FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/4 p. 8-13
  • Tena Fiadanana — Avy Aiza no Loharanony?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Fiadanana — Avy Aiza no Loharanony?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ezak’olombelona nandamòka
  • Fahitana ny antony fototra
  • Ny lalana mankamin’ny fiadanana
  • Aoka “ny fiadanan’Andriamanitra” hiaro ny fonareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ny fiadanan’Andriamanitra ho an’ireo izay ampianarin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Iza no hitarika ny taranak’olombelona ho amin’ny fiadanana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Afaka mandray soa amin’ny fomba feno kokoa amin’ny fiadanan’Andriamanitra ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/4 p. 8-13

Tena Fiadanana — Avy Aiza no Loharanony?

“Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany [i Jehovah]”. — SALAMO 46:9.

1. Fampanantenana fiadanana mahatalanjona inona no hitantsika ao amin’ny faminanian’i Isaia?

“NY ASAN’NY fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay; ary ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po”. (Isaia 32:17, 18). Fampanantenana kanto re izany! Izy io dia fampanantenana tena fiadanana hotanterahin’Andriamanitra.

2, 3. Lazalazao ny atao hoe tena fiadanana.

2 Inona anefa no atao hoe tena fiadanana? Moa ve izy io ny tsy fisian’ny ady fotsiny? Sa izy io fe-potoana iomanan’ireo firenena ho amin’ny ady manaraka fotsiny? Nofinofy fotsiny ve ny tena fiadanana? Fanontaniana ilantsika valiny azo ianteherana ireo. Voalohany, dia mihoatra lavitra noho ny nofinofy ny tena fiadanana. Ilay fiadanana ampanantenain’Andriamanitra dia lasa lavitra noho izay rehetra azon’itỳ tontolo itỳ alaina sary an-tsaina. (Isaia 64:3). Tsy fiadanana mandritra ny taona vitsivitsy, na ny am-polony taona vitsivitsy akory izy io. Haharitra mandrakizay izy io! Ary tsy fiadanana ho an’ny olom-bitsy nambinina fotsiny akory izy io — fa hahafaoka ny lanitra sy ny tany, ny anjely sy ny olombelona. Mahatratra ny olona avy amin’ny firenena sy ny foko sy ny fiteny ary ny volon-koditra rehetra izy io. Tsy mahalala sisin-tany, na fefy, na tsy fahombiazana, izy io. — Salamo 72:7, 8; Isaia 48:18.

3 Ny tena fiadanana dia midika hoe fiadanana isan’andro. Izy io dia midika hoe mifoha isa-maraina ianao, ka tsy mieritreritra ady, tsy voatery hanahy ny amin’ny hoavinao, ny hoavin’ny zanakao, na ny hoavin’ny zafikelinao mihitsy aza. Izy io dia midika hoe fiadanan-tsaina tanteraka. (Kolosiana 3:15). Izy io dia midika hoe tsy hisy heloka bevava intsony, tsy hisy herisetra intsony, tsy hisy fianakaviana hisara-bazana intsony, tsy hisy olona tsy hanan-kialofana intsony, tsy hisy olona ho fatin’ny hanoanana na ny hatsiaka intsony, tsy hisy famoizam-po sy fahakiviana intsony. Mbola tsara kokoa aza fa ny fiadanan’Andriamanitra dia midika hoe tontolo iray tsy hisy aretina, fanaintainana, alahelo ary fahafatesana. (Apokalypsy 21:4). Fanantenana mahatalanjona toy inona moa ny antsika hoe hanana tena fiadanana mandrakizay! Tsy izany ve no karazam-piadanana sy fahasambarana irintsika rehetra fatratra? Tsy izany ve no karazam-piadanana tokony hanaovantsika vavaka sy ezaka?

Ezak’olombelona nandamòka

4. Ezaka ho amin’ny fiadanana inona avy no efa nataon’ireo firenena, ary inona no vokany?

4 Nandritra ny taonjato maro, dia nisy olona sy firenena niresaka momba ny fiadanana, niady hevitra momba ny fiadanana, nanao sonia fanekem-pihavanana an-jatony maro. Inona no vokany? Tao anatin’ireo 80 taona farany, dia saika tsy nisy mihitsy fotoana tsy niadian’ny firenena iray na ny antokon’olona iray. Mazava fa tsy nety tratran’ny olombelona ny fiadanana. Koa ny fanontaniana dia izao: Nahoana no nandamòka ny ezaka rehetra nataon’olombelona mba hanorenana fiadanana iraisam-pirenena, ary nahoana ny olona no tsy mahavita mampisy tena fiadanana izay haharitra?

5. Nahoana no nandamòka foana ireo ezaka nataon’olombelona ho amin’ny fiadanana?

5 Ny valiny tsotra dia hoe tsy nitodika tany amin’ilay loharano marina ny olombelona, mba hahazoana tena fiadanana. Teo ambanin’ny fitaoman’i Satana Devoly, ny olona dia nanorina fandaminana izay nanjary voa mafy noho ny fahalemen’ny tenany sy ny faharatsiam-pitondran-tenany ihany — dia ny toetrany mpierina sy tia laza fatratra ary mangetaheta fahefana sy toerana ambony. Nankany amin’ireo sekoly momba ny fianarana ambony izy ireo ary nanorina fandaminana sy fikambanana mpanasoa sy fikambanana fanaovana fikarohana. Ireo anefa dia tsy nanao afa-tsy ny nisaintsaina fomba maro kokoa hampahoriana sy handringanana. Tany amin’ny loharano inona no nitarihana ny olombelona? Taiza izy ireo no nitodika?

6, 7. a) Inona no tantaran’ny Fikambanam-pirenena? b) Inona no tantaran’ny Firenena Mikambana?

6 Tamin’ny 1919, ireo firenena dia nametraka ny fitokiany tamin’ny Fikambanam-pirenena mba hanorenana fiadanana maharitra. Rava izany fanantenana izany tamin’ny 1935, rehefa nanafika an’i Etiopia i Mussolini, ary koa tamin’ny 1936, rehefa nanomboka ny ady an-trano tany Espaina. Tamin’ny 1939, dia nivalona ny tantaran’ny Fikambanam-pirenena, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa. Tsy naharitra 20 taona akory ilay nantsoina hoe fiadanana.

7 Ahoana ny amin’ny Firenena Mikambana? Nanolotra tena fanantenana fiadanana maharitra maneran-tany ve izy io? Tsy izany velively. Ady sy fifandonana nitanam-piadiana maherin’ny 150 no natao hatramin’ny niandohany tamin’ny 1945! Tsy mahagaga raha nilazalaza ny ONU ho “fikambanan’ny mpihaza biby an-tsokosoko mody niova ho mpiaro biby, fa tsy fivorian’ny olo-masina” sy ho “fikambanana tsy manan-kery, fanaovana kabary ambony vavahady fotsiny”, i Gwynne Dyer, manam-pahaizana kanadiana momba ny ady sy ny niandohany. — Ampitahao amin’ny Jeremia 6:14; 8:15.

8. Na dia eo aza ireo resaka ataony momba ny fiadanana, dia inona no mbola ataon’ireo firenena? (Isaia 59:8).

8 Na dia eo aza ny resaka momba ny fiadanana ataon’ireo firenena, dia manohy mamorona sy manamboatra fitaovam-piadiana izy ireo. Ireo tany mpanohana kaonferansa momba ny fiadanana indrindra matetika no mitari-dalana eo amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana. Tombom-barotra tsy toko tsy forohana any amin’ireny tany ireny no mampandroso ny famokarana fitaovam-piadiana mahafaty, anisan’izany ny vanja milevina feno hasomparana izay mamono na manakilema olon-dehibe sy ankizy sivily 26 000 eo ho eo, isan-taona. Ny toetra mpierina sy tia mandray tsolotra no hery manosika. Ny tsolotra sy ny kolikoly dia tapany tsy misaraka amin’ny fivarotana fitaovam-piadiana iraisam-pirenena. Misy mpanao politika sasany lasa mpanan-karena noho izany fomba izany.

9, 10. Inona no voamarik’ireo manam-pahaizana manokana eo amin’izao tontolo izao, mahakasika ny ady sy ireo fiezahana ataon’olombelona?

9 Tamin’ny Desambra 1995, i Joseph Rotblat, fizisiana poloney sady nahazo ny Loka Nobel Momba ny Fandriampahalemana, dia nangataka an’ireo firenena mba hamarana ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana. Hoy izy: “Ny hany fomba hisakanana [fifaninanana manao fitaovam-piadiana vaovao] dia ny fanafoanana tanteraka ny ady.” Heverinao ve fa azo inoana ny hitrangan’izany? Nanomboka tamin’ny 1928, dia firenena 62 no nanaiky ny Fifanekena Kellog-Briand, dia fifanekena tsy hampiasa intsony ny ady ho fomba andaminana tsy fifanarahana. Ny Ady Lehibe Faharoa dia nampiseho mazava fa tsy nisy vidiny noho ilay taratasy nanoratana azy, ilay fifanekena.

10 Tsy azo lavina fa ny ady dia vato nisakana mandrakariva teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Araka ny nosoratan’i Gwynne Dyer, dia “zavatra fototra naorina tao amin’ny sivilizasionan’olombelona ny ady, ary ny tantarany dia niara-nisy tamin’ny an’ny sivilizasiona ihany”. Eny, saika ny sivilizasiona sy ny empira rehetra no nanana ireo miaramila mahery fo nohindrahindrainy, ireo tafiny naharitra, ireo adiny nalaza, ireo sekoly miaramilany lazaina fa masina dia masina, ary ireo antontam-piadiana tahiriny. Kanefa, ny taonjato misy antsika dia voamariky ny ady betsaka kokoa noho ny hafa rehetra, na eo amin’ny fandravan-javatra izany, na eo amin’ny famoizana ain’olona.

11. Anton-javatra fototra inona no tsy noraharahain’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao teo amin’ny fitadiavany fiadanana?

11 Miharihary fa ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao dia tsy niraharaha ilay fahendrena fototra ao amin’ny Jeremia 10:23, manao hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Tsy hety hisy ny tena fiadanana raha tsy raharahaina Andriamanitra. Midika àry ve izany rehetra izany fa tsy azo sorohina ny ady eo amin’ny fitambaran’olona mandroso? Midika ve izany fa ny fiadanana — ny tena fiadanana — dia nofinofy tsy azo tanterahina?

Fahitana ny antony fototra

12, 13. a) Inona no ahariharin’ny Baiboly momba ny antony fototra, tsy hita maso mahatonga ny ady? b) Ahoana no nampialan’i Satana ny sain’ny olombelona tamin’ilay tena vahaolana ho an’ny zava-manahirana an’izao tontolo izao?

12 Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia mila mahatakatra ny antony mahatonga ny ady isika. Ny Baiboly dia manambara mazava fa ilay anjely mpikomy atao hoe Satana no ilay “mpamono olona” sy “mpandainga” voalohany, ary “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (Jaona 8:44; 1 Jaona 5:19). Inona no nataony mba hampandrosoana ny teti-dratsiny? Izao no vakintsika ao amin’ny 2 Korintiana 4:3, 4: “Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’izay ho very izany, izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao, dia ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.” Manao izay rehetra azony atao i Satana, mba hampialana ny sain’ny olombelona amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ilay vahaolana ho an’ny zava-manahirana an’izao tontolo izao. Manajamba ny olona sy mampivily lalana azy izy, amin’ny alalan’ny raharaha mampisara-bazana ara-tsosialy sy ara-politika ary ara-pivavahana, hany ka toa ireo indray no zava-dehibe kokoa noho ny fanapahan’Andriamanitra. Ohatra ny amin’izany ny firongatry ny fanindrahindram-pirenena maneran-tany tato ho ato.

13 I Satana Devoly dia mampandroso ny fanindrahindram-pirenena sy ny fanindrahindram-poko, dia ilay finoana fa ny firenena, na ny firazanana, na ny foko iray dia ambony kokoa noho ny hafa. Ireo fankahalana lalim-paka izay nokobonina nandritra ny taonjato maro, dia misy mamelona indray mba hanampy kitay ny afon’ny ady sy ny fifandonana. Nampitandrina momba io fironana io toy izao i Federico Mayor, tale jeneralin’ny UNESCO: “Na dia any amin’izay nanjakan’ny fandeferana taloha aza, dia mihamiharihary ny fivadihana ho amin’ny fahatahorana vahiny, ary manjary fandre matetika kokoa hatrany ny fitenenana manindrahindra izay an’ny tena, na ny fitenenana manavakava-bolon-koditra, izay toa efa anisan’ny lasa.” Inona no vokatr’izany? Ireo fandripahana nahatsiravina tany Iogoslavia teo aloha sy ilay vono moka ara-poko tatsy Rwanda dia tsy inona fa roa monja amin’izany fisehoan-javatra tonga matoam-baovao maneran-tany izany.

14. Ahoana no ilazalazan’ny Apokalypsy 6:4 ny ady sy ny vokany amin’izao androntsika izao?

14 Nanambara mialoha ny Baiboly fa amin’ny fotoan’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia hisy soavaly mena, mampiseho ny ady, hiriotra hanerana ny tany manontolo. Izao no vakintsika ao amin’ny Apokalypsy 6:4: “Nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.” Nanomboka tamin’ny 1914, dia nahita an’io mpitaingin-tsoavaly ara-panoharana io ‘nanaisotra ny fihavanana’ isika, ary ireo firenena dia nanohy niady.

15, 16. a) Inona no anjara asan’ny fivavahana teo amin’ireo ady sy famonoana olona? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’izay nataon’ny fivavahana?

15 Tsy tokony hodian-tsy hita ny anjara asan’ny fivavahana tamin’ireny ady sy famonoana olona ireny. Ny ampahany lehibe amin’ny tantaran’olombelona mihosin-dra dia azo lazaina fa avy amin’ny fitaomana mamarina an-kady nampiharin’ny fivavahan-diso. Nanoratra toy izao ilay teolojiana katolika atao hoe Hans Küng: “Tsy azo iadian-kevitra fa raha ny amin’ny lafiny tsy mahasoa sy mandrava, dia nanana, ary mbola manana ihany, anjara goavana [ireo fivavahana]. Maro aoka izany ireo ady sy fifandonana feno ra mandriaka, ary ‘ady ara-pivavahana’, tokony hitanana azy ireo ho tompon’andraikitra; (...) ary marina koa izany raha ny amin’ireo ady lehibe roa.”

16 Ahoana no fiheveran’i Jehovah Andriamanitra ny anjara asan’ny fivavahan-diso teo amin’ny famonoana olona sy ny ady? Hoy ny fiampangan’Andriamanitra ny fivavahan-diso, izay voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 18:5: “Ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.” Ny firaisan’ny fivavahan-diso tsikombakomba tamin’ireo mpitondra ara-politika amin’ny tany dia nahatonga trosan-dra lehibe aoka izany, fahotana misavovona aoka izany, hany ka tsy afaka ny hody tsy hahita izany Andriamanitra. Tsy ho ela izy dia hanafoana tanteraka an’io vato misakana eo amin’ny lalan’ny tena fiadanana io. — Apokalypsy 18:21.

Ny lalana mankamin’ny fiadanana

17, 18. a) Nahoana no tsy nofinofy tsy araka ny zava-misy fotsiny ny finoana fa mety hisy ny fiadanana mandrakizay? b) Inona no efa nataon’i Jehovah sahady mba hiantohana ny hiavian’ny tena fiadanana?

17 Raha toa ny olona ka tsy afaka mampisy tena fiadanana maharitra amin’ny alalan’ny fitaovana toy ny Firenena Mikambana, avy amin’ny loharano inona no hiavian’ny tena fiadanana, ary amin’ny fomba ahoana? Nofinofy tsy araka ny zava-misy fotsiny ve ny finoana fa mety hisy ny fiadanana mandrakizay? Tsia, raha mitodika any amin’ilay tena loharanon’ny fiadanana isika. Ary iza moa izany? Mamaly izany ny Salamo 46:9 amin’ny filazana amintsika fa “mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany [i Jehovah]; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo”. Ary efa natombok’i Jehovah sahady ny famaranana ny ady sy ny fanorenana ny tena fiadanana. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fametrahana an’i Kristy Jesosy teo amin’ny seza fiandrianan’ilay Fanjakany, izay azy ara-drariny, tamin’ny 1914, ary koa tamin’ny fampandrosoana ilay ezaka fampianarana lehibe indrindra nisy teo amin’ny tantaran’ny olombelona, mba hisian’ny fiadanana. Manome toky antsika toy izao ireo teny ara-paminaniana ao amin’ny Isaia 54:13: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.”

18 Io faminaniana io dia manazava amin’ny ohatra ilay fotopoto-pitsipika momba ny antony sy ny vokany — izany hoe samy manana ny antony avy ny vokatra tsirairay avy. Eto, ny fampianaran’i Jehovah — ilay antony — dia manova olona tia ady ho olona tia fiadanana sy mihavana amin’Andriamanitra. Ilay vokatra dia ny fiovam-po izay mahatonga ny olona ho tia fiadanana. Io fampianarana izay manova ny fo sy ny sain’ny olona io dia miely maneran-tany dieny ankehitriny, eo am-panarahan’olona an-tapitrisany maro ny ohatr’ilay “Andrian’ny fiadanana”, dia i Jesosy Kristy. — Isaia 9:5.

19. Inona no nampianarin’i Jesosy momba ny tena fiadanana?

19 Ary inona no nampianarin’i Jesosy momba ny tena fiadanana? Tsy niresaka momba ny fandriampahalemana eo amin’ireo firenena fotsiny izy, fa momba ny fihavanana eo amin’ny olona koa, eo amin’ny fifandraisan’izy ireo, ary koa momba ny fiadanana anaty izay azo avy amin’ny feon’ny fieritreretana tsara. Ao amin’ny Jaona 14:27 isika dia mamaky ny tenin’i Jesosy ho an’ny mpanara-dia azy, manao hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.” Tamin’ny ahoana ny fiadanan’i Jesosy no hafa noho ny an’izao tontolo izao?

20. Amin’ny alalan’ny inona no hitondran’i Jesosy ny tena fiadanana?

20 Voalohany aloha, ny fiadanan’i Jesosy dia nifamatotra akaiky tamin’ny hafatra nentiny momba ilay Fanjakana. Fantany fa hamarana ny ady sy ireo mpampihetsika ady, ilay fitondram-panjakana marina any an-danitra, voaforon’i Jesosy sy ireo 144 000 miara-manapaka aminy. (Apokalypsy 14:1, 3). Fantany fa izy io dia hitondra ireo toe-piainana paradisa feno fiadanana izay natolony an’ilay jiolahy maty teo anilany. Tsy nanolotra azy toerana tao amin’ilay Fanjakana any an-danitra akory i Jesosy, fa nanao kosa hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” — Lioka 23:43, NW.

21, 22. a) Inona ilay fanantenana mahavelom-bolo amin’ny fomba mahatalanjona izay voafaoka amin’ny tena fiadanana? b) Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahitana izany fitahiana izany?

21 Fantatr’i Jesosy koa fa ny Fanjakany dia hitondra fampiononana ho an’ireo rehetra nidonam-pahoriana ka maneho finoana azy. Voafaoka amin’ilay fiadanany ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, dia ilay fanantenana mahavelom-bolo amin’ny fomba mahatalanjona. Tadidio ireo teniny mampahery hita ao amin’ny Jaona 5:28, 29, manao hoe: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra [ao amin’ny fasam-pahatsiarovana, NW ] ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.”

22 Miandrandra izany fotoana izany ve ianao? Namoy olon-tiana tamin’ny fahafatesana ve ianao? Maniry fatratra ny hahita azy ireny indray ve ianao? Raha izany, dia ekeo ilay fiadanana atolotr’i Jesosy. Manàna finoana toy ny an’i Marta, anabavin’i Lazarosy, izay nilaza toy izao tamin’i Jesosy: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” Mariho anefa ny valin-teny nampisinda alahelo nomen’i Jesosy an’i Marta: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao?” — Jaona 11:24-26.

23. Nahoana no tena ilaina ny fahalalana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra mba hahazoana tena fiadanana?

23 Ianao koa dia afaka mino sy mandray soa avy amin’izany fampanantenana izany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fahazoana fahalalana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra. Mariho ny fomba nanantitranteran’ny apostoly Paoly ny maha-zava-dehibe ny fahalalana araka ny marina: “Izahay (...) dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana [araka ny marina, NW ] ny sitrapony hianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana [araka ny marina, NW ] an’Andriamanitra”. (Kolosiana 1:9, 10). Io fahalalana araka ny marina io dia hampiaiky anao fa i Jehovah Andriamanitra no loharanon’ny tena fiadanana. Hilaza aminao izay tsy maintsy ataonao dieny izao koa izy io mba hahafahanao hiara-miteny amin’ilay mpanao salamo manao hoe: “Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria [ianao irery ihany, NW ], Jehovah ô, no mampitoetra ahy (...) tsy manana ahiahy.” — Salamo 4:8.

Azonao Hazavaina Ve?

◻ Nahoana no nandamòka foana ireo ezaka nataon’olombelona ho amin’ny fiadanana?

◻ Inona no antony fototra mahatonga ny ady?

◻ Nahoana ny fiadanana maharitra no tsy nofinofy tsy araka ny zava-misy?

◻ Inona no loharanon’ny tena fiadanana?

[Sary, pejy 8]

Tsy nofinofy akory ny tena fiadanana. Fampanantenan’Andriamanitra izy io

[Sary, pejy 10]

Nanomboka tamin’ny 1914, dia nanaisotra ny fihavanana amin’ny tany ny mpitaingina ilay soavaly mena ara-panoharana

[Sary, pejy 11]

Afaka mitondra fiadanana ve ny fivavahana sy ny ONU?

[Sary nahazoan-dalana]

UN photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara