FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff lesona 21
  • Ahoana no Itoriana ny Vaovao Tsara?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Itoriana ny Vaovao Tsara?
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Torio ny Fanjakan’i Jehovah!
    Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • “Mitondra Teny Soa Mahafaly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • ‘Mandehana, Ataovy Mpianatra ny Olona any Amin’ny Firenena Rehetra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • ‘Tsy maintsy torina aloha ny vaovao tsara’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff lesona 21
Lesona 21. Lehilahy iray eny amin’ny arabe miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah roa manao fampirantiana.

LESONA 21

Ahoana no Itoriana ny Vaovao Tsara?

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

Tsy ho ela i Jehovah dia hampiasa ny Fanjakany mba hanesorana ny olana rehetra mahazo antsika. Tena vaovao tsara izany ka tokony ho fantatry ny olona. Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hiresaka azy io amin’ny olona rehetra. (Matio 28:19, 20) Manaraka an’io didin’i Jesosy io ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

1. Inona no porofo hoe tanteraka amin’izao andro izao ny Matio 24:14?

Nilaza i Jesosy hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay Fanjakana ity.” (Matio 24:14) Tena faly manao an’io asa io ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitory ny vaovao tsara maneran-tany izahay, ary amin’ny fiteny 1 000 mahery no anaovanay an’izany. Asa be ilay izy ka mila ezaka mafy sy fandaminana tsara. Tsy vitanay izany raha tsy eo ny fanampian’i Jehovah.

2. Inona no ezaka ataonay mba hitoriana amin’ny olona?

Mitory any amin’izay rehetra ahitana olona izahay. Manahaka ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izahay, ka mitory “isan-trano.” (Asan’ny Apostoly 5:42) Afaka miresaka amin’ny olona an-tapitrisany àry izahay isan-taona. Mitory eny amin’ny toerana hafa koa anefa izahay, satria tsy voatery ho ao an-tranony foana ny olona. Mitady hirika foana izahay mba hiresahana momba an’i Jehovah sy ny zavatra tiany hatao.

3. Andraikitr’iza ny mitory ny vaovao tsara?

Tokony hitory ny vaovao tsara daholo ny tena Kristianina. Miezaka manao tsara an’io andraikitray io izahay. Manao izay fara herinay izahay rehefa mitory, satria fantatray hoe mamonjy olona izany. (Vakio ny 1 Timoty 4:16.) Tsy karamaina izahay rehefa manao an’io asa io. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Matio 10:7, 8) Mitory foana izahay na dia misy olona tsy mihaino aza. Te hankatò an’i Jehovah sy te hampifaly azy mantsy izahay.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika bebe kokoa hoe ahoana no ataonay Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana maneran-tany, ary ahoana no anampian’i Jehovah anay.

A. Vavolombelon’i Jehovah roa mitory amin’ny lehilahy iray eo amin’ny havoana iray feno bozaka, any Costa Rica. B. Vavolombelon’i Jehovah efatra mitory amin’ny mpanjono eo amin’ny seranana kely iray, any Etazonia. D. Vavolombelon’i Jehovah roa mitory amin’ny lehilahy iray any ambanivohitra, any Bénin. E. Vavolombelon’i Jehovah iray mitory amin’ny vehivavy iray eo ambony lakana fivarotana, any Tailandy. F. Vavolombelon’i Jehovah roa mitory amin’ny vehivavy iray eo alohan’ny vato fisaka lehibe, any Yap. G. Vavolombelon’i Jehovah roa mitory amin’ny vehivavy iray eo amin’ny lalana feno lanezy eo akaikin’ny lakan-drano iray, any Soeda.

Fitoriana maneran-tany: A) Costa Rica, B) Etazonia, D) Bénin, E) Tailandy, F) Yap, G) Soeda

4. Miezaka be izahay mba hitory amin’ny olona rehetra

Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitory ny vaovao tsara any amin’izay rehetra ahitana olona. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Fitoriana any “Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany” (7:38)

  • Inona amin’ny ezaka ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah no tena mahavariana anao?

Vakio ny Matio 22:39 sy ny Romanina 10:13-15, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana ny asa fitoriana ataonay no mampiseho hoe tia olona izahay?

  • Ahoana no fahitan’i Jehovah ny olona mitory ny vaovao tsara?​—Jereo ny andininy 15.

5. Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay

Betsaka ny tantara mampiseho hoe mitarika ny asanay i Jehovah. Mipetraka any Nouvelle-Zélande, ohatra, ny rahalahy iray atao hoe Paul. Nitory isan-trano izy indray tolakandro, ary nihaona tamin’ny vehivavy iray. Vao ny marainan’io ilay vehivavy no nivavaka tamin’i Jehovah mba hisy olona hitsidika azy. Nilaza i Paul hoe: ‘Tonga tao aminy aho adiny telo taorian’izay.’

Vakio ny 1 Korintianina 3:9, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana ilay tantara tany Nouvelle-Zélande no mampiseho hoe mitarika ny asa fitoriana i Jehovah?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:8, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no ilaina ny fanampian’i Jehovah mba hahavitana ny asa fitoriana?

Fantatrao ve?

Ampiofanina hitory izahay mandritra ny fivorianay andavanandro. Ahoana no fahitanao an’ilay fampiofanana raha efa nanatrika an’io fivoriana io ianao?

Vavolombelon’i Jehovah roa mampiseho ny fomba fitoriana ny vaovao tsara, mandritra ny fivorian’ny fiangonana.

6. Mitory izahay satria mankatò an’Andriamanitra

Nisakana ny mpanara-dia an’i Jesosy tsy hitory ny olona sasany, tamin’ny taonjato voalohany. Nampiasa ny lalàna àry ny Kristianina tamin’izany mba hiarovana ny zony hitory ny vaovao tsara. (Filipianina 1:7) Izany koa izao no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.a

Alefaso ilay VIDEO.

VIDEO: Mampiasa ny Lalàna mba Hiarovana ny Vaovao Tsara (2:28)

Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:27-42, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana izahay no hanohy hitory foana?​—Jereo ny andininy 29, 38, ary 39.

METY HISY HANONTANY HOE: “Maninona ny Vavolombelon’i Jehovah no mitety trano?”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hitory ny vaovao tsara amin’ny firenena rehetra. Ampian’i Jehovah ny vahoakany mba hahavita an’io asa io.

Famerenana

  • Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana ny vaovao tsara maneran-tany?

  • Nahoana ny asa fitoriana ataonay no mampiseho hoe tia olona izahay?

  • Mahafaly ve ny mitory ny vaovao tsara, araka ny hevitrao? Nahoana?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana any amin’ny tanàn-dehibe?

Fitoriana eny Amin’ny Toerana Be Olona any Paris (5:11)

Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana amin’ny mpitsoa-ponenana?

Fitoriana Amin’ny Mpitsoa-ponenana Mangetaheta Ara-panahy (5:59)

Asehon’ity tantara ity hoe tena mahasambatra ny mitory manontolo andro.

Faly Aho Nifidy ny Hanao An’ity Asa Ity (6:29)

Ho hitanao ato ny didim-pitsarana miavaka nanampy ny Vavolombelon’i Jehovah hitory ny vaovao tsara.

“Niakatra Fitsarana ny Vahoakan’ilay Fanjakana” (Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!, toko 13)

a Andriamanitra no nandidy anay hitory. Tsy mila alalana avy amin’ny manam-pahefana àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana ny vaovao tsara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara