Fianarana avy Amin’ireo Fahagagana Nataon’i Jesosy
“ARY tamin’ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia (...). Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin’ny fampakaram-bady. Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.” Io fisehoan-javatra io no sehatra nisehoan’ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy. — Jaona 2:1-3.
Moa ve tsy maivan-danja loatra, zavatra tsotsotra loatra, io zava-manahirana io, ka tsy tokony ho nentina teo amin’i Jesosy? Manazava toy izao ny manam-pahaizana manokana iray momba ny Baiboly: “Adidy masina ny fahaiza-mandray vahiny tany Atsinanana (...) Ny tena fahaiza-mandray vahiny, indrindra fa tamin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady iray, dia nitaky fahatondrahana be dia be [ara-tsakafo sy zava-pisotro]. Raha [lany] ireo tahiry tamin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady iray, dia tsy ho afaka hampanadino na oviana na oviana ilay fahafaham-baraka ny fianakaviana sy ilay mpivady vao.”
Noho izany, dia nanao zavatra i Jesosy. Nahatsikaritra “siny vato enina (...) nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon’ny Jiosy” izy. Fanao teo amin’ireo Jiosy ny fisasana narahina fombafomba talohan’ny sakafo, ary nilaina ny rano be dia be mba ho ampy amin’izay nilain’ireo tonga teo. “Fenoy rano ny siny”, hoy ny nandidian’i Jesosy an’ireo izay nikarakara vahiny. Tsy “mpandahatra ny fanasana” i Jesosy, kanefa niteny tamin’ny fomba nivantana sy tamim-pahefana izy. Hoy ilay fitantarana: ‘Ary raha nanandrana ny rano ny mpandahatra ny fanasana, dia tonga divay izy io’. — Jaona 2:6-9; Marka 7:3.
Mety ho toa hafahafa ny hoe zavatra mahazatra toy ny fampakaram-bady no faritra nisehoan’ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy, kanefa mampahafantatra zavatra maro momba an’i Jesosy ilay fisehoan-javatra. Lehilahy mpitovo izy, ary tatỳ aoriana dia niara-nidinika tamin’ireo mpianany ny amin’ny tombontsoan’ny fitoerana ho mpitovo. (Matio 19:12). Kanefa, nasehon’ny fanatrehany tamin’ilay fanasana amin’ny fampakaram-bady fa tsy nanohitra ny fanambadiana velively izy. Nahay nandanjalanja, nanohana ny fandaharana ny amin’ny fanambadiana izy; noheveriny ho zavatra manan-kaja eo imason’Andriamanitra izy io. — Ampitahao amin’ny Hebreo 13:4.
Tsy ilay olona mampijaly tena sy manjombona endrika izay nanaovan’ireo mpanakanton’ny fiangonana sary azy tatỳ aoriana i Jesosy. Mazava fa nahafaly azy ny niharoharo tamin’olona ary tsy sosotra tamin’ny fiarahana tamin’ny hafa izy. (Ampitahao amin’ny Lioka 5:29.) Araka izany, ireo zavatra nataony dia namela ohatra ho an’ireo mpanara-dia azy. Nasehon’ny tenan’i Jesosy mihitsy fa tsy tokony ho maotina be na hanjonitra tsy amin’ny antony izy ireo — toy ny hoe midika ho tsy fananam-pifaliana ny fahamarinana. Mifanohitra amin’izany, fa nodidiana toy izao ireo Kristiana tatỳ aoriana: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo”. (Filipiana 4:4). Mitandrina ireo Kristiana amin’izao andro izao mba hihazona ny fialam-boly ao anatin’ny fetra antonona. Mahita ny fifaliany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy ireo, kanefa amin’ny fanarahana ny ohatra navelan’i Jesosy, dia mahita fotoana ifaliana izy ireo indraindray amin’ny fiarahana amin’izy samy izy amin’ny fiaraha-mikorana.
Diniho koa ny fitiavan’i Jesosy. Tsy voatery nanao fahagagana izy. Tsy nisy faminaniana izay tokony hotanterahina tamin’io lafiny io. Araka izany, dia voatohin’ny fiahian’ny reniny sy ny toe-javatra nampahonena nisy ilay mpivady vao tsotra izao ny fon’i Jesosy. Niahy ny amin’ny fihetseham-pon’izy ireo izy ary naniry ny hitsimbina azy ireo tsy ho sakodiavatra. Moa ve izany tsy mampitombo ny fatokianao fa tena miahy anao i Kristy — na dia amin’ireo zava-manahirana anao andavanandro aza? — Ampitahao amin’ny Hebreo 4:14-16.
Koa satria ‘nahalany rano indroa na intelon’ny vata’ ny siny tsirairay, dia nahafaoka divay be dia be — angamba 390 litatra — ilay fahagagana nataon’i Jesosy! (Jaona 2:6). Nahoana no nilaina ny divay be dia be toy izany? Tsy nampirisika ho tia fahamamoana, izay melohin’Andriamanitra, i Jesosy. (Efesiana 5:18). Nampiseho fahalalahan-tanana tahaka ny an’Andriamanitra kosa izy. Koa satria zava-pisotro nahazatra ny divay, dia azo nampiasaina tamin’ny fotoana hafa ny ambiny. — Ampitahao amin’ny Matio 14:14-20; 15:32-37.
Nanahaka ny oha-pahalalahan-tanana navelan’i Jesosy ireo Kristiana tany am-boalohany. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:34, 35.) Ary ampirisihina toy izany koa ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao mba ‘hanome’. (Lioka 6:38). Kanefa, ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy dia manana heviny ara-paminaniana koa. Izy io dia misarika ny saina ho amin’ny fotoana ho avy izay hanomanan’Andriamanitra amim-pahalalahan-tanana “fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela”, amin’ny fanafoanana tanteraka ny hanoanana. — Isaia 25:6.
Ahoana anefa ny amin’ireo fahagagana maro nataon’i Jesosy izay nahafaoka fanasitranana ara-batana? Inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireny?
Fanaovan-tsoa amin’ny Sabata
“Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.” Nilaza ireo teny ireo tamin’ny lehilahy iray izay narary nandritra ny 38 taona i Jesosy. Manohy toy izao ny fitantaran’ny Filazantsara: “Ary niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha.” Mahagaga fa tsy ny rehetra no faly tamin’io fiovan’ny tarehin-javatra io. Hoy ilay fitantarana: “Ny Jiosy dia nanenjika an’i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin’ny Sabata Izy.” — Jaona 5:1-9, 16.
Nokendrena mba ho andro fialan-tsasatra sy fifaliana ho an’ny rehetra ny Sabata. (Eksodosy 20:8-11). Tamin’ny andron’i Jesosy anefa, dia nanjary fisafotofotoan’ny fitsipika mangeja nataon’ny olona izy io. Nanoratra i Alfred Edersheim, manam-pahaizana manokana, fa tao amin’ilay fizarana lava momba ny lalàn’ny Sabata tao amin’ny Talmoda, “ireo raharaha dia nodinihina tamim-pitandremana toy ny hoe zava-dehibe ara-pivavahana iankinan’ny aina, raharaha izay tsy azo alaina sary an-tsaina firy hoe hisy olona salama saina handinika izany amim-pitandremana”. (The Life and Times of Jesus the Messiah). Noheverin’ireo raby fa zava-dehibe iankinan’ny aina ireo fitsipika maivan-danja, feno haitraitra izay nifehy saika ny lafiny rehetra tamin’ny fiainan’ny Jiosy iray — matetika dia tsy nisy fiheverana sy fiantrana ny fihetseham-pon’olombelona. Nandidy toy izao ny fitsipika iray momba ny Sabata: “Raha nianjera teo ambonin’ny lehilahy iray ny trano iray ary misy ny fisalasalana raha toa ka ao izy na tsia, na raha velona izy na maty, na raha jentilisa izy na Isiraelita, dia azon’izy ireo esorina ny poti-javatra rava eo amboniny. Raha hitan’izy ireo velona izy dia azon’izy ireo esorina be kokoa ny eo amboniny; fa raha maty [izy], dia avelan’izy ireo.” — Famoaboasan-kevitra Yoma 8:7, The Mishnah, nadikan’i Herbert Danby.
Ahoana no niheveran’i Jesosy ireny ady hevitra tsy amin’ny antony izay nampiseho fanarahana tafahoatra ny lalàna ireny? Rehefa nokianina izy noho ny nanasitranany tamin’ny Sabata, dia hoy izy: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.” (Jaona 5:17). Tsy nanao asa nandraisan-karama mba hampanan-karena ny tenany i Jesosy. Nanao ny sitrapon’Andriamanitra kosa izy. Tsy nisy hafa tamin’ny namelana ireo Levita hanohy ny fanompoany masina tamin’ny Sabata no nahafahan’i Jesosy nanatanteraka ara-dalàna ireo andraikitra nanendren’Andriamanitra tamin’ny naha-Mesia azy, kanefa tsy nandika ny Lalàn’Andriamanitra. — Matio 12:5.
Nanala sarona an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo jiosy ho “marina loatra” — henjana sy tsy nahay nandanjalanja teo amin’ny fomba fisainany — koa ireo fanasitranana nataon’i Jesosy tamin’ny andro Sabata. (Mpitoriteny 7:16). Azo antoka fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny hoe ferana ho amin’ny andro sasany amin’ny herinandro ireo asa soa; no sady tsy nokendren’Andriamanitra ho fampiharana poaka aty ny fanarahana fitsipika ny Sabata. Hoy i Jesosy ao amin’ny Marka 2:27: “Ny Sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny Sabata”. Tia ny olona, fa tsy ireo fitsipika feno haitraitra, i Jesosy.
Araka izany, ireo Kristiana amin’izao andro izao dia manao ny tsara raha tsy henjana na mirona ho amin’ny fitsipika amin’ny fomba tafahoatra eo amin’ny fomba fisainany. Mitan-tena ireo manana fahefana ao amin’ny kongregasiona mba tsy hanavesatra ny hafa amin’ny fitsipika sy ny fomba fiasa nataon’olona tafahoatra. Mampirisika antsika koa ny ohatra navelan’i Jesosy mba hitady fahafahana hanao soa. Ohatra, ny Kristiana iray dia tsy hanjohy hevitra na oviana na oviana fa tsy hizara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy raha tsy rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana isan-trano atao ara-potoana, na raha tsy rehefa manao lahateny. Ny Kristiana, hoy ny apostoly Petera, dia tokony “ho vonona mandrakariva (...) hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo”. (1 Petera 3:15). Tsy voafetran’ny fotoana ny fanaovan-tsoa.
Fianarana ny amin’ny fangoraham-po
Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Lioka 7:11-17 ny fahagagana miavaka hafa iray. Araka ilay fitantarana, i Jesosy dia “nankany an-tanàna atao hoe Naina; ary nanaraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka”. Hatramin’izao, ireo toeram-pandevenana dia azo jerena eo atsimo atsinanan’i Nein, tanàna kely arabo maoderina. “Ary rehefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna” izy, dia nifanehatra tamin’ny fisehoan-javatra narahin-tabataba iray. “Dia, indro, nisy fatin’ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan’ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.” Nomarihin’i H. B. Tristram fa “ny fomba fitarihana fandevenana dia tsy niova” hatramin’ny andro fahiny, ary nanampy teny izy hoe: “Hitako ireo vehivavy nialoha ny filanjana vatam-paty, notarihin’ireo vehivavy mpitomany. Nanandratra ny sandriny sy nanongotra ny volony izy ireo, narahim-pihetsehana faran’izay tsy voafehy naneho alahelo, ary nikiakiaka niantso ny anaran’ilay maty.” — Eastern Customs in Bible Lands.
Teo anivon’izany fisafotofotoana narahin-tabataba izany no nandehanan’ny vehivavy maty vady nalahelo iray izay tsy maintsy nampiseho taratry ny fanaintainana mafy ny endriny. Efa namoy vady izy ka nihevitra ny zanany lahy ho toy ny “mpanohana azy amin’ny fahanterany”, araka ny tenin’i Herbert Lockyer, mpanoratra, “sy fampiononana tamin’ny fitoerany ho irery — mpanohana sy andry niankinan’ny tokantrano. Tamin’ny famoizana ilay zanany lahy tokana, dia nanjavona ilay mba hany mpanohana azy”. (All the Miracles of the Bible). Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy? Araka ny fahaizan’i Lioka nilaza azy, “nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany”. Avy amin’ny teny grika iray izay midika ara-bakiteny hoe “tsinay” ilay fitenenana hoe “onena”. Izy io dia midika hoe “voatohina toy ny hoe hatrany anatin’ny tena”. (Vine’s Expository Dictionary of Old and New Testament Words). Eny, voatohina hatrany amin’ny lalina taminy i Jesosy.
Azo inoana fa maty vady ny renin’i Jesosy mihitsy tamin’izay fotoana izay, koa tsy isalasalana fa fantatr’i Jesosy tsara ny fanaintainana nateraky ny fahoriana tamin’ny famoizana an’i Josefa, rainy nanangana azy. (Ampitahao amin’ny Jaona 19:25-27.) Tsy voatery nitalaho tamin’i Jesosy ilay vehivavy maty vady. Avy hatrany dia “nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona”, na dia nahatonga ny olona iray ho naloto aza ny fikasihana faty iray teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. (Nomery 19:11). Tamin’ny alalan’ny heriny nahagaga, i Jesosy dia afaka nanaisotra ny tena fototry ny fahalotoana! “Hoy Jesosy: Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena. Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.”
Fianarana manentana ny amin’ny fangoraham-po re izany! Tsy tokony hanahaka ireo fihetsika tsy misy fitiavana sy mangatsiaka aseho mandritra izao “andro farany” izao ireo Kristiana. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Mifanohitra amin’izany, fa mananatra toy izao ny 1 Petera 3:8 (NW ): “Farany, dia aoka hiray saina ianareo rehetra, maneho fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, manana firaiketam-pon-drahalahy, mangoraka amim-pitiavana”. Rehefa misy olom-pantatsika maty na marary mafy, dia tsy afaka manangana amin’ny maty na manasitrana ilay marary isika. Kanefa, afaka manolotra fanampiana sy fampiononana aseho amin’ny atao isika, angamba amin’ny fiarahantsika miory sy mitomany amin’izy ireo fotsiny. — Romana 12:15.
Io fananganana amin’ny maty nampihetsi-po lalina nataon’i Jesosy io dia misarika ny saina koa ho amin’ny hoavy — amin’ny fotoana izay “handrenesan’ny olona rehetra any [am-pasam-pahatsiarovana, NW ] ny feony; dia hivoaka izy”! (Jaona 5:28, 29). Maneran-tany, ireo olona nidonam-pahoriana dia hahatsapa eo amin’ny tenany ny fangoraham-pon’i Jesosy rehefa hiverina avy any am-pasana ireo reny, ray, zanaka, sy namana efa maty!
Ireo fianarana azo avy amin’ireo fahagagana
Mazava àry fa nihoatra noho ny fampisehoan-kery nampientam-po fotsiny ireo fahagagana nataon’i Jesosy. Nankalaza an’Andriamanitra izy ireny, ka namela modely ho an’ireo Kristiana izay ampirisihina mba ‘hankalaza an’Andriamanitra’. (Romana 15:6). Nampirisika ny hanao soa sy hampiseho fahalalahan-tanana ary haneho fangoraham-po izy ireny. Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia nampiasaina ho fampisehoana mialoha ireo asa lehibe hotanterahina mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy izy ireny.
Fony izy teto an-tany, i Jesosy dia nanao asa lehibe tao anatin’ny faritra jeografika somary kely ihany. (Matio 15:24). Amin’ny maha-Mpanjaka nomem-boninahitra azy, dia hiitatra haneran-tany ny faritra hotapahiny! (Salamo 72:8). Fony izy teto an-tany, ireo izay nositraniny sy natsangany tamin’ny maty tamin’ny fomba nahagaga dia maty ihany tamin’ny farany. Eo ambanin’ny fanjakany any an-danitra, dia hesorina tanteraka ny fahotana sy ny fahafatesana, ka hanokatra ny lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay. (Romana 6:23; Apokalypsy 21:3, 4). Eny, manondro hoavy iray be voninahitra ireo fahagagana nataon’i Jesosy. Manampy olona an-tapitrisany maro hamboly fanantenana marina ny ho anisan’izy io, ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandra-pahatongan’izany fotoana izany, dia santionany mahatalanjona ny amin’izay hitranga tsy ho ela toy inona moa no omen’ireo fahagagana nataon’i Jesosy Kristy!
[Sary, pejy 7]
Nanova ny rano ho divay i Jesosy