Tahotra — Fahita Ankehitriny fa Tsy ho Mandrakizay!
TSY gaga ireo mpianatra ny Tenin’Andriamanitra raha fahita aoka izany ny tahotra. Araka ny efa nambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ho fantatry ny besinimaro tamin’ny fomba niitatra teo amin’ny fanompoany, dia misy porofo tondraka mampiseho fa isika dia miaina amin’ny fotoana voamarika iray eo amin’ny tantaran’ny olombelona. Fantatrao fa izy io dia voamariky ny fielezan’ny tahotra. Kanefa, efa ela be izay, i Jesosy dia nanamarika, na nanondro, ny fotoana misy antsika. Novaliany ny fanontanian’ireo apostoly momba ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra, na “ny faran’izao tontolo izao”. — Matio 24:3, NW.
Indro ny tapany amin’izay nolazain’i Jesosy mialoha:
“Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.” — Lioka 21:10, 11.
Nomarihinao ve ny fanazavany momba ny “zava-mahatahotra”? Taoriana kokoa, tao amin’io valin-teny io ihany, i Jesosy dia nanao fanamarihana hafa nisy heviny, momba ny tahotra izay mety hahavoakasika mivantana sy amin’ny fomba hentitra, ny tenanao sy ireo olon-tianao. Kanefa, alohan’ny hanisiantsika fiheverana ny amin’izany, dia aoka isika handinika indray fohifohy ny porofo fanampiny sasany mampiseho fa miaina amin’ny andro farany isika. — 2 Timoty 3:1, NW.
Tahotra voamarina momba ny ady
Namela tapany maro amin’ny tany ho rava ireo ady ara-tafika. Ohatra, ny gazetiboky Geo dia niantso ireo tobin-tsolitany izay navela hirehitra tamin’ny faran’ny ady vao haingana tany Moyen-Orient hoe “ilay loza lehibe indrindra nataon’ny tanan’olombelona tamin’ny tontolo iainana”. Namono na nahatonga ho kilemaina olona am-polo tapitrisany maro ireo ady. Ankoatra ny fahafatesan’ireo miaramila sy sivily an-tapitrisany maro tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nisy 55 tapitrisa maty tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Tsarovy fa ho toy ny tapany tamin’ny famantarana fa akaiky ny faran’izao tontolo izao, no nilazan’i Jesosy fa “hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana”.
Tsy azontsika odian-tsy hita koa ireo fanandraman’ny olona namono an-kitsirano antokon’olona — fandripahana foko na vahoaka manontolo. Ny fahafatesan’ireo Armeniana, Kambodjiana, Jiosy, Rwandais sy Ukrainiens ary ny hafa an-tapitrisany maro, dia nanampy ny trosan-dra mahazendana, mitambesatra amin’ny olombelona mandritra ny taonjato faha-20. Mitohy ny fandripahana olona any amin’ireo tany izay ampirisihan’ireo mirehitra tafahoatra amin’ny fivavahana, ny fankahalana ara-poko. Eny, mbola mamonto ny tany amin’ny ran’olombelona ireo ady.
Mampitondra faisana olona maro ireo ady maoderina, na dia aorian’ny fifaranan’ny fifamelezana aza. Ohatra, hevero ny fampielezana vanja nalevina tetsy sy teroa tsy nisy ankanavaka. Araka ny tatitra iray nataon’ilay fikambanana mpikaroka hoe Human Rights Watch, dia “misy vanja milevina 100 tapitrisa eo ho eo maneran-tany, mandrahona ireo sivily”. Mbola mampidi-doza foana an’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy manan-tsiny ny vanja milevina toy izany, fotoana ela aorian’ny nifaranan’ilay ady izay nampiasana azy ireny. Voalaza fa isam-bolana, dia olona an’arivony maro no manjary kilemaina, na maty noho ireo vanja milevina, any amin’ny tany maherin’ny 60. Nahoana no tsy esorina amin’ny fomba voalamina ireny vanja milevina mety hiteraka fahafatesana na ratra lehibe ireny? Nanao izao fanamarihana izao ny New York Times: “Maro lavitra noho ireo vanja atao maty fahana amin’ny alalan’ny asa fanesorana azy ireny ireo vanja alevina isan’andro, koa mitombo hatrany ny isan’ny aina afoy.”
Io lahatsoratra an-gazety tamin’ny 1993 io dia nanao tatitra fa nanjary fandraharahana iray “mampidi-bola hatramin’ny 200 tapitrisa [dolara] isan-taona”, ny fivarotana ireny vanja ireny. Izy io dia mahatafiditra “kompania sy masoivohom-panjakana 100 eo ho eo any amin’ny tany 48” izay “nanondrana karazana [vanja] 340 samy hafa”. Araka ny fomban’ny Devoly, dia atao mitovy endrika amin’ny kilalao ny vanja sasany, mba hahatonga azy ireny hanintona ny ankizy! Mba hevero ange izany e, fanaovana lasibatra amim-piniavana ireo zaza tsy manan-tsiny mba ho kilemaina sy ho faty! Ny lahatsoratra an-gazety iray nitondra ny lohateny hoe “Baomba Fandrika 100 Tapitrisa” dia nilaza fa ireo vanja dia “namono na nahatonga ho kilemaina olona maro kokoa, noho ireo ady simika sy biolojika ary niokleary”.
Kanefa, tsy ireo vanja milevina ihany akory no hany entam-barotra mahafaty amidy eny amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manao fandraharahana mitentina an’arivo tapitrisany dolara maro ireo mpivarotra fitaovam-piadiana feno fierenana, maneran-tany. Manao tatitra toy izao ny The Defense Monitor, avoakan’ny Foibe ho An’ny Filan-kevitra Momba ny Fiarovana: “Nandritra ny folo taona farany, dia nanondrana fitaovam-piadiana nitentina 135 000 tapitrisa [dolara, ny firenena lehibe iray].” Io firenena matanjaka io koa dia “nanome lalana ny hivarotana fitaovam-piadiana sy fanorenana ara-tafika ary fiofanana ara-tafika manana tokom-bidiny mahazendana 63 000 tapitrisa dolara, tamin’ny firenena 142”. Afafy àry ireo voa ho amin’ny ady sy ny fijalian’olombelona ho avy. Araka ny The Defense Monitor, tamin’ny “1990 fotsiny, ireo ady dia nitana olona 5 tapitrisa nampiofanina mba hampiasa fitaovana hamelezana amin’ny ady, nandaniana vola nihoatra ny 50 000 tapitrisa [dolara], sy namono olona ampahefatra tapitrisa ka ny ankamaroan’izy ireo dia sivily”. Azo antoka fa ao an-tsainao ireo ady maro izay namely mafy nanomboka tamin’io taona io ka niteraka tahotra sy fahafatesana tamin’olona an-tapitrisany maro fanampiny!
Fanimbana bebe kokoa ny tany sy ny fiainana eo aminy
Mampitandrina toy izao ny Profesora Barry Commoner: “Inoako fa izao fandotoana mitohy atao amin’ny tany izao, raha tsy sakanana, amin’ny farany dia hanimba ny maha-toerana sahaza ho an’ny fiainan’olombelona an’itỳ planeta itỳ.” Manohy ny teniny izy amin’ny filazana fa ny zava-manahirana dia tsy ny tsy fahalalana, fa ny fierenana amim-piniavana. Heverinao ve fa ilay Andriamanitsika tia ny rariny sady be fitiavana dia handefitra tsy hisy farany amin’io tarehin-javatra io, ka hamela antsika ho azon’ny tahotra ny fandotoana mitombo? Ny fandotoana ny tany dia mitaky ny hanaovana ampamoaka ireo mpandoto, ary avy eo dia ny hamerenan’Andriamanitra ny planeta ho amin’ny toetrany taloha. Izany dia tapany tamin’izay novoaboasan’i Jesosy tao amin’ny valin-teniny ho an’ireo apostoly mahakasika “ny faran’izao tontolo izao”.
Alohan’ny handinihantsika ny fomba hanatanterahan’Andriamanitra an’io ampamoaka io, dia aoka hodinihintsika bebe kokoa ny fitantarana ny amin’ny olombelona. Na dia ny lisitra tsy feno mampiseho ny fanazimbazimbana ataon’ny olombelona aza dia mampalahelo: orana asidra sy fikapana hazo amim-pierenana izay mandripaka ala manontolo; fanariana tsy amim-pitandremana ireo faikan-javatra niokleary sy zavatra simika misy poizina ary rano maloto tsy voasivana; fampihenana ny herin’ny sosona ozone mpiaro; sy fampiasana tsy amim-pitandremana ireo fanafody tsy mampaniry ahidratsy sy ireo fanafody famonoana bibikely.
Mandoto ny tany amin’ny fomba hafa koa mba hahazoana tombony ireo kompania ara-barotra. Vokatra tsy ilaina an-taoniny maro no ariana isan’andro any anatin’ireo renirano sy oseana sy eny amin’ny rivotra ary any anaty tany. Manaparitaka fakofakon’ireo fitaovana avy nampiasainy eny amin’ny habakabaka ireo mpahay siansa, tsy mitsimpona ny loto navelany izy ireo, raha azo atao ny milaza izany. Vetivety dia manjary voahodidin’ny antontam-pako mihodinkondina manodidina azy ny tany. Raha tsy noho ireo fiasan-javatra voajanahary nataon’Andriamanitra mba hahafahan’ny tany hihavao amin’ny tenany ihany, dia tsy ho nanome fototra ho an’ny fisian’ny fiainana itỳ tany fonenantsika itỳ, ary azo inoana fa ho efa maty sempotra tao anatin’ny fakony ihany, hatramin’ny ela, ny olona.
Mandoto na dia ny tenany mihitsy koa aza ny olona. Raiso, ohatra, ny sigara sy ny paraky ary ny fidorohana amin’ny zava-mahadomelina hafa. Any Etazonia, ny fidorohana amin-javatra toy ireny dia nantsoina hoe “zava-manahirana ara-pahasalamana voalohany, an’ilay firenena”. Andanian’io tany io 238 000 tapitrisa dolara isan-taona izany, ka ny 34 000 tapitrisa dolara amin’io dia lanina amin’ny “fikarakarana ara-pahasalamana tsy tena ilaina [izany hoe azo sorohina]”. Ohatrinona no heverinao fa vola sy aina naloa ho vidin’ny sigara sy paraky ao amin’ny tany misy anao?
Ireo fomba fiaina milefitra loatra sy mibirioka, izay antitranterin’ny maro ho toy ny zo, dia nanome vokatra mahatahotra, dia ireo aretina mahafaty azo avy amin’ny firaisana, ary mitondra olona maro any am-pasana aloha be. Voamarika fa ireo tsanganana misy filazana manjo ao amin’ireo gazety ao amin’ny tanàn-dehibe, dia mampiseho ankehitriny, fitomboan’isa eo amin’ireo olona maty eo amin’ny faha-30 sy faha-40 taonany. Nahoana? Satria tsy namela mahazo ny vokatr’ireo fahazarana manimba nananan’izy ireo. Mifanaraka tsara koa amin’ny faminanian’i Jesosy ny fitomboana mahatsiravina toy izany eo amin’ny aretina eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny aretina hafa, satria nilaza izy fa hisy ‘areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa’.
Ny fandotoana ratsy indrindra anefa, dia ny an’ny sain’ny olombelona sy ny toe-tsainy, na ny fihetsiny. Raha dinihinao indray ireo endrika fandotoana rehetra nasiantsika firesahana hatramin’izao, moa ve tsy marina fa ny ankamaroan’izy ireo dia vokatry ny saina voaloto? Diniho ny fikorontanana lehibe ateraky ireo saina marary ka miseho amin’ny endriky ny vonoana olona, ny fisavihana, ny fandrobana sy ireo karazana herisetra hafa ifamelezan’ny olona. Maro no manaiky koa, fa ireo fanalana zaza an-tapitrisany maro atao isan-taona, dia famantarana fandotoana ara-tsaina sy ara-panahy.
Mahita zavatra betsaka isika eo amin’ny fihetsiky ny tanora. Ny tsy fanajana ray aman-dreny sy ny fahefana hafa dia mandray anjara amin’ny faharavan’ny fianakaviana sy ny tsy firaharahana lalàna sy filaminana. Mifandray mivantana amin’ny tsy fananan’ny tanora fiainana ara-panahy, io tsy fananana tahotra mahasoa ny fahefana io. Noho izany, dia mivesatra heloka lehibe ireo izay mampianatra ny fivoarana miandalana sy ny tsy finoana an’Andriamanitra ary ireo teoria hafa mandrava finoana. Meloka koa ireo mpampianatra ara-pivavahana maro izay, noho ny ezaka ataony mba hanekena azy ireo ho maoderina sy “araka ny tokony ho izy”, dia ninia tsy niraharaha ny Tenin’Andriamanitra. Izy ireo sy ny hafa izay vonton’ny fahendren’izao tontolo izao dia mampianatra filozofian’olombelona mifanipaka.
Miharihary ny vokany amin’izao andro izao. Tsy atosiky ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy ny olona, fa atosiky ny fierenana sy ny fankahalana. Ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny herisetra ary ny tsy fananana fanantenana miely patrana no vokany ratsy. Mampalahelo fa izany dia mahatonga ny olona manao ny marina hanana tahotra, anisan’izany ny tahotra sao handringana ny tenany sy ny planeta ny olona.
Hiharatsy sa hihatsara ny tarehin-javatra?
Inona no tahirizin’ny hoavy efa akaiky raha ny amin’ny tahotra? Hitombo hatrany ve ny tahotra, sa ho resy izy io? Aoka homarihintsika indray izay nolazain’i Jesosy tamin’ireo apostoliny.
Nanondro zavatra iray izay hitranga amin’ny hoavy efa akaiky izy — fahoriana lehibe. Ireto no teniny: “Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina. Ary amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy.” — Matio 24:29, 30.
Koa afaka manantena isika fa hanomboka tsy ho ela ny fahoriana lehibe. Milaza ny faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly fa ny tapany voalohany amin’izy io, dia ho famaliana ny ratsy nataon’ny fivavahan-diso manerana ny bolan-tany. Avy eo, dia ho tonga ireo fisehoan-javatra manaitra vao notononina teo, anisan’izany ireo zava-mitranga isan-karazany eny amin’ny lanitra. Inona no ho fiantraikan’izany eo amin’ny olona an-tapitrisany maro?
Diniho ny fitantarana iray mitovy amin’izany, ny amin’ny valin-tenin’i Jesosy izay ahitantsika fanazavana ara-paminaniana miitatra, manao hoe:
“Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina.” — Lioka 21:25, 26.
Izany no miandry antsika. Kanefa tsy ny olombelona rehetra akory amin’izay no hatahotra toy izany, ka hanjary ho reraka. Mifanohitra amin’izany kosa fa hoy i Jesosy: “Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” — Lioka 21:28.
Nataony ho an’ireo mpanara-dia azy marina ireo teny mampahery ireo. Tsy ho reraka, na halemy noho ny tahotra izy ireo, fa hanana antony hanandratana ny lohany tsy amin-tahotra kosa, na dia ho fantany aza fa mananontanona ny fara herin’ny fahoriana lehibe. Nahoana no tsy hatahotra?
Satria milaza mazava ny Baiboly fa hisy ho tafita velona amin’io “fahoriana lehibe” haneran-tany io. (Apokalypsy 7:14). Ilay fitantarana izay mampanantena an’izany dia milaza fa raha anisan’ireo tafita velona isika, dia ho afaka hifaly amin’ireo fitahiana tsy manam-paharoa avy amin’ny tanan’Andriamanitra. Mifarana izy io amin’ny fanomezan-toky fa i Jesosy no “ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony”. — Apokalypsy 7:16, 17.
Ireo — ary afaka ny ho anisan’izany isika — izay hifaly amin’ny fitahiana toy izany dia tsy hanana ilay tahotra mamely ny olona amin’izao andro izao. Kanefa izany akory tsy midika fa tsy hanana tahotra mihitsy izy ireo, satria ny Baiboly dia mampiseho fa misy tahotra tsara sady mahasoa. Ny lahatsoratra manaraka dia handinika ny amin’ny hoe inona izy io, sy ny hoe amin’ny ahoana izy io no tokony hahakasika antsika.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
Fandotoana: Sary: Godo-Foto; bala afomanga: U.S. Army photo; hazo mirehitra: Richard Bierregaard, Smithsonian Institution
[Sary, pejy 8]
Miandry amim-pifaliana ny tontolo vaovao efa antomotra, ireo mpivavaka amin’i Jehovah