FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 93
  • Nofo Aman-dra sa Fanahy i Jesosy Rehefa avy Natsangana Tamin’ny Maty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nofo Aman-dra sa Fanahy i Jesosy Rehefa avy Natsangana Tamin’ny Maty?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Ny fiverenan’i Kristy — amin’ny heviny ahoana izany no hoe hita maso?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Nofo, Hena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fitsanganana Amin’ny Maty
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Manan-kery ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 93
I Jesosy avy natsangana tamin’ny maty, mitafy vatan’olombelona ary miseho amin’ny apostoly Tomasy sy ny mpianatra hafa. Misy an’ilay ratra namantsihana azy eo amin’ny tanany

Nofo Aman-dra sa Fanahy i Jesosy Rehefa avy Natsangana Tamin’ny Maty?

Valiny ara-baiboly

Milaza ny Baiboly fa ‘nofo i Kristy rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina [natsangana tamin’ny maty].’—1 Petera 3:18; Asan’ny Apostoly 13:34; 1 Korintianina 15:45; 2 Korintianina 5:16.

Ny tenin’i Jesosy mihitsy no manaporofo fa tsy ho nofo aman-dra intsony izy rehefa hitsangana amin’ny maty. Nilaza izy fa ‘hanome ny nofony ho fiainan’izao tontolo izao’, izany hoe ho vidim-panavotana ho an’ny olombelona. (Jaona 6:51; Matio 20:28) Tsy ho nanan-kery ilay sorom-panavotana nataony raha mbola naverina ho nofo aman-dra izy rehefa natsangana tamin’ny maty. Tsy naverina taminy ny vatany, satria ny Baiboly mihitsy no milaza hoe nanao sorona ny nofony sy ny rany “indray mandeha monja” izy.—Hebreo 9:11, 12.

Nahoana ny mpianany no afaka nahita azy raha fanahy toy ny anjely izy rehefa natsangana?

  • Afaka mitafy vatan’olombelona ny anjely. Nisy anjely nanao an’izany, ohatra, fahiny, ary afaka niara-nihinana sy nisotro tamin’ny olona mihitsy aza izy ireny. (Genesisy 18:1-8; 19:1-3) Mbola anjely ihany anefa izy ireny ary afaka niala tetỳ an-tany.—Mpitsara 13:15-21.

  • Nitafy vatan’olombelona koa i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, toy ny nataon’ireo anjely fahiny. Fanahy anefa izy ka afaka nipoitra tampoka ary vetivety dia afaka nanjavona. (Lioka 24:31; Jaona 20:19, 26) Niova foana ny vatany isaky ny niseho izy, fa tsy nitovy tamin’ny teo aloha. Tsy nahalala azy àry indraindray na dia ny namany akaiky aza, raha tsy efa niteny na nanao zavatra izy.—Lioka 24:30, 31, 35; Jaona 20:14-16; 21:6, 7.

  • Nitafy vatana nisy an’ilay ratra namantsihana azy i Jesosy rehefa niseho tamin’ny apostoly Tomasy. Te hanatanjaka ny finoan’i Tomasy mantsy izy, satria i Tomasy tsy tena nino hoe nitsangana tokoa izy.—Jaona 20:24-29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara