FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 52 p. 128-p. 129 feh. 7
  • Namahana Olona An’arivony Tamin’ny Mofo sy Trondro Vitsivitsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Namahana Olona An’arivony Tamin’ny Mofo sy Trondro Vitsivitsy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Namahana olona an’arivony maro tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Namahana tamin’ny fomba mahagaga olona an’arivony maro i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Nanome Sakafo Olona An’arivony i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Namahana Olona Maro i Jesosy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 52 p. 128-p. 129 feh. 7
Notapahin’i Jesosy ny mofo dimy sy trondro roa ary nasainy nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka

TOKO 52

Namahana Olona An’arivony Tamin’ny Mofo sy Trondro Vitsivitsy

MATIO 14:13-21 MARKA 6:30-44 LIOKA 9:10-17 JAONA 6:1-13

  • NANOME SAKAFO LEHILAHY 5 000 I JESOSY

Nahafaly an’ireo apostoly 12 ny nitory eran’i Galilia, ary notantarainy tamin’i Jesosy “izay rehetra nataon’izy ireo sy nampianariny.” Reraka izy ireo avy any. Maro anefa no nivezivezy teo aminy, ka tsy nanam-potoana hisakafoanana akory izy ireo. Hoy àry i Jesosy: “Andao hitokana any amin’ny toerana mangina, dia mialà sasatra kely.”—Marka 6:30, 31.

Nandray sambokely izy ireo, angamba tany akaikin’i Kapernaomy, ary nankany amin’ny toerana mangina tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, lavidavitra an’i Betsaida. Maro anefa no nahita azy ireo niainga ary maro koa no nahalala izany. Nihazakazaka nanaraka ny moron-drano izy ireny ka tonga talohan’ilay sambokely.

Nidina ny sambokely i Jesosy ary nahita an’ilay vahoaka. Nangoraka azy ireo izy satria toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo. Nanomboka “nampianatra azy zavatra maro” momba an’ilay Fanjakana àry izy. (Marka 6:34) Nositraniny koa izay “nila fanasitranana.” (Lioka 9:11) Hoy ny mpianany rehefa nandeha ny fotoana: “Mitokana ity toerana ity, ary efa hariva sahady ny andro. Koa ravao ny vahoaka mba handehanany eny an-tanàna hividy zavatra hohanina.”—Matio 14:15.

Hoy anefa i Jesosy: “Tsy voatery handeha izy, fa omeo zavatra hohanina.” (Matio 14:16) Efa fantatr’i Jesosy izay hataony, nefa te hitsapa an’i Filipo izy ka nanontany azy hoe: “Aiza isika no hividy mofo hohanin’ireto?” Avy tao Betsaida teo akaiky teo i Filipo ka nety tsara raha izy no nanontaniana. Tsy ho voavaha anefa ny olana na hividy mofo aza. Lehilahy 5 000 teo ho eo mantsy no teo. Mety ho indroan’izany aza ny isan’ny olona raha nisaina ny zaza amam-behivavy. Hoy àry i Filipo: “Na mofo azon’ny denaria roanjato aza tsy ampy hahazoan’ny tsirairay sombiny kely avy.” (Jaona 6:5-7) Karama iray andro ny denaria iray.

I Jesosy miresaka amin’ilay ankizilahy manana mofo dimy sy trondro madinika roa

Tian’i Andrea haseho angamba fa tsy ho vita ny hanome sakafo an’ilay vahoaka, ka hoy izy: “Intỳ misy zazalahikely manana mofo dimy sy trondro madinika roa. Saingy inona no ho vitan’izany ho an’ireto vahoaka maro be ireto?”—Jaona 6:9.

Taloha kelin’ny Paska taona 32 tamin’izay ary lohataona, ka rakotra ahi-maitso ilay havoana. Nirahin’i Jesosy ny mpianany hilaza tamin’ny olona mba hizarazara ho 50 sy 100, ary handry ilika. Noraisiny ny mofo dimy sy trondro roa ary nisaotra an’Andriamanitra izy. Notapahiny ireo mofo ary nasainy nozarain’ny mpianany niaraka tamin’ny trondro. Nahagaga fa nihinana ny rehetra ka voky.

Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy taorian’izay hoe: “Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany mba tsy hisy ho verivery fotsiny.” (Jaona 6:12) Nahafeno harona 12 ny ambiny rehefa voangona.

  • Nahoana i Jesosy no nitady toerana mitokana ho an’ny apostoliny?

  • Nankaiza i Jesosy sy ny mpianany, ary inona no nitranga rehefa tonga tany izy ireo?

  • Inona no nasain’ireo mpianatra nataon’i Jesosy, nefa ahoana no nikarakaran’i Jesosy an’ilay vahoaka?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara