FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/2 p. 29
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahoriana Lehibe
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ho Voavonjy ve Ianao Rehefa Hanao Zavatra Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • “Lazao Aminay hoe Rahoviana no Hitranga Izany”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Fahoriana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/2 p. 29

Fanontanian’ny Mpamaky

Milaza toy izao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1996: “Amin’ny tapany farany amin’ilay fahoriana, dia hovonjena ny ‘nofo’ izay nandositra teo amin’ny andaniny misy an’i Jehovah.” Toa manondro ve izany fa aorian’ny tapany voalohany amin’ny fahoriana lehibe, dia hisy olona vaovao maro hiandany amin’i Jehovah?

Tsy izany ilay hevitra tiana hambara.

Ireo tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Matio 24:22, dia ho tanteraka indrindra amin’ny hoavy, amin’ny alalan’ny famonjena azo mandritra ny tapany voalohany amin’ilay fahoriana lehibe ho avy, izany hoe, ny fanafihana ny fivavahana. Hoy ilay lahatsoratra: “Tsarovy fa hisy ‘nofo’, ny sisa voahosotra sy ny “olona betsaka”, efa hovonjena sahady rehefa ho rendrika faingana sy tanteraka ao amin’ny tapany voalohany amin’ilay fahoriana, i Babylona Lehibe.”

Tsy hotandindomin-doza ireo olo-mahatoky ireo rehefa hanao zavatra i Jesosy sy ireo tafiny any an-danitra, amin’ny tapany farany amin’ilay fahoriana. Iza anefa, araka izany, no ho tafavoaka velona amin’io tapany amin’ilay fahoriana io? Asehon’ny Apokalypsy 7:9, 14 fa ho tafita velona ny olona betsaka manana fanantenana ny ho eto an-tany. Ahoana ny amin’ireo Kristiana voahosotry ny fanahy? Ny “Fanontanian’ny Mpamaky” tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1990, dia nivaofy ny antony tsy ahafahantsika mitompo teny fantatra, raha ny amin’ny fotoana hakana ny sisa voahosotra ho any an-danitra. Koa namela io raharaha io ho tsy voafaritra àry ilay lahatsoratra vao haingana (15 Aogositra 1996), ka manao izao fanazavana ankapobe izao: “Toy izany koa fa, amin’ny tapany farany amin’ilay fahoriana, dia hovonjena ny ‘nofo’ izay nandositra teo amin’ny andaniny misy an’i Jehovah.”

Raha ny amin’ny hoe hisy olona vaovao ve mety ho afaka hianatra ny fahamarinana sy hiandany amin’Andriamanitra, aorian’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe, dia mariho ny tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 24:29-31. Aorian’ny fipoahan’ny fahoriana lehibe, dia hiseho ny famantarana ny Zanak’olona. Nilaza i Jesosy fa hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Tsy nilaza na inona na inona izy, raha ny amin’ny hoe olona taitra noho ilay fisehoan-javatra, ka nibebaka sy niandany tamin’Andriamanitra ary nanjary tena mpianatra marina.

Mitovy amin’izany ihany fa tao amin’ilay fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy, ny Zanak’olona dia miseho sy manavaka ara-pitsarana ny olona, mifototra amin’izay nataon’izy ireo na tsy nataony tamin’ny lasa. Tsy nilaza na inona na inona izy, raha ny amin’ny hoe olona nampiseho toetra toy ny osy hatramin’ny ela, nefa niova tampoka ka tonga toy ny ondry. Tonga mba hitsara, mifototra amin’izay efa naha-izy ny olona, izy. — Matio 25:31-46.

Eto indray koa anefa, dia tsy misy antony tokony hitompoan-teny fantatra amin’io lafiny io. Ny vahoakan’Andriamanitra, ny voahosotra sy ny olona betsaka, dia mahalala izay tsy maintsy ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao — hitory sy hanao mpianatra. (Matio 28:19, 20; Marka 13:10). Izao indrindra no fotoana andraisantsika am-po izao fampirisihana izao: “Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan’Andriamanitra. Fa hoy Izy: ‘Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao’; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena”. — 2 Korintiana 6:1, 2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara