Fanontanian’ny Mpamaky
Moa ve i Jesosy mahalala ny fotoan’ny Haramagedona ankehitriny?
Toa tena ara-dalàna ny hinoana fa mahalala izany izy.
Mety hanontany tena ny sasany hoe nahoana koa àry izany fanontaniana izany no mipoitra. Azo inoana fa izany dia noho ny tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Matio 24:36, manao hoe: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.” Mariho ilay teny hoe “ary na ny Zanaka aza”.
Io andininy io dia anisan’ny valin-tenin’i Jesosy tamin’ny fanontanian’ireo apostoly hoe: “Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, NW ). Tao amin’ilay faminaniany malaza ankehitriny, momba ireo porofo mahaforona “famantarana”, dia nilaza mialoha ny amin’ny ady, mosary, horohoron-tany, fanenjehana ny Kristiana marina, sy zavatra hafa etỳ an-tany izay hanondro ny fanatrehany, izy. Tamin’ny alalan’io famantarana io, ireo mpanara-dia azy dia afaka namantatra fa akaiky ny farany. Nanazava io fahantomoran’ny fotoana io tamin’ny ohatra iray momba ny fotoana anombohan’ny aviavy mandravina izy, satria izany dia manondro fa akaiky ny fahavaratra. Nanampy teny toy izao izy: “Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.” — Matio 24:33.
Tsy nilaza tamin’ny fomba voafaritra tsara momba ny fotoana hahatongavan’ny farany anefa i Jesosy. Nanambara kosa izay vakintsika ao amin’ny Matio 24:36 izy. Izany no andikana azy io ao amin’ny Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao ary mitovy amin’izany no amakiana azy io ao amin’ny Baiboly maoderina maro. Kanefa dia misy dikan-teny sasany tranainy kokoa tsy misy ny hoe “ary na ny Zanaka aza”.
Ohatra, toy izao no vakina ao amin’ny Douay Version katolika: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na ireo anjelin’ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany.” Mitovy amin’izany koa no vakina ao amin’ny King James Version. Nahoana no esorina ny hoe “ary na ny Zanaka aza”, na dia hita ao amin’ny Marka 13:32 aza izy io? Satria tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-17, rehefa nomanina ireo dikan-teny roa ireo, ireo sora-tanana niasan’ireo mpandika teny dia tsy nisy an’io fitambaran-teny io. Teo anelanelan’izay anefa dia nisy sora-tanana grika tranainy kokoa hita. Izy ireny, izay tena akaiky kokoa ny fotoana nanaovana ny soratra tany am-boalohany amin’ny Matio, dia misy ny hoe “ary na ny Zanaka aza”, ao amin’ny Matio 24:36.
Mahaliana fa ny Jerusalem Bible katolika dia mampiditra ilay teny, miaraka amin’ny fanamarihana ambany pejy izay milaza fa ny Vulgate latina dia nanesotra ilay fitambaran-teny, “angamba noho ny antony teolojika”. Mazava ho azy! Ny mpandika teny na mpanao kopia izay nino ny Trinite dia nety ho nalaim-panahy hanesotra teny izay nanondro fa tsy nanana fahalalana izay nananan’ny Rainy i Jesosy. Ahoana no tsy hahalalan’i Jesosy ny zava-misy iray raha toa izy sy ny Rainy ka samy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray?
Mitovy amin’izany ihany, ny A Textual Commentary on the Greek New Testament, nataon’i B. M. Metzger dia milaza hoe: “Ireo teny hoe ‘ary na ny Zanaka aza’ dia tsy misy ao amin’ny ankamaroan’ireo [sora-tanana] manamarina ny Matio, anisan’izany ny soratra byzantin tatỳ aoriana kokoa. Etsy an-danin’izany, ireo santionany tsara indrindra amin’ny karazana soratra aleksandriana sy tandrefana ary kaisariana, dia misy ilay teny. Azo inoana kokoa ny nanesorana an’ireo teny ireo noho ny fahasahiranana entiny eo amin’ny foto-pampianarana noho ny hoe ny nanampiana azy ireo noho ny fampitoviana azy amin’ny” Marka 13:32. — Izahay no manao sora-mandry.
Ireny “santionany tsara indrindra” amin’ny sora-tanana tany aloha kokoa ireny dia manohana ilay dikan-teny izay mampiseho fandrosoana araka ny antonona raha ny amin’ny fahalalana. Ireo anjely dia tsy nahalala ny oran’ny farany; tsy nahalala koa ny Zanaka; fa ny Ray ihany. Ary izany dia mifanaraka amin’ireo tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Matio 20:23, izay nanekeny fa tsy nanana fahefana hanome toerana misongadina ao amin’ilay Fanjakana izy, fa ny Ray ihany.
Noho izany, ireo tenin’i Jesosy mihitsy dia mampiseho fa tetỳ an-tany izy dia tsy nahalala ny datin’ny ‘faran’izao tontolo izao’. Nahafantatra azy io ve izy nanomboka tamin’io?
Ny Apokalypsy 6:2 dia milazalaza an’i Jesosy ho nitaingina soavaly fotsy ka nivoaka ‘haharesy sady mbola haharesy’. Avy eo dia tonga ireo mpitaingin-tsoavaly mampiseho ny ady sy ny mosary ary ny loza, toy izay nodiavintsika hatramin’ny nanombohan’ny Ady Lehibe voalohany tamin’ny 1914. Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa tamin’ny 1914, dia nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy, ilay hitarika ny ady ho avy hatao hanoherana ny faharatsiana etỳ an-tany. (Apokalypsy 6:3-8; 19:11-16). Koa satria efa nomena fahefana handresy amin’ny anaran’Andriamanitra ankehitriny i Jesosy, dia toa ara-dalàna ny hoe nilaza taminy ny fotoana hahatongavan’ny farany, sy ny fotoana ‘mbola handreseny’, ny Rainy.
Tsy nolazaina tamintsika etỳ an-tany izany daty izany, koa mbola mihatra amintsika àry ireto tenin’i Jesosy ireto: “Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana. (...) Izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.” — Marka 13:33-37.