FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/10 p. 21
  • Mosary Nambara Mialoha

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mosary Nambara Mialoha
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny mosary—Inona no hevitr’izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ampio ‘Hanompo An’i Jehovah Amim-pifaliana’ Ireo Vahiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Mosary
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • An-tapitrisany ny Mpitsoa-ponenana avy any Ukraine
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/10 p. 21

Mosary Nambara Mialoha

TAO anatin’ireo taona faramparany, dia nanjary fahita tamin’ny fomba nampivarahontsana tao amin’ireo fampahalalam-baovao eo amin’izao tontolo izao ny fandrahonan’ny mosary. Misy sary tsy afaka ao an-tsaina momba ny fijaliana, tonga avy any Etiopia sy avy any amin’ny faritra hafa. Tamin’ny 1992, ny sain’izao tontolo izao dia nifantoka tamin’ireo maty mosary nampahonena tany Somalia, vokatry ny hain-tany sy ny ady. Nitatitra toy izao ny International Herald Tribune tamin’ny Septambra 1992: “Tsy misy mahalala hoe Somalianina firy no maty, fa ny Vokovoko Mena no nanome tarehimarika mihoatra ny 100 000. An-jatony maro, raha tsy an’arivony maro aza, no maty isan’andro.”

Tsy tena mampahafantatra ny amin’ny fahoriana sy ny fangirifirian’ireo olona voakasik’izany ireo tarehimarika. Nanoratra toy izao tao amin’ny gazetiboky Refugees an’ny Firenena Mikambana i Yvette Pierpaoli, solontena eoropeana ao amin’ny Mpitsoa-ponenana Iraisam-pirenena: “Na any New York na any Genève, dia mipoitra tsy misy olakolaka tanteraka ny raharaha momba ny mpitsoa-ponenana; misy tarehimarika tononina ary tsy hay saintsainina intsony ny fitohitohizana zero miaraka aminy. An’arivony kilaometatra maro avy eo anefa, any amin’ny sisin-tanin’ireo firenena manao fanjakan’Ibaroa, dia ankona ianao ary ny haben’ny fahoriana dia mahatonga anao haniry hikiakiaka.”

Na dia milaza aza ny Vokovoko Mena fa mampiseho ny fandaharam-panampiana lehibe indrindra sahaniny ireo ezaka ataony hanampiana an’i Somalia, dia mpandinika maro be no mitaraina fa izay miseho amin’ny ankapobeny dia anisan’ny fanampiana kely loatra sy diso aoriana loatra. Mitaraina toy izao i Pierpaoli: “Tsy marisika intsony ireo firenena mpanome fa vizana ny manampy Afrika iray mizarazara. (...) Manome tsiny ny Afrikana izy ireo noho ny tsy fahaizany mitantana sy ny faniriana mihoa-pampan’ireo mpitondra ao aminy ary ireo ady toa tsy misy farany eo aminy.”

Ny Baiboly dia nanambara mialoha fotoana iray izay hisian’ny tsy fahampian-tsakafo “any amin’ny tany samy hafa”. Izany tsy fahampian-tsakafo izany, miaraka amin’ny fitrangan-javatra maro hafa, toy ny ady, ny horohoron-tany, sy ny areti-mandringana, dia milaza fa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lioka 21:11, 31). Asehon’ny Baiboly koa fa eo ambanin’io Fanjakan’Andriamanitra mpanao soa io, dia hisy sakafo tondraka ho an’ny taranak’olombelona rehetra. “Hahavoka-bary betsaka ny tany”, hoy ny nosoratan’ny mpanao salamo, “na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. — Salamo 72:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara