FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/3 p. 4-7
  • Hihaino ny Fampitandreman’Andriamanitra ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hihaino ny Fampitandreman’Andriamanitra ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ady — Tapany miavaka amin’ilay famantarana misy lafiny maro
  • Tapany hafa amin’ilay famantarana
  • Aza mety hofitahina!
  • Ilay fotoana halaza aorian’ny fandringanana
  • Rahoviana no ho tonga ny fandringanana an’izao tontolo izao voalazan’ny faminaniana
    Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany?
  • Andro Farany
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Akaiky “ny faran’izao tontolo izao”!
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Ny Fanjakan’Andriamanitra dia manana fahefana eo afovoan’ny fahavalony
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/3 p. 4-7

Hihaino ny Fampitandreman’Andriamanitra ve Ianao?

MAZÀNA ny olona dia tsy miraharaha fampitandremana mamonjy aina. Ny ankamaroan’ireo mponina tany Pompéi dia nifidy ny tsy hiraharaha ny feo nireondreona navoakan’ny Tendrombohitra Vésuve. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao dia tsy miraharaha ireo fampitandremana momba ny loza amin’antambo haneran-tany ho avy iray. Ho an’ireo izay vonona ny hiatrika ny zava-misy anefa, ilay fampitandremana dia zavatra tena izy toy ireo fanjelatry ny tselatra sy ny afo izay nivoaka avy tao amin’ny Tendrombohitra Vésuve tamin’ny taonjato voalohany. Ady lehibe roa, ady madinidinika an-jatony maro nampiasana fitaovam-piadiana, mosary, horohoron-tany lehibe, areti-mandringana, onjan-keloka bevava sy herisetra misesy, ary ezaka manokana ho fitoriana maneran-tany, ireo rehetra ireo miaraka dia mahaforona fampitandremana iray mampivarahontsana, milaza fa manatona haingana dia haingana ny fahasahiranana lehibe iray mitondra antambo ho an’ny taranak’olombelona.

Manome izao filazana mialoha manjombona izao ny Baiboly: “Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:21). Toy ny tamin’ilay loza amin’antambo tany Pompéi, dia hisy ireo ho afa-mandositra — “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” izay ho tafita velona, izany hoe hivoaka ‘avy amin’ny fahoriana lehibe’. — Apokalypsy 7:9, 14.

Ny fanontaniana dia hoe: Rahoviana no ho avy io fandringanana io? Misy antony mahery mahatonga hino fa efa akaiky dia akaiky io fahoriana io. Araka ny toa fahitana azy, dia nanontany an’i Jesosy toy izao ireo mpianany mba hahafantarana ny fotoana hitrangan’ireo fisehoan-javatra ireo: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, NW ). Mariho ilay valin-teny nomen’i Jesosy Kristy.

Ady — Tapany miavaka amin’ilay famantarana misy lafiny maro

Tsy nilaza mialoha fisehoan-javatra niavaka tokana monja akory i Jesosy. Noresahiny kosa ny amin’ny fitohitohizana fisehoan-javatra izay, raha raisina amin’ny fitambarany, dia mahaforona fampitandremana iray avy amin’Andriamanitra — famantarana misy lafiny maro ho an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Ny fisehoan-javatra voalohany voalaza mialoha dia voalazalaza ao amin’ny Matio 24:7 manao hoe: “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana”. Ao amin’ny faminaniana mifanitsy amin’izany ao amin’ny Apokalypsy 6:4, ny Baiboly dia nilaza mialoha fa ‘hesorina amin’ny tany ny fihavanana’. Izany dia nidika ho ady amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany.

Milaza amintsika ny tantara fa io faminaniana ny amin’ny ady maneran-tany io dia tanteraka hatramin’ilay taona manan-tantara, 1914. Mikasika ireo taona talohan’ny 1914, dia hoy ilay boky hoe American Adventures: “Feno fanantenana ny Amerikana maro nisantatra ilay taonjato vaovao. Ireo no ‘taona nanambina’ ary naharitra hatramin’ny folo taona faharoan’ilay taonjato izany. (...) Avy eo, ny 28 Jolay 1914, io fihetseham-po io dia voahozongozon’ny teny tokana hoe: ady”. Araka izany, dia nanomboka ny Ady Lehibe Voalohany, izay naharitra teo amin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918 ary nantsoin’ny sasany hoe ilay “ady mamarana ny ady rehetra”. Tafiditra nivantana tamin’izany ny tany 28. Ary raha ampidirinao ireo tany izay nananan’izy ireo fahefana, ireo firenena niady dia nahaforona efa ho ny 90 isan-jaton’ny mponina naneran-tany tamin’izany andro izany.

Hita tamin’ny Ady Lehibe Voalohany koa ny fampiasana fitaovana faran’izay nahafaty vaovao ho amin’ny ady, toy ny basy marovava, ny gaza misy poizina, ny fanipazana lelafo, ireo fiara mifono vy, ny fiaramanidina, ary ireo sambo mpisitrika. Miaramila efa ho folo tapitrisa no maty — betsaka kokoa noho ireo miaramila rehetra tao amin’ireo ady lehibe rehetra natao nandritra ireo 100 taona talohan’izay! Miaramila sahabo ho 21 tapitrisa no naratra. Marina tokoa fa ady naneran-tany izy io, izay nanamarika ny taona 1914 ho ilay fiandohan’ny “andro farany”. (2 Timoty 3:1). Kanefa dia lafiny iray monja amin’ny famantarana nomen’i Jesosy ny ady.

Tapany hafa amin’ilay famantarana

Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny [fanaintainan’ny, NW ] fahoriana.” (Matio 24:7, 8). Nanampy ny “areti-mandringana” tamin’io lisitra io ny Lioka 21:11. Talohan’ny nifaranan’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nanomboka niely haingana naneran-tany ny gripa espaniola. Tamin’ny farany izy io dia nahafaty olona maherin’ny 20 tapitrisa, betsaka kokoa noho ireo rehetra maty tao amin’ny ady.

Nandritra sy taorian’ny ady, dia nisy an-tapitrisany maro hafa maty noho ny mosary. Nahatonga fahafatesan’olona maro koa ny horohoron-tany. Tamin’ny 1915, dia maherin’ny 30 000 no maty tany Italia; tamin’ny 1920, dia sahabo ho 200 000 no maty tany Sina; tamin’ny 1923 dia efa ho 143 000 no maty tany Japana. Kanefa, araka ny nambaran’i Jesosy, ireo rehetra ireo dia vao fiandohan’ny fanaintainana noho ny fahoriana fotsiny. Ny rakibolana iray dia mamaritra ny hoe “fanaintainana” amin’ny hoe “fikainkonan-kozatra maharary izay manindrona vetivety”. Ity tontolo ity dia niala avy amin’ny fikainkonana maharary iray ho amin’ny iray manaraka izay mihamafy sy mihamatetika kokoa hatrany hatramin’ny 1914. Ohatra, 21 taona taorian’ny Ady Lehibe Voalohany dia tonga ny ady lehibe faharoa, izay nampitondra faisana olona 50 tapitrisa ary nampiditra ny taranak’olombelona tao anatin’ny andro niokleary.

Tao anatin’ireo taona faramparany, dia be ny zavatra nambara momba ny antony mahatonga fahoriana hafa iray koa: ny fanimban’ny olona ny tontolo iainana. Na dia tsy nanonona manokana izany tao amin’ny faminaniany aza i Jesosy, ny Apokalypsy 11:18 dia milaza fa alohan’ilay fandringanana ho avy, dia ‘hanimba ny tany’ ny olona. Maro be ny porofo fa mitranga io fanimbana io. Voalaza ao amin’ilay boky hoe State of the World 1988, fa nanome izao hafatra mampahatahotra izao ilay manam-pahaizana manokana momba ny tontolo iainana atao hoe Norman Myers: “Tsy nisy mihitsy taranaka tamin’ny lasa niatrika fanampoizana fandringanana olona maro be mitambatra tao anatin’ny androm-piainany. Tsy hisy taranaka amin’ny hoavy hiatrika zava-tsarotra tsy maintsy resena toy izany: raha tsy mahavita mandamina ilay asa ny taranaka ankehitriny, dia ho vita ilay fanimbana ary tsy hisy ‘fahafahana hanao izany fanindroany’ intsony.”

Diniho ilay tatitra tao amin’ny gazetiboky Newsweek tamin’ny 17 Febroary 1992, momba ny fahalanian’ny ozone ao amin’ny atmosfera. I Alexandra Allen, manam-pahaizana manokana momba ny ozone ao amin’ny Greenpeace (fikambanana iraisam-pirenena miaro ny tontolo iainana) dia voalaza fa nampitandrina hoe ny fahaverezan’ny ozone “amin’izao fotoana izao dia mitovy amin’ny fandrahonana ny hoavin’ny fiainana rehetra eto an-tany”. — Jereo ny faritra voafefy eo amin’ity pejy ity mba hahazoana porofo fanampiny momba ny fanimbana ny tontolo iainana eto an-tany.

Ny toerana dia tsy mamela ny hanaovana resaka be antsipiriany momba ny lafiny rehetra amin’ilay faminanian’i Jesosy. (Jereo ilay tabilao eo amin’ny pejy faha-5 mba hahitana amin’ny ankapobeny, lafin’ny faminaniana hafa.) Misy lafiny iray tsy azo odian-tsy hita anefa, voalazalaza ao amin’ny Matio 24:14 (NW ) manao hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny Fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo, dia ho tonga ny farany.” Tsy misy isalasalana mihitsy ny amin’ny hoe iza no manantanteraka io asa fitoriana maneran-tany io. Ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 229 dia nandany ora maherin’ny arivo tapitrisa tamin’io asa io tamin’ny taona 1992 monja. Ny asa ataon’izy ireo àry dia mahaforona iray amin’ireo porofo hita maso indrindra fa miaina amin’ny andro farany isika.

Aza mety hofitahina!

Mety hanohitra anefa ny sasany amin’ny filazana fa izany resaka rehetra momba ny “andro farany” izany dia fijerena lafy ratsin-javatra fotsiny. ‘Ahoana ny amin’ny famoizan’ny Kaominisma ny toerany vao haingana tany Eoropa Atsinanana?’ hoy ny fanontanian’izy ireo, ‘na ny ezaka ataon’ireo herim-panjakana faran’izay matanjaka mba hihavanana? Moa ve izany tsy porofo fa mihatsara ny zavatra?’ Tsia. Mariho fa i Jesosy akory tsy nilaza hoe izao tontolo izao manontolo dia ho safotry ny ady sy ny horohoron-tany ary ny mosary tsy an-kijanona mandritra ny andro farany. Mba hahafahan’ny vaovao tsara hotorina maneran-tany, dia tsy maintsy hisy, fara faharatsiny, fotoana sasany somary hilamina ihany.

Tsarovy koa fa i Jesosy dia nampitaha ny andro farany tamin’ireo andro talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Tamin’izany fotoana izany, ny olona dia variana nihinana sy nisotro ary nifanambady — fanaovan-javatra ara-dalàna eo amin’ny fiainana. (Matio 24:37-39). Izany dia manondro fa, na dia hampahory aza ny toe-piainana mandritra ny andro farany, dia tsy hiharatsy aoka izany akory ny zava-drehetra ka hanjary tsy ho azo atao ireo fanaovan-javatra ara-dalàna eo amin’ny fiainana. Toy ny tamin’ny andron’i Noa, ny ankamaroan’ny olona dia variana aoka izany amin’ireo raharaha isan’andro, hany ka tsy miraharaha ny maha-zava-dehibe ny fotoana izy ireo.

Noho izany, dia hampidi-doza ny hiverenana ao anatin’ny tsy firaikana indray noho ireo fisehoan-javatra ara-politika toa tsara. (Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 5:3.) Lehibe ny porofo fa eo am-pahatanterahana izao ny faminanian’i Jesosy — fampitandremana fa akaiky ny fandringanana!

Ilay fotoana halaza aorian’ny fandringanana

Ny faharavan’i Pompéi dia nitondra fahafatesana sy fahantrana. Kanefa ny faran’ity fandehan-javatra ankehitriny ity dia hisava ny lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany kanto iray ho tonga paradisa. (Apokalypsy 21:3, 4). Tsy hanimba ny tany amin’ny ady intsony ireo fitondram-panjakan’olombelona mahatonga fisaratsarahana. Tsy ho raiki-tahotra intsony ny olona noho ny fandrahonan’ny fandripahana niokleary iray. Tsy ho eo intsony ireo ozinina izay mamoaka zavatra simika misy poizina eo amin’ny tontolo iainana. — Daniela 2:44.

Amin’izany fotoana izany, ny olona velona tsirairay dia ho tia ny fahamarinana sy ho tena sakaiza, hankato tanteraka ny lalàn’ilay Fanjakana. (Salamo 37:10, 11). Ho zavatra anisan’ny lasa ireo hopitaly sy ireo sampan-draharaha mikarakara ny fandevenana ary ireo fasana. Tsy hisy intsony toy izany koa ny fisaraham-panambadiana, ny fisarahan-toerana eo amin’ny mpivady, ny fahaketrahana, ary ny fampijaliana ankizy. — Isaia 25:8; 65:17.

Maniry ny ho tafita velona amin’ny andro farany ve ianao ka ho velona mba hahita ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra halaza? Raha izany àry, dia “miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana”. (Marka 13:33). Na dia izany aza, dia ahariharin’ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao fa akaiky io fotoana voatendry io — akaiky amin’ny fomba mampidi-doza ho an’ny maro. Tsy misy fotoana tokony ho very. Koa manaova asa mamonjy aina, ary tadiavo ireo izay manisy fiheverana ilay famantarana maneran-tany ny amin’ny andro farany. Mora fantarina izy ireo, satria izy ireo ihany no mankato ilay baikon’i Jesosy hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maneran-tany. Miaraka amin’ny olona toy izany, dia enga anie ianao hanao dingana mba hiandaniana amin’i Kristy Jesosy, ilay Mpanjaka, izay toy izao no nambara momba azy: “Ny anarany no hitokian’ny jentilisa”. — Matio 12:18, 21.

[Efajoro, pejy 5]

Lafiny 24 Amin’ilay Famantarana

1. Ady mbola tsy nisy toa azy — Matio 24:6, 7; Apokalypsy 6:4

2. Horohoron-tany — Matio 24:7; Marka 13:8

3. Tsy fahampian-tsakafo — Matio 24:7; Marka 13:8

4. Areti-mandringana — Lioka 21:11; Apokalypsy 6:8

5. Fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna — Matio 24:12

6. Fanimbana ny tany — Apokalypsy 11:18

7. Fangatsiahan’ny fitiavana — Matio 24:12

8. Fahitan-javatra mahatahotra — Lioka 21:11

9. Fitiavam-bola tafahoatra — 2 Timoty 3:2

10. Tsy fankatoavana ireo ray aman-dreny — 2 Timoty 3:2

11. Fitiavana fahafinaretana mihoatra noho Andriamanitra

— 2 Timoty 3:4

12. Fitiavana manapa-tena — 2 Timoty 3:2

13. Tsy fisian’ny fitiavana voajanahary amin’ny ankapobeny

— 2 Timoty 3:3

14. Olona tsy azo andaharana mihitsy

— 2 Timoty 3:3, NW

15. Tsy fisian’ny fifehezan-tena eo amin’ny ambaratonga rehetra

amin’ny fitambaran’olona — 2 Timoty 3:3

16. Fahaverezan’ny fitiavana hatsaram-po maneran-tany

— 2 Timoty 3:3

17. Olona maro mihambo amim-pihatsarambelatsihy ho Kristiana

— 2 Timoty 3:5

18. Fihinanana sy fisotroana tafahoatra ataon’ny maro

— Lioka 21:34

19. Mandà ilay famantarana ireo mpanaraby — 2 Petera 3:3, 4

20. Misy mpaminany sandoka maro miasa — Matio 24:5, 11;

Marka 13:6

21. Fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra efa

miorina — Matio 24:14; Marka 13:10

22. Fanenjehana ireo tena Kristiana — Matio 24:9; Lioka 21:12

23. Antsoantsom-piadanana sy filaminana hamarana ny andro farany

— 1 Tesaloniana 5:3

24. Tsy miraharaha ny loza ny olona — Matio 24:39, NW

[Efajoro, pejy 6]

Zava-manahirana Momba ny Tontolo Iainana — Famantarana ny Fotoana

◻ Ilay sosona ozone mpiaro any amin’ny faritra misy mponina maro any amin’ny Ila bolan-tany Avaratra dia mihamanify avo roa heny haingana kokoa noho izay noheverin’ireo mpahay siansa, taona vitsivitsy lasa monja izay.

◻ Misy karazan-javamaniry sy biby 140 fara fahakeliny manjavona isan’andro.

◻ Ny habetsahan’ny hafanana voatana noho ny roanoksida-na karibonina izao dia avo 26 isan-jato kokoa noho izay nisy talohan’ny fitomboan’ny taozava-baventy maneran-tany, ary miakatra hatrany izany.

◻ Nihanafana kokoa ny vohon’ny tany tamin’ny 1990 noho izay taona rehetra hatramin’ny nanombohana nitana an-tsoratra izany, teo antenatenan’ny taonjato faha-19; ny enina amin’ireo taona fito nafana indrindra fantatra, dia nitranga hatramin’ny 1980.

◻ Ireo ala dia mihamanjavona amin’ny taha [17 tapitrisa hektara] eo ho eo isan-taona, dia faritra iray mitovitovy amin’ny antsasaky ny haben’i Finlande.

◻ Mitombo 92 tapitrisa isan-taona ny mponina eo amin’izao tontolo izao — mitovitovy ara-keviny amin’ny fanampiana olona mitovy isa amin’ny mponin’i Meksika isan-taona; amin’io fitambarany io, dia 88 tapitrisa no ampiana any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana.

◻ Olona sahabo ho 1,2 arivo tapitrisa no tsy manana rano azo sotroina.

Araka ilay boky hoe State of the World 1992, nataon’ny Worldwatch Institute, pejy faha-3, 4, W. W. Norton & Company, New York, London.

[Sary, pejy 7]

Aorian’ny fandringanana dia ho tonga ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra halaza

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara