Ny Fiheveran’ny Baiboly
“Tsy Naman’izao Tontolo Izao” — Inona no Dikan’izany?
TAMIN’NY taonjato fahefatra am.f.i., dia nisy olona an’arivony maro nihambo ho Kristiana namela ny fananany sy ny havany ary ny fomba fiainany mba hiaina nitokana tany amin’ireo efitr’i Egypta. Nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe anachorètes, avy amin’ilay teny grika hoe a·na·kho·reʹo, izay midika hoe “mihataka aho”, izy ireo. Ny mpahay tantara iray dia milazalaza azy ireo ho mihazona ny tenany ho nihataka tamin’ireo mpiara-belona taminy. Nihevitra ireo anachorètes fa tamin’ny fihatahana tamin’ny fitambaran’olona, dia nanaraka ilay zavatra takina amin’ny Kristiana mba tsy ho “naman’izao tontolo izao”, izy ireo. — Jaona 15:19.
Tena mananatra ny Kristiana mba hihazona ny tenany “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao” tokoa ny Baiboly. (Jakoba 1:27). Mampitandrina mazava toy izao ny Soratra Masina: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4). Midika ve anefa izany fa antenaina ny hahatongavan’ireo Kristiana ho anachorètes, ka hihataka amin’ny hafa amin’ny heviny ara-bakiteny? Tokony hihazona ny tenany hihataka amin’ireo izay tsy mitovy zavatra inoana ara-pivavahana aminy ve izy ireo?
Tsy manohitra ny fiaraha-monina ny Kristiana
Ny hevitra ny amin’ny hoe tsy naman’izao tontolo izao dia resahina ao amin’ny fitantarana maro ao amin’ny Baiboly. Ireny fitantarana ireny dia manasongadina ny ilan’ny Kristiana hisaraka amin’ny fitambaran’olona izay lavitra an’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 6:14-17; Efesiana 4:18; 2 Petera 2:20.) Noho izany, ny Kristiana marina dia manalavitra amim-pahendrena ny fihetsika sy fiteny ary fitondran-tena mifanohitra amin’ny lalana marin’i Jehovah, toy ny fikatsahana harena amim-pierenana sy ny faniriana toerana ambony, ary ny fanaranam-po tafahoatra amin’ny fahafinaretana, fanaon’izao tontolo izao. (1 Jaona 2:15-17). Mihazona ny tenany ho tafasaraka amin’izao tontolo izao koa izy ireo amin’ny fitoerany ho tsy momba ny atsy na ny aroa eo amin’ny ady sy ny politika.
Nilaza i Jesosy Kristy fa tsy ho “naman’izao tontolo izao” ny mpianany. Nivavaka tamin’Andriamanitra toy izao koa anefa izy: “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy.” (Jaona 17:14-16). Mazava àry fa tsy nirin’i Jesosy ny hahatongavan’ny mpianany ho mpanohitra ny fiaraha-monina, ka hanalavitra ny fifandraisana rehetra amin’ny tsy Kristiana. Raha ny marina, dia hisakana Kristiana iray tsy hanatanteraka ny fanirahana azy hitory sy hampianatra ‘eo imason’ny olona sy ao amin’ny isan-trano’ ny fitokana-monina. — Asan’ny Apostoly 20:20; Matio 5:16; 1 Korintiana 5:9, 10.
Ilay torohevitra momba ny hitoerana tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao dia tsy manome fototra na inona na inona ho an’ny Kristiana hiheveran-tena ho ambony kokoa noho ny hafa. Mankahala “fiavonavonana” ireo izay matahotra an’i Jehovah. (Ohabolana 8:13). Manambara ny Galatiana 6:3 fa “raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy”. Mamita-tena ireo izay mihevi-tena ho ambony kokoa, satria “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. — Romana 3:23.
‘Aza miteny ratsy olona’
Tamin’ny andron’i Jesosy, dia nisy olona nanamavo izay rehetra tsy anisan’ny fivavahany. Anisan’ireny olona ireny ny Fariseo. Nahay tsara ny Lalàn’i Mosesy ary koa ny tsipirian-javatra madinika tamin’ny lovantsofina jiosy, izy ireo. (Matio 15:1, 2; 23:2). Nirehareha tamin’ny fanarahana tamim-pitandremana fatratra fombafomba ara-pivavahana maro, izy ireo. Nitondra tena toy ny hoe ambony kokoa noho ny hafa ireo Fariseo, noho ny fari-pahaizany ambony sy ny toerana tanany ara-pivavahana fotsiny. Nampiseho ny toe-tsainy tia fivavahana sy feno fanamavoana, izy ireo, tamin’ny filazana hoe: “Voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.” — Jaona 7:49.
Nanana teny fanambaniana an’ireo tsy Fariseo mihitsy aza ireo Fariseo. Ny teny hebreo hoe ʽam ha·ʼaʹrets dia nampiasaina tamin’ny fomba tsara tany am-boalohany mba hanondroana mpikambana tsotra tao amin’ny fitambaran’olona. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, ireo mpitarika ara-pivavahana nizahozaho tao Joda dia nanova ny ʽam ha·ʼaʹrets hanana hevitra hoe fanamavoana. Ny antokon’olona hafa, anisan’izany ireo mihambo ho Kristiana, dia nampiasa teny, toy ny hoe “mpanompo sampy” tamin’ny fomba nanambany, mba hanondroana olona nanana zavatra inoana ara-pivavahana hafa noho ny azy ireo.
Ahoana anefa no niheveran’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany an’ireo izay tsy nanaraka ny Kristianisma? Nanarina ireo mpianatr’i Jesosy mba hitondra ny tsy mpino ‘tamim-pahamoram-panahy’ sy “fanajana”. (2 Timoty 2:25; 1 Petera 3:15). Nanome ohatra tsara tamin’io lafiny io ny apostoly Paoly. Mora nohatonina izy, fa tsy nizahozaho. Tsy nanandratra ny tenany ho ambony noho ny hafa izy, fa nanetry tena sy nampandroso kosa. (1 Korintiana 9:22, 23). Ao amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry ho an’i Titosy, i Paoly dia manome ilay fananarana mba “tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra”. — Titosy 3:2.
Ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe “tsy mpino” indraindray dia ampiasaina hanondroana ny tsy Kristiana. Kanefa, tsy misy porofo fa ny teny hoe “tsy mpino” dia nampiasaina ho toy ny anarana nampiavaka na teny nanambaniana neken’ny maro. Azo antoka fa tsy nampiasaina mba hampietrena na hanambaniana ny tsy Kristiana izy io, satria izany hifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. (Ohabolana 24:9). Manalavitra ny fisehoana ho henjana na mizahozaho amin’ny tsy mpino ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Heverin’izy ireo ho tsy fahalalam-pomba ny fanomezana anarana manambany ho an’ny havana na ny mpiara-monina tsy Vavolombelona. Manaraka ny torohevitry ny Baiboly izay manambara toy izao izy ireo: ‘Ny mpanompon’ny Tompo dia halemy fanahy amin’ny olona rehetra’. — 2 Timoty 2:24.
“Hanao soa amin’ny olona rehetra”
Iankinan’ny aina ny hiekena fa misy ireo loza entin’ny fisakaizana akaiky amin’izao tontolo izao, indrindra fa amin’ireo izay mampiseho tsy fanajana tanteraka ny fari-pitsipika araka an’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 15:33.) Kanefa, rehefa manoro hevitra ny Baiboly mba “hanao soa amin’ny olona rehetra”, dia tafiditra ao amin’ny teny hoe “rehetra” ireo izay tsy mitovy zavatra inoana kristiana amin’ny tena. (Galatiana 6:10). Miharihary fa tao anatin’ny tarehin-javatra sasany, ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia niara-nisakafo tamin’ny tsy mpino. (1 Korintiana 10:27). Noho izany, amin’izao andro izao dia mitondra ny tsy mpino amin’ny fomba voalanjalanja ny Kristiana, amin’ny fiheverana azy ireny ho mpiara-belona aminy. — Matio 22:39.
Ho ratsy ny hiheverana fa ny olona iray dia maloto na ratsy fitondran-tena satria fotsiny izy tsy mahalala tsara an’ireo fahamarinana ara-baiboly. Miovaova ny tarehin-javatra sy ny olona. Noho izany, ny Kristiana tsirairay dia tsy maintsy manapa-kevitra hoe hatraiza no hamerany ny fifandraisany amin’ny tsy mpino. Kanefa, tsy hilaina sy tsy araka ny Soratra Masina ny hitokanan’ny Kristiana monina ara-batana, toy ny nataon’ireo anachorètes, na ny hiheverany tena ho ambony kokoa, toy ny nataon’ireo Fariseo.