Aoka Isika ‘Hamoa Be’ Hatrany
1 Nampiasa teny an’ohatra i Jesosy rehefa nilaza fa ny tenany no tena voaloboka, ny Rainy no Mpamboly, ary ireo mpanara-dia azy voahosotry ny fanahy no sampam-boaloboka mamokatra. Nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny hifikirana mafy amin’ilay voaloboka i Jesosy, ka nanazava ny asan’ilay Mpamboly an’ohatra. (Jaona 15:1-4) Izao no fianarana avy amin’ilay fanoharana: Tokony hamoa toy ny sampan’ilay “tena voaloboka” izay rehetra mifandray akaiky amin’i Jehovah. Tokony hamoa be hatrany ny “vokatry ny fanahy” sy ny voan’ilay Fanjakana isika.—Gal. 5:22, 23; Matio 24:14; 28:19, 20.
2 Vokatry ny fanahy: Azo fantarina amin’ny fomba anehoantsika ny vokatry ny fanahy ny fandrosoantsika ara-panahy. Miezaka hanana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ve ianao, amin’ny fianarana sy ny fisaintsainana tsy tapaka ny Teniny? (Fil. 1:9-11) Aza misalasala mivavaka mba hahazoana ny fanahy masina. Afaka manampy anao mantsy izy io mba hanana toetra manome voninahitra an’i Jehovah sy handroso hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy.—Lioka 11:13; Jaona 13:35.
3 Manampy antsika ho be zotom-po kokoa ny fiezahana hanana ny vokatry ny fanahy. Ny fitiavana sy ny finoana, ohatra, no manampy antsika hitady fomba handraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana, na dia feno aza ny fandaharam-potoanantsika. Manampy antsika hanana fihetsika tsara manoloana ny mpanohitra, ny toetra toy ny fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena. Manampy antsika ho afa-po eo amin’ny fanompoana ny fifaliana, na dia tsy mandray aza ny olona.
4 Voan’ilay Fanjakana: Tiantsika koa ny hamokatra ny voan’ilay Fanjakana. Anisan’izany ny ‘sorona fiderana, dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anaran[’i Jehovah].’ (Heb. 13:15) Manao izany isika amin’ny fitoriana amin-jotom-po hatrany ny vaovao tsara. Miezaka hamokatra misimisy kokoa ny voan’ilay Fanjakana ve ianao, ka manatsara ny fanompoanao?
5 Nasehon’i Jesosy fa tsy mitovy ny habetsahan’ny voa vokarin’ireo mpanara-dia azy mahatoky. (Matio 13:23) Tsy tokony hampitaha tena amin’ny hafa àry isika, fa hanome an’i Jehovah ny tsara indrindra avy amintsika kosa. (Gal. 6:4) Ilaintsika ny mandinika amim-pahatsorana ny toe-javatra misy antsika, amin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra. Raha manao izany isika dia ‘hamoa be’, ka ho afaka hanome voninahitra an’i Jehovah hatrany.—Jaona 15:8.