Mandosira ho Amin’ny Toeram-pialofana Alohan’ny “Fahoriana Lehibe”
“Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, (...) izay any Jodia (...) aoka handositra ho any an-tendrombohitra”. — LIOKA 21:20, 21.
1. Nahoana no mahadodona ny fandosirana ho an’ireo izay mbola anisan’izao tontolo izao?
MAHADODONA ny fandosirana ho an’izay rehetra anisan’ny tontolon’i Satana. Raha tian’izy ireo ny ho voatsimbina rehefa hofoanana amin’ny tany ny fandehan-javatra ankehitriny, dia tsy maintsy manome porofo mampiaiky izy ireo fa miandany mafy amin’i Jehovah sy tsy anisan’izao tontolo izao manana an’i Satana ho mpanapaka, intsony. — Jakoba 4:4; 1 Jaona 2:17.
2, 3. Fanontaniana inona avy, mifandray amin’ny tenin’i Jesosy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 24:15-22, no hodinihintsika?
2 Tao amin’ilay faminaniany lehibe momba ny fifaranan’ny fandehan-javatra i Jesosy dia nanantitrantitra fa zavatra ilaina iankinan’ny aina ny fandosirana toy izany. Matetika izahay no miresaka momba izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 24:4-14; kanefa, dia tsy latsa-danja noho izany izay manaraka azy io. Mampirisika anao izahay mba hanokatra ny Baibolinao izao, ary hamaky ireo andininy faha-15 ka hatramin’ny faha-22.
3 Inona no dikan’io faminaniana io? Tamin’ny taonjato voalohany, inona moa ilay “fahavetavetan’ny fandravana”? Nilaza inona ny naha-tao “amin’izay fitoerana masina” azy io? Inona no hevitr’izany fisehoan-javatra izany ho antsika?
“Aoka hisaina izay mamaky izany”
4. a) Inona no nolazain’ny Daniela 9:27 fa hanaraka ny fandavan’ny Jiosy ny Mesia? b) Rehefa nanisy fitenenana ny amin’izany i Jesosy, miharihary fa inona no antony nilazany hoe: “Aoka hisaina izay mamaky izany”?
4 Mariho fa ao amin’ny Matio 24:15 i Jesosy dia manisy fitenenana ny amin’izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Daniela. Eo amin’ny toko faha-9 amin’io boky io dia misy faminaniana iray manambara mialoha ny fiavian’ny Mesia sy ny didim-pitsarana hampiharina amin’ny firenena jiosy noho ny nandavany azy io. Hoy ny tapany farany amin’ny andininy faha-27: “Ary amin’ny elatry ny fahavetavetana no hihavian’ny mpandrava”. (Izahay no manao sora-mandry.) Ny lovantsofina jiosy tany am-boalohany dia nampihatra io tapany amin’ny faminanian’i Daniela io tamin’ny fanazimbana ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema nataon’i Antiochus IV tamin’ny taonjato faharoa al.f.i. Nampitandrina toy izao anefa i Jesosy: “Aoka hisaina izay mamaky izany”. Ny fanazimbana ny tempoly nataon’i Antiochus IV, na dia azo antoka aza fa fahavetavetana, dia tsy niteraka fandravana — an’i Jerosalema, na ny tempoly, na ny firenena jiosy. Koa niharihary fa nampitandrina ireo mpihaino azy i Jesosy fa ny fahatanterahan’izany dia tsy tamin’ny lasa fa mbola amin’ny hoavy kosa.
5. a) Amin’ny ahoana ny fampitahana ny fitantaran’ireo Filazantsara no manampy antsika hamantatra ilay “fahavetavetana” tamin’ny taonjato voalohany? b) Nahoana i Cestius Gallus no nandefa haingana ny andian-tafiny nankany Jerosalema tamin’ny 66 am.f.i.?
5 Inona ilay “fahavetavetana” izay tsy maintsy nataon’izy ireo andry maso? Tsara homarihina fa hoy ny fitantaran’i Matio: “Raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ‘ny fahavetavetan’ny fandravana’ ”. (Izahay no manao sora-mandry.) Vakina toy izao anefa ilay fitantarana mifanitsy amin’izany ao amin’ny Lioka 21:20: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.” (Izahay no manao sora-mandry.) Tamin’ny taona 66 am.f.i., dia nahita izay efa nambaran’i Jesosy mialoha ireo Kristiana niaina tany Jerosalema. Nisy fitrangan-javatra nitohitohy nahatafiditra fifandrafiana teo amin’ny Jiosy sy ireo mpanao fanjakana romana nahatonga an’i Jerosalema ho toerana nipoiran’ny fikomiana tamin’i Roma. Ho vokatr’izany dia nipoaka ny herisetra nanerana an’i Jodia sy Samaria sy Galilia sy ny Dekapolisy ary Foinika, nianavaratra tany Syria sy nianatsimo tany Egypta. Mba hamerenana indray ny fandriampahalemana tamin’ny fetrany sasany tany amin’io tapany amin’ny Empira Romana io, dia nandefa tafika haingana i Cestius Gallus avy tany Syria nankany Jerosalema izay nolazain’ny Jiosy ho ny ‘tanànany masina’. — Nehemia 11:1; Isaia 52:1.
6. Ahoana no naha-marina ny hoe nanjary ‘nitsangana teo amin’izay fitoerana masina’ ny “fahavetavetana” iray izay afaka nahatonga fandravana?
6 Nahazatra ny legiona romana ny nitondra faneva, na famantarana izay noheverin’izy ireo ho masina, kanefa noheverin’ny Jiosy ho mifandray amin’ny fanompoan-tsampy. Mahaliana fa ny teny hebreo nadika hoe “fahavetavetana” ao amin’ny bokin’i Daniela dia ampiasaina indrindra amin’ireo sampy sy fanompoan-tsampy.a (Deoteronomia 29:17). Na dia teo aza ny fanoheran’ireo Jiosy, dia tafiditra tao Jerosalema nitondra ireo famantarany nifandray tamin’ny fanompoan-tsampy ny tafika romana tamin’ny Novambra 66 am.f.i., ary avy eo dia nanomboka nandoaka ny fanambanin’ny mandan’ny tempoly tany avaratra. Tsy nisy fisalasalana ny amin’izany — ‘nitsangana tao amin’izay fitoerana masina’ ny “fahavetavetana” iray izay afaka nahatonga fandravana tanteraka ho an’i Jerosalema! Ahoana anefa no hahafahan’iza na iza handositra?
Nahadodona ny fandosirana!
7. Inona no nataon’ny tafika romana tamin’ny fomba tsy nampoizina?
7 Tampoka teo, ary noho ny antony tsy mazava amin’ny fijerin’olombelona, tamin’ny fotoana izay toa azo nakana mora foana an’i Jerosalema, dia nisinda ny tafika romana. Nanenjika ny andian-tafika romana izay nitsoaka ady ireo mpikomy jiosy, kanefa hatrany Antipatria ihany, sahabo ho 50 kilaometatra eo ho eo avy eo Jerosalema. Niverina ry zareo avy eo. Rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo dia nivory tao amin’ny tempoly mba hanao planina ny amin’ny tetik’adin’izy ireo fanampiny. Voantso ireo tanora mba hanamafy ireo fiarovana sy hanao raharaha miaramila. Ho voaray ao anatin’izany ve ireo Kristiana? Na dia nanalavitra izany aza izy ireo, moa ve mbola tao anatin’ilay faritra nampidi-doza ihany izy ireo rehefa niverina ny tafika romana?
8. Fanaovan-javatra nahadodona inona no nataon’ireo Kristiana ho fankatoavana ireo tenin’i Jesosy ara-paminaniana?
8 Mailaka nanao zavatra nifanaraka tamin’ilay fampitandremana ara-paminaniana nomen’i Jesosy Kristy, ireo Kristiana tany Jerosalema sy tany Jodia, ka nandositra niala an’ilay faritra nampidi-doza. Nahadodona ny fandosirana! Tsy ela izy ireo dia nanavatsava tany amin’ireo faritra be tendrombohitra, ka angamba ny sasany niorim-ponenana tany Pela, tany amin’ny provansin’i Pere. Ireo izay nanaraka ny fampitandreman’i Jesosy dia tsy niverina tamin-kadalana mba hanandrana hamonjy ny fananany ara-nofo. (Ampitahao amin’ny Lioka 14:33.) Ny fiaingana tao anatin’ireo toe-javatra ireo dia azo antoka fa nahatonga ireo vehivavy bevohoka sy reny nampinono hahita izany ho dia sarotra natao an-tongotra. Ny fandosiran’izy ireo dia tsy voasakan’ireo fameperana ny amin’ny andro sabata, ary na dia efa akaiky aza ny ririnina, dia mbola tsy tonga izy io. Tsy ela dia tonga soa aman-tsara tany ivelan’i Jerosalema sy Jodia ireo izay nanaraka ny fampitandreman’i Jesosy mba handositra haingana. Niankina tamin’izany ny ain’izy ireo. — Ampitahao amin’ny Jakoba 3:17.
9. Vetivety toy inona no niverenan’ny tafika romana, ary inona no vokatr’izany?
9 Ny taona nanaraka an’iny mihitsy, tamin’ny 67 am.f.i., dia nanomboka indray ireo fanafihana an’ady ny Jiosy ny Romana. Resy aloha i Galilia. Ny taona nanaraka dia rava i Jodia. Tamin’ilay 70 am.f.i., dia nanodidina an’i Jerosalema mihitsy ny tafika romana. (Lioka 19:43). Nanjary faran’izay mafy ny mosary. Ireo izay voafandrika tao an-tanàna dia nifamely. Izay rehetra nanandrana nandositra dia naripaka. Izay niainan’izy ireo dia “fahoriana lehibe” araka ny voalazan’i Jesosy. — Matio 24:21.
10. Raha misaina isika rehefa mamaky, dia zavatra hafa inona no ho voamaritsika?
10 Moa ve izany nahatanteraka tamin’ny fomba feno izay nambaran’i Jesosy? Tsia, zavatra bebe kokoa no mbola ho avy. Raha toa, araka ny nanoroan’i Jesosy hevitra, ka misaina isika rehefa mamaky ny Soratra Masina, dia tsy afaka ny tsy hahamarika izay mbola ho avy. Hieritreritra amim-pitandremana ny amin’izay ifandraisan’izany amin’ny fiainantsika manokana koa isika.
“Fahavetavetana” amin’ny andro maoderina
11. Any amin’ny andalan-teny hafa roa inona avy i Daniela no manisy fitenenana ny amin’ny “fahavetavetana”, ary fe-potoana inona no resahina ao?
11 Mariho fa ho fanampin’izay efa hitantsika tao amin’ny Daniela 9:27, dia misy fanisiana fitenenana fanampiny ny amin’ny “fahavetavetana mahatonga fandravana” ao amin’ny Daniela 11:31 sy ny 12:11. Ao amin’ireo ohatra farany ireo dia samy tsy misy firesahana ny amin’ny fandravana an’i Jerosalema. Raha ny marina, izay voalaza ao amin’ny Daniela 12:11 dia miseho ao amin’ny andininy roa monja aorian’ny fanisiana fitenenana ny amin’ny “andro farany”. (Daniela 12:9). Efa miaina ao anatin’izany fe-potoana izany isika hatramin’ny 1914. Koa mila ny ho mailo isika mba hamantatra ilay “fahavetavetana mahatonga fandravana” amin’ny andro maoderina ka amin’izay dia hahazo antoka fa hiala amin’ny faritra mampidi-doza.
12, 13. Nahoana no mety indrindra ny hilazalazana ny Fikambanam-pirenena ho ilay “fahavetavetana” amin’ny andro maoderina?
12 Inona moa io “fahavetavetana” amin’ny andro maoderina io? Ny porofo dia manondro ny Fikambanam-pirenena izay nanomboka niasa tamin’ny 1920, fotoana fohy taorian’ny nidiran’izao tontolo izao tao amin’ny androny farany. Ahoana anefa no mety haha-“fahavetavetana mahatonga fandravana” azy io?
13 Tadidio fa ilay teny hebreo nadika hoe “fahavetavetana” dia ampiasaina ao amin’ny Baiboly mba hanisiana fitenenana indrindra ny amin’ireo sampy sy ireo fanao mifandray amin’ny fanompoan-tsampy. Nentina toy ny sampy angaha ny Fikambanam-pirenena? Izany tokoa! Ny klerjy dia nametraka azy io teo amin’ny “fitoerana masina”, ka nanomboka nanolotra fifikirana feno firehetam-po tamin’izy io ny mpanara-dia azy ireo. Ny Kaonsily Federalin’ny Fiangonan’i Kristy any Amerika dia nanambara fa ny Fikambanam-pirenena dia ho “fisehoana ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany”. Ny Antenimieram-pirenen’i Etazonia dia naharay taratasy sesehena avy tamin’ireo antokon’olona mpivavaka izay nampirisika mafy azy io mba handany ny Dinan’ny Fikambanam-pirenena. Ny fikambanamben’ny Batista sy ny Kongregasionalista ary ny Presbyteriana tany Angletera dia nidera azy io ho “ny hany fitaovana misy mba hahazoana [fandriampahalemana eto an-tany]”. — Jereo ny Apokalypsy 13:14, 15.
14, 15. Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ny Fikambanam-pirenena, ary tatỳ aoriana ny Firenena Mikambana, ho eo “amin’izay fitoerana masina”?
14 Efa niorina tany an-danitra tamin’ny 1914 ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra, kanefa ireo firenena dia nanomboka niady ho an’ny fiandrianan’ny tenany manokana. (Salamo 2:1-6). Rehefa naroso holanina ny Fikambanam-pirenena, dia efa nampiseho fa namela tanteraka ny lalàn’Andriamanitra ireo firenena izay vao avy nanao ny ady lehibe voalohany, ary koa ny klerjy izay nitso-drano ireo andian-tafiny. Tsy nitodika tany amin’i Kristy, ho Mpanjaka, izy ireo. Araka izany, dia nanankina tamin’ny fandaminan’olombelona iray ny anjara asan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo; nametraka ny Fikambanam-pirenena teo amin’ny “fitoerana masina”, dia toerana izay tsy tokony hisy azy.
15 Tamin’ny naha-mpandimby ny Fikambanam-pirenena azy, dia niseho ny Firenena Mikambana tamin’ny 24 Oktobra 1945. Tatỳ aoriana, ireo papan’i Roma dia niarahaba ny Firenena Mikambana ho “ny fara fanantenana ho an’ny firindrana sy ny fandriampahalemana” sy ho “ny sehatra fara tampon’ny fandriampahalemana sy ny rariny”. Eny, tena tonga sampy iray, “fahavetavetana” iray eo imason’Andriamanitra sy ny vahoakany tokoa ny Fikambanam-pirenena, miaraka amin’ilay mpandimby azy, dia ny Firenena Mikambana.
Handositra avy amin’inona?
16. Mila mandositra miala amin’inona amin’izao andro izao, ireo tia ny fahamarinana?
16 Mila mandositra ho amin’ny toeram-pialofana ireo tia ny fahamarinana rehefa ‘mahita’ izany, rehefa mahatakatra hoe inona io fandaminana iraisam-pirenena io sy ny fomba itondrana azy io ho toy ny sampy. Handositra hiala amin’inona? Hiala avy ao amin’izay manana an’i Jerosalema nivadika ho tandindona maoderina, izany hoe ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, sy hiala avy ao amin’i Babylona Lehibe manontolo, dia ny fandehan-javatra ara-pivavahan-diso maneran-tany. — Apokalypsy 18:4.
17, 18. Hahatonga fandravana inona ilay “fahavetavetana” amin’ny andro maoderina?
17 Tadidio koa fa tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nanavatsava nankao amin’ny tanàna masin’ny Jiosy ny tafika romana niaraka tamin’ireo fanevany nifandray tamin’ny fanompoan-tsampy, dia tonga tao izy io mba hahatonga fandravana ho an’i Jerosalema sy ny fandehan-javany ara-pivavahana. Amin’izao androntsika izao, dia ho tonga ilay fandravana, tsy eo amin’ny tanàna iray monja, na eo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ihany, fa eo amin’ny fandehan-javatra ara-pivavahan-diso maneran-tany iray manontolo. — Apokalypsy 18:5-8.
18 Ao amin’ny Apokalypsy 17:16, dia ambara mialoha fa hisy biby dia mivolon-jaky ara-panoharana iray, izay voaporofo fa ny Firenena Mikambana, hiodina amin’i Babylona Lehibe, toy ny vehivavy janga, ka handringana azy amin’ny fomba mahery vaika. Hoy izy io, raha nampiasa fitenenana mahamora ny fakana sary an-tsaina: “Ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” Mahatahotra ny mandinika izay ho dikan’izany. Izany dia hahatonga ny fifaranan’ny karazana fivavahan-diso rehetra any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany. Hampiseho marina tokoa izany fa efa nanomboka ny fahoriana lehibe.
19. Antokon’olona iza avy no anisan’ny Firenena Mikambana hatramin’ny niforonany, ary nahoana izany no misy heviny?
19 Tsara homarihina fa, hatramin’ny nanombohan’ny Firenena Mikambana niasa tamin’ny 1945, dia anisan’ny mpikambana nisongadina ireo antokon’olona tsy mino an’Andriamanitra sy tsy tia fivavahana. Tamin’ny fotoana samihafa nanerana ny tany manontolo, ireny antokon’olona tia fanovana tanteraka ireny dia efa niasa ho toy ny fitaovana fameperana mafy na fandrarana tanteraka ireo fanao ara-pivavahana. Taona vitsivitsy lasa izay anefa, dia nisy fitsaharany ny fanerena nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ireo antokon’olona mpivavaka tany amin’ny toerana maro. Amin’ny olona sasany, dia mety ho toa tsy hisy intsony izay mety ho loza ho an’ny fivavahana.
20. Karazana laza manao ahoana no nataon’ireo fivavahan’izao tontolo izao ho an’ny tenany?
20 Mitohy ho hery mpanakorontana feno herisetra eo amin’izao tontolo izao anefa ireo fivavahana ao amin’i Babylona Lehibe. Matetika ireo lohateny an-gazety no mampahafantatra ireo antoko rafitra ady sy ireo antokona mpampihorohoro, amin’ny filazana ny anaran’ilay fivavahana arahin’izy ireo. Ireo polisy sy miaramila natao hanaparitaka mpirotaka dia voatery miditra an-keriny ao anatin’ireo trano fiangonana mba hampitsaharana herisetra ifanaovan’ireo antoko ara-pivavahana mpifandrafy. Nisy fikambanana ara-pivavahana nanohana ara-bola revaolisiona ara-politika. Ny fankahalana ara-pivavahana dia nampandamòka ny ezaka nataon’ny Firenena Mikambana mba hitanana tsy hihilangilana ny fifandraisana eo amin’ireo antoko ara-pirazanana. Ho fikatsahana fandriampahalemana sy filaminana izay tanjona, dia irin’ireo antokon’olona ao amin’ny Firenena Mikambana ho hita ny fanafoanana izay mety ho fitaomana ara-pivavahana manakantsakana ny lalany.
21. a) Iza no hamaritra hoe rahoviana i Babylona Lehibe no tokony horavana? b) Mahadodona ny fanaovana inona alohan’izay?
21 Misy koa anton-javatra lehibe hafa iray tokony hodinihina. Na dia hampiasaina mba handravana an’i Babylona Lehibe aza ireo tandroka ara-tafika avy ao anatin’ny Firenena Mikambana, izany fandravana izany dia tena ho fisehoan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra tokoa. Ho tonga amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra ny fampiharana ilay didim-pitsarana. (Apokalypsy 17:17). Inona no tokony hataontsika eo anelanelan’izay? “Mialà aminy” — mialà amin’i Babylona Lehibe — hoy ny valin-tenin’ny Baiboly. — Apokalypsy 18:4.
22, 23. Mahatafiditra inona ny fandosirana toy izany?
22 Io fandosirana ho amin’ny toeram-pialofana io akory tsy fifindrana any amin’ny faritra iray, toy ny nataon’ireo Kristiana jiosy rehefa nandao an’i Jerosalema izy ireo. Izany dia fandosirana hiala avy ao amin’ireo fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana, eny, hiala avy ao amin’izay mety ho tapany amin’i Babylona Lehibe. Izany dia midika ho fisarahan’ny tena tanteraka, tsy amin’ireo fandaminana ara-pivavahan-diso fotsiny, fa amin’ireo fombany sy ny toe-tsaina aterany koa. Izany dia fandosirana ho amin’ilay toeram-pialofana ao anatin’ny fandaminana teokratikan’i Jehovah. — Efesiana 5:7-11.
23 Nanao ahoana ny fihetsik’ireo Vavolombelona raha vao nampahafantarin’ireo mpanompon’i Jehovah voahosotra ilay fahavetavetana amin’ny andro maoderina, dia ny Fikambanam-pirenena, taorian’ny Ady Lehibe Voalohany? Efa notapahin’izy ireo ny naha-mpikambana azy tamin’ireo fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Kanefa dia takatr’izy ireo tsikelikely fa mbola nifikitra tamin’ny fomba amam-panao sasany teo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izy ireo, toy ny fampiasana lakroa sy ny fankalazana ny Krismasy sy ireo fetin’ny mpanompo sampy hafa. Rehefa nianatra ny fahamarinana momba ireny zavatra ireny izy ireo, dia nanao zavatra haingana. Narahin’izy ireo ilay torohevitra ao amin’ny Isaia 52:11 manao hoe: “Mialà, mialà, hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah.”
24. Iza no nanatevin-daharana ireo nandositra, hatramin’ny 1935 indrindra indrindra?
24 Hatramin’ny 1935 indrindra indrindra, dia nanomboka nanao zavatra mitovy amin’izany ny vahoaka hafa iray nitombo isa, dia olona izay nanaiky tamim-pifaliana ilay fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. ‘Nahita ilay fahavetavetana mitsangana ao amin’izay fitoerana masina’ koa izy ireo, ary manaiky ny dikan’izy io. Rehefa avy nanao ny fanapahan-keviny handositra izy ireo, dia namafa ny anarany tao amin’ny lisitry ny mpikambana ao amin’ireo fandaminana izay anisan’i Babylona Lehibe. — 2 Korintiana 6:14-17.
25. Inona no takina ho fanampin’ny fanapahana izay mety ho fatorana ananan’ny olona iray amin’ny fivavahan-diso?
25 Ny fandosirana hiala avy ao amin’i Babylona Lehibe anefa dia mahafaoka zavatra bebe kokoa noho ny fandaozana ny fivavahan-diso. Bebe kokoa no tafiditra noho ny fanatrehana fivoriana vitsivitsy any amin’ny Efitrano Fanjakana iray na ny fandehanana mitory ny vaovao tsara eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha indray mandeha na indroa isam-bolana. Mety ho any ivelan’i Babylona Lehibe ara-batana ny olona iray, kanefa moa ve izy tena namela azy io any ivohony tokoa? Moa ve izy nampisaraka ny tenany tamin’izao tontolo izao izay manana an’i Babylona Lehibe ho tapany misongadina aminy? Moa ve izy mbola mifikitra ihany amin’ireo zavatra izay mampiseho taratry ny toe-tsainy — toe-tsaina izay manivaiva ny fari-pitsipika marin’Andriamanitra? Moa ve izy manamaivana ny fari-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny fahatokiana amin’ny vady? Moa ve izy manantitrantitra kokoa ireo tombontsoan’ny tenany manokana sy ara-nofo noho ireo tombontsoa ara-panahy? Tsy tokony hamela ny tenany hovolavolain’itỳ fandehan-javatra itỳ izy. — Matio 6:24; 1 Petera 4:3, 4.
Aza avela hisy hanakantsakana ny fandosiranao!
26. Inona no hanampy antsika, tsy hoe hanomboka fotsiny ilay fandosirana, fa hamita azy io amim-pahombiazana koa?
26 Eo amin’ny fandosirantsika ho amin’ny toeram-pialofana, dia tena ilaina ny tsy hijerentsika amim-panembonana ireo zavatra any aoriana. (Lioka 9:62). Mila mitana ny saintsika sy ny fontsika hiraikitra mafy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, isika. Tapa-kevitra hampiseho ny finoantsika ve isika amin’ny fikatsahana ireo aloha, ka matoky fa hitahy ny lalam-pitondran-tena mahatoky toy izany i Jehovah? (Matio 6:31-33). Ireo hevitra ekentsika mafy izay miorina amin’ny Soratra Masina dia tokony hanosika antsika ho amin’izany, eo am-piandrasantsika amim-pahadodonana ny hitrangan’ny fisehoan-javatra lehibe eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao.
27. Nahoana no zava-dehibe ny hieritreretana amim-pitandremana ireo fanontaniana atao eto?
27 Ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra dia hanomboka amin’ny fandravana an’i Babylona Lehibe. Io empiran’ny fivavahan-diso toy ny vehivavy janga io dia hofoanana tsy hisy mandrakizay. Akaiky dia akaiky izany fotoana izany! Hanao ahoana ny toerantsika amin’ny maha-isam-batan’olona rehefa ho tonga io fotoan-dehibe io? Ary amin’ny fara tampon’ny fahoriana lehibe, rehefa ho rava ny sisa amin’ny fandehan-javatra ratsin’i Satana, eo amin’ny andaniny misy an’iza no hahitana antsika? Raha manao ilay zavatra ilaina hatao dieny izao isika, dia azo antoka ny fiarovana antsika. Milaza amintsika toy izao i Jehovah: “Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy”. (Ohabolana 1:33). Amin’ny fanohizana manompo amim-pahatokiana sy amim-pifaliana an’i Jehovah mandritra ny fifaranan’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia mety hahafeno fepetra hanompo an’i Jehovah mandrakizay isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Insight on the Scriptures, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., Boky 1, pejy faha-634-635.
Tadidinao Ve?
◻ Inona ilay “fahavetavetana” amin’ny andro maoderina?
◻ Amin’ny heviny ahoana ilay “fahavetavetana” no “mitsangana ao amin’izay fitoerana masina”?
◻ Inona no tafiditra amin’ny hoe mandositra ho amin’ny toeram-pialofana, ankehitriny?
◻ Nahoana no mahadodona ny fanaovan-javatra toy izany?
[Sary, pejy 16]
Mba hahatafitana velona, dia tsy maintsy nandositra tsy nisy hataka andro ireo mpanara-dia an’i Jesosy