FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Voavonjy ho Afaka Amin’ny “Taranaka Ratsy Fanahy” Iray
    Ny Tilikambo Fiambenana—1995 | 1 Novambra
    • Voavonjy ho Afaka Amin’ny “Taranaka Ratsy Fanahy” Iray

      “Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo?” — LIOKA 9:41.

      1. a) Fambara inona moa ny andro feno loza misy antsika? b) Inona no lazain’ny Soratra Masina momba ireo ho tafita velona?

      MIAINA amin’ny andro feno loza isika. Horohoron-tany, safo-drano, mosary, aretina, tsy fankatoavan-dalàna, fanapoahana baomba, ady mampihorohoro — ireo rehetra ireo sy ny hafa koa dia nanafotra ny olombelona nandritra ny taonjato faha-20 misy antsika. Kanefa, mandrahona amin’ny hoavy tsy ho ela ny loza lehibe indrindra amin’izy rehetra. Inona izany? Izany dia ny “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. (Matio 24:21). Kanefa, maro amintsika no afaka miandrandra hoavy mahafaly iray! Nahoana? Satria ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no milazalaza ny amin’ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny (...). Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe (...). Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; (...) ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony”. — Apokalypsy 7:1, 9, 14-17.

      2. Inona no fahatanterahana ara-paminaniana voalohan’ireo andinin-teny fanokafana ny Matio toko faha-24 sy ny Marka toko faha-13 ary ny Lioka toko faha-21?

      2 Mampiditra ny filazalazan’i Jesosy ara-paminaniana ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” ny firaketana an-tsoratra ara-tsindrimandry ao amin’ny Matio 24:3-22 (NW ) sy Marka 13:3-20 (NW ) ary Lioka 21:7-24.a Nanana fahatanterahana voalohany io faminaniana io teo amin’ny fandehan-javatra jiosy simba tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, ka nahatratra ny fara tampony tamin’ny “fahoriana lehibe” iray mbola tsy nisy toa azy teo amin’ireo Jiosy. Nofoanana ny rafitra ara-pivavahana sy ara-politika manontolon’ny fandehan-javatra jiosy, izay nanana ny foibeny tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, ka tsy haverina amin’ny laoniny intsony.

      3. Nahoana no mahadodona ny hiheverantsika ny faminanian’i Jesosy amin’izao andro izao?

      3 Andeha isika izao handinika ireo tarehin-javatra nanodidina ny fahatanterahana voalohan’ny faminanian’i Jesosy. Hanampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny fahatanterahana mifanitsy amin’izao andro izao izany. Izany dia hampiseho amintsika fa mahadodona ny hanaovan-javatra hentitra dieny ankehitriny mba hahatafitana velona amin’ilay fahoriana lehibe indrindra mandrahona ny olombelona rehetra. — Romana 10:9-13; 15:4; 1 Korintiana 10:11; 15:58.

      “Ny farany” — Rahoviana?

      4, 5. a) Nahoana no liana tamin’ny faminanian’ny Daniela 9:24-27 ireo Jiosy natahotra an’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.? b) Ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io?

      4 Tokony ho tamin’ny taona 539 al.f.i., i Daniela mpaminanin’Andriamanitra dia nomena fahitana fisehoan-javatra izay hitranga mandritra ny “herinandro” faran’ny fe-potoana “fito-polo herinandro” taona. (Daniela 9:24-27). Nanomboka tamin’ny 455 al.f.i. ireo “herinandro” ireo, fony nandidy ny hanorenana indray ny tanànan’i Jerosalema i Artaksersesy Mpanjakan’i Persia. Niantomboka ny “herinandro” farany tamin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy, ny Mesia, tamin’ny batisany sy ny fanosorana azy tamin’ny 29 am.f.i.b Nahafantatra tsara an’io lafiny misongadina momba ny fotoana ao amin’ny faminanian’i Daniela io ireo Jiosy natahotra an’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Ohatra, mikasika ny vahoaka betsaka nirohotra hihaino ny fitorian’i Jaona Mpanao Batisa tamin’ny 29 am.f.i., dia hoy ny Lioka 3:15: “Mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an’i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia”.

      5 Tokony ho fito taona ho nanolorana tombontsoa manokana ho an’ireo Jiosy, ny “herinandro” faha-70. Nanomboka tamin’ny 29 am.f.i. izy io, ka nahafaoka ny batisan’i Jesosy sy ny fanompoany, ny fahafatesany ho sorona tamin’ny “antsasaky ny herinandro” tamin’ny 33 am.f.i., sy ny “antsasaky ny herinandro” hafa iray mandra-pahatongan’ny 36 am.f.i. Nandritra io “herinandro” io, dia natolotra an’ireo Jiosy sy proselyta jiosy natahotra an’Andriamanitra irery ihany ny fahafahana ho tonga mpianatr’i Jesosy voahosotra. Avy eo, tamin’ny 70 am.f.i., daty tsy fantatra mialoha, dia namongotra ny fandehan-javatra jiosy mpivadi-pinoana ny tafika romana teo ambany fitarihan’i Titus. — Daniela 9:26, 27.

      6. Ahoana no nanombohan’ilay “fahavetavetan’ny fandravana” nanao zavatra tamin’ny 66 am.f.i., ary nanao ahoana ny fihetsiky ny Kristiana ho setrin’izany?

      6 Noho izany, dia nofoanana ny asan’ny mpisorona jiosy, izay nandoto ny tempolin’i Jerosalema sy nioko tamin’ny famonoana ny Zanak’Andriamanitra mihitsy. Levona koa ireo tahirin-kevitra momba ny firenena sy ny foko. Taorian’izany, dia tsy nisy Jiosy afaka nitaky ara-drariny fandovana ny fisoronana na ny fanjakana. Soa ihany anefa fa navahana ho fanjaka-mpisorona ireo Jiosy ara-panahy voahosotra mba ‘hilaza ny hatsaran’i Jehovah Andriamanitra’. (1 Petera 2:9). Rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafik’i Roma tamin’ny voalohany ary nandavaka ny tao ambanin’ny faritry ny tempoly mihitsy aza tamin’ny 66 am.f.i., dia takatr’ireo Kristiana fa io hery ara-tafika io no ‘ “fahavetavetan’ny fandravana” izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany, mitsangana ao amin’izay fitoerana masina’. Ho fankatoavana ny didin’i Jesosy ara-paminaniana, dia nandositra nankany amin’ireo faritra be tendrombohitra ireo Kristiana tao Jerosalema sy Jodia mba hahazoana fiarovana. — Matio 24:15, 16; Lioka 21:20, 21.

      7, 8. “Famantarana” inona no nomarihin’ireo Kristiana, kanefa inona no tsy fantatr’izy ireo?

      7 Nahamarika ny fahatanterahan’ny faminanian’i Daniela ireo Kristiana jiosy nahatoky ireo ary vavolombelona nanatri-maso an’ireo ady nampangitakitaka, mosary, areti-mandringana, horohoron-tany, sy tsy fankatoavan-dalàna nambaran’i Jesosy mialoha ho tapany amin’ny “famantarana (...) ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, NW ). Nilaza tamin’izy ireo ve anefa i Jesosy hoe rahoviana i Jehovah no tena hampihatra tokoa ny didim-pitsarana teo amin’io fandehan-javatra simba io? Tsia. Izay naminaniany toy izao momba ny fara tampon’ny fanatrehany amin’ny maha-mpanjaka ho avy dia azo antoka fa nihatra koa tamin’ny “fahoriana lehibe” tamin’ny taonjato voalohany: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” — Matio 24:36.

      8 Avy tamin’ny faminanian’i Daniela, dia afaka nanao kajy ny fotoana hanombohan’ny fisehoan’i Jesosy tamin’ny naha-Mesia, ireo Jiosy. (Daniela 9:25). Kanefa, tsy nomena ny datin’ny “fahoriana lehibe” izay nanafoana tamin’ny farany ny fandehan-javatra jiosy mpivadi-pinoana, izy ireo. Efa taorian’ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny vao takatr’izy ireo fa ny taona 70 am.f.i. ilay daty. Kanefa, fantatr’izy ireo tsara ny tenin’i Jesosy ara-paminaniana hoe: “Tsy mba ho lany [itỳ taranaka itỳ, NW ] mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:34). Miharihary fa ny fampiharana ny hoe “taranaka” eto dia hafa noho ny ao amin’ny Mpitoriteny 1:4, izay miresaka ny amin’ireo taranaka misesy mandimby sy lasa mandritra ny fe-potoana iray.

      “Itỳ taranaka itỳ” — Iza izany?

      9. Ahoana no amaritan’ireo voambolana an’ilay teny grika hoe ge·ne·aʹ?

      9 Rehefa nandre ny faminanian’i Jesosy momba ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” ireo apostoly efatra nipetraka niaraka taminy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, ahoana no hahatakaran’izy ireo ny hevitr’ilay fitenenana hoe “itỳ taranaka itỳ”? Ao amin’ireo Filazantsara ny teny hoe “taranaka” dia nadika avy tamin’ny teny grika hoe ge·ne·aʹ, izay faritan’ireo voambolana ankehitriny amin’ireto teny ireto: “Ara-bak[iteny] dia ireo avy [amin’ny] razambe iombonana.” (Greek-English Lexicon of the New Testament nataon’i Walter Bauer). “Izay nateraka, fianakaviana iray; (...) olona mifandimby anisan’ny tetirazana iray (...) na ny firazanana iray (...) na ny olona sesehena rehetra velona amin’ny fotoana iray ihany, Matio 24:34; Marka 13:30; Lioka 1:48; 21:32; Fil. 2:15, ary indrindra anisan’ireo manana firazanana jiosy velona amin’ny fe-potoana iray ihany.” (Expository Dictionary of New Testament Words nataon’i W. E. Vine). “Izay nateraka, olona iray fiaviana, fianakaviana iray, (...) ny olona sesehena rehetra velona amin’ny fotoana iray ihany: Mt. xxiv. 34; Mk. xiii. 30; Lk. i. 48 (...) nampiasaina indr[indra] tamin’ny firazanana jiosy velona tamin’ny fe-potoana iray ihany.” — Greek-English Lexicon of the New Testament nataon’i J. H. Thayer.

      10. a) Famaritana mitovy inona no omen’ny manam-pahaizana roa amin’ny fanononana ny Matio 24:34? b) Ahoana no anohanan’ny dikisionera teolojika iray sy ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany an’io famaritana io?

      10 Araka izany, dia samy manonona ny Matio 24:34 i Vine sy i Thayer amin’ny famaritana ny hoe “itỳ taranaka itỳ” (he ge·ne·aʹ hauʹte) amin’ny hoe “ny olona sesehena rehetra velona amin’ny fotoana iray ihany”. Manohana an’io famaritana io ny Theological Dictionary of the New Testament (1964), ka manao hoe: “Ny fampiasan’i Jesosy ny hoe ‘taranaka’ dia maneho ny zava-kendreny mahafaoka ny olona rehetra: mikendry ny vahoaka manontolo izy ary mahatsapa ny fiombonan’izy ireo ota.” Marina tokoa fa niharihary teo amin’ny firenena jiosy ny ‘fiombonana ota’ fony teto an-tany i Jesosy, tsy misy hafa amin’ny anamarihan’izy io ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny.c

      11. a) Fahefana inona no tokony hitarika antsika voalohany indrindra amin’ny famaritana ny fomba hampiharana ny hoe he ge·ne·aʹ hauʹte? b) Ahoana no nampiasan’io fahefana io an’ilay fitenenana?

      11 Mazava ho azy fa ireo Kristiana mianatra itỳ foto-kevitra itỳ dia mitarika voalohany indrindra ny fomba fisainany ho amin’ny fomba nampiasan’ireo mpanoratra ny Filazantsara nahazo tsindrimandry, an’ilay fitenenana grika hoe he ge·ne·aʹ hauʹte, na “itỳ taranaka itỳ”, tamin’ny filazana ireo tenin’i Jesosy. Tamin’ny fomba tsy niovaova dia nampiasaina tamin’ny fomba tsy manorina ilay fitenenana. Araka izany, dia niantso an’ireo filoha ara-pivavahana jiosy hoe “bibilava, taranaky ny menarana” i Jesosy ary nanohy ny teniny fa hampiharina tamin’“itỳ taranaka itỳ” ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena. (Matio 23:33, 36, NW ). Kanefa, voafetra tamin’ny klerjy nihatsaravelatsihy ihany ve io didim-pitsarana io? Tsy izany velively. Imbetsaka ireo mpianatr’i Jesosy no nandre azy niresaka momba “ity taranaka ity”, ka nampihatra ilay fitenenana tamin’ny fomba tsy niovaova tamin’ny heviny nalalaka lavitra. Inona izany?

      “Ity taranaka ratsy fanahy ity”

      12. Rehefa nihaino ireo mpianany, ahoana no nampifandraisan’i Jesosy “ny vahoaka” tamin’“ity taranaka ity”?

      12 Tamin’ny 31 am.f.i., nandritra ny fanompoana lehibe nataon’i Jesosy tany Galilia sy taoriana kelin’ny Paska, dia nandre azy niteny toy izao tamin’ny “vahoaka” ireo mpianany: “Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy hianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra hianareo. Fa tonga Jaona [Mpanao Batisa] tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy. Tonga ny Zanak’olona [Jesosy] mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota.” Tsy nisy nahafaly an’ireo “vahoaka” tsy nanana fotopoto-pitsipika ireo! — Matio 11:7, 16-19.

      13. Teo anatrehan’ireo mpianany, iza no nampahafantarin’i Jesosy ka nomelohiny ho “ity taranaka ratsy fanahy ity”?

      13 Tatỳ aoriana, tamin’ny 31 am.f.i., rehefa nanomboka ny diany fitoriana faharoa nanerana an’i Galilia i Jesosy sy ireo mpianany, dia nangataka famantarana tamin’i Jesosy “ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo”. Nilaza tamin’izy ireo sy tamin’ny “vahoaka” nanatrika teo izy hoe: “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy [ny] famantarana ny amin’i Jona mpaminany; fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany. (...) Ary dia tahaka izany koa no ho amin’ity taranaka ratsy fanahy ity.” (Matio 12:38-46). Miharihary fa “ity taranaka ratsy fanahy ity” dia nahatafiditra an’ireo filoha ara-pivavahana sy “ny vahoaka” izay tsy nety nahatakatra mihitsy ny hevitry ny famantarana izay tanteraka tamin’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany.d

      14. Inona no fanamelohana ireo Sadoseo sy Fariseo ren’ny mpianatr’i Jesosy nataony?

      14 Taorian’ny Paska tamin’ny 32 am.f.i., rehefa niditra tany Magadana tao amin’ny faritr’i Galilia i Jesosy sy ireo mpianany, dia nangataka famantarana tamin’i Jesosy indray ireo Sadoseo sy Fariseo. Izao no naveriny tamin’izy ireo: “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany.” (Matio 16:1-4). Tena mendrika hotsinina indrindra tokoa ireo mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana ireo tamin’ny naha-mpitarika azy teo anivon’ny “vahoaka” tsy nahatoky, izay nomelohin’i Jesosy hoe “ity taranaka ratsy fanahy ity”.

      15. Taloha kelin’ny fiovan-tarehy, ary taorian’izany avy hatrany, ahoana no nifanatrehan’i Jesosy sy ireo mpianany tamin’‘ity taranaka ity’?

      15 Tsy ela talohan’ny faran’ny fanompoany tany Galilia, dia nantsoin’i Jesosy hanatona azy ny vahoaka sy ireo mpianany, ka hoy izy: “Na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona”. (Marka 8:34, 38). Koa niharihary fa nahaforona an’“ity taranaka sady mijangajanga no manota ity” ny sarambaben’ireo Jiosy tsy nibebaka tamin’izany fotoana izany. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, taorian’ny niovan’i Jesosy tarehy, dia “tonga teo amin’ny vahoaka” i Jesosy sy ireo mpianany, ary nangataka azy hanasitrana ny zanany lahy ny lehilahy iray. Hoy ny fanazavan’i Jesosy: “Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo?” — Matio 17:14-17; Lioka 9:37-41.

      16. a) Inona no fanamelohana “ny vahoaka” naverin’i Jesosy tany Jodia? b) Ahoana no nahatonga an’“ity taranaka ity” hanao ny ratsy indrindra amin’ny heloka bevava rehetra?

      16 Azo inoana fa tany Jodia, taorian’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo tamin’ny 32 am.f.i., ‘raha mbola niangona nanodidina an’i Jesosy ny vahoaka betsaka’, no namerenany ilay fanamelohany azy ireo, tamin’ny filazana hoe: “Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona”. (Lioka 11:29). Farany, rehefa nitondra an’i Jesosy teo amin’ny fitsarana ireo filoha ara-pivavahana, dia nanolotra ny hanafaka azy i Pilato. Hoy ilay firaketana an-tsoratra: “Ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an’i Barabasy ary hamono an’i Jesosy. (...) Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin’i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy. Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy!” Nitaky ny handatsahana ny ran’i Jesosy io “taranaka ratsy” io! — Matio 27:20-25.

      17. Ahoana no namalian’ny sasany tamin’“ity taranaka maditra ity” ny fitorian’i Petera tamin’ny Pentekosta?

      17 “Taranaka [iray] tsy mino sady efa nivadika”, nampirisihin’ireo filohany ara-pivavahana, araka izany, no nitana anjara asa lehibe tamin’ny fanaovana izay hahafaty an’i Jesosy Kristy Tompo. Dimampolo andro tatỳ aoriana, tamin’ny Pentekosta tamin’ny 33 am.f.i., dia nahazo ny fanahy masina ireo mpianatra ka nanomboka niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa. Nony nahare ilay feo ‘ny olona maro dia niangona’, ary niteny tamin’izy ireo, dia ireo “lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema”, ny apostoly Petera, ka nanao hoe: “Izy [Jesosy] (...), dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ny tànan’ny olona tsy tan-dalàna”. Nanao ahoana ny fihetsiky ny sasany tamin’ireo mpihaino ireo? “Voatsindrona tam-pony” izy ireo. Avy eo i Petera dia nangataka azy ireo hibebaka. “Nanambara sy nananatra azy (...) [izy] ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity hianareo.” Ho valin’izany, dia olona tokony ho telo arivo no “nandray tsara ny teniny [ka] natao batisa”. — Asan’ny Apostoly 2:6, 14, 23, 37, 40, 41.

      Fantatra hoe iza “itỳ taranaka itỳ”

      18. Manisy firesahana amin’ny fomba tsy miovaova ny amin’inona moa ny fampiasan’i Jesosy ilay fitenenana hoe “itỳ taranaka itỳ”?

      18 Iza àry ilay “taranaka” nasian’i Jesosy firesahana matetika aoka izany teo anatrehan’ireo mpianany? Inona no takatr’izy ireo tamin’ireto teniny ireto: “Tsy mba ho lany [itỳ taranaka itỳ, NW ] mandra-pahatongan’izany rehetra izany”? Azo antoka fa i Jesosy dia tsy nanova ny fampiasany mafy orina an’ilay fitenenana hoe “itỳ taranaka itỳ”, izay nampihariny tamin’ny fomba tsy niovaova tamin’ireo sarambaben’ny olona niara-belona taminy, niaraka tamin’ireo “mpitarika [azy ireo] jamba”, izay tamin’ny fitambarany dia nahaforona ny firenena jiosy. (Matio 15:14). Nandia ny fahoriana rehetra nambaran’i Jesosy mialoha ilay hoe “itỳ taranaka itỳ” ary avy eo dia lany tamin’ny “fahoriana lehibe” iray mbola tsy nisy toa azy teo amin’i Jerosalema. — Matio 24:21, 34, NW.

      19. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no levona ny ‘lanitra sy ny tanin’ny’ fandehan-javatra jiosy?

      19 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nitsara ny vahoaka jiosy i Jehovah. Novonjena ho afaka tamin’io “fahoriana lehibe” io ireo olona nibebaka, izay nanjary naneho finoana ny fandaharana feno famindram-po nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy. Marina ny tenin’i Jesosy fa nitranga avokoa ireo zava-drehetra nambaran’ny faminaniana, ary avy eo dia levona ny ‘lanitra sy ny tanin’ny’ fandehan-javatra jiosy — ilay firenena manontolo, niaraka tamin’ireo filohany ara-pivavahana sy ny fitambaran’olona ratsy fanahy teo aminy. Nampihatra didim-pitsarana i Jehovah! — Matio 24:35; ampitahao amin’ny 2 Petera 3:7.

      20. Inona no fampitandremana amin’ny fotoana ilana azy indrindra mihatra amim-pahadodonana amin’ny Kristiana rehetra?

      20 Takatr’ireo Jiosy izay naneho fitandremana ny tenin’i Jesosy ara-paminaniana ireo fa niankina, tsy tamin’ny fanandramana nanao kajy ny faharetan’ny “taranaka” iray na ny faharetan’ny “andro na ny fotoana” nisy daty, ny famonjena azy ireo, fa niankina kosa tamin’ny fitoerana ho tafasaraka tamin’ilay taranaka ratsy niara-belona taminy sy tamin’ny fanaovana tamin-jotom-po ny sitrapon’Andriamanitra. Na dia mihatra amin’ny fahatanterahana lehibe amin’izao androntsika izao aza ireo teny famaranana ny faminanian’i Jesosy, dia tsy maintsy nanaraka izao fampitandremana izao koa ireo Kristiana jiosy tamin’ny taonjato voalohany: “Fa miambena ka mivavaha mandra-kariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” — Lioka 21:32-36; Asan’ny Apostoly 1:6-8.

      21. Fisehoan-javatra tampoka inona no azontsika ampoizina amin’ny hoavy tsy ho ela?

      21 Amin’izao andro izao, “ny andro lehiben’i Jehovah [dia] (...) efa antomotra sady mihafaingana indrindra”. (Zefania 1:14-18; Isaia 13:9, 13). Amin’ny fomba tampoka, amin’ny “andro sy ora” voatondron’i Jehovah mialoha ihany, ny fahatezerany dia hampiharina eo amin’ny tapany ara-pivavahana sy ara-politika ary ara-barotra mahaforona izao tontolo izao, miaraka amin’ny vahoaka mania izay mahaforona an’itỳ “taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga” velona ankehitriny itỳ. (Matio 12:39; 24:36; Apokalypsy 7:1-3, 9, 14). Ahoana no mety hahavoavonjy anao ho afaka amin’ny “fahoriana lehibe”? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka ka hilaza ny amin’ilay fanantenana lehibe ho amin’ny hoavy.

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Mba hahitana ny drafitra amin’ny an-tsipiriany momba io faminaniana io, dia jereo, aza fady, ny tabilao eo amin’ny pejy faha-14, 15 ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1994.

      b Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ireo “herinandro” taona, dia jereo ny pejy faha-130-132 amin’ny boky La Bible: Parole de Dieu ou des hommes?, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

      c Mandika ny hoe he ge·ne·aʹ hauʹte ao amin’ny Matio 24:34 toy izao manaraka izao ny Baiboly sasany: “ireo vahoaka ireo” (The Holy Bible in the Language of Today [1976], nataon’i W. F. Beck); “itỳ firenena itỳ” (The New Testament — An Expanded Translation [1961], nataon’i K. S. Wuest); “itỳ vahoaka itỳ” (Jewish New Testament [1979], nataon’i D. H. Stern).

      d Ireo “vahoaka” tsy nahatoky ireo dia tsy tokony hampitovina amin’ireo ʽam-ha·ʼaʹrets, na “olon’ny tany”, izay tsy neken’ireo filoha ara-pivavahana niavonavona hifandraisana, kanefa “nahonena” an’i Jesosy. — Matio 9:36; Jaona 7:49.

  • Fotoana Tokony Hifohazana Hatrany
    Ny Tilikambo Fiambenana—1995 | 1 Novambra
    • Fotoana Tokony Hifohazana Hatrany

      “Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha (...) fa izay maharitra [“niaritra”, NW ] hatramin’ny farany no hovonjena.” — MARKA 13:10, 13.

      1. Nahoana isika no tokony hiaritra sy hanana herim-po?

      TSY maintsy miaritra isika — eo anivon’ny taranaka iray tsy mino sy mivadika! Nanomboka tamin’ny 1914, dia nisy taranaka iray nanjary simba, tsy nisy hafa tamin’ny andron’i Jesosy. Ary amin’izao andro izao ny fahasimbana ara-pitondran-tena dia eo amin’ny ambaratonga maneran-tany. Amin’izao “andro farany” izao, dia mampahory ny olombelona ny ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ nolazalazain’ny apostoly Paoly. ‘Ireo ratsy fanahy sy mpisoloky dia manohy mandroso miharatsy kokoa hatrany’. Mazava fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy”, dia i Satana Devoly, izay manao ny fiezahany farany ankehitriny mba hanimbana ny tany. Kanefa mahereza! Misy “fahoriana lehibe” iray mihamanakaiky izay hitondra fanamaivanana maharitra ho an’ny olona rehetra tia ny fahamarinana. — 2 Timoty 3:1-5, 13, NW; 1 Jaona 5:19; Apokalypsy 7:14.

      2. Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana tamin’ny 1914?

      2 Soa ihany fa nanome fiandrianana an’i Jesosy Kristy Tompo tany an-danitra i Jehovah izao, ho fanomanana ny fanesorana an’ireo fahavalon’ny olombelona mampahory azy. (Apokalypsy 11:15). Toy ny tamin’ny fiavian’ny Mesia voalohany, dia toy izany koa fa tanteraka amin’itỳ taonjato itỳ ny faminaniana miavaka iray nosoratan’i Daniela. Ao amin’ny Daniela 4:13, 14, 29, dia ilazana isika ny amin’ny fampiatoana ny fitondrana ara-drarin’ny mpanjaka iray manerana ny tany mandritra ny fe-potoana haharitra “fetr’andro fito”. Amin’ny fahatanterahany lehibe, ireo fetr’andro fito ireo dia mirasanda amin’ny fito taona ara-baiboly misy 360 ‘andro’ avy ny taona tsirairay, na 2 520 taona amin’ny fitambarany.a Niantomboka tamin’ny 607 al.f.i. izy ireo, fony nanomboka nanitsaka ny fanjakan’ny Isiraely teo ambanin’ny tongony i Babylona, ka niafara tamin’ny 1914 am.f.i., ilay taona nanomezana fiandrianana an’i Jesosy tany an-danitra amin’ny maha-Mpanjakan’ny olombelona azy ara-drariny. Tamin’izay no nifarana ilay “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”. (Lioka 21:24, NW ). Tsy nety nanaiky an’ilay Fanjakana Mesianika vao nahazo toerana anefa ireo firenena. — Salamo 2:1-6, 10-12; 110:1, 2.

      3, 4. a) Inona no fampitahana azo atao ny amin’ireo fisehoan-javatra tamin’ny taonjato voalohany sy ny amin’ireo fisehoan-javatra amin’izao androntsika izao? b) Fanontaniana inona avy mifandray tsara amin’izany no azo apetraka?

      3 Arakaraka ny nanatonan’ny herinandron-taona faha-70 (29-36 am.f.i.), ary avy eo indray, arakaraka ny nanakekezan’ny taona 1914, dia nanampo ny fahatongavan’ny Mesia ny vahoaka matahotra an’Andriamanitra. Ary tonga tokoa izy! Tamin’ny tarehin-javatra tsirairay anefa, dia hafa noho izay nampoizina ny fomba nisehoany. Tamin’ny tarehin-javatra tsirairay koa, taorian’ny fe-potoana somary fohy, dia niharan’ny didim-pitsarana navoakan’Andriamanitra tamin’ny farany ny “taranaka” ratsy iray. — Matio 24:34.

      4 Tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia nomarihintsika ny fomba niafaran’ilay taranaka jiosy ratsy fanahy izay nitaky ny handatsahana ny ran’i Jesosy. Ahoana àry ny amin’ilay taranak’olombelona mitondra fandravana izay manohitra na minia tsy mahalala azy dieny ankehitriny? Rahoviana ny didim-pitsarana no hampiharina eo amin’io taranaka tsy mino io? 

      “Miambena hatrany”!

      5. a) Noho ny antony marim-pototra inona no tsy ilantsika hahafantarana ny fotoan’ny ‘andro sy oran’i Jehovah’? b) Araka ny voalazan’i Marka, torohevitra mampiseho fahaiza-manavaka inona no namaranan’i Jesosy ny faminaniany?

      5 Taorian’ny naminaniany fisehoan-javatra izay hanomana ny lalana ho amin’ny fotoan’ny “fahoriana lehibe” iray, dia izao no teny nanampin’i Jesosy: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:3-36; Marka 13:3-32). Tsy mila mahafantatra ny fotoana marina hitrangan’ireo fisehoan-javatra isika. Tsy maintsy ny fiambenana sy ny fambolena finoana matanjaka ary ny fanaovana zavatra be dia be hatrany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah — fa tsy ny fanaovana kajy daty iray — kosa no zavatra ifantohantsika. Namarana ny faminaniany lehibe tamin’ny filazana toy izao i Jesosy: “Mijere hatrany, mifohaza hatrany, satria tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro. (...) Miambena hatrany (...) Izay lazaiko aminareo (...) dia lazaiko amin’ny rehetra hoe: Miambena hatrany.” (Marka 13:33-37, NW ). Mamitsaka ao amin’ny haizin’izao tontolo izao ankehitriny ny loza. Tsy maintsy mifoha hatrany isika! — Romana 13:11-13.

      6. a) Tokony hiorina mafy eo amin’inona ny finoantsika? b) Ahoana no azontsika ‘anisana ny androntsika’? d) Amin’ny fotony, inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “taranaka”?

      6 Tsy vitan’ny hoe tsy maintsy maneho fitandremana an’ireo faminaniana azo tamin’ny tsindrimandry mikasika izao andro faran’ny fandehan-javatra ratsy izao isika, fa tsy maintsy manorina mafy koa ny finoantsika, voalohany indrindra eo amin’ny sorona sarobidin’i Kristy Jesosy sy ireo fampanantenana mahatalanjon’Andriamanitra miorina eo ambonin’izy io. (Hebreo 6:17-19; 9:14; 1 Petera 1:18, 19, NW; 2 Petera 1:16-19). Dodona ny hahita ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ ny vahoakan’i Jehovah, ka indraindray dia nanombantombana momba ny fotoana hipoahan’ny “fahoriana lehibe”, nampifandray azy io mihitsy aza tamin’ireo fanaovana kajy ny faharetan’ny androm-piainan’ny taranaka iray nanomboka tamin’ny 1914. Kanefa, ‘mahazo fo hendry’ isika, tsy amin’ny fanombantombanana momba ny hoe firy taona na andro no mahaforona ny taranaka iray, fa amin’ny fieritreretana kosa ny amin’ny fomba ‘anisantsika ny androntsika’ amin’ny fitondrana fiderana falifaly ho an’i Jehovah. (Salamo 90:12). Tsy manome fitsipika ny amin’ny fandrefesana fotoana ilay fitenenana hoe “taranaka”, araka ny nampiasan’i Jesosy azy, fa manisy firesahana kosa voalohany indrindra ny amin’ny vahoaka miara-belona amin’ny fe-potoana ara-tantara iray, miaraka amin’ireo lafiny mampiavaka amantarana azy.b

      7. Inona no nosoratan’ny profesora amin’ny tantara iray momba “ny taranaky ny 1914”, ary ahoana no ifandraisan’izy io amin’ny faminanian’i Jesosy?

      7 Mifanaraka amin’izay voalaza eo ambony, dia nanoratra toy izao tao amin’ny bokiny hoe The Generation of 1914, i Robert Wohl, profesora amin’ny tantara: “Tsy faritana amin’ny fetrany araka ny filaharan’ny fotoana ny taranaka ara-tantara iray (...). Tsy faritana amin’ny daty izy io.” Nohazavainy anefa fa ny Ady Lehibe Voalohany dia namorona “fahatsapana manafotra ny amin’ny fisarahana amin’ny lasa”, ary hoy ny teny nanampiny: “Ireo izay tafita velona tamin’ilay ady dia tsy afaka na oviana na oviana nanesotra tao an-tsainy ny hoe nifarana ny tontolo iray ary nanomboka ny hafa iray tamin’ny Aogositra 1914.” Toy inona moa ny fahamarinan’izany! Mifantoka amin’ny votoatin’ilay foto-kevitra io filazana io. Nahita fiovana mahatsiravina ‘itỳ taranak’olombelona itỳ’ nanomboka tamin’ny 1914. Nahita ny tany vonton’ny ran’ny olona an-tapitrisany maro izy io. Nipoaka maneran-tany ny ady, ny fandripahana foko, ny fampihorohoroana, ny heloka bevava, sy ny tsy fankatoavan-dalàna. Nanenika ny bolan-tany misy antsika ny mosary sy ny aretina ary ny faharatsiam-pitondran-tena. Toy izao no naminanian’i Jesosy azy: “Tahaka izany koa hianareo [ireo mpianany], raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” — Lioka 21:31, 32.

      8. Ahoana no anantitranteran’ireo mpaminanin’i Jehovah ny ilana hifohazana hatrany?

      8 Eny, antomotra ny fandresena fenon’ilay Fanjakana Mesianika! Misy tombony tokony ho azo àry ve amin’ny fitadiavana daty na amin’ny fanombantombanana momba ny faharetana ara-bakitenin’ny androm-piainan’ny “taranaka” iray? Tsy dia tsia! Milaza mazava toy izao ny Habakoka 2:3: “Ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka [tsy ho diso aoriana, NW ].” Mihamanatona haingana kokoa ny andron’i Jehovah hanaovana ampamoaka. — Jeremia 25:31-33; Malakia 3:19.

      9. Fisehoan-javatra inona avy, nanomboka tamin’ny 1914, no mampiseho fa fohy ny fotoana?

      9 Rehefa nanomboka ny fanapahan’ny Fanjakan’i Kristy tamin’ny 1914, dia nazera tetỳ an-tany i Satana. Nidika ho “loza ho an’ny tany [izany] (...) fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa [fohy, NW ] ny androny”. (Apokalypsy 12:12). Fohy tokoa io fotoana io, raha ampitahaina amin’ireo an’arivony taona maro nanapahan’i Satana. Antomotra ilay Fanjakana, ary toy izany koa ny andro sy oran’i Jehovah hampiharana didim-pitsarana eo amin’itỳ taranaka ratsy fanahy itỳ! — Ohabolana 3:25; 10:24, 25.

      Ilay “taranaka” ho lany

      10. Amin’ny ahoana ilay hoe “itỳ taranaka itỳ” no tahaka ny taranaka tamin’ny andron’i Noa?

      10 Andeha isika handinika akaiky kokoa ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:34, 35 manao hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany [itỳ taranaka itỳ, NW ] mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.” Asehon’ny tenin’i Jesosy manaraka izany fa ‘tsy misy mahalala izany andro sy ora izany’. Ny mbola zava-dehibe lavitra, dia asehony fa tsy maintsy manalavitra ireo fandrika manodidina antsika eo amin’itỳ taranaka itỳ isika. Araka izany, dia izao no teny nanampin’i Jesosy: “Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:36-39). Teto i Jesosy dia nampitaha ny taranaka tamin’ny androny tamin’ny taranaka tamin’ny andron’i Noa. — Genesisy 6:5, 9, NW, fanamarihana ambany pejy.

      11. Inona no fampitahana “taranaka” nataon’i Jesosy, araka ny nolazain’i Matio sy i Lioka?

      11 Tsy izay no fotoana voalohany nandrenesan’ireo apostoly an’i Jesosy nanao io fampitahana ‘taranaka’ io, satria andro vitsivitsy teo aloha kokoa, dia nilaza toy izao izy mikasika ny tenany: “Ny Zanak’olona (...) tsy maintsy mijaly mafy (...) ka holavin’ity taranaka ity. Ary tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona”. (Lioka 17:24-26, izahay no manao sora-mandry.) Araka izany, dia manao fampitahana mitovy ny Matio toko faha-24 sy ny Lioka toko faha-17. Tamin’ny andron’i Noa, dia “ny nofo rehetra [izay] samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany” ka ringana tamin’ny Safo-drano no ilay hoe “ity taranaka ity”. Tamin’ny andron’i Jesosy, dia ny vahoaka jiosy mpivadi-pinoana izay nanda an’i Jesosy no ilay hoe “ity taranaka ity”. — Genesisy 6:11, 12; 7:1.

      12, 13. a) Amin’izao andro izao, iza “itỳ taranaka itỳ” izay tsy maintsy ho lany? b) Ahoana no iatrehan’ny vahoakan’i Jehovah an’itỳ “taranaka meloka sy maditra” itỳ ankehitriny?

      12 Noho izany, amin’ny fahatanterahana faran’ny faminanian’i Jesosy amin’izao andro izao, dia toa manisy firesahana ny amin’ireo vahoaka eto an-tany izay mahita ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy kanefa tsy manitsy ny lalany, ilay hoe “itỳ taranaka itỳ”. Mifanohitra amin’izany, isika, amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy antsika, dia tsy manaiky hovolavolain’ny fomba fiainan’“itỳ taranaka itỳ”. Na dia eo amin’izao tontolo izao aza isika, dia tsy tokony ho namany, “fa antomotra ny andro”. (Apokalypsy 1:3; Jaona 17:16). Mananatra antsika toy izao ny apostoly Paoly: “Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny [taranaka, NW ] meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao”. — Filipiana 2:14, 15; Kolosiana 3:5-10; 1 Jaona 2:15-17.

      13 Ny ‘fisehoantsika tahaka ny fanazavana’ dia mahafaoka, tsy ny fanehoana toetra kristiana madio fotsiny, fa ny zava-dehibe indrindra, dia ny fanatanterahana ny fanirahan’i Jesosy ara-paminaniana hoe: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Tsy misy olombelona afaka milaza hoe rahoviana no ho tonga ny farany, kanefa fantatsika fa ho tonga ny faran’“itỳ taranaka” voaforon’ny olona ratsy fanahy itỳ, raha vantany vao natao “hatramin’ny faran’ny tany”, hatramin’izay mahafa-po an’Andriamanitra, ny fanambarana. — Asan’ny Apostoly 1:8.

      “Izany andro sy ora izany”

      14. Fananarana inona no nomen’i Jesosy sy i Paoly raha ny amin’ny “andro sy ny fotoana”, ary ahoana no tokony ho fihetsitsika?

      14 Rehefa tanteraka hatramin’ny fetra kasain’i Jehovah ny fanambarana maneran-tany, dia amin’izay no “andro sy ora” noferany hanesorana itỳ fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao itỳ. Tsy mila mahafantatra mialoha ilay daty isika. Araka izany, tamin’ny fanarahana ny ohatr’i Jesosy, dia nananatra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Raha misy olona manao hoe: [‘Fiadanana sy filaminana!’, NW ] dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” Mariho ny teny nifantohan’i Paoly: ‘Rehefa manao izy ireo hoe’. Eny, rehefa misy firesahana “fiadanana sy filaminana”, amin’ny fotoana tsy ampoizina indrindra, dia hampiharina tampoka ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Mifanentana toy inona moa ny torohevitr’i Paoly hoe: “Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka [hitoetra ho mifoha, NW ] ka hahonon-tena”! — 1 Tesaloniana 5:1-3, 6; jereo koa ny andininy faha-7-11; Asan’ny Apostoly 1:7.

      15, 16. a) Nahoana isika no tsy tokony hihevitra fa lavitra kokoa noho izay mety ho ninoantsika ny Haramagedona? b) Ahoana no tsy maintsy hanandratana ny fiandrianan’i Jehovah amin’ny hoavy tsy ho ela?

      15 Moa ve io fomba fijerintsika marina kokoa momba “itỳ taranaka itỳ” io midika fa lavitra kokoa noho izay noheverintsika ny Haramagedona? Tsy izany velively! Na dia tsy nahafantatra na oviana na oviana ilay “andro sy ora” aza isika, dia nahafantatra azy io foana i Jehovah Andriamanitra, ary tsy miova izy. (Malakia 3:6). Miharihary fa mihamilentika kokoa manatona ny faharavana farany izao tontolo izao. Zava-dehibe kokoa mbola tsy nisy toy izany ny ilana hifohazana hatrany. Nampiharihary antsika “izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana” i Jehovah, ary tokony hanana fahatsapana tanteraka fahadodonana isika ho setrin’izany. — Apokalypsy 1:1; 11:18; 16:14, 16.

      16 Arakaraka ny anatonan’ilay fotoana, dia mifohaza hatrany, satria madiva hitondra loza eo amin’ny fandehan-javatr’i Satana manontolo i Jehovah! (Jeremia 25:29-31). Hoy i Jehovah: “Hasehoko ny fahalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.” (Ezekiela 38:23). Akaiky io “andron’i Jehovah” fanapahan-javatra io! — Joela 1:15; 2:1, 2; Amosa 5:18-20; Zefania 2:2, 3.

      “Lanitra vaovao sy tany vaovao” marina

      17, 18. a) Araka ny voalazan’i Jesosy sy i Petera, ahoana no hahalany “itỳ taranaka itỳ”? b) Nahoana isika no tokony hiambina hatrany raha ny amin’ny fitondran-tena sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra?

      17 Mikasika ‘izany rehetra izany izay tsy maintsy ho tonga’, dia hoy i Jesosy: “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.” (Matio 24:34, 35). Azo inoana fa tao an-tsain’i Jesosy ny “lanitra sy ny tany” — ireo mpanapaka sy ireo tapahina — amin’ilay hoe “itỳ taranaka itỳ”. Nampiasa teny mitovy amin’izany ny apostoly Petera tamin’ny firesahana ny amin’“izao lanitra sy tany ankehitriny izao” izay ‘hazonina ho amin’ny afo ka tahirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy’. Nolazalazainy manaraka izany ny fomba ‘hahatongavan’ny andron’i Jehovah tahaka ny mpangalatra, ary amin’izany ny lanitra [fitondram-panjakana] dia ho lasa’ miaraka amin’ny fitambaran’olona, na “tany”, iray simba sy ireo asany feno fahotana. Avy eo ilay apostoly dia mampirisika antsika ho amin’ny “fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, [raha mbola] manantena [isika sady] mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra!” Inona no hanaraka izany? Mampitodika ny saintsika ho amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana” i Petera. — 2 Petera 3:7, 10-13.c

      18 Handrotsaka fitahiana eo amin’ny “tany vaovao”, dia ny fitambaran’olombelona, marina io “lanitra vaovao” io, dia ny fanapahan’ilay Fanjakana hoentin’i Kristy sy ireo mpiara-manjaka aminy. Mety ho anisan’io fitambaran’olona io ve ianao? Raha izany no izy, dia manana antony hifaliana ny amin’ilay hoavy lehibe efa antomotra ianao! — Isaia 65:17-19; Apokalypsy 21:1-5.

      19. Tombontsoa lehibe inona no azontsika ananana dieny ankehitriny?

      19 Eny, angonina dieny ankehitriny ny ‘taranak’olombelona’ marina iray. Amin’izao andro izao ny “mpanompo mahatoky sy malina” voahosotra dia manome ny fampianaran’Andriamanitra mifanaraka amin’ireo tenin’ny Salamo 78:1, 4 hoe: “Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin’ny tenin’ny vavako. (...) Fa hambarantsika amin’ny taranaka ho avy ny fiderana an’i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.” (Matio 24:45-47, NW ). Tamin’ny 14 Aprily tamin’itỳ taona itỳ, tany amin’ny kongregasiona maherin’ny 75 500 sy tany 230 teo ho eo, dia olona maherin’ny 12 000 000 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy naneran-tany. Anisan’izy ireo ve ianao? Enga anie ianao ka hametraka ny finoanao eo amin’i Kristy Jesosy ary ‘hiantso ny anaran’i Jehovah mba hahazoana famonjena’. — Romana 10:10-13.

      20. Koa satria “mihafohy ny fotoana sisa tavela”, ahoana no tsy maintsy hifohazantsika hatrany, ary miaraka amin’ny fahatsinjovana inona?

      20 “Mihafohy ny fotoana sisa tavela”, hoy ny apostoly Paoly. Noho izany, dia izao no fotoana tokony hifohazana sy haha-be hatao foana hatrany eo amin’ny asan’i Jehovah, raha mbola miaritra fisedrana sy fankahalana aneren’ny taranak’olombelona ratsy fanahy iray isika. (1 Korintiana 7:29, NW; Matio 10:22; 24:13, 14). Aoka isika hiambina hatrany, handinika ireo zavatra rehetra nambara mialoha ao amin’ny Baiboly fa ho tonga amin’“ity taranaka ity”. (Lioka 21:31-33). Amin’ny fandosirana ireo zavatra ireo sy amin’ny fijoroana eo anatrehan’ny Zanak’olona, amin’ny fananana ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia mety ho azontsika amin’ny farany ny lokan’ny fiainana mandrakizay.

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Mba hahazoana fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ny “fetr’andro fito”, dia jereo ny pejy faha-127-139, 186-189 amin’ny boky “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

      b Jereo ny pejy faha-587 amin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

      c Jereo koa ny pejy faha-151-155 sy faha-179-180 amin’ny Le futur gouvernement universel — le Royaume de Dieu, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara