FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/4 p. 10-15
  • “Ny tanan’i Jehovah nomba azy ireo”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ny tanan’i Jehovah nomba azy ireo”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ny firenena rehetra”
  • Misionera teo amin’ireo firenena
  • Fampianarana mahomby
  • Mitombo ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra
  • Manome Ohatra ireo Mpanompo Manontolo Andro eo Amin’ny Asa Fitoriana
    Ny Vavolombelon’i Jehovah—Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Maneran-tany
  • Miteraka Fitomboana Eran-tany ny Misionera
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Tsy Maintsy Evanjelisitra ny Kristiana Marina Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Manao Asa Misionera ve Ianareo?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/4 p. 10-15

“Ny tanan’i Jehovah nomba azy ireo”

“Fatratra toy izany no fandroson’ny tenin’Andriamanitra [Jehovah, MN ] sy ny heriny.” — ASAN’NY APOSTOLY 19:20.

1. a) Fitarainana inona no navoakan’ireo fahavalon’ny kristianisma tamin’ny taonjato I amin’ny fanisan-taona iraisana? b) Inona no nitranga na taiza na taiza toerana nandehanan’i Paoly mba hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary inona moa, tamin’ny toe-javatra rehetra, no nomba ny kristiana?

TAONJATO sivy ambin’ny folo mahery lasa izay, dia nisy fahavalon’ny hafatra kristiana izay nanohitra ny asa nanirahana ny apostoly Paoly, namoaka izao fitarainana izao: “Tonga atỳ koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo; ary (...) ireo manohitra ny tenin’i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.” (Asan’ny apostoly 17:6, 7). Na taiza na taiza toerana nalehany mba hampahafantatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah, Paoly dia nampitranga fanoherana, ary matetika io misionera kristiana io no niharan’ny fanenjehana. Nahita fahasahiranana koa ny kristiana hafa tamin’ny taonjato I, nefa, tamin’ny toe-javatra rehetra, “ny tanan’ny Tompo [Jehovah, MN ] nomba azy ireo”. — Asan’ny apostoly 11:21.

2. Iza no niandohan’ny asa misionera kristiana, ary ahoana no nanaovany izany?

2 Iza moa no niandohan’io asa misionera izay zava-dehibe io? Lehilahy hafa dia hafa iray, dia Jesosy, izay nampiely tamin’ny fomba tsy fahita loatra, hafatra nampirehitra. Aoka hotsaroantsika fa mpitondra teny namabo ny amin’ny Fanjakan’ny lanitra i Jesosy, Zanak’Andriamanitra, rehefa nihaona tamin’ny vahoaka jiosy. Nasehon’io vahoaka io anefa fa ny hany zavatra nahiny dia ny hahazoana antoka ny amin’ny famonjena azy tamin’ny asan’ny Lalàna. — Matio 4:17; Lioka 8:1; 11:45, 46.

“Ny firenena rehetra”

3. Faminaniana inona moa no tsy maintsy ho nahagaga ireo mpianatra jiosin’i Jesosy, ary nahoana?

3 Araka izany dia afaka maka sary an-tsaina ny fahagagan’ireo mpianatra jiosin’i Jesosy isika, rehefa niteny tamin’izy ireo, telo andro talohan’ny hahafatesany, izy hoe: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” Tsy maintsy ho nanontany tena ny mpianany ny amin’ny fomba hataony mba hitoriana ny vaovao tsara amin’ny “firenena rehetra”. Eny, ahoana no hahafahan’ny olona vitsy kely toy izany hiantsoroka asa nanirahana mavesatra aoka izany? — Matio 24:14; Marka 13:10.

4. Rehefa avy natsangana Jesosy, baiko inona moa no nomeny ny mpianany?

4 Tatỳ aoriana, rehefa avy natsangana i Jesosy dia nanampy izao baiko izao: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny [manaova mpianatra olona avy amin’ny, MN ] firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” Tamin’izany no nahazoan’ny mpianatr’i Jesosy fanirahana mba hitondra ny hafatry ny Mpampianatra azy ho an’ny “olona avy amin’ny firenena rehetra”. — Matio 28:18-20.

5, 6. a) Ahoana no nitondrana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny Jentilisa, ary inona no vokany? b) Ahoana no fihetsik’ireo loholona tao Jerosalema rehefa notantarain’i Petera tamin’izy ireo ny fisehoan-javatra momba an’i Kornelio Jentilisa?

5 Telo taona mahery tatỳ aoriana, dia tsy maintsy handeha hitory ny vaovao tsara amin’ny Jentilisa ny kristiana, ka izany, araka ny nasehon’ny fihetsik’i Petera, dia nitaky fiezahana. Tao amin’ny fahitana iray no nandraisan’ilay apostoly baiko mba hihinana biby maloto, ka nampahafantarin’Andriamanitra azy fa ny zavatra noraisina ho maloto fahiny dia tokony hoheverina ho madio manomboka izao. Sanganehana i Petera. Notarihin’ny fanahin’Andriamanitra izy ka nankany amin’ny Jentilisa iray, dia Kornelio miaramila romana. Hatreo dia nihevitra izy fa tsy azony natao ny nanana fifandraisana tamin’olona avy amin’ny firazanana hafa, nefa ankehitriny, dia takany fa sitrapon’Andriamanitra ny hitoriany amin’i Kornelio. Mbola teo am-pitenenana i Petera raha nilatsaka tamin’io fianakaviana jentilisa io ny fanahy masina, ka izany dia nampiseho fa tokony hitatra tamin’izao tontolo izaon’ny tsy Jiosy ny sahan’asan’ireo misionera kristiana. — Asan’ny apostoly 10:9-16, 28, 34, 35, 44.

6 Rehefa nitantara izany fisehoan-javatra izany tamin’ireo loholona tany Jerosalema i Petera, ireo “dia nangina sady nankalaza an’Andriamanitra ka nanao hoe: ‘Efa nomen’Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.’ ” (Asan’ny apostoly 11:18). Tsy nisy intsony izao nanohitra ny fandraisan’ny firenena jentilisa ny vaovao tsara mifandray amin’i Kristy sy ny Fanjakany.

Misionera teo amin’ireo firenena

7. Ahoana no nanombohan’ny asa misioneran’ireo kristiana voalohany niitatra tao amin’ny faritra lemaka mediteraneana, ary nankasitraka izany ve Andriamanitra?

7 Ny asa fitoriana, izay efa nahazo vahana taorian’ny namonoana an’i Stefana ho maritiora, dia nahazo refy vaovao indray izao. Afa-tsy ireo apostoly, dia niparitaka ny kongregasionan’i Jerosalema. Teo am-piandohana, ireny jiosy nenjehina noho ny finoany ireny dia tsy nitory afa-tsy tamin’ireo mpiray tanindrazana taminy tany Foinika, Kyprosy ary Antiokia. “Kanefa (...) ny lehilahy sasany avy any Kyprosy sy Kyrena (...) dia nanomboka niresaka tamin’ireo olona miteny grika, nanambara ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompo.” Nankasitraka ny asa misionera nataon’ireny lehilahy ireny teo amin’ireo firenena ve Andriamanitra? Izany marina tokoa, satria “ny tanan’i Jehovah nomba azy ireo, ka maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny Tompo”. Noho ny fahasahiana sy ny fahombiazan’ireny kristiana voalohany ireny, dia nanomboka niely tao amin’ny faritra lemak’i Mediterane ny asa misionera. Kanefa, tsy tokony hijanona teo ny fitomboana. — Asan’ny apostoly 4:31; 8:1; 11:19-21, MN.

8. Ahoana no nampanomezan’Andriamanitra dingana hentitra ho an’ny asa misionera?

8 Tany amin’ny 47-48, Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fanahy masina, dia nampanome dingana mampiaiky ho an’ny asa misionera. Izao no azo vakina momba izany ao amin’ny Asan’ny apostoly 13:2-4: “Dia hoy ny Fanahy Masina: ‘Atokany ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.’ (...) Ary rehefa nirahin’ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia [seranana amoron-dranomasina any Antiokian’i Syria] izy ka niondrana an-tsambo ho any Kyprosy.” Niondrana an-tsambo ho amin’ny diany voalohany tany an-tany hafa i Paoly sy Barnabasy. Fotoana nahatalanjona re izany! Tamin’izany no nahatongavan’ny apostoly Paoly ho loha laharana tamin’ny asa misionera kristiana. Napetrany ny fanorenan’ny asa iray izay tokony hifarana amin’izao androntsika izao.

9. Asa inona moa no azon’ny apostoly Paoly notontosaina noho ireo dia misionerany?

9 Miresaka ny amin’ny dia misionera telo nataon’i Paoly ny Baiboly, tsy isaina ny diany tany Roma, raha mbola tao anatin’ny fatorany izy. Nandritra ireny fivahiniany an-tany hafa ireny, dia nanome fanombohana ho an’ny asa tao amin’ny tanàna maro tany Eoropa izy ary nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana tao amin’ny tany sy nosy antsoina amin’izao andro izao hoe Syria, Kyprosy, Kreta, Tiorkia, Grisia, Melita ary Sisila. Angamba aza izy tonga hatrany Espaina. Nanampy tamin’ny fanorenana kongregasiona tao amin’ny tanàna maro izy. Nifono zava-miafina marina tokoa ny fahombiazan’io asa misionera io, nefa inona izany?

Fampianarana mahomby

10. Nahoana moa no nahomby aoka izany ny asa misioneran’i Paoly?

10 Nanahaka an’i Kristy i Paoly teo amin’ny fomba fampianarany. Koa fantany ny fomba hitondrana ny olona. Nananany ny fahaizana sady mampianatra no mamolavola mpampianatra. Tamin’ny Tenin’Andriamanitra no nampiorenany ny fampianarany. Nanalavitra ny hitady hampitolagaga tamin’ny fahendreny izy, ka namakafaka avy amin’ny Soratra masina (Asan’ny apostoly 17:2, 3). Nahay nilaza zavatra nifanentana tamin’ny mpihaino azy koa i Paoly ary nampiasa ny faritra manodidina nisy azy mba hampidirana ny hafatra nentiny. Nilaza mihitsy ny tenany hoe: “Nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa. Tamin’ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho (...). Tamin’izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (...). Tamin’ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.” — 1 Korintiana 9:19-23; Asan’ny apostoly 17:22, 23.

11. Inona no mampiseho fa Paoly sy ireo namany dia misionera nahita fahombiazana, ary hatraiza no niitaran’ny fanompoana kristiana?

11 Misionera nahita fahombiazana i Paoly sy ireo namany. Noho ny fiaretany sy ny faharetany, na taiza na taiza nalehany, dia afaka namorona kongregasiona sy nanatanjaka izany izy (Asan’ny apostoly 13:14, 43, 48, 49; 14:19-28). Niitatra aoka izany ny fanompoan’ireo kristiana voalohany ka nahatonga an’i Paoly hanoratra hoe: “Ny tenin’ny fahamarinan’ny filazantsara, izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin’izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo (...) dia] notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny”. Marina tokoa fa ny asa misioneran’ireo kristiana voalohany dia tsy hoe tsy nisy vokany hatrany akory. — Kolosiana 1:5, 6, 23.

12. Nahoana moa ny tena asa misionera kristiana no nanjavona nandritra ny fotoana kelikely?

12 Kanefa, teo am-piandohan’ny taonjato faha-II dia efa nanomboka nahazo ny kongregasiona kristiana ny fivadiham-pinoana, araka ny nanambaran’i Jesosy sy ny apostoly izany (Matio 7:15, 21-23; Asan’ny apostoly 20:29, 30; 1 Jaona 2:18, 19). Nandritra ireo taonjato nanaraka, ny teolojia sy ny fampianarana avy amin’ny mpanompo sampy dia nahazo vahana teo amin’ny hafatr’ilay Fanjakana. Naniraka misionera ny fivavahana lazaina fa kristiana, tsy hoe mba hitory ilay tena Fanjakana, ny Fanjakan’Andriamanitra, fa mba hampanjaka ny fanjakan’ireo tompony ara-politika, ka ny volan’izy ireo no nanohanana ireny fanirahana ireny. Raha nitory tamin’ny teratany tsy nanam-piarovana ireny misionera ireny dia matetika no nampiasa ny sabatra. Nanjavona ny tena asa misionera kristiana, nefa tsy ho mandrakizay akory.

13. Tao anatin’ny toe-javatra inona no nandefasana fampielezam-panambarana iray, ary inona no azo nolazaina tamin’ny 1916 momba ny vokatra azo?

13 Tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 dia takatr’i Charles Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower, fa tokony haverina indray ny asa misionera. Koa nalefany ny fampielezam-panambarana tamin’ny faritra midadasika, izay nandraisan’ny tenany anjara tamin’ny fitetezana tanàna maro be tany Etazonia; nanao dia an-tsambo izy ka nandeha koa tany amin’ny tany maro araka izay azony natao nanerana an’izao tontolo izao. Navoaka tamin’ny fiteny 35 ireo zavatra nosoratany momba ny Baiboly. Nolazaina fa tamin’ny fahafatesany nitranga tamin’ny 1916 dia nandeha 1 600 000 kilaometatra mahery izy ary nanao lahateny ampahibemaso nihoatra ny 30 000.

14. Inona no nataon’i Joseph Rutherford mba hampandrosoana ny asa misionera?

14 Ny mpandimby azy, Joseph Rutherford, dia nanaiky ihany koa fa tena nila misionera izao tontolo izao. Teo am-piandohan’ireo taona 20, dia naniraka olona ampy fahaizana tany amin’ny tany samihafa izy, mba hampiorenana tsara ny asa fitoriana tamin’ny alalan’izy ireo. Tamin’izany, tany Espaina sy Amerika Atsimo ary Afrika andrefana, no nametrahan’ireo misionera ny fototry ny asan’ilay Fanjakana. Tamin’ny 1931 dia nangatahina ny mpiasa an-tsitrapo mba hanohana ny asa notontosaina tany Espaina. Nisy tovolahy telo nandao an’i Angletera mba hamaly an’io antso io; nandritra ny efa-taona, hatramin’ny fotoana nipoahan’ny adin’i Espaina (1936), dia niasa tao anatin’ny fahasahiranana mafy indrindra izy ireo. Avy eo, rehefa notandindomin-doza izy ireo, dia tsy maintsy nandositra niala tamin’ilay tany.

15. Inona moa, tao anatin’ireo taona 40, no namela hanitatra aoka izany ny asa misionera?

15 Teo anelanelan’ny 1940 sy 1950, dia nisy fanatsarana hoentina amin’ny asa misionera. Ny prezidà fahatelon’ny Fikambanana Watch Tower, Nathan Knorr, dia nanana niaraka taminy, antokon’olona be zotom-po. Tamin’ny 1942, tsy isalasalana fa noho ny fitarihan’ny fanahy masina, dia tsapany ny ilàna sekoly iray natao hanomanana ny misionera amin’ireo zava-tsarotra aorian’ny ady. Nitarika izany izy tao anatin’ny Ady Lehibe faharoa, hany ka tamin’ny febroary 1943 dia notokanana tao amin’ny Fanjakan’i New York i Gileada, sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower. Isaky ny enim-bolana, dia lehilahy sy vehivavy maherin’ny zato, mpanompo manontolo andro be zotom-po avokoa no handray avy amin’ireo mpampianatra efatra ao amin’ny sekoly, fampiofanana ara-baiboly mifanentana amin’ny asa misionera. Moa ve ny asa notontosain’ireny mpianatra ireny tatỳ aoriana niharihary ho nahomby?

16. a) Vavolombelona firy no nitory tamin’ny 1943, ary firy ankehitriny? b) Anjara inona no noraisin’ny misionera tamin’izany fitomboana izany? Hazavao hoe nahoana?

16 Tamin’ny 1943, dia tsy nisy afa-tsy Vavolombelona 126 329 nitory tao amin’ny tany 54. Amin’izao andro izao, 45 taona tatỳ aoriana, dia azo ampitomboina 28 io isa io, satria minisitra maherin’ny 3 500 000 no marisika ao amin’ny tany sy nosy 210. Ny tapany tsy azo atao tsirambina nahatonga io fitomboana io dia noho ny fanorenana tsara dia tsara napetraky ny misionera maherin’ny 6 000 nanatrika ireo fianarana tao amin’ny sekolin’i Gileada. Avy any amin’ny tany 59 ireny mpianatra ireny ary nirahina, nandritra ireo taona, ho any amin’ny tany 148. Raha tsy nahitana afa-tsy Vavolombelona 100 000 mahery kely naneran-tany 45 taona lasa izay, ankehitriny, noho ny fanampian’ireny misionera ireny, dia tany folo eto amin’ny gilaoby no anisana minisitra maherin’ny 100 000, izay mitory sy mampianatra ny vaovao tsara. Tao amin’ny ankabeazan’ireo tany ireo, ny misionera avy any Gileada dia loha laharana teo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara.

17. Inona moa ireo antony telo voafaritra tsara izay nandray anjara tamin’ny fahombiazan’ny asa misionera kristiana tamin’ny andron’ny kristiana voalohany sy amin’izao androntsika izao?

17 Ny asa misionera, na ilay notanterahin’ny kristiana voalohany izany, na ilay tontosaina amin’ny androntsika, dia mahita fahombiazana noho ny antony voafaritra tsara. Ny iray amin’izany dia ny fifampikasohana mivantana amin’ny olona, fifampikasohana izay azo tanterahina amin’ny fitoriana isan-trano sy ny fanambarana tampotampoka ary ireo fampianarana Baiboly any an-tokantrano (Jaona 4:7-26; Asan’ny apostoly 20:20). Ny antony hafa iray dia avy amin’ny fahatsoran’ny hafatra iray miorina amin’ny Baiboly ary mampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanafody farany ho an’ireo fahasahiranan’ny olombelona (Asan’ny apostoly 19:8; 28:16, 23, 30, 31). Raha ny marina, dia maro amin’ireo misionerantsika no miasa ao amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana izay ahatsapana mafy ny ilàna ny fanapahana marin’Andriamanitra. Ny antony fahatelo ahitam-pahombiazana dia ny fitiavana nampianarin’i Kristy izay asehon’ireo misionera eo amin’ny fifandraisany isan’andro amin’olona avy amin’ny fiaviana sy ny toe-piainana rehetra. Tsy misy iadian-kevitra fa nandritra ireo 45 taona ireo, ny misionera nirahin’ny Fikambanana Watch Tower dia nandray anjara lehibe tamin’ny fanitarana ny fandaminan’i Jehovah teto an-tany. — Romana 1:14-17; 1 Korintiana 3:5, 6.

Mitombo ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra

18. Iza moa no atosiky ny fitiavana ny asa misionera mitovy amin’ny ananan’ireo nahazo diplaoma tao Gileada?

18 Tsy misy isalasalana fa ny zotom-pon’ireo nahazo diplaoma tao Gileada dia nampitsiry tao amin’ny kristiana hafa, faniriana ho tonga minisitra manontolo andro. Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah ana hetsiny maro koa no atosiky ny fitiavana ny asa misionera miredareda. Mpanoka-dalana amin’ny tena heviny izy ireny, satria manara-dia an’i Jesosy, “ilay Mpanoka-dalana ho amin’ny famonjena azy ireo”. — Hebreo 2:10; 12:2, Moffatt.

19. Inona no nataon’ny Vavolombelona maro izay nanana fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra, ary inona no valisoan’izy ireny?

19 Nanomboka tamin’ireo taona 60, dia nanjary tena sarotra ny nandefa misionera tany amin’ny tany maromaro. Na dia izany aza, Gileada, Sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, dia manohy, araka izay azony atao, mandefa misionera — izany dia arakaraka ny ilaina. Tokony hahafantatra anefa ireo Vavolombelona manana ny tena fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra fa midadasika ny saha maneran-tany. Maro amin’izy ireny no efa nanao fandaharana manokana mba handeha any amin’ny tany izay tena ilàna izany indrindra. Ho afaka hanaraka ny ohatr’izy ireny ve ianao? Ireo izay nanao izany dia mitantara matetika fa ny fitsapana sy ny fahafoizan-tena nekena dia tena voaonitra betsaka amin’ny fifaliana lehibe tsapa rehefa mampahafantatra ny fahamarinan’ilay Fanjakana amin’ireo olona mitovy amin’ny ondry izay monina ao amin’ireo tany tsy manana. Valian-tsoa avo zato heny ireny kristiana ireny, satria izy mahita “rahalahy, sy anabavy, sy reny, sy zanaka” vaovao izay ampitàny ny fanantenana mahatalanjon’ny fiainana mandrakizay “amin’ny andro ho avy”. — Marka 10:28-30.

20. a) Iza, ao amin’ny tany maro, no manatanteraka ny ankabeazan’ny asa fitoriana? b) Ahoana no mahatonga an’i Japon hanokana isan-taona fotoana betsaka kokoa amin’ny fitoriana noho ny saiky ny tany hafa rehetra? d) Afaka manontany tena hoe ahoana moa isika?

20 Fanampin’izany, isam-bolana dia misy mpanompon’i Jehovah ana hetsiny maro manao ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona na mpanampy. Mitory amim-pitandremana fatratra ny vaovao tsara ao amin’ny taniny ny ankamaroan’ireny kristiana ireny. Ao amin’ny toerana maro, dia izy ireny no manatontosa ny ankabeazan’ny asa fitoriana; matetika izy ireny no mitsidika trano mitovy hatrany mandritra ireo herinandro. Ny fifaliana sy ny toe-tsaina tsara, vavolombelon’ny fanantenana apetrany amin’ilay Fanjakana, dia azo vakina eo amin’ny endriny ary hita eo amin’ny fombafombany; koa afaka mampifamatotra fisakaizana izy ary mamboly ny fahalianana ateraky ny vaovao tsara eo amin’ny olona maro. Ny fitomboan’ny isan’ny mpitory maharitra dia manana ho vokany ny fitomboan’ny isan’ny ora lany hiderana an’Andriamanitra. Hatramin’ny folo taona mahery izao i Japon, izay bodista taloha ny ankamaroan’ireo Vavolombelon’i Jehovah ao aminy, dia manokana isan-taona, fotoana betsaka kokoa amin’ny fitoriana noho ny tany hafa rehetra, afa-tsy Etazonia. Ny antony dia satria efa ho antsasaky ny mpitory japone no mpitory maharitra. Ianao koa, ho afaka handamina ny fiainanao ve ianao mba handraisana anjara amin’io asa mahatalanjona io, dia ny asa manontolo andro?

21. a) Amin’ny ahoana moa ny Vavolombelona hafa izay misakana azy tsy ho mpitory maharitra mandavantaona ny toerany, no afaka mampiseho fa atosiky ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra izy? b) Ahoana no ahafahan’ireo tanora mampiharihary ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra?

21 Misy Vavolombelona hafa koa “mazoto indrindra amin’ny asa tsara”. (Titosy 2:14.) Ohatra, ireo kristiana be taona, ireo izay tsy manana fahasalamana tena tsara, ny maro amin’ireo manana andraikitra ara-pianakaviana sy ireo tanora mbola mankany an-tsekoly, izay angamba tsy afaka manatanteraka ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona. Ireny kristiana rehetra ireny dia manana fahafahana koa hampiseho fa atosiky ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra izy amin’ny fampirisihana ny mpitory maharitra, amin’ny fitoriana araka izay azo atao miaraka aminy ary amin’ny fanararaotana ny fahafahana rehetra mba hanaovana fanambarana. Afaka mametra ho zava-kendrena ny fanompoana ilay Fanjakana manontolo andro ireo tanora ary, rehefa vita batisa, dia manatanteraka indraindray ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Sahala amin’i Timoty tanora, dia afaka misaintsaina ireo zavatra ireo izy, mba hanarahan’ny fandrosoany ara-panahy ny an’ny fitambaran’ireo mpanompon’Andriamanitra. — 1 Timoty 4:15, 16.

22. Tsy miankina amin’ny toerana misy antsika, inona moa no tokony ho fahatapahan-kevitsika, ary vokatra inona no tokony hoentin’izany?

22 Enga anie isika rehetra, na inona na inona toerana misy antsika, hatosiky ny fanahin’i Jehovah handray anjara amin’ny fomba feno amin’ny asany! Enga anie “ny tanan’ny Tompo [Jehovah, MN ] hanohy homba ny tsirairay avy amintsika mba hahazoana, rehefa dinihina ny fiezahantsika amim-panetren-tena, milaza indray andro any hoe: “Fatratra toy izany no fandroson’ny Tenin’Andriamanitra [Jehovah, MN ] sy ny heriny.” — Asan’ny apostoly 11:21; 19:20.

Famerenana

◻ Ahoana no nanombohan’ny asa misionera kristiana, ary hatraiza no tokony hiitarany?

◻ Inona no anjara asa noraisin’i Paoly teo amin’ny fanitarana ny asa misionera?

◻ Ahoana moa, amin’ny andro ankehitriny, no namelomana indray ny asa misionera?

◻ Inona moa no mahatonga ny fahombiazan’ny asa tontosain’ireo misionera sy mpitory maharitra?

◻ Inona no tokony hatao ankehitriny mba hahavoatosiky ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra?

[Tabilao, pejy 13]

Ny asan’ilay Fanjakana ao amin’ny tany folo tamin’ny 1988

(Ireo tany rehetra ireo dia nahitana mpitory maherin’ny 100 000)

Tany Tampon’ Isan’ny mpitory Ora Mpanatrika

isan’ny maharitra amin’ nitoriana fahatsia-

mpitory ny antsalany rovana

Etazonia 797 104 96 947 161 478 732 1 822 607

Meksika 248 822 32 117 58 061 457 1 004 062

Brezila 245 610 22 725 44 218 022 718 414

Italia 160 584 25 477 43 354 687 330 461

Nigéria 134 543 14 022 27 800 623 398 555

Japon 128 817 52 183 60 626 840 297 171

Alemaina 125 068 8 416 22 020 942 215 385

Grande-

Bretagne 113 412 11 927 22 103 713 211 060

Philippines 107 679 21 320 26 337 621 305 087

Frantsa 103 734 9 189 21 598 308 205 256

[Sary, pejy 10]

Manamarika ny fiandohan’ny asa misionera ny fiaingan’i Paoly sy Barnabasy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara