FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 25 p. 64-p. 65 feh. 6
  • Nangoraka An’ilay Boka i Jesosy ka Nanasitrana Azy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nangoraka An’ilay Boka i Jesosy ka Nanasitrana Azy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampisehoana fangoraham-po tamin’ny boka iray
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nangoraka ny boka iray i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Nanome Voninahitra An’Andriamanitra ny Boka Iray
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Habokana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 25 p. 64-p. 65 feh. 6
Nokasihin’i Jesosy ny boka iray nandohalika teo anatrehany

TOKO 25

Nangoraka An’ilay Boka i Jesosy ka Nanasitrana Azy

MATIO 8:1-4 MARKA 1:40-45 LIOKA 5:12-16

  • NANASITRANA BOKA IRAY I JESOSY

Niely be ny vaovao momba ny zava-mahagaga nataon’i Jesosy, tamin’izy sy ireo mpianany efatra nitory tany amin’ny “synagoga nanerana an’i Galilia manontolo.” (Marka 1:39) Tonga hatrany amin’ny tanàna iray nisy lehilahy boka izany vaovao izany. “Rakotry ny habokana” ilay lehilahy, hoy i Lioka dokotera. (Lioka 5:12) Manimba tsikelikely ny faritra samihafa amin’ny vatana io aretina io rehefa mitatra.

Nampalahelo be io boka io ary tsy maintsy nitoka-monina. Nila niantsoantso koa izy hoe: “Maloto e! Maloto e!” Amin’izay ny olona tsy hanatona azy akaiky loatra ka mety hifindran’ny aretiny. (Levitikosy 13:45, 46) Inona anefa no nataon’ilay boka? Nanatona an’i Jesosy izy, niankohoka teo anatrehany, ary nitalaho hoe: “Tompo ô, raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.”—Matio 8:2.

Tena nino an’i Jesosy ilay lehilahy! Tsy maintsy ho nampalahelo be ny nijery azy, noho ilay aretina. Ahoana no nataon’i Jesosy? Inona no ho nataonao raha ianao no teo? Nangoraka an’ilay lehilahy i Jesosy ka nanatsotra ny tanany sy nikasika azy, ary niteny hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” (Matio 8:3) Toa tsy nampino izay nitranga: Sitrana avy hatrany ilay boka.

Tianao ve raha manana mpanjaka mahay mangoraka sy mahavita zavatra toa an’i Jesosy ianao? Manome toky antsika ny fomba nanasitranany an’ilay boka fa ho tanteraka ity faminaniana ity, rehefa ho Mpanjakan’ny tany manontolo izy: “Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra.” (Salamo 72:13) Hotanterahin’i Jesosy amin’izay ny faniriany hanampy an’ireo rehetra mijaly.

Tadidinao ve fa tena nahafaly ny olona ny fanompoan’i Jesosy, na dia talohan’ny nanasitranany an’io boka io aza? Handre momba an’io fahagagana io koa izao ny olona. Tsy tian’i Jesosy hino azy noho ny zavatra reny fotsiny anefa ny olona. Fantany ilay faminaniana hoe “tsy hataony re eny an-dalana ny feony”, izany hoe tsy hampitolagaga. (Isaia 42:1, 2) Hoy àry izy tamin’ilay lehilahy nositraniny: “Tandremo sao milazalaza amin’olona, fa mandehana miseho any amin’ny mpisorona, ka atolory ny fanomezana nandidian’i Mosesy.”—Matio 8:4.

Azonao an-tsaina angamba anefa hoe faly loatra ilay lehilahy sitrana ka tsy nahatam-bava. Lasa izy ary nampiely an’ilay vaovao tetsy sy teroa. Vao mainka àry ny olona te hahalala an’izay nitranga. Lasa tsy afaka nipoipoitra tao an-tanàna i Jesosy tamin’ny farany, ka nijanona kelikely tany amin’ny toerana mitokana. Tonga tany aminy ihany anefa ny olona avy any amin’ny faritra rehetra, mba hampianariny sy hositraniny.

  • Inona no vokatry ny habokana eo amin’ny olona iray, ary inona no tsy maintsy nataon’ny olona boka?

  • Inona no nangatahin’ilay boka tamin’i Jesosy? Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Jesosy taminy?

  • Inona no nataon’ilay boka rehefa avy nositranin’i Jesosy izy ary inona no vokatr’izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara