Ilay Voninahitra Lehibe Kokoa Ananan’ny Tranon’i Jehovah
“Hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” — HAGAY 2:7.
1. Ahoana no ifandraisan’ny fanahy masina amin’ny finoana sy ny asa?
NANDRITRA ny fitoriany isan-trano, dia nihaona tamin’ny ramatoa pentekotista izay nanazava toy izao, ny Vavolombelon’i Jehovah iray: ‘Izahay no manana ny fanahy masina, fa ianareo no manao ny asa.’ Tamim-pahaiza-mandanjalanja dia nohazavaina taminy fa izay olona manana ny fanahy masina, raha ny ara-dalàna, dia ho voatosika hanao ny asan’Andriamanitra. Milaza toy izao ny Jakoba 2:17: “Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.” Noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah, dia namboly finoana matanjaka ny Vavolombelony, ary ‘nofenoiny voninahitra ny tranony’ tamin’ny fanomanana azy ireo hanao asa marina — ny lehibe indrindra dia ny ‘fitoriana amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay Fanjakana itỳ, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’. Rehefa ho vita araka izay mahafa-po an’i Jehovah io asa io, “avy eo dia ho tonga ny farany”. — Matio 24:14, NW.
2. a) Inona no fitahiana horaisintsika raha variana amin’ny fanaovana ny asan’i Jehovah isika? b) Nahoana isika no tokony ho faly noho izay toa fisehoana ho “mitaredretra”?
2 Avy amin’ireo tenin’i Jesosy ireo, dia manatsoaka hevitra isika fa ny asantsika amin’izao andro izao dia tsy maintsy mifantoka amin’ny fitoriana amin’ny hafa “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra sambatra”, nankinina tamintsika. (1 Timoty 1:11, NW ). Arakaraka ny maha-variana antsika amin’ny fanaovana amim-pifaliana ny fanompoana an’i Jehovah no toa maha-haingana kokoa ny fahatongavan’ny farany. Toy izao ny tenin’i Jehovah vakintsika ao amin’ny Habakoka 2:2, 3: “Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ny fàfana, mba ho azon’ny mihazakazaka hovakina aza. Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka [tsy ho diso aoriana, NW ].” Eny, ho avy ‘ny fahitana, na dia mitaredretra aza’. Izao isika ao anatin’ny taona faha-83 amin’ny fanapahan’ny Fanjakan’i Jesosy izao, dia mety hihevitra ny sasany fa fotoana mitaredretra no misy antsika ankehitriny. Tsy tokony ho faly ve anefa isika satria mbola tsy tonga ny farany? Nandritra itỳ folo taona amin’ireo 1990 itỳ, dia nesorina toa tamin’ny alalan’ny fahagagana ireo fameperana tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara tany Eoropa Atsinanana, sy ireo faritra atsy Afrika, ary ireo tany hafa. Ilay fisehoana ho toa “mitaredretra” dia manome fotoana hanangonana “ondry” maro kokoa any amin’ireny faritany izay nisokatra vao haingana ireny. — Jaona 10:16.
3. Nahoana ny fahazoana araka ny toetr’andro ny hevitra momba ‘itỳ taranaka itỳ’, no tokony handrisika antsika hanao amim-pahadodonana ny asan’Andriamanitra?
3 “Tsy ho diso aoriana izy”, hoy ilay mpaminany. Nilaza i Jesosy fa tsy hanjavona itỳ taranaka ratsy fanahy ankehitriny itỳ “mandra-pahatongan’izany rehetra izany”. (Matio 24:34). Moa ve ny fahazoantsika araka ny toetr’andro ny hevitra momba ireo teniny ireo, midika fa tsy dia mahadodona firy ny asa fitoriantsika?a Ny zava-misy dia mampiseho fa ny mifanohitra amin’izany indrindra no izy! Ny taranaka misy antsika dia milentika ao anatin’ny faharatsiam-panahy sy ny fahasimbana ara-pitondran-tena mbola tsy nisy toy izany tamin’ny tantara rehetra teo aloha. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:40.) Tokony hanao ny asantsika amim-pahadodonana isika. (2 Timoty 4:2, NW ). Ny faminaniana rehetra momba ny fotoana hipoahan’ny fahoriana lehibe dia mampiseho fa ho tonga tampoka, vetivety foana, tsy ho hitahita akory — toy ny mpangalatra — izy io. (1 Tesaloniana 5:1-4; Apokalypsy 3:3; 16:15). “Koa miomàna kosa hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:44). Koa satria manatona ny fotoana handringanana azy itỳ taranak’olombelona tsy matahotra an’Andriamanitra itỳ, dia azo antoka fa tsy tokony haniry hanary ny fanantenantsika sarobidy ny amin’ny fiainana mandrakizay isika, amin’ny fiverenana ‘hihosim-potaka indray’ ao amin’ireo fialam-boly fanaon’izao tontolo izao! — 2 Petera 2:22; 3:10; Lioka 21:32-36.
4. Inona no tarehin-javatra nitaky fanomezana ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ nitombo, ary ahoana no nanomezana fahafaham-po an’io zavatra nilaina io?
4 Ho fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy, dia nisy “fiandohan’ny fahoriana” tamin’ny 1914, rehefa niditra tao amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” ny taranak’olombelona. Nitombo hatramin’izao andro izao ny alahelo sy ny fisehoan-javatra feno loza ary ny tsy fankatoavan-dalàna. (Matio 24:3-8, 12, NW ). Kanefa, i Jehovah dia naniraka ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina voahosotra mba hanome ‘sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety’ ho an’ny ankohonan’ny Tompon’izy ireo, dia i Kristy. (Matio 24:45-47, NW ). Avy eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra, io Mpanjaka Mesianika io ankehitriny dia mitarika fandaharam-pamahanana ara-panahy mahatalanjona iray, manerana ny tany manontolo.
“Vatsin-tsakafo” tondraka
5. Inona no fiheverana omena an’ilay zavatra fototry ny ‘sakafo’?
5 Hevero ny fanomanana ny “vatsin-tsakafo”. (Lioka 12:42, NW ). Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, no zavatra fototra ao amin’ny sakafo atolotra ny Kristiana. Mba hampianarana amin’ny fomba mandaitra ny Baiboly, dia ilaina voalohany indrindra ny fandikan-teny mora vakina sady araka ny marina iray. Nandritra ireo taona, dia notanterahina tamin’ny fomba miandalana izany, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1950, rehefa navoaka tamin’ny teny anglisy Ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Tamin’ny 1961, dia nanjary azo noraisina ny Baiboly manontolo araka ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, ary tsy ela dia nisy fanontana tamin’ny fiteny lehibe hafa niseho. Ny isan’ny navoaka 3 nandritra ny taom-panompoana 1996, dia mahatonga ny tontaliny hahatratra 27, ka ny 14 amin’ireo dia ny Baiboly manontolo. Mba hikarakarana an’io asa mahakasika ny Baiboly io, ary koa mahakasika ireo fitaovana fanampiana ara-baiboly, dia misy Kristiana vita fanoloran-tena 1 174 eo ho eo, miasa manontolo andro ankehitriny amin’ny fandikan-teny, any amin’ny tany 77.
6. Ahoana no nanomezan’ny Fikambanana fahafaham-po ny fangatahana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly?
6 Ho fanohanana ny asan’ireo mpandika teny maro be ireo, dia namokatra zavatra vita an-tsoratra mihamaro isa hatrany, ireo sampana 24 manana fanontam-pirinty an’ny Fikambanana Watch Tower. Mba hanaovana izany, dia mitohy ny fametrahana milina fanontam-pirinty rotative haingam-pihodina fanampiny, any amin’ireo sampana lehibe. Nitombo isam-bolana ny isan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! novokarina, ka nahatratra 943 892 500 ny tontaliny amin’ny fitambarany, izay fitomboana 13,4 isan-jato ho an’ilay taona. Nitombo 40 isan-jato ny tontalin’ny Baiboly sy ny boky mifono baoritra novokarina tany Etazonia, Alemaina, Brezila, Failandy, Italia, Japon, Korea, sy Meksika fotsiny, nanomboka tamin’ny 1995 ka nahatratra 76 760 098 tamin’ny 1996. Nandray anjara lehibe koa tamin’ny fitomboana ankapobe teo amin’ny famokarana zavatra vita an-tsoratra, ireo sampana hafa.
7. Amin’ny ahoana ny Isaia 54:2 no manjary mihamahadodona hatrany ankehitriny?
7 Nanjary tena nilaina ny fampitomboana be nandritra ireo taona 1990, noho ny fanesorana ireo fameperana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa Atsinanana sy tatsy Afrika. Mafy ny hanoanana ara-panahy any amin’ireny toerana ireny. Noho izany, dia mihamahadodona hatrany ny fanaovana ilay antso hoe: “Halalaho ny itoeran’ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao”. — Isaia 54:2.
8. Inona no fanaovan-javatra mampiseho fahalalahan-tanana manampy amin’ny fanomezana fanohanana ara-bola?
8 Araka izany, dia tena nilaina ny fanitarana ireo trano tany amin’ny maro amin’ireo sampana 104 an’ny Fikambanana. Noho ny fahasarotan’ny toe-karena any amin’ny ankamaroan’ireo faritany vao avy nosokafana, dia ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany avy tamin’ireo tany manankarena kokoa no nisahanana ny tapany lehibe tamin’ny fandaniana natao tamin’izany fanitarana izany. Mahafaly fa nanao zavatra tamin’ny fo manontolo ireo kongregasiona sy ny isam-batan’olona, mifanaraka amin’ny Eksodosy 35:21 manao hoe: ‘Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’i Jehovah hanaovana ny asa’. Hararaotinay izao fahafahana izao mba hisaorana an’ireo rehetra nandray anjara tamin’io fanomezana tamim-pahalalahan-tanana io. — 2 Korintiana 9:11.
9. Ahoana no ahatanterahan’ny Romana 10:13, 18 amin’izao andro izao?
9 Nandritra ny 1996, ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower dia nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany tokoa, hatrany amin’ny faran’ny tany. Izany dia tsy misy hafa amin’izay nambaran’ny apostoly Paoly mialoha. Tamin’ny fanononana ny faminanian’i Joela sy ny Salamo faha-19, dia nanoratra toy izao izy: “ ‘Izay rehetra miantso ny anaran’ [i Jehovah, NW ] no hovonjena’. Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa ‘efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny feony, ary ny teniny hatramin’ny faran’izao rehetra izao’.” (Romana 10:13, 18). Tamin’ny fanomezam-boninahitra toy izany ilay anarana sarobidy hoe Jehovah, no nandraisan’ny vahoakany anjara asa lehibe tamin’ny famenoana voninahitra ny tranony fanaovana fanompoam-pivavahana. Ahoana anefa no niroboroboan’io fanambarana io, indrindra fa nandritra ny 1996? Diniho, aza fady, ilay tabilao manaraka eo amin’ny pejy faha-18 ka hatramin’ny faha-21.
Famoriam-bokatra maneran-tany
10. Lafin-javatra misongadina inona avy no marihinao eo amin’ny asan’ny vahoakan’i Jehovah, araka ny famintinana hita eo amin’ilay tabilao eo amin’ny pejy 18 ka hatramin’ny faha-21?
10 Mbola tsy nanan-kery lehibe kokoa toy izao mihitsy ireo tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Lioka 10:2, manao hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” Mamaly izany antso izany ve ianao? Olona an-tapitrisany maro manerana ny tany no manao izany. Izany no porofoin’ilay tampon’isa vaovao amin’ny mpitory ilay Fanjakana 5 413 769, nanao tatitra momba ny fanompoana teny amin’ny saha nandritra ny 1996. Ankoatra izany, dia rahalahy sy anabavy vaovao 366 579 no natao batisa. Heverintsika ho sarobidy toy inona moa ireny “zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra” ireny, izay mandray anjara ankehitriny amin’ny ‘famenoana voninahitra ny tranon’i Jehovah fanaovana fanompoam-pivavahana’! — Hagay 2:7, NW.
11. Nahoana isika rehetra no manana antony hahadibo-kafaliana?
11 Miavaka ireo tatitra momba ny fitaran’ny asa any amin’ireo saha vao avy nosokafana. Mitsiriritra an’ireo mahita fitomboana toy izany ankehitriny ve ny sasany amintsika? Mifanohitra amin’izany kosa, fa miara-mifaly amin’izy ireo isika. Samy nanana fiandohana kely ny tany rehetra. Nanoratra toy izao i Zakaria, mpaminany niara-belona tamin’i Hagay: “Iza no nanamavo ny andron’ny zava-madinika?” (Zakaria 4:10). Dibo-kafaliana isika satria any amin’ireo tany izay isian’ny asa fanambarana efa miorina tsara, dia ahitana mpitory ilay Fanjakana an-tapitrisany maro ankehitriny, ary voasa matetika ny faritany, isan-kerinandro mihitsy aza any amin’ny tanàn-dehibe maro. Manana antony hampiadanana ny asa ve isika amin’izao fotoana izao izay anitaran’i Jehovah ny fahafahana hahazo famonjena hatrany amin’ireo faritra very tombontsoa teo taloha? Tsy izany mihitsy! “Ny tanimbary dia izao tontolo izao”, hoy i Jesosy. (Matio 13:38). Tsy maintsy tohizina ny fanaovana fanambarana feno, tsy misy hafa amin’ny nanaovan’ny mpianatra tany am-boalohany fanambarana feno ny amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra jiosy. — Asan’ny Apostoly 2:40; 10:42; 20:24; 28:23.
Mihamandroso hatrany
12. Inona no fandrisihana azontsika mba handrosoana ‘amin’izay hitsiny’? (Jereo koa ny faritra voafefy manao hoe “Famoriam-bokatra ‘avy any Amin’ny Faran’ny Tany’.”)
12 Eny, tsy maintsy maharaka isika, ka mandroso ‘amin’izay hitsiny’ miaraka amin’ny kalesin’i Jehovah any an-danitra misy ireo anjely. (Ezekiela 1:12). Ao an-tsaintsika ny tenin’i Petera manao hoe: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra”. (2 Petera 3:9). Aoka handrisika antsika ny zotom-po fakan-tahaka asehon’ireo rahalahintsika any amin’ny tany mahantra ara-toe-karena. Izay fisehoana ho toa mitaredretra eo amin’ny fipoahan’ny Haramagedona dia mamela ny hanangonana olona ana hetsiny maro any amin’ireny tany ireny, ary koa olona maro any amin’ireo faritany efa voasa tsara. Aza diso hevitra: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra”. (Zefania 1:14). Tokony hihafaingana koa isika eo amin’ny fanaovana fanambarana feno sady farany!
13, 14. a) Inona no azo lazaina momba ny fanelezana zavatra vita an-tsoratra nandritra ny 1996? b) Fandaharana mialoha manokana inona avy no azon’ny kongregasiona atao isan-taona, ary inona no fandaharana mialoha ataonao mba handraisana anjara amin’izany?
13 Na dia tsy miseho eo amin’ilay tabilao momba ny fanompoana aza ireo tsipiriany, dia nisy fitomboana tsara homarihina teo amin’ny fanelezana Baiboly, boky, sy gazety, nandritra ny taona lasa. Ohatra, ny fametrahana gazety maneran-tany dia nampiseho fitomboana 19 isan-jato, mitontaly ho 543 667 923 ny isan’ny voapetraka. Ireo gazetintsika dia manamora ny fitoriana eny amin’ny toerana maro samihafa — eny amin’ny arabe, sy zaridainam-panjakana, sy fijanonan’ny aotobisy ary faritra be toeram-piasana. Ireo tatitra dia mampiseho fa any amin’ny faritany sasany efa vonton’ny fitoriana ilay Fanjakana, dia nisy olona manam-pahaizana manokana talanjona noho ny hatsaran’ireo gazetintsika, ka manaiky fampianarana Baiboly.
14 Isan-taona, mandritra ny volana Aprily, dia mahazatra an’ireo kongregasiona ny mandamina fanelezana gazety, ka manao ezaka manokana mandritra ny andro iray, isan-trano sy eny an-kalamanjana. Handray anjara amin’izany ve ny kongregasionanareo mandritra ny Aprily 1997? Ireo nomerao miavaka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! hivoaka amin’ny Aprily, dia efa voaomana, ary ny fanolorana azy ireo amin’ny fotoana mitovy maneran-tany dia azo antoka fa tokony hamela soritra! Tao amin’ny nosin’i Chypre, ny kongregasiona izay nampiasa ho teny fanevany ny hoe: “Ataovy izay hahatratrarana ny olona rehetra araka izay azo atao amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana”, dia nanohy isam-bolana mihitsy aza ny asa fizarana gazety nanaovana fandaharam-potoana toy izany, ka nahatratra tampon’isa vaovao tamin’ny gazety 275 359 voapetraka nandritra ny taona, dia fitomboana 54 isan-jato.
Ireo hafatr’i Hagay farany
15. a) Nahoana i Jehovah no nandefa hafatra fanampiny tamin’ny alalan’i Hagay? b) Inona no lesona tokony hampitain’ny hafatr’i Hagay fahatelo amintsika?
15 Naniraka an’i Hagay i Jehovah, 63 andro taorian’ny nampitany ny hafany faharoa niaraka tamin’ny fanambarana fahatelo izay azontsika alatsaka tsara ao am-po amin’izao andro izao. I Hagay dia niteny toy ny hoe teo am-panorenana ny fototry ny tempoly ny Jiosy, dia fototra izay efa naorin’izy ireo 17 taona talohan’izay, raha ny marina. Dia hitan’i Jehovah indray fa nety ny hanaovana fanadiovana. Nanjary nanao tsirambina ireo mpisorona sy ny vahoaka ka dia naloto teo imason’i Jehovah izy ireo. Nety ho nanao tsirambina ve ny sasany amin’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao, ka nampiditra ny tenany mihitsy tao amin’ny lalan’izao tontolo izao milefitra loatra sy tia fatratra zavatra ara-nofo? Mahadodona ny hiheverantsika rehetra ny amin’ny hanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah “hatramin’izao andro anio izao no ho mankarỳ”, ka hatoky izao fampanantenany izao: “Hatramin’izao andro anio izao no hitahiako anareo.” — Hagay 2:10-19; Hebreo 6:11, 12.
16. ‘Fanozongozonana’ inona no antomotra, ary inona no ho vokany?
16 Tamin’io andro io ihany, dia tonga faninefany sady farany tamin’i Hagay ny tenin’i “Jehovah, Tompon’ny maro”. Nampahafantariny izay voafaoka tamin’ny ‘fanozongozonany ny lanitra sy ny tany’ tamin’ny fitenenana hoe: “Hahohoko ny seza fiandrianan’ny fanjakana, ary hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.” (Hagay 2:6, 21, 22). Hahatratra ny fara tampony, araka izany, ilay ‘fanozongozonana’, rehefa hanadio tanteraka ny tany ao Haramagedona, i Jehovah. Amin’izay dia efa ho tafiditra “ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra”, ka hahaforona ny votoatin’ny fitambaran’olona ao amin’ny tontolo vaovao. Antony hifaliana sy hanomezam-piderana an’i Jehovah re izany! — Hagay 2:7, NW; Apokalypsy 19:6, 7; 21:1-4.
17. Ahoana no nanaovana an’i Jesosy ho “fanombohan-kase”?
17 Manoratra toy izao i Hagay ho famaranana ny faminaniany: “Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia horaisiko hianao, ry Zerobabela (...), ka hataoko toy ny fanombohan-kase hianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Hagay 2:23). I Kristy Jesosy ankehitriny no ilay Mpanjaka Mesianika sady Mpisoronaben’i Jehovah nasehon’ny tandindona, izay sady manao ny asan’i Zerobabela Governora no manao ny an’i Josoa Mpisoronabe koa any an-danitra, dia asa izay nataon’izy ireo nisaraka tao Jerosalema teto an-tany. Toy ny fanombohan-kase ofisialy eo an-tanana ankavanan’i Jehovah, dia i Jesosy no nanjary ilay “eny”, amin’ny maha-fitaovana ampiasain’i Jehovah azy mba hahatanteraka ireo ‘teny fikasana maro nataon’Andriamanitra’. (2 Korintiana 1:20; Efesiana 3:10, 11; Apokalypsy 19:10). Ny hafatra ara-paminaniana manontolo ao amin’ny Baiboly dia mifantoka amin’ny fandaharana nataon’i Jehovah momba an’i Kristy amin’ny maha-Mpanjaka sady Mpanavotra manao fisoronana, azy. — Jaona 18:37; 1 Petera 1:18, 19.
18. Ahoana no hahatanterahan’ilay teny famaranana hoe: “hoy Jehovah, Tompon’ny maro”, amin’ny fomba mamelombelona?
18 Mifanaraka amin’izany indrindra, amin’izao androntsika izao, dia ao amin’ny tempoly ara-panahy mamirapiratr’i Jehovah no tokony hahitana ny voninahitra lehibe indrindra! Ary tsy ho ela, aorian’ny hanesoran’i Jehovah ny fandehan-javatr’i Satana manontolo, dia hahita fahatanterahany mbola hahafaly kokoa ny Hagay 2:9, manao hoe: “Eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako, fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” Fiadanana rehefa ela ny ela! — fiadanana maharitra eo amin’izao rehetra izao, fiadanana izay iantohan’ilay ‘fanombohan-kasen’i Jehovah’, dia i Kristy Jesosy, ilay “Andrian’ny fiadanana”, izay ny aminy no nanoratana hoe: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana (...); ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.” (Isaia 9:5, 6). Mandritra ny mandrakizay manontolo, ny voninahitry ny tranon’i Jehovah fanaovana fanompoam-pivavahana dia hamirapiratra manerana ny faritra mandry feizay tapahin’ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao. Enga anie isika hitoetra hatrany ao amin’izany trano izany! — Salamo 27:4; 65:4; 84:10.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny hoe “Voavonjy ho Afaka Amin’ny ‘Taranaka Ratsy Fanahy’ Iray” sy ny hoe “Fotoana Tokony Hifohazana Hatrany” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1995.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Ahoana, amin’izao andro izao, no ‘amenoana voninahitra’ ny tranon’i Jehovah?
◻ Nahoana no mahadodona kokoa mbola tsy nisy toy izany ny hitoriana ny vaovao tsara?
◻ Inona no fandrisihana hitory amim-pahadodonana omen’ny Tatitra Momba ny Taom-panompoana 1996?
◻ Ahoana no iasan’i Kristy amin’ny maha-“fanombohan-kase” azy?
[Efajoro, pejy 15]
Famoriam-bokatra “avy any Amin’ny Faran’ny Tany”
AO AMIN’NY Isaia 43:6, dia vakintsika izao didin’i Jehovah izao: “Aza hazonina; alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ny faran’ny tany”. Mahita fahatanterahany tsy mahazatra amin’izao andro izao any Eoropa Atsinanana, io andinin-teny io. Raiso, ohatra, i Moldova, tany komonista teo aloha. Misy vohitra izay hatramin’ny antsasaky ny mponina dia Vavolombelona ankehitriny. Voatery manao dia lavitra izy ireo mba hahitana faritany itoriana, kanefa dia ataony ilay ezaka! Mpitory maro any amin’ireny kongregasiona ireny no taranak’ireo olona natao sesitany tany Siberia tany am-piandohan’ireo taona 1950. Ankehitriny dia mitarika ny asa famoriam-bokatra ny fianakavian’izy ireny. Tamin’ireo mpitory 12 565, dia 1 917 no natao batisa tamin’iny taon-dasa iny. Ny 43 amin’ireo kongregasiona dia manana mpitory tokony ho 150 avy, ary ireo fizaran-tany efatra dia nitombo ka nahatratra valo tamin’ny taom-panompoana vaovao.
Miavaka koa ny fitarana any Albania. Tany, ireo Vavolombelona tsy nivadika vitsy dia vitsy dia niaritra ny fitondrana tsy refesi-mandidy faran’izay lozabe, nandritra ny 50 taona teo ho eo. Novonoina ho faty ny maromaro tamin’izy ireo. Izany dia mampahatsiaro ilay fampanantenan’i Jesosy hoe: “Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo (...). Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.” (Apokalypsy 2:10; jereo koa ny Jaona 5:28, 29; 11:24, 25.) Inona no hitantsika ankehitriny any Albania? Fahatanterahana manaitra marina tokoa ny amin’ny fampanantenan’i Jehovah toy izao, hita ao amin’ny Isaia 60:22: “Ny kely ho tonga arivo”! Tamin’ny 1990, dia mpitory iray monja no nanao tatitra momba ny fanompoana tany Albania. Kanefa, nisy “mpiasa” maro kokoa avy tany Italia sy ny tany hafa namaly izao antson’i Jesosy izao: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny [olona, NW ] (...), manao batisa azy”. (Matio 28:19; Lioka 10:2). Tamin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny 1996, dia nisy mpitory 773 niasa teny amin’ny saha, ary izy ireny dia nanangona olona 6 523 tamin’ny fivoriany ho an’ny Fahatsiarovana, izany hoe maherin’ny avo valo heny noho ny isan’ny mpitory! Nahatalanjona ny isan’ny mpanatrika nanaovana tatitra avy tany amin’ireo faritra nitokana. Na dia tsy nisy mpitory aza teo an-toerana, dia nahitana mpanatrika 192 sy 230 avy, ny tanàn-dehiben’i Kukës sy i Divjakë. I Krujë, izay tsy nanana afa-tsy mpitory iray monja, dia nahitana olona nanatrika 212. Ireo mpitory 30 tao Korçë dia nanofa trano ho an’ny olona maherin’ny 300. Rehefa nifanizina tao anatin’ilay efitrano fivoriana izany olona maro be izany, dia nisy 200 hafa voatery nasaina nody noho ny tsy fisian’ny toerana intsony. Saha iray masaka ho amin’ny famoriam-bokatra marina tokoa!
Avy any Romania izao tatitra izao: “Teo am-panaovana ny asa isan-trano izahay dia nihaona tamin’ny olona iray izay nilaza ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah, nipetraka tany amin’ny tanàna kely iray, izay, araka ny fahalalanay, dia tsy nisy Vavolombelona. Nilaza taminay izy fa nisy olona 15 hafa, ankoatra ny tenany, nanao fivoriana ny alakamisy sy ny alahady nandritra ny taona maro, ary efa nanomboka nitory isan-trano izy ireo. Nandeha tany amin’izany tanàna izany izahay ny ampitson’iny. Niandry anay tao amin’ny efitrano roa ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy 15, izay nandray boky 20 sy gazety nivoaka farany indrindra 20. Nasehonay azy ny fomba fitarihana fampianarana Baiboly. Niaraka nanao hira izahay ary novalianay ireo fanontaniany maika indrindra. Nilaza tamim-pahatsorana toy izao ilay mpitarika an’ilay antokon’olona: ‘Andro vitsivitsy lasa izay dia nivavaka tamin-dranomaso tamin’i Jehovah aho mba handefasany mpiandry iray ho anay, ary dia nahazo valim-bavaka aho.’ Faly tsy nisy toy izany izahay, ary teo am-piainganay, toy ny kamboty iray nahita ray rehefa ela ny ela, dia hoy izy: ‘Aza manadino anay. Tongava indray mitsidika anay!’ Nataonay izany, ary ankehitriny dia misy fampianarana Baiboly fito tarihina ao amin’izany tanàna izany. Any amin’ny faritany maro mbola tsy niasana, dia manomboka amin’ny fomba mahatalanjona ny asa, amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, izay ankasitrahana tokoa, ary izany dia mampiseho fa avy amin’Andriamanitra ny asa.”
[Tabilao, pejy 18-21]
TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 1996
(Jereo ny gazety)
[Sary, pejy 16, 17]
“Ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra” dia angonina any amin’ireo Nosin-dranomasina (1), Amerika Atsimo (2), Afrika (3), Azia (4), Amerika Avaratra (5), ary Eoropa (6)