FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 16 p. 42-p. 43 feh. 8
  • Nafana Fo Tamin’​ny Fivavahana Marina i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nafana Fo Tamin’​ny Fivavahana Marina i Jesosy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Be zotom-po ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nanadio ny Tempoly i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Kapernaomy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 16 p. 42-p. 43 feh. 8
I Jesosy mandroaka an’ireo mpanakalo vola ao amin’ny tempoly

TOKO 16

Nafana Fo Tamin’ny Fivavahana Marina i Jesosy

JAONA 2:12-22

  • NANADIO NY TEMPOLY I JESOSY

Nankao Kapernaomy i Jesosy taorian’ilay fampakaram-bady tany Kana. Niaraka taminy ny reniny sy ny rahalahiny, dia i Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy.

Nahoana i Jesosy no nankao Kapernaomy? Toa lehibe kokoa io tanàna io sady mahavantana ny olona kokoa ny mankao noho ny mankany Nazareta na Kana. Maro tamin’ireo mpianany vaovao koa no nipetraka tao na teny akaiky teny. Afaka nampiofana azy ireo tao amin’ny faritra niavian’izy ireo àry i Jesosy.

Nanao fahagagana koa i Jesosy tamin’izy tao Kapernaomy. Nandre momba izay nataony àry ny olona maro tao sy teny amin’ny manodidina. Tsy ela anefa dia tsy maintsy nankany Jerosalema i Jesosy sy ny namany mba hanatrika ny Paska taona 30. Jiosy tia fivavahana mantsy izy ireo.

Nisy zavatra tena miavaka voamarik’ireo mpianatra tamin’i Jesosy, rehefa tao amin’ny tempoly tao Jerosalema izy ireo. Mbola tsy nahita hoatr’izany mihitsy izy ireo taloha.

Tokony hanao sorona biby tao amin’ny tempoly ny Israelita, araka ny Lalàn’Andriamanitra. Nila sakafo ireo olona avy lavitra, nandritra ny fotoana nijanonany tao Jerosalema. Neken’ny Lalàna àry raha nitondra vola izy ireo mba hividianana “omby na ondry na osy” ary izay nilainy nandritra ny fijanonany tao. (Deoteronomia 14:24-26) Nivarotra biby na vorona tao amin’ny tokotany malalaky ny tempoly ny mpivarotra, vokatr’izany. Nanambaka olona ny sasany ka nataony lafo be ny zavatra namidiny.

Tezitra be i Jesosy ka nararany ny vola madiniky ny mpanakalo vola, nazerany ny latabany, ary noroahiny izy ireo. Hoy izy avy eo: “Ento mivoaka any ireo! Aza atao trano fivarotana intsony ny tranon’ny Raiko!”—Jaona 2:16.

Rehefa nahita an’izany ny mpianany, dia nahatadidy an’ilay faminaniana momba ny Zanak’Andriamanitra hoe: “Handany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.” Hoy anefa ny Jiosy: “Inona àry no famantarana hasehonao anay mba hanaporofoanao fa manana fahefana hanao izao ianao?” Namaly i Jesosy hoe: “Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako izy ao anatin’ny telo andro.”—Jaona 2:17-19; Salamo 69:9.

Nieritreritra ny Jiosy hoe ny tempolin’i Jerosalema no tiany horesahina. Hoy àry izy ireo: “Enina amby efapolo taona ange no nanorenana ity tempoly ity e! Koa ianao ve hahatsangana azy ao anatin’ny telo andro?” (Jaona 2:20) Ny vatany anefa no tao an-tsain’i Jesosy tamin’ilay hoe tempoly. Tadidin’ny mpianany ireo teniny ireo rehefa natsangana tamin’ny maty izy, telo taona tatỳ aoriana.

  • Taiza avy no nalehan’i Jesosy taorian’ilay fampakaram-bady tany Kana?

  • Nahoana i Jesosy no tezitra noho izay hitany tao amin’ny tempoly, ary inona no nataony?

  • Inona no tao an-tsain’i Jesosy tamin’ilay hoe “ity tempoly ity”, ary inona no tiany holazaina tamin’izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara