-
Zava-dehibe ve ny hoe Ateraka Indray?Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Aprily
-
-
Mariho ilay teniny hoe: “Tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraka indray.” (Jaona 3:3) Asehon’ny hoe “tsy afaka” sy “raha tsy” fa tena ilaina ny hateraka indray. Raha misy, ohatra, milaza hoe: “Tsy afaka miaina ianao raha tsy misy rivotra”, dia mazava ny tiany hotenenina fa tena tokony hisy ny rivotra vao afaka miaina ianao. Tena tokony hateraka indray koa àry ny olona vao afaka mahita ny Fanjakan’Andriamanitra.
-
-
Safidin’ny Tsirairay ve ny Hateraka Indray?Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Aprily
-
-
Raha dinihintsika tsara ny tenin’i Jesosy, dia hitantsika fa tsy nilaza mihitsy izy hoe anjaran’ny tsirairay ny mifidy raha hateraka indray izy, na tsia. Nahoana? Azo adika koa hoe “tokony hateraky ny any ambony”a mantsy ilay teny grika nadika hoe “ateraka indray.” Ny “any ambony”, izany hoe ny any an-danitra, na ‘ny Ray’, no tompon’antoka ny amin’izany. (Jakoba 1:17) Miankina amin’Andriamanitra àry no mahatonga ny olona hateraka indray.—1 Jaona 3:9.
-
-
Nahoana no Misy Olona Ateraka Indray?Ny Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Aprily
-
-
Mariho anefa izay nolazain’i Jesosy. Hoy izy: “Tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraka indray.” (Jaona 3:3) Ateraka indray àry ny olona, mba hidirany ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy mba hahavoavonjy azy. Mety hisy anefa hilaza hoe: ‘Ka tsy mitovy ihany moa ny hoe miditra ao amin’ilay Fanjakana sy ny hoe voavonjy?’ Tsy izany mihitsy. Andao aloha hodinihintsika ny atao hoe “fanjakan’Andriamanitra”, dia hazava amintsika izany.
Fitondram-panjakana ny hoe fanjakana. “Fitondram-panjakan’Andriamanitra” àry ny hoe “fanjakan’Andriamanitra.” Milaza ny Baiboly fa i Jesosy Kristy, na ny “zanak’olona”, no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary misy olona hafa miara-manjaka aminy. (Daniela 7:1, 13, 14; Matio 26:63, 64) Voalaza ao amin’ny fahitana iray azon’ny apostoly Jaona koa fa ireo mpiara-manjaka amin’i Kristy ireo dia olona nofidina “avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra.” “Ho mpanjaka hitondra ny tany” izy ireo. (Apokalypsy 5:9, 10; 20:6) Milaza koa ny Tenin’Andriamanitra fa antsoina hoe “ondry vitsy” ireo ho lasa mpanjaka ireo. Olona 144 000 “novidina avy teto an-tany” izy ireo.—Lioka 12:32; Apokalypsy 14:1, 3.
Aiza ny foiben’ny Fanjakan’Andriamanitra? Antsoina koa hoe “fanjakan’ny lanitra” ny “fanjakan’Andriamanitra.” (Matio 13:11; Lioka 8:10) Midika izany fa avy any an-danitra i Jesosy sy ny mpiara-manjaka aminy no hitondra. Fitondram-panjakana any an-danitra àry ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy sy ireo olom-boafidy avy eto an-tany no ho mpitondra.
Inona àry no tian’i Jesosy hotenenina rehefa nilaza izy fa tsy maintsy hateraka indray ny olona, mba ‘hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra’? Izao izany: Tokony hateraka indray ny olona iray mba ho lasa mpanjaka miaraka amin’i Kristy any an-danitra. Raha tsorina àry, dia misy olona vitsivitsy ateraka indray, mba hanomanana azy ho lasa mpanjaka any an-danitra.
-