao ny andro izay hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina”.a (Lioka 19:43). Tsy ela i Jerosalema dia nilavo lefona; tonga sisan-javatra rava nidona-tsetroka ilay tempoliny be voninahitra. Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany rehetra ny tenin’i Jesosy!

Mihoatra lavitra noho ny fandravana an’i Jerosalema anefa no tao an-tsain’i Jesosy. Nanontany azy momba ny famantarana ny fanatrehany koa ireo mpianany. Tsy fantatr’izy ireo tamin’izay hoe nifandray tamin’ny fotoana hametrahana an’i Jesosy ho Mpanjaka any an-danitra ange izy io. Inona no nambaran’i Jesosy mialoha?

Ady ao anatin’ny andro farany

Raha mamaky ny Matio toko faha-24 sy faha-25, sy ny Marka toko faha-13, ary ny Lioka toko faha-21, ianao, dia hahita porofo mibaribary fa niresaka ny amin’ny androntsika i Jesosy. Nanambara mialoha ny amin’ny fotoana iray hisian’ny ady izy — tsy hoe “ady sy filazana ady” fotsiny, izay efa nanimba foana ny tantaran’ny olombelona akory, fa ady hisian’ny ‘firenena hitsangana hamely firenena sy fanjakana hitsangana hamely fanjakana’ — eny, ady lehibe iraisam-pirenena. — Matio 24:6-8.

Eritrereto kely ny amin’ny fomba niovan’ny ady tato anatin’itỳ taonjato misy antsika itỳ. Efa nahatsiravina ny ady fony izy io mbola nidika fotsiny ho fifandonan’ny tafika nisolo tena firenena roa nifanandrina, izay nifamely sabatra na nifampitifitra mihitsy aza, tany amin’ny saha fiadiana. Tamin’ny 1914 anefa, dia nipoaka ny Ady Lehibe. Nanao tohy vakana ny fifandrotehan’ireo firenena — ady naneran-tany voalohany. Natao ny basy mahavita tifitra vary raraka mba hamonoana olona bebe kokoa hatrany sy hitifirana avy amin’ny toerana lavitra kokoa. Mitifitra amin’ny fomba mandaitra, saingy tsy misy antra, ny balan’ny basy maro vava; nandoro sy nampijaly sy nampitondra takaitra ary namono miaramila an’arivony maro ny gaz moutarde; nirodorodo tsy nisy indrafo, namakivaky ny laharan’ireo fahavalo ireo tanky, amin’izato basiny goavana mivoaka afo. Nampiasaina koa ny fiaramanidina sy ny sambo mpisitrika — vao santatra am-bava rano ihany izany raha oharina amin’ny atỳ aoriana.

Nanao zavatra tsy azo nosaintsainina ny Ady Lehibe Faharoa — nahatonga ilay talohany ho tsinontsinona izy io, raha ny marina, noho izy nahafaty olona am-polo tapitrisany maro. Ireo sambo goavana mpitondra fiaramanidina, saika tanàna mitsinkafona, dia namakivaky ranomasina ka nandefa fiaramanidina mpiady handatsaka fahafatesana avy any amin’ny habakabaka, mba hiantefa amin’ny fahavalo. Nandefa baomba fitifiran-tsambo sy nandrendrika ny sambon’ny fahavalo ireo sambo mpisitrika. Ary nalatsaka ny baomba ataomika, ka namoizana ain’olona an’arivony maro isaky ny nipoaka. Tsy misy hafa amin’ny nambaran’i Jesosy ara-paminaniana, dia tena nisy “zava-mahatahotra” tokoa nanamarika izao vanim-potoan’ny ady izao. — Lioka 21:11.

Nihena ve ny ady nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa? Tsy izany velively. Indraindray, ao anatin’ny taona iray monja, dia misy ady maro ara-bakiteny mamely mafy — na dia ao anatin’izao folo taona anisan’ny 1990 izao aza — ka an-tapitrisany maro no maty. Ary nisy fiovana teo amin’ireo niharam-pahavoazana voalohany indrindra tamin’ny ady. Tsy ny miaramila intsony no be maty. Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ny olona maty amin’ny ady — maherin’ny 90 isan-jaton’izy ireo, raha ny marina — dia sivily.

Lafiny hafa amin’ilay famantarana

Lafiny iray monja amin’ilay famantarana nolazain’i Jesosy ny ady. Nampitandrina koa izy fa hisy “mosary”. (Matio 24:7). Ary izany no nitranga, na dia mamokatra sakafo mihoatra noho ny ilaina hamahanana ny olombelona rehetra aza ny tany; na dia mandroso kokoa noho ny hatramin’izay nisian’ny tantaran’ny olombelona aza ny siansa momba ny fambolena; na dia eo aza ny fitaterana haingana sy mandaitra mba hitatitra sakafo amin’ny toerana rehetra eto amin’izao tontolo izao. Na dia eo aza izany rehetra izany, dia tokony ho ampahadimin’ny mponina eto amin’izao tontolo izao no maty noana isan’andro.

Nilaza mialoha koa i Jesosy fa hisy “areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”. (Lioka 21:11). Eto indray koa, dia nahitana fifanoheran-javatra hafahafa ny androntsika — fitsaboana tsara kokoa noho ny hatramin’izay, fandrosoana tampoka teo amin’ny teknôlôjia, vaksiny fanefitry ny aretina maro fahita; kanefa dia nitombo be mbola tsy nisy toy izany koa ny areti-mandringana. Ny Gripa Espaniola dia nanaraka avy hatrany ny Ady Lehibe Voalohany ary namoizana ain’olona mihoatra noho ny matin’ny ady. Mora nifindra aoka izany io aretina io, hany ka tany amin’ny tanàna toa an’i New York, dia mety ho nampandoavina onitra na naiditra am-ponja ny olona, noho izy nievina fotsiny! Amin’izao andro izao, ny kansera sy ny aretim-po dia amoizana ain’olona an-tapitrisany maro isan-taona — tena areti-mandringana marina. Ary manohy mandripaka olona ny SIDA, izay tsy voasakan’ny siansa ara-pitsaboana hatrany ifotony.

Raha niresaka ny andro farany ho mifandray indrindra amin’ny toe-piainana ara-tantara sy ara-politika amin’ny ambaratonga lehibe i Jesosy, dia nifantoka bebe kokoa tamin’ny olana ara-tsosialy sy ny fihetsika manjaka kosa ny apostoly Paoly. Toy izao no sombin’izay nosoratany: “Fa aoka ho fantatrao izao, fa amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina. Fa ny olona ho tia ny tenany, (...) hivadika, tsy hanana firaiketam-po voajanahary, tsy ho azo ifampiraharahana, (...) tsy hanana fifehezan-tena, ho lozabe, tsy hanam-pitiavana izay tsara, ho mpamadika, ho mafy hatoka, hibontsina noho ny fieboeboana, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra”. — 2 Timoty 3:1-5, NW.

Toa efa fandrenao ve ireo teny ireo? Diniho ny lafiny iray monja amin’ny fahasimbana ara-tsosialy eo amin’itỳ tontolo ankehitriny itỳ — ny faharavan’ny fianakaviana. Ny fahabetsahan’ny tokantrano rava, ny vady atao matim-bono, ny ankizy atao ratsy fitondra, ary ireo ray aman-dreny zokiolona entina amin’ny fomba ratsy — mampiseho izany rehetra izany fa ny olona dia ‘tsy manana firaiketam-po voajanahary’ sy “lozabe” ary “mpamadika” sy ‘tsy manam-pitiavana izay tsara’ mihitsy aza! Eny, hitantsika ho miely patrana amin’izao andro izao ireny lafin-toetra ireny.

Ny taranaka misy antsika ve ilay nambara mialoha?

Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Tsy efa namely ny olombelona foana ve ireny toe-piainana ireny? Ahoana no ahafantarantsika fa ny taranaka maoderina misy antsika no ilay nambara mialoha tao amin’ireny faminaniana tranainy ireny?’ Andeha isika handinika porofo telo manambara fa niresaka ny androntsika i Jesosy.

Voalohany aloha, na dia nisy fahatanterahany kely sy fahatanterahany tany am-boalohany tamin’ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny aza, ny tenin’i Jesosy, dia nanondro mazava ny hoavy tany ankoatran’io fotoana io. Tokony ho 30 taona taorian’ilay loza nandrava an’i Jerosalema, dia nanome fahitana ny apostoly Jaona be taona, i Jesosy. Asehon’io fahitana io fa ireo toe-piainana nambaran’ny faminaniana — ady, mosary, areti-mandringana, sy ny fahafatesana vokatr’izany — dia tokony hisy haneran-tany amin’ny hoavy. Eny, ireo fahoriana ireo dia hahafaoka “ny tany” manontolo, fa tsy toerana iray na aiza na aiza. — Apokalypsy 6:2-8.

Faharoa, amin’itỳ taonjato misy antsika itỳ no tanteraka amin’ny ambaratonga izay ho azontsika antsoina hoe fara tampony, ny lafiny sasany amin’ilay famantarana nomen’i Jesosy. Ohatra, mety hisy ady ho ratsy lavitra noho izay nisy nanomboka tamin’ny 1914 ve? Raha misy Ady Lehibe Fahatelo, ka hampiasa ny fitaovam-piadiany ireo firenena manana fitaovam-piadiana niokleary, dia azo inoana fa hahatonga itỳ tany itỳ ho efitra kila forehitra ny vokatr’izany — ary ho lany tamingana ny olombelona. Mitovy amin’izany ihany, ny Apokalypsy 11:18 dia nanambara mialoha fa amin’ny andro farany, rehefa ho “tezitra” ireo firenena, dia ‘hanimba ny tany’ ny olombelona. Sambany teo amin’ny tantara vao hoe ny maha-azo onenana itỳ planeta itỳ mihitsy izao no tandindomin-doza noho ny fandotoana sy ny fahasimban’ny tontolo iainana! Io lafiny io koa àry dia mahita fahatanterahana amin’ny ambaratonga fara tampony na efa manakaiky izany. Mety ho tena hiharatsy hatrany ny ve ny ady sy ny fandotoana mandra-pandringan’ny olombelona ny tenany mbamin’itỳ planeta itỳ? Tsia; satria ny Baiboly mihitsy no mandidy fa haharitra mandrakizay ny tany, ka olona mahitsy fo no honina eo aminy. — Salamo 37:29; Matio 5:5.

Fahatelo, ny famantarana ny andro farany dia mampiaiky amin’ny fomba manokana rehefa raisina manontolo. Raha atao safo be mantsina, rehefa dinihintsika ireo lafiny noresahin’i Jesosy tao amin’ireo Filazantsara telo sy ireo asa soratr’i Paoly, ary ireo ao amin’ny Apokalypsy, dia misy lafiny maro io famantarana io. Mety mbola hitady hirika hanoherana ny lafiny tsirairay amin’ireo ny olona iray, ka hanizingizina fa nahitana olana nitovy tamin’izany koa ny vanim-potoana hafa. Rehefa ataontsika indray mandinika anefa izy rehetra, dia samy manondro mibaribary vanim-potoana iray monja — ny misy antsika.

Midika ho inona anefa izany rehetra izany? Milazalaza fotsiny ny vanim-potoana misy antsika ho mampamoy fo sy tsy ananana fanantenana ve ny Baiboly? Tsy izany velively!

Vaovao tsara

Ny iray amin’ireo lafiny mendri-komarihina amin’ny famantarana ny andro farany dia voarakitra ao amin’ny Matio 24:14 (NW ), manao hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” Tamin’itỳ taonjato itỳ, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanatanteraka asa iray tsy manan-tsahala teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Nandray ny hafatra ao amin’ny Baiboly momba ny Fanjakan’i Jehovah Andriamanitra izy ireo — ny mombamomba azy io, ny fomba hanapahany, ary izay hotanterahiny — ary nanely io hafatra io manerana ny tany. Namoaka zavatra vita an-tsoratra momba io foto-kevitra io, amin’ny fiteny mahery lavitra ny 300, izy ireo, ary nitondra azy io tany amin’ny olona tany an-tranony na teny amin’ny arabe na teny amin’ny toeram-piasana, saika tamin’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany.

Amin’ny fanaovana izany dia manatanteraka an’io faminaniana io izy ireo. Mampiely fanantenana koa anefa izy ireo. Mariho fa niantso azy io hoe “vaovao tsara”, fa tsy vaovao ratsy, i Jesosy. Ahoana no hetezan’izany amin’izao andro manjombona izao? Satria ny votoatin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly dia tsy mahakasika ny hoe hanao ahoana ny haratsin’ny tarehin-javatra amin’ny faran’itỳ tontolo tranainy itỳ. Ny votoatin’ny hafatra raketiny dia ny Fanjakan’Andriamanitra, ary io Fanjakana io dia mampanantena zavatra sarobidy amin’ny fon’ny olona rehetra tia fiadanana — dia ny fanavotana.

Inona marina moa io fanavotana io, ary ahoana no ahafahanao mahazo azy io? Diniho, raha sitrakao, ireo lahatsoratra manaraka momba io foto-kevitra io.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy misy iadian-kevitra fa i Titus no tompon’ny laka teto. Na dia izany aza, tamin’ny lafiny roa lehibe, dia tsy nahatanteraka ny tiany hatao izy. Nanolo-kevitra ny hanaovana tolo-batana amim-pilaminana izy, saingy nanda tamin-kiry sy tamin’ny fomba tsy hay hazavaina ireo mpitarika tao an-tanàna. Ary rehefa voagorobaka tamin’ny farany ny mandan’ny tanàna, dia nanome baiko ny amin’ny tokony hitsimbinana ny tempoly izy, kanefa dia nodorana tanteraka ihany izy io! Nilaza mazava ny faminanian’i Jesosy fa ho rava i Jerosalema ary ho simba tanteraka ny tempoly. — Marka 13:1, 2.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Ny olona dia mitady valiny amin’ny fanontaniana mampikorontan-tsaina toy ny hoe: Nahoana no ratsy aoka izany ny tarehin-javatra? Mizotra ho aiza ny olombelona?

[Teny notsongaina, pejy 6]

Amin’izao andro izao, dia maherin’ny 90 isan-jaton’ny olona maty amin’ny ady no sivily

[Sary, pejy 7]

Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany rehetra ny faminanian’i Jesosy momba ny fandravana an’i Jerosalema

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara