Akaiky ny fanafahana ny olona mifikitra amin’Andriamanitra!
“Dia fantatry ny Tompo [Jehovah, MN ] izay hamonjeny [hanafahany, MN ] ny tsara fanahy [ny olona mifikitra amin’Andriamanitra, MN ] amin’ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana.” — 2 PETERA 2:9.
1. a) Toe-javatra mampahory inona no mianjady amin’ny taranak’olombelona amin’izao androntsika izao? b) Eo am-pandinihana an’izany, fanontaniana inona no hojerentsika?
MITOMBO ny zava-manahirana eo amin’ny fiainana ho an’ny taranak’olombelona. Marina izany na miaina any amin’ny tany feno zavatra ara-nofo ny tena na any amin’ny tany mahantra. Manjaka hatraiza hatraiza ny fananana ahiahy. Toy ny hoe tsy ampy ny fanahiana avy amin’ny fihilangilanan’ny toekarena, fa manafika ny planeta tany koa ny zava-manahirana lehibe ny amin’ny tontolo iainana ka mandrahona ny endri-piainana rehetra eo amboniny. Mihanaka maneran-tany ny aretina. Maro be no niharan-doza noho ny areti-mifindra sy ny aretim-po ary ny homamiadana. Nitondra fahasimbana teo amin’ny fihetseham-pon’olombelona sy teo amin’ny fiainam-pianakaviana ny fahalotoam-pitondrantena. Etsy an-danin’izany, dia fefiky ny herisetra izao tontolo izao. Eo am-pandinihana izay atrehin’ny fitambaran’olombelona isika dia manontany araka ny marina hoe: Moa ve misy antony mahatonga hanantena fanafahana tsy ho ela? Raha izany no izy, ahoana no hahatongavan’izany, ary ho an’iza? — Jereo Habakoka 1:2; 2:1-3.
2, 3. a) Nahoana no hitantsika amin’izao androntsika izao fa mampahery izay voalaza ao amin’ny 2 Petera 2:9? b) Asa fanafahana manokana inona no tondroin’ny Baiboly ho fototra fampaherezana?
2 Izay miseho ankehitriny dia mampahatsiaro antsika fotoan-dehibe teo amin’ny tantaran’olombelona misy heviny hafa. Manintona ny saina ho amin’ny asa fanafahana nataon’Andriamanitra tamin’ireny toe-javatra ireny ny apostoly Petera, ary avy eo, ho amin’ny famaranan-kevitra manome toky toy izao: “Fa fantatry ny Tompo izay hamonjeny [hanafahany, MN ] ny tsara fanahy [ny olona mifikitra amin’Andriamanitra, MN ] amin’ny fakam-panahy.” (2 Petera 2:9). Mariho ny teny manodidina an’io fanambarana io ao amin’ny 2 Petera 2:4-10 manao hoe:
3 “Fa raha tsy navelan’Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin’ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin’ny fitsarana, — ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny Safodrano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao, — ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an’izay ratsy fanahy ato aoriana, — fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan’ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan-andro isan-andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan’ireo ny lalàna): dia fantatry ny Tompo [Jehovah, MN ] izay hamonjeny [hanafahany, MN ] ny tsara fanahy [ny olona mifikitra amin’Andriamanitra, MN ] amin’ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana [fanesorana, MN ] ho amin’ny andro fitsarana, — indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana.” Araka ny asehon’ireo andininy ireo, izay nitranga tamin’ny andron’i Noa sy tamin’ny fotoana niainan’i Lota dia feno heviny ho antsika.
Ny toe-tsaina nanjaka tamin’ny andron’i Noa
4. Tamin’ny andron’i Noa, nahoana ny tany no nihasimba teo imason’Andriamanitra (Salamo 11:5)?
4 Ny filazana ara-tantara ao amin’ny Genesisy toko faha-6 dia mampahafantatra antsika fa nanjary simba teo imason’ilay Andriamanitra marina ny tany tamin’ny andron’i Noa. Nahoana? Noho ny herisetra. Izany akory tsy raharaha mikasika fanaovana heloka bevava mitokana. Milaza ny Genesisy 6:11 fa ‘heni-doza ny tany’.
5. a) Fihetsiky ny olombelona inona no nandray anjara tamin’ny fisian’ny herisetra tamin’ny andron’i Noa? b) Inona no fampitandremana nalefan’i Enoka mikasika ny tsy fitiavana an’Andriamanitra?
5 Inona no nahatonga izany? Ny andinin-teny nalaina tao amin’ny 2 Petera dia miresaka ny amin’ny olona tsy tia an’Andriamanitra. Eny, nanenika ny raharahan’olombelona ny toe-tsaina tsy tia an’Andriamanitra. Izany dia tsy vitan’ny hoe tsy fanajana ny lalàn’Andriamanitra fotsiny fa fihetsika manohitra an-karihary ny tenan’Andriamanitra mihitsya. Rehefa manohitra an-karihary an’Andriamanitra ny olona, ahoana no ahafahana manantena ny hitondrany amim-pahalemem-panahy ny mpiara-belona aminy? Talohan’ny nahaterahan’i Noa sahady, dia efa niely aoka izany io tsy fitiavana an’Andriamanitra io hany ka naniraka an’i Enoka haminany izay ho fiafaran’izany i Jehovah (Joda 14, 15). Tsy maintsy hitondra fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra ny fihaikan’izy ireo an’Andriamanitra.
6, 7. Toe-javatra inona nahatafiditra anjely moa no antony lehibe nahatonga ny toe-piainana hiharatsy hatrany talohan’ny Safodrano?
6 Nisy anton-javatra hafa koa nandray anjara tamin’ny fisian’ny herisetra tamin’izany andro izany. Mampitodika ny saina ho amin’izany ny Genesisy 6:1, 2 rehefa milaza hoe: “Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin’ny tany ka niteraka zazavavy maro, dia hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy.” Iza moa ireo zanak’ilay Andriamanitra marina ireo? Tsy olombelona tsotra fotsiny akory. Efa hatramin’ny taonjato maro ny lehilahy no nahamarika ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy sy nivady taminy. Anjely nitafy nofo ireny zanak’Andriamanitra ireny. Ao amin’ny Joda 6, izy ireo dia lazalazaina ho toy ny “anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany”. — Jereo 1 Petera 3:19, 20.
7 Rehefa nanana firaisana tamin’ny zanakavavin’olombelona ireny zavaboary mahery lavitra noho ny olombelona ireny izay naka vatana lehilahy, dia inona no vokany? “Ny Nefilima nitoetra tambonin’ny tany tamin’izany andro izany, sy taorian’izany koa, raha nivady tamin’ny zanakavavin’ny olombelona ny zanak’Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.” Eny, ny Nefilima no taranaka azo avy tamin’io firaisana tsy araka ny natiora io, dia lehilahy nahery izay nampiasa ny tanjaka ambony nananany mba hampahoriana ny hafa. — Genesisy 6:4.
8. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jehovah teo anatrehan’ny toe-javatra ratsy nanjaka teto an-tany?
8 Hatraiza anefa no naha-ratsy kokoa hatrany ny toe-javatra? Tonga hatramin’ny hoe “hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro”. Nanao ahoana ny fihetsik’Andriamanitra nanoloana izany? “Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony.” Tsy midika akory izany fa nahatsiaro ho nanao fahadisoana Andriamanitra rehefa namorona ny olombelona. Nanenina kosa izy satria rehefa avy noforoniny ny olombelona, dia ratsy aoka izany ny fitondrantenan’izy ireo ka voatery handringana azy izy. — Genesisy 6:5-7.
Izay mitondra ho amin’ny famonjena
9. a) Nahoana Andriamanitra no nifandray tsara tamin’i Noa? b) Fampahafantarana mialoha inona no nomen’Andriamanitra an’i Noa?
9 “Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’i Jehovah. (...) Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa”. (Genesisy 6:8, 9.) Noho izany, dia nomen’i Jehovah filazana mialoha i Noa fa handefa safodrano maneran-tany Izy ary natorony hevitra izy hanorina sambo fiara. Hofoanana tsy ho eto ambonin’ny tany ny taranak’olombelona iray manontolo afa-tsy i Noa sy ny fianakaviany ihany. Haringana koa na dia ny biby aza, afa-tsy santionany vitsivitsy avy amin’ny karazany lehibe tsirairay izay tokony ho nampidirin’i Noa tao anatin’ny sambo fiara ihany. — Genesisy 6:13, 14, 17.
10. a) Fiomanana inona no tsy maintsy natao ho fitsinjovana ny fiarovana, ary toy inona ny halehiben’ilay asa? b) Inona no mendrika homarihina raha ny amin’ny fomba nanatanterahan’i Noa ny anjara asany?
10 Nametraka andraikitra mavesatra teo amin’i Noa io fahalalan-javatra mialoha io. Tsy maintsy naorina ny sambo fiara. Tokony hatao sahala amin’ny vata makadiry, izay eo amin’ny 40 000 metatra toratelo eo ho eo ny totalin’ny hadiriny. Tokony ho nofenoin’i Noa sakafo izany ary avy eo dia nangoniny tao ny biby sy ny vorona, ‘dia ny nofo isan-karazany rehetra’, mba hotsimbinina ny ainy. Izany dia fikasana izay hitaky asa an-taonany maro. Nanao ahoana ny fihetsik’i Noa? “Dia nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” — Genesisy 6:14-16, 19-22; Hebreo 11:7.
11. Raha ny amin’ny ankohonany, andraikitra niankinan’ny aina inona no nipetraka teo an-tsorok’i Noa?
11 Eo am-panaovana izany asa izany, dia tokony hanokana fotoana mba hampiorenana ny fiainana ara-panahin’ny ankohonany koa i Noa. Nilain’izy ireo ny harovana mba tsy hanaraka ny fanao feno herisetra sy ny fihetsika manohitra an-karihary nasehon’ny olona nanodidina azy. Zava-dehibe ny tsy hahavariana azy loatra amin’ny raharaha eo amin’ny fiainana andavanandro. Nanana asa nampanaovina azy Andriamanitra, ary niankinan’ny aina ho azy ireo ny hanorenana ny fiainany manodidina izany. Fantatsika fa nanaiky ny toromarika nomeny sy nanaraka ny finoany ny fianakavian’i Noa, satria resahina ho toy ny olona nankasitrahana ao amin’ny Soratra masina i Noa sy ny vadiny ary ny zanany telo lahy sy ny vadin’ireo — olona valo amin’ny fitambarany. — Genesisy 6:18; 1 Petera 3:20.
12. Araka izay asehon’ny 2 Petera 2:5, andraikitra inona no notanterahin’i Noa tamim-pahatokiana?
12 Nanana andraikitra hafa koa i Noa — ny fampitandremana ny olona ny amin’ny Safodrano ho avy ary ny fampahafantarana ny antony hahatongavan’izany. Miharihary fa nanao tamim-pahatokiana an’io andraikitra io izy, satria lazaina ho “mpitory ny fahamarinana” izy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. — 2 Petera 2:5.
13. Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana no nanatontosan’i Noa ny anjara asa nomen’Andriamanitra azy?
13 Mba eritrereto kely ange izao ny toe-javatra nisy an’i Noa rehefa nanatanteraka io anjara asany io izy e. Mipetraha eo amin’ny toerany. Raha toa ianao ka i Noa, na ny iray tamin’ny fianakaviany, dia tsy maintsy ho voahodidin’ny herisetra nataon’ireo Nefilima sy ireo olona tsy tia an’Andriamanitra ianao. Ho niatrika mivantana ny fitaoman’ireo anjely nikomy ianao. Ho natao fanaraby ianao raha mbola niasa tamin’ny fanamboarana ny sambo fiara. Ary arakaraka ny fandehan’ireo taona, raha mbola ho nampitandrina ny amin’ny Safodrano ho avy ianao, dia ho nahita fa variana aoka izany amin’ny raharaha eo amin’ny fiainana andavanandro ny olona ka “tsy fantany” izay nitranga — “mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana azy rehetra”. — Matio 24:39; Lioka 17:26, 27.
Midika inona ho anao ny fanandraman-javatra hitan’i Noa?
14. Nahoana no tsy sarotra amintsika amin’izao andro izao ny mahatakatra ny toe-javatra natrehin’i Noa sy ny fianakaviany?
14 Tsy sarotra mihitsy ho an’ny ankamaroan’ny mpamaky ny maka sary an-tsaina ny toe-javatra toy izany. Nahoana? Satria ny toe-javatra ankehitriny dia tena mitovy amin’izay nanjaka tamin’ny andron’i Noa. Nilaza i Jesosy Kristy fa zavatra nampoizina izany. Tao amin’ilay faminaniana lehibe nataony mikasika ny fotoana fanatrehany mandritra ny faran’ny fandehan-javatra, dia nanambara mialoha i Jesosy hoe: “Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona.” — Matio 24:37.
15, 16. a) Hatraiza ny maha-marina ny filazana fa, toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia feno herisetra ny tany ankehitriny? b) Iharan’ny herisetra manokana inona moa ny mpanompon’i Jehovah?
15 Izany tokoa ve no nitranga? Moa ve feno herisetra ny tontolo ankehitriny? Eny! Olona maherin’ny zato tapitrisa no maty an’ady tao anatin’ity taonjato ity. Ny sasany amin’ny mpamaky dia nahatsapa mivantana ny vokatr’izany. Maro lavitra noho izany no norahonan’ny mpanao heloka bevava nikasa hangalatra ny volany na zava-tsarobidy hafa. Ary ny tanora dia misetra ny herisetra any an-tsekoly.
16 Ny mpanompon’i Jehovah anefa dia nahita zavatra be lavitra noho ny fandravana vokatry ny ady sy ny herisetra amin’ny ankapobeny. Iharan’ny herisetra koa izy ireo noho izy tsy naman’izao tontolo izao fa miezaka ny ho vahoaka mifikitra amin’Andriamanitra (2 Timoty 3:10-12). Indraindray dia maka endriky ny fanositosehana na fanomezana tehamaina fotsiny izany herisetra izany; amin’ny fotoana hafa, izany dia mitarika fandravana fananana, fikapohana amim-pahasahiana, ary famonoana ho faty mihitsy aza. — Matio 24:9.
17. Miely ve ny tsy fitiavana an’Andriamanitra ankehitriny? Hazavao.
17 Eo am-panaovana herisetra toy izany, ireo olona tsy tia an’Andriamanitra indraindray dia manambara amin’ny fomba tsy mifaditrovana ny fanamavoany an’Andriamanitra. Any amin’ny tany iray atsy Afrika, dia izao no nambaran’ny pôlisy: “Anay ny fanjakana. Mandehana mankany amin’Andriamanitra, raha misy izany, dia angataho izy ho tonga hanampy anareo.” Tany an-tranomaizina na tany amin’ny toby fitanana, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nifanehatra tamin’olona sahala amin’i Baranowsky, tany Sachsenhausen, any Alemaina, izay naneso nanao hoe: “Nanomboka ny ady amin’i Jehovah aho. Ho hitantsika izay mahery, izaho sa i Jehovah.” Fotoana fohy taorian’izay, dia narary i Baranowsky ary maty; misy hafa mbola maneho fihetsika mitovy amin’izany anefa. Tsy ireo mpanaram-po ofisialy amin’ny tafika masin’ny fanenjehana ihany akory no mampiseho ny fanoherany an-karihary an’Andriamanitra. Maneran-tany, ny mpanompon’Andriamanitra dia mandre sy mahita zavatra izay mampiharihary fa ireo izay manao izany dia tsy manana tahotra an’Andriamanitra ao am-pony.
18. Amin’ny ahoana no andraisan’ny fanahy ratsy anjara amin’ny fanakorontanana ny taranak’olombelona?
18 Amin’izao andro izay mitovy aoka izany amin’ny andron’i Noa izao, isika koa dia mahita maso ny fisalovanan’ny fanahy ratsy (Apokalypsy 12:7-9). Ireo anjely nitafy nofo ka nanambady vehivavy tamin’ny andron’i Noa ihany ireo demonia ireo. Rehefa tonga ny Safodrano, dia ringana ny vady aman-janany, fa ireo anjely tsy nankatò ireo kosa dia voatery niverina tany amin’ny faritra ara-panahy. Tsy nanan-toerana tao amin’ny fandaminana masin’i Jehovah intsony izy ireo fa nalefa any amin’ny “Tartare”, toeran’ny haizina matevina, tsy mahazo ny fahazavana avy amin’Andriamanitra (2 Petera 2:4, 5). Eo ambany fitarihan’i Satana, izy ireny dia manohy mitana fifandraisana akaiky amin’ny olombelona, ary, na dia tsy afaka mitafy nofo intsony aza izy, dia miezaka mifehy lehilahy, vehivavy, ary ankizy koa aza. Ny sasany amin’izany dia atao amin’ny alalan’ny asan’ny maizina. Manosika ny olombelona hifamono amin’ny fomba tsy hay saintsainina koa izy ireo. Tsy izany ihany anefa.
19. a) Amin’iza indrindra no iantefan’ny fankahalan’ireo demonia? b) Andraman’ny demonia terena hanao inona moa isika?
19 Ahariharin’ny Baiboly fa rafitra ady amin’ireo “izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy” ny demonia. (Apokalypsy 12:12, 17.) Ireo fanahy ratsy ireo no tompon’andraikitra lehibe indrindra amin’ny fanenjehana ny mpanompon’i Jehovah (Efesiana 6:10-13). Ampiasainy izay rehetra mety ho tratry ny saina mba hifehezana amin-kery na hitaomana ny olombelona mahatoky hiala amin’ny tsy fivadihany amin’i Jehovah sy hitsahatra tsy hitory ny Fanjakan’i Jehovah izay manana an’i Jesosy ho Mpanjaka mesianika.
20. Inona no ataon’ny demonia mba hanandramana hisakana ny olona tsy ho afaka amin’ny fifehezany (Jakoba 4:7)?
20 Miezaka ireo demonia hisakana ny olona maniry ho afaka amin’ny heriny mampahory. Mitantara ny mpanao spiritisma taloha iray tany Brezila fa rehefa nandondòna tao aminy ny Vavolombelona, dia nandidy azy ny feon’ny demonia mba tsy hamoha ny varavarana; nanao izany anefa izy ary nahafantatra ny fahamarinana. Any amin’ny toerana maro, dia mampiasa mivantana mpanao ody ratsy ireo demonia mba hanandramana hampijanonana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany amin’ny vohitra iray any Suriname, ohatra, ireo mpanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah dia nifandray tamina mpanao spiritisma malaza ho afaka mahatonga fahafatesan’olona tampoka amin’ny fanondroana azy ireny fotsiny amin’ny tehiny majika. Niaraka tamin’ireo mpandihy sy mpively amponga mpanotrona azy, ilay mpanao spiritisma netsehin’ny demonia, ka nifanatrika tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Nanonona teny majika izy ary nanondro azy ireo tamin’ny tehiny majika. Nantenain’ireo tambanivohitra fa hitsitra ho faty ireo Vavolombelona, kanefa ilay mpanao spiritisma no torana ka menamenatra ireo mpanohana azy nibata azy faingana.
21. Toy ny tamin’ny andron’i Noa, ahoana no fihetsiky ny ankamaroan’ny olona eo anoloan’ny fitoriana ataontsika, ary nahoana?
21 Na dia any amin’ireo faritra tsy anaovana an-karihary ny famosaviana sy ny asan’ny maizina aza, dia efa nandraman’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay ny hoe toy inona izany mitory amin’olona revo aoka izany amin’ny raharaha eo amin’ny fiainana andavanandro ka tsy maniry hohelingelenina. Sahala amin’ny tamin’ny andron’i Noa, ny ankamaroan’ny olona dia ‘tsy mahafantatra na inona na inona’. (Matio 24:37-39, MN.) Mety hidera ny firaisantsaintsika sy izay ataontsika ny sasany. Kanefa ny asa fanorenana ara-panahy ataontsika — anisan’izany ny ora lany amin’ny fianarana manokana, sy ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana, ary ny fitoriana — dia hadalana eo imasony. Maneso ny fatokiantsika ny fampanantenan’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo satria ny fiainany dia mifantoka amin’ny fananana ara-nofo sy fahafinaretan’ny nofo izay mety ho azony dieny izao.
22, 23. Amin’ny ahoana, ireo zava-nitranga tamin’ny andron’i Noa no manome antsika toky azo antoka fa Jehovah dia hanafaka amin’ny fitsapana ny olona mifikitra amin’Andriamanitra?
22 Moa ve ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika hiaritra mandrakizay ny fanaovana an-keriny avy amin’ireo tsy tia an’Andriamanitra? Tsy izany velively! Inona no nitranga tamin’ny andron’i Noa? Teo ambany fitarihan’Andriamanitra, dia niditra tao anatin’ny sambo fiara vita tanteraka i Noa sy ny fianakaviany. Avy eo, tamin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, dia “nipoitra ny loharano rehetra amin’ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ny lanitra”. Nitohy ny orambe mandra-pahadifotry ny rano na dia ny tendrombohitra aza (Genesisy 7:11, 17-20). Ireo anjely izay nandao ny fonenany dia voatery nanary ny vatan’olombelona nananany ary niverina tany amin’ny faritra ara-panahy. Ireo Nefilima mbamin’ny sisa tamin’izany tontolon’olombelona tsy tia an’Andriamanitra izany, anisan’izany ireo izay tsy rototra mihitsy tamin’ny fampitandremana nataon’i Noa, dia ringana. Tetsy an-danin’izany kosa, dia voavonjy i Noa sy ny vadiny mbamin’ireo zanany telo lahy sy ny vadin’izy ireo. Tamin’izany no namonjen’i Jehovah an’i Noa sy ny ankohonany tamin’ny fitsapana niaretany tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro aoka izany.
23 Hanao toy izany ve i Jehovah amin’ireo olona mifikitra amin’Andriamanitra amin’izao androntsika izao? Tsy misy isalasalana mihitsy ny amin’izany. Efa nampanantena izany izy, ary tsy hainy ny mandainga. — Titosy 1:2; 2 Petera 3:5-7.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Anomia dia manondro tsy fanajana, na fanoherana an-karihary ny lalàn’Andriamanitra; asébéia [anarana azo avy amin’ny teny nadika hoe ‘olona tsy tia an’Andriamanitra’] dia manondro fihetsika mitovy amin’izany amin’ny tenan’Andriamanitra.” — Rakibolana manazava ny teny ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao (anglisy) nataon’i Vine, boky faha-4, pejy faha-170.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no nanehoan’i Petera fa hain’i Jehovah ny manafaka amin’ny fitsapana ny olona mifikitra amin’Andriamanitra?
◻ Anton-javatra inona no nandray anjara tamin’ny fisian’ny herisetra tamin’ny andron’i Noa?
◻ Noho ny fiavian’ny Safodrano maneran-tany, inona no andraikitr’i Noa?
◻ Zavatra mifanitsy amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Noa inona no hitantsika amin’izao androntsika izao?
[Sary, pejy 12]
Nitaky asa mafy nandritra ny taona maro ny fanamboarana ny sambo fiara.
[Sary, pejy 13]
Nanokana fotoana mba hampitomboana ny fiainana ara-panahin’ny fianakaviany i Noa.