FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao”?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Febroary
    • 16. Manampy lafiny inona amin’ny faminanian’i Jesosy ny Lioka 21:24, ary inona no hevitr’izany?

      16 Raha mampitaha ny Matio 24:15-28 sy ny Marka 13:14-23 amin’ny Lioka 21:20-24 isika, dia hahita filazana faharoa fa ny faminanian’i Jesosy dia nahatratra hatratỳ ambadiky ny fandravana an’i Jerosalema. Tsarovy fa i Lioka irery no nanonona ireo areti-mandringana. Toy izany koa fa izy irery no namarana io tapany io tamin’ny tenin’i Jesosy hoe: “Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa.”e (Lioka 21:24). Nanaisotra ny mpanjaka farany teo amin’ny Jiosy ny Babyloniana tamin’ny taona 607 al.f.i., ary taorian’izay, i Jerosalema, izay nampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra, dia nohitsahina. (2 Mpanjaka 25:1-26; 1 Tantara 29:23; Ezekiela 21:30-32). Ao amin’ny Lioka 21:24, i Jesosy dia nilaza fa ilay tarehin-javatra dia haharitra hatrany amin’ny hoavy mandra-pahatongan’ny fotoana hanorenan’Andriamanitra Fanjakana iray indray.

  • “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao”?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Febroary
    • e Olona maro no mahita ao amin’ny fitantaran’i Lioka, fifindran’ny zavatra nantitranterina aorian’ny Lioka 21:24. Ny Dr. Leon Morris dia nanamarika toy izao: “Manohy miresaka ny amin’ny andron’ny Jentilisa i Jesosy. (...) Araka ny hevitry ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana dia mifindra mankamin’ny fiavian’ny Zanak’olona izao ny saina.” Nanoratra toy izao ny Profesora R. Ginns: “Ny Fiavian’ny Zanak’olona — (Mt. 24:29-31; Mk. 13:24-27). Ny fanisiana fitenenana ny amin’ny ‘andron’ny Jentilisa’ dia manome fampidiran-dresaka ho amin’io loha hevitra io; ny fahatsinjovana [ny an’i Lioka] izao dia lasa any ankoatra ny faharavan’i Jerosalema mankany amin’ny hoavy.”

  • “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao”?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Febroary
    • Hoy ny fanazavana navoakan’i J. R. Dummelow: “Maro amin’ireo zava-manahirana lehibe indrindra amin’itỳ lahatsoratra lehibe itỳ no manjavona rehefa takatra fa, ao amin’izy io, ny Tompontsika dia tsy nanisy fitenenana ny amin’ny fisehoan-javatra iray fa roa, ary ny voalohany dia tandindon’ilay faharoa. (...) [Ny Lioka] 21:24 indrindra, izay miresaka ny amin’ny ‘andron’ny Jentilisa’, (...) dia mametraka elanelany tsy voafetra eo amin’ny fianjeran’i Jerosalema sy ny faran’izao tontolo izao.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara