FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w08 1/6 p. 23
  • Ilay Vonona Hamela Heloka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Vonona Hamela Heloka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Nampianarin’i Jesosy Hamela Heloka Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Nampianarin’ny Tompo Hamela Heloka Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Tsy Nivadika Mihitsy Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Ho Vitanao io, Hoatran’i Petera!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
w08 1/6 p. 23

Manatòna An’Andriamanitra

Ilay Vonona Hamela Heloka

Jaona 21:15-17

“HIANAO, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka.” (Salamo 86:5) Manome toky antsika ireo teny mampahery ireo, fa vonona hamela heloka i Jehovah Andriamanitra. ‘Mamela heloka dia mamela heloka tokoa Izy’, rehefa jerena ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny apostoly Petera.—Isaia 55:7.

Anisan’ny naman’i Jesosy akaiky i Petera. Resin’ny tahotra anefa izy ny alina talohan’ny hahafatesan’i Jesosy, ka nanjary nanao fahotana lehibe. Teo an-tokotanin’ny trano nitsarana an’i Jesosy mantsy izy tamin’izay. Nilaza tamin’ny olona teo izy fa tsy nahalala an’i Jesosy, ary tsy indray mandeha ihany no nitenenany an’izany fa intelo mihitsy. Rehefa avy nanda mafy fanintelony izy, dia ‘nitodika nijery azy’ i Jesosy. (Lioka 22:55-61) Azonao an-tsaina ve ny fihetseham-pon’i Petera, rehefa hitany nibanjina azy i Jesosy? “Difotr’alahelo izy ka nanomboka nitomany.” Nanda an’i Jesosy intelo izy ka tsapany fa nanao fahotana lehibe. (Marka 14:72) Nibebaka ilay apostoly, kanefa nanahy koa angamba izy sao dia tsy havelan’Andriamanitra ny helony.

Niala ny ahiahin’i Petera, taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, noho ny resaka nifanaovan’izy ireo. Tsy tezitra taminy i Jesosy tamin’izay, sady tsy nanameloka azy. Nanontany azy kosa izy hoe: ‘Tia ahy ve ianao?’ “Eny, Tompo ô”, hoy i Petera, “fantatrao fa miraiki-po aminao aho.” Hoy àry i Jesosy: “Fahano àry ny zanak’ondriko.” Namerina nanontany azy indray i Jesosy, ary toy ilay teo ihany ny valin-tenin’i Petera, saingy mety ho mafimafy kokoa noho ny teo aloha ny feony. Namaly indray i Jesosy hoe: “Andraso àry ny ondrikeliko.” Nametraka fanontaniana nitovitovy tamin’ilay teo indray i Jesosy avy eo, hoe: “Miraiki-po amiko ve ianao?” “Nalahelo i Petera” tamin’izay, ary nilaza hoe: “Tompo ô, ianao mahalala ny zava-drehetra. Fantatrao fa miraiki-po aminao aho.” Hoy àry i Jesosy: “Fahano ny ondrikeliko.”—Jaona 21:15-17.

Nahoana i Jesosy no mbola nanontany na dia efa fantany aza ny tao am-pon’i Petera? (Marka 2:8) Nametraka an’ireo fanontaniana ireo izy, mba hahafahan’i Petera hanantitrantitra intelo fa tia azy izy. Ireo tenin’i Jesosy hoe ‘fahano ny zanak’ondriko, andraso ny ondrikeliko, fahano ny ondrikeliko’, dia nanome toky an’ilay apostoly fa mbola natokisan’i Jesosy izy. Nasain’i Jesosy nikarakara an’ireo fananany sarobidy izy. Tsy inona izany fa ny mpanara-dia an’i Jesosy, izay oharina amin’ny ondry. (Jaona 10:14, 15) Tsy maintsy ho nahatsiaro maivamaivana erỳ i Petera, rehefa nahalala fa mbola natoky azy i Jesosy!

Asehon’izany fa namela ny helok’ilay apostoly nibebaka i Jesosy. Koa satria izy manahaka tanteraka an’i Jehovah Rainy, dia azo antoka fa namela ny helok’i Petera koa i Jehovah. (Jaona 5:19) Tsy mba misalasala mamela heloka i Jehovah. Andriamanitra be famindram-po izy ary vonona hamela ny helok’izay mpanota mibebaka. Tena mampahery tokoa izany!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara