FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp17 No. 2 p. 6-7
  • Hankasitrahanao ve Ilay Fanomezana Faran’izay Sarobidy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hankasitrahanao ve Ilay Fanomezana Faran’izay Sarobidy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Fanomezana avy Amin’Andriamanitra ny Vidim-panavotana
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Mahakasika Anao ny Hafatra Notorin’i Jesosy Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Nahoana no Tena Sarobidy Ilay Fanomezana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
wp17 No. 2 p. 6-7
Vehivavy iray mianatra samirery ny Baiboly

MATOAN-DAHATSORATRA | HORAISINAO VE ILAY FANOMEZANA SAROBIDY NOMEN’ANDRIAMANITRA?

Hankasitrahanao ve Ilay Fanomezana Faran’izay Sarobidy?

“Ny fitiavan’i Kristy no manery anay ... Maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo.”​—2 Korintianina 5:14, 15.

TOKONY hahay hankasitraka isika rehefa mahazo fanomezana tsara be. Izany no nasongadin’i Jesosy rehefa avy nanasitrana folo lahy voan’ny aretina tsy nisy fanafany izy. “Niverina” ny iray, “ka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny feo avo.” Hoy i Jesosy: “Tsy efa voadio daholo moa izy folo? Fa aiza ny sivy?” (Lioka 17:12-17) Hita amin’izany fa mora manadino ny soa atao aminy ny olona!

Fanomezana tsy manan-tsahala ny vidim-panavotana. Tsy misy fanomezana sarobidy kokoa noho io. Ahoana àry no ampisehoanao fa mankasitraka azy io ianao?

  • Fantaro ilay nanome azy. Tsy tonga dia hahazo fiainana mandrakizay daholo ny olona, na dia nanome ny vidim-panavotana aza Andriamanitra. Nivavaka mantsy i Jesosy hoe: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Aoka hatao hoe nisy olona namonjy anao tsy ho faty tamin’ianao mbola kely. Tsy ho tianao ve ny hahalala bebe kokoa azy sy ny antony namonjeny anao? Nanome ny vidim-panavotana i Jehovah mba hamonjena antsika, ary tiany ianao hahalala azy sy hifandray akaiky aminy. Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”​—Jakoba 4:8.

  • Vehivavy iray mivavaka

    Manehoa finoana ny vidim-panavotana. “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:36) Mila aseho amin’ny atao ny finoana. Mila manao zavatra àry ianao raha tena mino ny vidim-panavotana. (Jakoba 2:17) Inona no tokony hataonao? Mila manaiky handray an’izay fanomezana omena anao ianao, vao ho lasanao ilay izy. Izany koa no tokony hataonao amin’ny vidim-panavotana. Amin’ny fomba ahoana? Fantaro hoe hoatran’ny ahoana ny fomba fiaina tian’Andriamanitra, dia araho izany.a Mivavaha mba hamelany ny helokao sy hanananao feon’ny fieritreretana madio. Ho sambatra sy hiadana mandrakizay ianao raha maneho finoana ny vidim-panavotana.​—Hebreo 11:1.

  • Olona manao ny lahatenin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy

    Atreho ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Tsy tian’i Jesosy hanadino ny nanomezana ny vidim-panavotana isika, ka nanao fankalazana vaovao izy. Hoy izy: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Tokony hatao isan-taona àry izy io. Hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah ny talata 11 Aprily 2017, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Haharitra adiny iray eo ho eo ilay fandaharana. Hisy lahateny hanazava hoe nahoana no zava-dehibe ny nahafatesan’i Jesosy, ary inona ny soa entin’izany dieny izao sy amin’ny hoavy. Nisy 20 tapitrisa teo ho eo eran-tany no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny taon-dasa. Asainay ianao hanatrika azy io, ho fankasitrahana an’ilay fanomezana faran’izay sarobidy nomen’Andriamanitra.

a Ny fianarana Baiboly no fomba tsara indrindra ahalalana an’Andriamanitra sy anatonana azy. Anontanio an’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny fomba anaovana an’izany, na tsidiho ny tranonkalanay www.jw.org/mg.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara